2019
Ny fomba hizarana ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fomba mandeha ho azy kokoa
Martsa 2019


Sary
ministering

Fitsipika momba ny fanompoana, martsa 2019

Ny fomba hizarana ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny fomba mandeha ho azy kokoa

Ny fanompoana dia fijoroana ho vavolombelona. Ny fanompoana amin’ny fomba miovaova dia afaka mampitombo ireo fahafahantsika mizara fijoroana ho vavolombelona mivantana na tsy mivantana.

Nanao fanekempihavanana isika mba “hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zavatra rehetra, ary amin’ny toerana rehetra” (Mosià 18:9). Anisan’ny fijoroantsika ho vavolombelona ny fizarana ny tenivavolombelontsika ary fomba mahery vaika iray hanasana ny Fanahy Masina mba hikasika ny fon’ny olona izany ka hanova ny fiainany.

“Ny fijoroana ho vavolombelona—tena fijoroana ho vavolombelona, vokatry ny Fanahy sy hamafisin’ny Fanahy Masina—dia manova fiainana,” hoy ny Filoha M. Russell Ballard izay Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.1

Kanefa mety ho mahamenatra na tsy mampahazo aina ho an’ny sasany amintsika ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Izany dia mety hoe satria eritreretintsika fa ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika dia zavatra atao mandritra ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona na rehefa mampianatra lesona iray. Amin’ireny fotoana manokana ireny dia matetika isika no mampiasa teny sy andian-teny manokana izay hafahafa raha lazaina ao anatin’ny fifampiresahana tsotra.

Ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika dia afaka ny ho tonga fitahiana mitohy ho an’ny fiainantsika sy ny fiainan’ny hafa rehefa takatsika hoe mety ho tena tsotra ny mizara izay inoantsika eo amin’ny sehatra andavanandro. Ireto ary misy hevitra vitsivitsy hanampiana anao hanomboka izany:

Ataovy tsotra izany

Ny fijoroana ho vavolombelona dia tsy voatery manomboka amin’ny andian-teny hoe: “Te hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananako aho,” ary tsy mila faranana amin’ny hoe: “Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.” Ny fijoroana ho vavolombelona dia fanambarana izay inoantsika sy fantatsika fa marina. Koa ny firesahana eny an-dalana amin’ny mpifanolo-bodirindrina aminao mikasika ny olana ananany sy ny filazana hoe: “Fantatro fa mamaly vavaka Andriamanitra,” dia mety ho mahery vaika toy ny fijoroana ho vavolombelona zaraina avy eny amin’ny polopitra ao am-piangonana. Ny hery dia tsy tonga amin’ny teny mirindra; tonga avy amin’ny Fanahy Masina izay manamafy fahamarinana izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:7–8).

Ataovy mifanaraka amin’ny fiteny atao amin’ny resadresaka andavanandro

Raha toa ka maniry ny hizara isika dia hisy fahafahana manodidina antsika mba hizarana fijoroana ho vavolombelona ao anatin’ny resadresaka andavanandro. Ohatra:

  • Misy olona iray manontany anao mikasika ny faran’ny herinandronao. “Nahafinaritra izany,” hoy ianao namaly. “Tena ny zavatra nilaiko mihitsy ny tany am-piangonana.”

  • Maneho fitserana ny olona iray taorian’ny nahanfantarany momba ny olana iray eo amin’ny fiainanao: “Mampalahelo ahy izany.” Mamaly ianao hoe: “Misaotra betsaka anao miahiahy. Fantatro fa hanohana ahy Andriamanitra ao anatin’ity olana ity. Efa nanampy ahy Izy taloha.”

  • Milaza ny olona iray hoe: “Manantena aho fa hiova tsy ho ela ity toetrandro mahatsiravina ity,” na “Tena tara be ny fiara fitaterana,” na “Jereo ange ity fitohanan’ny fifamoivoizana ity e.” Afaka valianao hoe: “Azoko antoka fa hanampy hampandeha ny zavatra rehetra Andriamanitra.”

Zarao ny zavatra niainanao

Matetika isika no mifampiresaka momba ireo olana ananantsika. Rehefa milaza aminao mikasika momba ny zavatra atrehany ny olona iray dia azonao atao ny mizara momba ny fotoana iray izay nanampian’ Andriamanitra anao tao nandritra ireo fisedrana nanananao sy mijoro ho vavolombelona fa fantatrao fa afaka manampy azy ihany koa Izy. Nilaza ny Tompo fa hampatanjaka ansika ao anatin’ny fisedrana mahazo antsika “mba hahazoanareo mijoro ho vavolombelona ny Amiko rahatrizay sy mba hahazoanareo mahalala marina tokoa fa Izaho, Tompo Andriamanitra, dia mamangy ny oloko ao amin’ ny fahoriany” (Môsià 24:14). Afaka mijoro ho vavolombelona ny Aminy isika rehefa mijoro ho vavolombelona momba ny fomba nanampiany antsika tao anatin’ireo fisedrana nahazo antsika.

Aoka ianao ho vonona

Ho an’ny sasany amintsika, dia mety ho mahamenatra ny fizarana fijoroana ho vavolombelona tampoka. Misy fomba ahafahantsika manomana mialoha sy “ho vonona mandrakariva hamaly izay manontany [antsika] ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatin[tsika]” (1 Petera 3:15).

Voalohany, ny hoe vonona dia mety midika ho fijerevana ny fomba fiainantsika. Moa ve isika manasa ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika ary mampatanjaka ireo fijoroana ho vavolombelona ananantsika isan’andro amin’ny alalan’ny fiainana araka ny fahamarinana? Moa ve isika manome fahafahana ho an’ny Fanahy mba hiresaka amintsika ary hanome antsika ireo teny izay ilaintsika amin’ny alalan’ny vavaka sy fandalinana ny soratra masina? Tahaka ny torohevitra nomen’ny Tompo an’i Hyrum Smith hoe: “Aza mikatsaka ny hitory ny teniko, fa katsaho aloha ny hahazo ny teniko, ary amin’ izay dia hovahana ny lelanao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21).

Faharoa, ny hoe vonona dia mety midika hoe mieritreritra momba ny ho avy sy mandinika ireo fahafahana mety hanananao hizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao amin’io andro io na io herinandro io. Afaka miomana amin’ireo fahafahana ireo ianao amin’ny alalan’ny fieritreretana momba ny fomba mety hanomezan’izy ireo fahafahana ho anao mba hizarana izay inoanao.

Mifantoha hatrany amin’ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany

Nampianatra ny Filoha Ballard hoe: “Na dia afaka manana fijoroana ho vavolombelona momba ny zavatra maro aza isika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika, dia misy fahamarinana fototra ilaintsika hifampianarana sy hifampizarana tsy tapaka.” Ho ohatra amin’izany dia notanisainy ny hoe: “Andriamanitra no Raintsika ary Jesoa no Kristy. Ny drafitry ny famonjena dia mifototra amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Namerina tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara mandrakizain’i Jesoa Kristy i Joseph Smith, ary ny Bokin’i Môrmôna dia porofo fa marina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika.” Rehefa maneho ireo fahamarinana avy amin’ny fo ireo isika dia manasa ny Fanahy hijoro ho vavolombelona fa marina izay nolazaintsika. Nohamafisin’ny Filoha Ballard fa “tsy afaka hangina ny Fanahy rehefa zaraina ny fijoroana ho vavolombelona madio.”2

Ny Ohatry ny Mpamonjy

Raha reraka avy tamin’ny dia nandalo tao Samaria ny Mpamonjy, dia niato mba haka aina teo amin’ny lavaka fantsakana iray ka nahita vehivavy iray teo. Nanomboka resadresaka momba ny fisintonana rano avy tao amin’ny lavaka fantsakana Izy. Ny fampiasana ity raharaha andavanandro izay nataon’ilay vehivavy ity dia nanome fahafahana ho an’i Jesoa mba hijoro ho vavolombelona momba ilay rano velona sy fiainana mandrakizay ho an’ireo izay mino Azy (jereo ny Jaona 4:13–15, 25–26).

Afaka manova fiainana ny fijoroana ho vavolombelona tsotra iray

Ny Filoha Russell M. Nelson dia niresaka momba ny mpitsabo mpanampy iray izay nametraka fanontaniana iray tamin’i Dr Nelson tamin’izany, taorian’ny fandidiana sarotra iray. “Nahoana ianao no tsy toa ireo mpandidy hafa?” Ireo mpandidy sasany fantany dia mety ho mora misendaotra ka miteny ratsy rehefa manatanteraka fandidiana sarotra.

Afaka namaly tamin’ny fomba maro samihafa i Dr Nelson. Kanefa novaliany tsotra hoe: “Satria fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna.”

Nitaona ilay mpitsabo mpanampy sy ny vadiny handalina ny Bokin’i Môrmôna ny valin-teniny. Nanao batisa ilay mpitsabo mpanampy ny Filoha Nelson taty aoriana. Am-polo taonany maro taty aoriana, raha niahy ny fihaonamben’ny tsatòka iray tany Tennessee, Etazonia, izy vao notendrena ho Apôstôly vaovao iny, dia nankamamy fivoriana iray tsy nampoizina niaraka tamin’io mpitsabo mpanampy io ihany ny Filoha Nelson. Nitantara izy fa iny resadresaka iny, izay niteraka ny fijoroany ho vavolombelona tsotra sy ny fitaoman’ny Bokin’i Môrmôna, dia nitarika ny fiovam-pon’ny olona 80 isa hafa.3

Fanasana mba hanao asa

Aza matahotra ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Mety hitahy ireo izay tompoinao izany. Amin’ny fomba ahoana no hampiasanao ireo hevitra ireo na ny anao manokana mba hizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao anio?

Fanamarihana

  1. M. Russell Ballard, “Pure Testimony,” Liahona, Nov. 2004, 40.

  2. M. Russell Ballard, “Pure Testimony,” 41.

  3. Tao amin’ny Jason Swensen, “Be Ready to Explain Your Testimony Using the Book of Mormon, President Nelson Says,” fizarana Church News ao amin’ny LDS.org, 6 feb. 2018, news.lds.org.