2019
Ahoana no ahafahantsika mamboly ny kolontsain’ny fandraisana ny olon-drehetra tsy ankanavaka ato amin’ny Fiangonana?
Jolay 2019


Sary
ministering

Fitsipika momba ny Fanompoana, jolay 2019

Ahoana no ahafahantsika mamboly ny kolontsain’ny fandraisana ny olon-drehetra tsy ankanavaka ato amin’ny Fiangonana?

Raha mandinika isika any amin’ny paroasy sy ny sampana misy antsika avy dia mahita olona izay toa mora mifandray amin’ny hafa. Kanefa tsy tsikaritsika fa na dia eo anivon’ireo izay toa mora mifandray amin’ny hafa aza dia maro amin’izy ireny no mahatsapa tena ho voahilikilika. Vao tsy ela ohatra dia nisy fanadihadiana iray izay nahitana fa ny antsasa-manilan’ireo olon-dehibe eto Etazonia no nitaraina ho mahatsapa tena manirery, tsy misy mpiraharaha, na voavaka amin’ny hafa.1

Manan-danja ny mahatsapa tena ho voaray tsara. Zavatra fototra amin’ny filan’ny olombelona izany ary rehefa mahatsapa tena ho voahilikilika isika dia maharary izany. Mety hiteraka alahelo na hatezerana ny fahatsapan-tena hoe tsy misy mpiraharaha.2 Mazàna isika no lasa mitady toerana ahafahana mahazo aina rehefa tsy mahatsapa tena hoe ilaina. Mila manampy ny rehetra isika hahatsapan’izy ireo fa ilaina ato am-piangonana izy ireo.

Mandray ny olon-drehetra tsy ankanavaka tahaka ny nataon’ny Mpamonjy

Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra mikasika ny fanomezan-danja sy ny fandraisana tsara ny hafa. Rehefa nisafidy ireo Apôstôliny Izy dia tsy nijery akory ny resaka fari-piainana, na harena na ny hatsaran’ny antom-pivelomana. Nomeny lanja ilay vehivavy Samaritana teo am-patsakana tamin’ny fijoroany ho vavolombelona taminy ny amin’ny maha-Andriamanitra Azy na dia teo aza ny fanambanian’ny Jiosy ny Samaritana (jereo ny Jaona 4). Mijery ny fo Izy ary tsy mizaha tavan’olona (jereo ny 1 Samoela 16:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:16, 26).

Hoy ny Mpamonjy hoe:

“Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.

“Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia” (Jaona 13:34–35).

Inona no azontsika atao?

Sarotra indraindray ny manavaka raha toa ny olona iray ka mahatsapa tena ho toy ny vahiny. Ankamaroan’ny olona no tsy manambara izany; na koa hoe tsy manambarana izany mazava. Saingy amin’ny alalan’ny fo tia sy ny fitarihan’ny Fanahy Masina ary ny fiezahana mba hahafantatra, isika dia afaka mahafantatra rehefa misy olona mahatsapa tena ho tsy voaray tsara mandritra ny fivoriam-piangonana na hetsika karakarain’ny Fiangonana.

Ireo mety ho soritsoritra eny amin’ny olona mahatsapa tena ho voahilikilika:

  • Mifehifehy tena toy ny hoe mamoritra mafy ny tanana na mijery ambany.

  • Mipetraka eny amin’ny faran’ny efitrano na mitoka-monina.

  • Tsy mandeha am-piangonana na manatrika fivoriam-bavaka matetika.

  • Mody aloha rehefa misy fivoriana na hetsika.

  • Tsy mandray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra na lesona.

Mety anisan’ireny koa ny soritsoritr’ireo fihetseham-po hafa toy ny fahamenarana, na tahotra, na tsy fahazoana aina. Mety hahatsapa tena ho “hafa” ireo mpikambana rehefa mpikambana vaovao ao amin’ny Fiangonana, avy amin’ny firenen-kafa na kolontsaina hafa; na raha vao avy nandalo fiovam-piainana mamely ny saina toy ny fisaraham-panambadiana, na fahafatesan’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana, na fiverenana vao haingana avy tamin’ny fanompoana tamin’ny fotoana feno.

Na inona na inona antony dia tsy tokony hiambahamba isika hanolo-tanana am-pitiavana. Afaka miteraka fahatsapan’ny rehetra tena ho tonga soa sy ilaina ny zavatra lazaintsika sy ny zavatra ataontsika.

Fomba sasantsany mba hifandraisana tsara amin’ny hafa sy handraisana tsara ny hafa:

  • Aza miara-mipetraka foana amin’ny olona mitovy ao am-piangonana.

  • Aza jerena ivelany fa jereo amin’ny tena maha-izy azy ny olona. (Ho fanampim-panazavana momba ity lohahevitra ity dia jereo ny “Ministering Is Seeing Others as the Savior Does,” Liahona, Jona 2019, 8–11.)

  • Ampandraiso anjara amin’ny resadresaka atao ny hafa.

  • Asao ho isan’ny olona eo amin’ny fiainanao ny hafa. Azonao atao ny mampandray anjara azy ireny amin’ireo hetsika efa karakarainao amin’izao.

  • Mitadiava ary manaova zavatra mahaliana iraisana.

  • Aza manakana finamanana satria hoe tsy mifanaraka amin’izay zavatra andrasanao ny olona iray.

  • Rehefa misy zavatra hitanao fa mampiavaka ny olona iray dia mba liana amin’izany fa aza lalovana fotsiny na tsy resahana.

  • Manehoa fitiavana ary manomeza doka avy amin’ny fo.

  • Makà fotoana hieritreretana momba ny tena dikan’ny teny lazaintsika hoe natao ho an’ny rehetra ny Fiangonana na manao ahoana na manao ahoana ny fahasamihafana. Ahoana no ahafahantsika mampisy izany?

Tsy mora foana ny mahatsapa tena ho mahazo aina manodidina olona samihafa amintsika. Kanefa rehefa mizatra manao izany dia afaka ny hihatsara ny fahitantsika ny lanjan’ny fahasamihafana ary hankasitrahantsika kokoa ny anjara biriky entin’ny tsirairay avy. Nampianatra ny Loholona Dieter F. Uchtdorf avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa afaka manampy antsika ho lasa olona tsaratsara kokoa sy sambatra kokoa ny fahasamihafantsika dia: “Avia, ampio izahay hanorina sy hanamafy orina kolontsaina manolotra fanasitranana sy hatsaram-panahy ary famindrampo amin’ny zanak’Andriamanitra rehetra.”3

Voatahy noho ny fandraisana tsara

Nifindra monina tany amin’ny firenen-kafa i Christl Fetcher taorian’ny nandravan’ny ady ny toeram-ponenany. Tsy nahay ny fiteny izy ary tsy nahafantatra na iza na iza teo amin’ny manodidina azy ka dia nahatsapa tena ho nitoka-monina sy irery izy tamin’ny voalohany.

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy dia nangoniny ny herim-pony ary nanomboka nanatrika ny paroasy nisy azy izy. Niahiahy izy hoe mety hampiahotra ny olona tsy hiresaka aminy ny lelany izay mavesatra amin’ny fanononana ny teny; na mety hisy hitsara azy amin’ny maha-vehivavy tokan-tena azy.

Kanefa nihaona tamin’ny olona izay tsy nijery ny maha-hafa azy izy ary noraisin’ireo tao amin’ny sehatry ny finamanan’izy ireo. Nanampy azy tamim-pitiavana izy ireo ary tsy ela dia lasa nahefa be tamin’ny fanampiana tamin’ny fampianarana tao amin’ny kilasin’ny Kilonga izy. Ohatra lehibe tamin’ny fandraisana ny hafa ireo ankizy ary ny fahatsapana tena ho tiana sy nilaina dia nanamafy orina ny finoany sy nanampy azy hanavao ny fanolorantenany mandra-maty ho an’ny Tompo.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Alexa Lardieri, “Study: Many Americans Report Feeling Lonely, Younger Generations More So,” U.S. News, May 1, 2018, usnews.com.

  2. Jereo ny Carly K. Peterson, Laura C. Gravens, and Eddie Harmon-Jones, “Asymmetric Frontal Cortical Activity and Negative Affective Responses to Ostracism,” Social Cognitive and Affective Neuroscience, vol. 6, no. 3 (June 2011), 277–85.

  3. Dieter F. Uchtdorf, “Minoa, mitiava ary manaova asa,” Liahona, nôv. 2018, 48.