2019
Moa ve aho afaka manampy olona hiova?
Aogositra 2019


Sary
ministering

Fitsipika momba ny fanompoana, aogositra 2019

Moa ve aho afaka manampy olona hiova?

Eny. Saingy mety tsy mitovy amin’izay noheverinao ny anjara andraikitrao.

Isika dia nohariana hoe manana fahafahana hiova. Ny mivoatra mankamin’ilay fahafahantsika ho lasa andriamanitra no tanjon’ny fiainantsika eto an-tany. Anisan’ny tanjontsika lehibe indrindra eo amin’ny fanompoana ny manampy ny hafa hanatona an’i Kristy sy hanao ireo fanovana ilaina mba hiverenana eo anatrehany. Saingy noho ny fahafahan’izy ireo misafidy dia voafetra ny anjara asantsika eo amin’ny fanampiana azy ireo hitovy kokoa amin’i Kristy.

Indro misy lesona fito mahery vaika avy amin’ny Mpamonjy mikasika ny fomba ahafahantsika manampy ny hafa eo amin’ny ezaka ataon’izy ireo hiovana sy hitovizana kokoa Aminy.

  1. Aza matahotra ny hanasa olona hiova

    Tsy natahotra ny Mpamonjy hanasa ny hafa hiala amin’ireo fomba taloha ary hanaiky tanteraka ireo fampianarany. Nanasa an’i Petera sy Jakoba Izy handao ny asa fihariany ary ho “[lasa] mpanarato olona” (Marka 1:17). Nanasa ilay vehivavy tratra nijangajanga Izy “[handeha ary tsy h]anota intsony” (Jaona 8:11). Nanasa ilay zatovo mpanan-karena Izy hamoy ny fifikirany tamin’ireo zavatr’izao tontolo izao ary hanaraka Azy (jereo ny Marka 10:17–22). Isika koa dia afaka ny ho sady feno fahasahiana no feno fitiavana rehefa manasa ny hafa hiova sy hanaraka ny Mpamonjy.

  2. Tsarovy fa anjaran’izy ireo ny misafidy hiova

    Ilay karazana fiovana izay hanasan’ny Mpamonjy dia tsy azo terena. Nampianatra sy nanasa ny Mpamonjy, fa tsy nanery. Ilay zatovo mpanan-karena dia “niala tamin’alahelo” (Matio 19:22). Tao Kapernaomy dia maro tamin’ireo mpianany no nisafidy ny “[h]ihemotra,” ka nanontaniany ireo mpianany raha mba te-hiala koa (jereo ny Jaona 6:66–67). Ny sasany tamin’ireo mpanara-dia an’i Jaona mpanao Batisa dia nisafidy hanaraka ny Mpamonjy, fa ny hafa dia tsy nisafidy izany (jereo ny Jaona 1:35–37; 10:40–42). Afaka manasa ny hafa isika hitovy kokoa Aminy, saingy tsy afaka handray ny fanapahan-kevitra ny hiova eo amin’ny toeran’izy ireo. Koa raha tsy mbola nisafidy ny hiova izy ireo dia tsy tokony hilavo lefona isika, sady tsy tokony hahatsapa ho tsy nahomby.

  3. Mivavaha mba ho afaka hiova ny hafa

    Nandritra ny vavaka fanalalanana nataon’i Jesoa dia nangataka an’Andriamanitra Izy hiaro ireo mpianany amin’ny ratsy, ho lasa mitovy kokoa Aminy sy amin’ny Ray, ary ho heniky ny fitiavan’ Andriamanitra ( jereo ny Jaona 17:11, 21–23, 26). Ary satria fantatry ny Mpamonjy fa hila hery i Petera eo amin’ny ezaka ataony hivoarana eo amin’ny anjara andraikiny, dia nivavaka ho azy Izy (jereo ny Lioka 22:32). Afaka manova zavatra ny vavaka ataontsika ho an’ny hafa (jereo ny Jakoba 5:16).

  4. Ampianaro izy ireo hiantehitra amin’ny herin’ny Tompo

    Amin’ny alalan’ny Mpamonjy ihany no ahafahantsika hoe tena miova sy mivoatra mamkamin’ilay fahafahantsika ho tonga andriamanitra izay ananantsika rehetra. Izy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alala[ny]” (Jaona 14:6). Ny heriny no afaka mahatonga “ny zavatra malemy … [ho] tonga matanjaka” (Etera 12:27). Ny finoana ny hery manavotra ananany no nahafahan’i Almà Zanany hiova (jereo ny Almà 36:16–23). Afaka mampianatra ny hafa isika hiantehitra amin’ny Mpamonjy mba hahafahan’izy ireo koa hanana ilay heriny manefy eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  5. Hevero ho toy izay azon’izy ireo ahatongavana izy ireo

    Ny fitiavana sy ny fandraisana tsara dia afaka ny ho fitaomana mahery vaika hitondra fiovana. Ilay vehivavy teo am-patsakana dia nanao tokantrano maso tamina lehilahy iray izay tsy vadiny. Ireo mpianatr’i Jesoa dia “gaga, satria vehivavy no niresahany” (Jaona 4:27), saingy i Jesoa dia niraharaha kokoa ny amin’izay azon’ilay vehivavy ahatongavana. Nampianatra azy Izy ary nanome azy fahafahana hiova, ary niova tokoa izy. (Jereo ny Jaona 4:4–42.)

    Rehefa mandray ny hafa araka izay toetrany hatrizay isika fa tsy araka izay mety hahatongavany, dia mety mihazona azy ireo tsy handroso. Azontsika atao kosa ny mamela heloka azy ireo ary manadino ireo hadisoana lasa. Afaka mino isika hoe afaka miova ny hafa. Azontsika hodiana tsy hita ireo fahalemena ary havoitra ireo lafy tsarany izay mety tsy hitan’izy ireo eny amin’ny tenany. “Manana andraikitra isika hijery ny olona tsy araka izay maha-izy azy fa araka izay mety ahatongavany.”1

  6. Avelao izy ireo handeha amin’ny hafainganam-pandehany manokana

    Mila fotoana ny fiovana. Isika rehetra dia mila “mito[zo] amin’ny faharetana mandra-pahatonga [antsika] ho tanteraka” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:13). Nanam-paharetana tamin’ny hafa i Jesoa ary nanohy nampianatra na dia ireo izay nanohitra Azy aza, ka nijoro ho vavolombelona mikasika ny anjara asa nomen’ny Rainy azy ary mamaly ireo fanontaniany (jereo ny Matio 12:1–13; Jaona 7: 28–29). Afaka ny hanam-paharetana amin’ny hafa isika ary hamporisika azy ireo hanam-paharetana amin’ny tenan’izy ireo.

  7. Aza milavo lefona raha toa ka miverina amin’ny fomba taloha izy ireo

    Taorian’ny nahafatesan’i Kristy, dia na i Petera sy ny sasany amin’ireo Apôstôly hafa aza dia niverina tamin’ny efa nahazatra azy ireo taloha (jereo ny Jaona 21:3). Nampahatsiahivin’i Kristy i Petera fa nila “[namahana] ny ondri[ny]” izy (jereo ny Jaona 21:15–17), ka dia niverina tamin’ny asa fanompoany i Petera. Mety ho tena mora foana ny miverina amin’ny fomba taloha. Afaka manohy manampy isika amin’ny famporisihana feno hatsaram-panahy sy ny fanasana entanim-panahy hanohy hanaraka ny Mpamonjy sy hiezaka hitovy kokoa Aminy.

Mamela ny hafa hivoatra

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mitantara ity tranga mahakasika ny famelana ny hafa hivoatra ity: “Indray mandeha dia notantaraina tamiko ny amin’ny zatovolahy iray izay nandritra ny taona maro no saika izy foana no natao hihomehezana tany amin’ny sekoly nisy azy. Somary nanana kilema izy dia mora tamin’ireo mpiara-mianatra ny nandrabiraby azy. Taty aoriana dia nifindra monina izy. Lasa tafiditra tao amin’ny tafika izy ary nahita fahombiazana tao ka afaka nandrato fianarana ary amin’ny ankapobeny tafala lavitra tamin’ny fiainany fahiny. Fa indrindra indrindra, toy izay nitranga tamin’ny miaramila maro, dia nahita ny hakanto sy ny hatsaran’ny Fiangonana izy ary lasa nafana fo sy sambatra tao amin’ny Fiangonana.

“Taona maro taty aoriana dia niverina tany amin’ilay tanàna nahalehibe azy izy. Efa lasa nifindra ny ankamaroan’ireo mitovitovy taona taminy saingy tsy izy rehetra akory. Raha zovina, rehefa tafaverina izy, tafita sy niova tanteraka, dia toa mbola nanjaka teo ilay fomba fisainana izay nisy taloha, niandry ny fiverenany. Ho an’ireo olona tao amin’ny tanàna niaviany dia mbola ilay -Ranona- taloha ihany izy. …

“Noho ny farany dia nihena tsikelikely ny ezaka nataon’ilay lehilahy handao ny lasany ka handrombaka ilay amboara izay napetrak’ Andriamanitra teo anoloany, ka tamin’ny nahafatesany dia nitovitovy tamin’ny fiainany tamin’ny fahatanorany ny toe-javatra niainany. … Tena ratsy loatra, nampalahelo loatra fa hoe iny indray izy fa tafaverina ho voahodidin’ … ireo izay nihevitra fa ny lasany no mahaliana kokoa noho ny hoaviny. Vitan’izy ireo ny nanala teo am-pelantanany ilay zavatra izay norombahan’i Kristy ho azy. Ka dia maty tao anatin’ny alahelo izy, na dia tsy nisy hadisoany loatra aza. …

Avelao ny olona hibebaka. Avelao ny olona hivoatra. Minoa fa afaka miova sy mihatsara ny olona.”2

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Mijery ny hafa araka izay mety ho ahatongavany,” Liahona, nôv. 2012, 70.

  2. Jeffrey R. Holland, “The Best Is Yet to Be,” Liahona, jan. 2010, 19, 20.