2019
Ahoana no fomba ahafahan’ny Fanahy manampy (sy hanampy) anao hanompo
Septambra 2019


Fitsipika momba ny fanompoana, septambra 2019

Ahoana no fomba ahafahan’ny Fanahy manampy (sy hanampy) anao hanompo

Ilay andraikitry ny fisoronana hoe hanompo izay nomena ny lehilahy sy ny vehivavy dia miaraka amin’ny zo handray fanambarana.

Sary
ministering

Sary avy amin’ny Getty Images

Ilay antso mba hanompo sy hitia tahaka izay nataon’ny Mpamonjy dia mety ho toa miteraka fanamby indraindray—indrindra indrindra rehefa sendra hoe mila manolo-tanana ireo izay tsy dia fantatrao tsara. Satria an-tapitr’isa ireo fomba ahafahana manompo, dia manontany tena isika hoe ahoana no hahafantarana ny fomba tsara indrindra hanolorana tanana an’ireo izay nampandraiketina antsika.

Tsy mila miasa saina ela loatra isika satria ny ezaka an-kitsim-po ataontsika dia afaka mahazo fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina.

“Ny andraikitra masina nomena anareo mba hanompo dia manome anareo ny zo masina hahazo fitaomam-panahy,” hoy Rahavavy Bonnie H. Cordon, Filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany. “Afaka mikatsaka izany fitaomam-panahy izany amim-pahatokian-tena ianareo.”1

Rehefa mikatsaka ny hanompo tahaka ny nataon’ny Mpamonjy isika, isika dia afaka mahazo fitarihana avy amin’ilay Fanahy izay nitarika Azy. Izany dia tena marina tokoa rehefa eo am-panaovana ny andraikitra, toy ny fanompoana, izay natao teo ambanin’ny fahefan’ireo fanalahidin’ny fisoronan’ny eveka. Ireto ary misy sosokevitra miisa enina ho an’ny fanompoana miaraka amin’ny Fanahy.

Ahoana no ahafahako manana ny Fanahy rehefa manompo?

  • Mangataha torolalana. Tian’ny Raintsika any An-danitra isika hifanerasera Aminy amin’ny alalan’ny vavaka. Ny vavaka dia tsy hoe ahafahantsika manatona Azykokoa fotsiny ihany, fa mahatonga ihany koa ireo “fitahiana izay efa tian’ Andriamanitra homena, saingy saingy tsy maintsy angatahina vao azontsika.”2 “Rehefa mivavaka isika sy mikatsaka ny hahatakatra ny ao am-pon’izy ireo” hoy ny rahavavy Cordon, “dia mijoro ho vavolombelona aho fa hitarika antsika ny Ray any An-danitra ary hiaraka amintsika ny Fanahiny.”3

  • Aza miandry bitsika. Aoka ianao hanira-tena. Aoka “hazoto hirotsaka” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27), ary ho hitanao fa ny ezaka izay ataonao dia mety hahazo fitarihana sy hatsaraina. “Ny fandrosoana amin’ny fanompoantsika sy ny asantsika dia fomba iray tena manan-danja ahafahana ho mendrika ny handray fanambarana,” hoy ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. “Tamin’ny fandalinako ny soratra masina dia nahatsikaritra aho fa ny ankabetsahan’ny fanambarana ho an’ny zanak’ Andriamanitra dia tonga rehefa eny am-pihetsehana izy ireo, fa tsy rehefa mitoetra any an-tranon’izy ireo ka miandry ny Tompo hilaza azy ireo ny dingana voalohany tokony hatao.”4

Ahoana no hamantarako ireo bitsika maniraka hanompo?

  • Raiso ny torohevitr’i Môrmôna. Isika dia tsy tokony hiodinkodina sy ho sahiran-tsaina hanontany tena raha toa ka bitsika na tsia ny hevitra iray. Indrindra noho isika manana ilay fanalahidy moran’i Môrmôna ahafahana mamantatra: Raha toa ianareo ka manana hevitra iray izay manainga anareo hanao ny tsara sy hino na hanampy ny hafa hino an’i Kristy, dia azonareo fantarina fa avy amin’ Andriamanitra Izany (jereo ny Môrônia 7:16).

  • Aza sahiran-tsaina ny amin’izany. “Tonga dia mirotsaha fotsiny ao anatin’izany,” hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Ampio ireo izay mila fanampiana. Aoka tsy hanakana anareo hanompo ny fieritreretana hoe karazana asa fanompoana inona no tokony hatolotrareo. Raha manaraka ireo fitsipika fototra izay efa nampianarina isika, miara-miasa amin’ny fanalahidin’ny fisoronana, mikatsaka ny Fanahy Masina hitarika antsika, dia hahomby foana.”5

Inona ary no fomba tsara indrindra hanarahana bitsika iray?

  • Eo noho eo. Ny rahavavy Susan Bednar (vadin’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo) dia ohatra lehibe amin’ny fanarahana bitsika. Nizara ny Loholona Bednar fa rehefa avy nivavaka “mba hananana maso ara-panahy afaka mahita ireo izay sahirana,” dia mijery ireo mpiara mivavaka manodidina Rahavavy Bednar ary matetika dia “mahatsapa tosika malefaka ara-panahy hiresaka na hiantso antaroby olona iray manokana” . “Ary rehefa mandray fahatsapana toy izany ny Rahavavy Bednar, avy hatrany izy dia mamaly sy mankatò. Ny tranga izay matetika miseho dia vao voateny ny ‘amen’ amin’ny vavaka famaranana, dia hiresaka amina zatovo iray izy na hamihina rahavavy iray na rehefa tonga any an-trano dia tonga dia handray ny telefônina sy hiantso.”6

  • Amin-kerim-po. Ny fatahorana fandavana sy ny fahatsapana fahamenarana, na tsy fahaizana, na fieritreretana ho manelingelina dia mety hanakana antsika tsy hanaraka ny bitsika iray mitaona hanompo. “Amin’ny fotoana maro sy amin’ny fomba maro dia mahatsapa ho tsy mahavita azy sy tsy matoky tena ary angamba tsy mendrika isika rehetra,” hoy ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Fa ao amin’ny ezaka feno fahatokiana ataontsika hitia an’ Andriamanitra sy hanompo ny mpiara-belona amintsika dia afaka mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny aingam-panahy ilaina ho azy ireo sy ny fiainantsika amin’ny fomba masina kokoa isika.”7

    Nisy rahalahy iray nizara ny maha-feno fisalasalana azy hanampy ny vadin’ny vehivavy iray izay nanandrana namono tena. Fa nony farany dia nasainy hiara-hisakafo atoandro aminy ilay lehilahy. “Rehefa nilaza aho hoe, ‘Nikasa hamono tena ny vadinao. Mety ho tena navesatra taminao izany. Te-hiresaka momba izany ve ianao?’ dia nigogogogo nitomany izy,” araka ny fitantarany. “Nanao resaka tamim-pitiavana sy anay roa tonta fotsiny izahay ary tao anatin’ny minitra vitsy dia lasa nifanakaiky sy nifampatoky tamin’ny fomba niavaka.”8

Fanamarihana

  1. Bonnie H. Cordon, “Lasa mpiandry ondry,” Liahona, nôv. 2018, 76.

  2. Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Vavaka,”

  3. Bonnie H. Cordon, “Lasa mpiandry ondry,” 76.

  4. Dallin H. Oaks, “In His Own Time, in His Own Way,” Liahona, aog. 2013, 24.

  5. Jeffrey R. Holland, “Ny fanompoana fampihavanana” Liahona, Nôv 2018, 77.

  6. David A. Bednar, “Quick to Observe,” Liahona, Des. 2006, 17.

  7. Gerrit W. Gong, “Afon-dasin’ny finoantsika,” Liahona, Nôv. 2018, 42.

  8. Jereo ny Bonnie H. Cordon, “Lasa mpiandry ondry,” 76.