2019
Inona no ampianarin’ny Tantaran’ny Krismasy antsika momba ny Fanompoana
Desambra 2019


Fitsipika momba ny fanompoana, desambra 2019

Inona no ampianarin’ny Tantaran’ny Krismasy antsika momba ny Fanompoana

“Inty no fotoana izay tsara indrindra. ’Ndeha isika hikalo ny hira mirindra. ’Ndeha koa hitantara ilay zazakely, izay efa teraka andro Noely” (“Ilay hiran’ny Fahaterahana,” Bokin-kiran’ny ankizy, 32).

Sary
ministering

Antsipirihiny avy tamin’ny sary hosodoko Indro ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra, nataon’i Walter Rane

Fotoana mahatalanjona ny vanim-potoan’ny Krismasy ka lasa mitondra hevi-baovao tampoka ny ondry, sy ny mpiandry ondry, sy ny fihinanam-bilona ary ireo kintana. Manjary lasa mpandray anjara manan-danja izy ireo rehefa averina tantaraina ny iray tamin’ireo tranga manan-danja indrindra teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona, dia ny nahaterahan’i Jesoa Kristy. Fianakaviana maro no mampiranty ny tantaran’ny fahaterahana any an-tokantranon’izy ireo. Ny hafa dia manao vaindohan-draharaha ny famakiana ny tantaran’ny nahaterahany na mandray anjara amina tantara an-tsehatra. Toy ny tantara rehetra momba an’i Kristy, ny tantaran’ny fahaterahany dia feno lesona izay azontsika ianarana mikasika ny fanompoana sy mikasika ny fizarana ny fahazavany mba hanazavana izao tontolo izao. “Ny tantaran’ny Krismasy dia tantaram-pitiavana,” hoy ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

“… Ao amin’ireo tantaran’ny fahaterahan’i Kristy dia afaka mahita sy mahatsapa isika hoe iza Izy taloha ary Iza Izy izao. Manamaivana ny enta-mavesatsika mandritra ny diantsika izany. Ary hitarika antsika hanadino ny tenantsika sy hanamaivana ny enta-mavesatry ny hafa”1

“Tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny” (Lioka 2:7)

Tsy nahavita nanokana toerana ho an’ny Mpamonjy ilay mpiandraikitra ny tranom-bahiny saingy tsy tokony hanao izany fahadisoana izany isika! Afaka manamboatra toerana ho an’ny Mpamonjy ao am-pontsika isika amin’ny fanomezana toerana ireo rahalahy sy rahavavintsika ho eo amin’ny latabatsika sy ao an-tokantranontsika ary amin’ireo fomba fanaontsika. Maro amin’ireo fomba fanaon’ny fianakaviana no lasa mamy kokoa na lasa vao mainka tsaroana kokoa noho ny fanasan’izy ireo olon-kafa. Daiana sy ny fianakaviany dia manana fahazarana manasa olona iray hanao Krismasy miaraka amin’izy ireo. Isaky ny desambra dia mifampiresaka sy manapa-kevitra izy ireo ny amin’ny olona izay tiany asaina.2 Azon’ny fianakavianao atao angamba ny manomboka manao ny fomba fanao tahaka izany. Angamba mety ho tian’ny olona iray izay tompoinao ny hiara-hihira amin’ny fianakavianao ireo hira Krismasy ankafizina indrindra. Azonao atao ihany koa ny manokana toerana mandritra ny sakafo harivan’ny Krismasy ho an’ny olona iray izay mety tsy manana fianakaviana eo amin’ilay toerana.

Inona no fomba tsara kokoa hankalazana ny Mpamonjy mihoatra noho ny manaraka ny ohatra nasehony teo amin’ny fanasana ny hafa? Tsarovy fa manasa ny “rehetra Izy hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny hatsaram-pony, ary tsy mandà izay manatona Azy Izy; na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka; na lahy na vavy; ary mahatsiaro ny hafa firenena Izy; ary ho an’Andriamanitra dia mitovy ny rehetra na Jiosy na Jentilisa” (2 Nefia 26:33). Manisà toerana ary asao ny hafa.

“Ary nisy mpiandry ondry tamin’izany tany izany nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin’ny alina” (Lioka 2:8)

Toa mety tsara tokoa hoe mpiandry ondry no ho isan’ireo voalohany niarahaba ilay Mpamonjy zazakely. Ireo mpaminany fahiny dia niantso an’i Jesoa Kristy hoe ilay “Mpiandry ny Isiraely” (Salamo 80:1) sy ilay “Mpiandry ondry eran’ny tany rehetra” (1 Nefia 13:41). Ary i Kristy mihitsy no nilaza fa, “Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny ahy” (Jaona 10:14). Ny fahafantarana sy ny fiambenana ny ondrintsika no fanalahidin’ny fiandrasan’ondry sy ny fanompoana toy ny ataon’ny Mpamonjy.

Maro no zavatra azo jerena ao anatin’ny jiro mamirapiratra sy ny haingo mandravaka mandritra ny fotoan’ny Krismasy. Kanefa angamba ny hatsarana lehibe indrindra ao anatin’ilay vanim-potoana dia ho hita rehefa mahatsiaro ny hifantoka amin’ireo izay tompointsika isika sy manara-maso ireo andian’ondrintsika manokana. Ny fanarahamaso dia mety hoe mahatsikaritra ny tsikanikanina tian’ilay olona indrindra na hoe manontany olona iray mikasika izay drafiny amin’ny fialantsasatra. Miambina isika rehefa mahita ny zavatra ilain’ny hafa sy manome izany, na ny hita maso na ny tsy dia mora hita loatra.

Rehefa maty tampoka i Mick vadin’i Cheryl dia valaketraka izy. Rehefa niha-nanakaiky ny Krismasy voalohany tsy misy ny vadiny dia nihanitombo ny fanireriny. Soa ihany fa teo i Shauna rahavavy mpanompo azy. Nasain’i Shauna sy i Jim vadiny i Cheryl tanatin’ireo andro tsy fiasana maro. Tsikaritr’izy ireo ny akanjo mafanan’i Cheryl izay efa tonta ary nanapa-kevitra izy ireo ny hanao zavatra mikasika izany. Andro vitsy mialoha ny Krismasy dia nitondran’i Shauna sy i Jim fanomezana ho an’ny Krismasy i Cheryl dia akanjo mafana vaovao iray tsara tarehy. Tsikaritr’izy ireo ilay filana ara-batan’i Cheryl akanjo mafana kanefa koa ilay filany ara-pihetseham-po nila fampiononana sy namana. Nanao zavatra izy ireo mba hanomezana fahafahampo an’ireo zavatra ilaina ireo araka izay tratrany ary naneho ohatra mahafinaritra eo amin’ny fomba ahafahantsika ihany koa miambina ireo andian’ondrintsika.3

“Dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema” (Lioka 2:15)

Fanasana mampientanentana tokoa ny hoe “Andeha isika.” Tsy tonga dia nieritreritra ireo mpiandry ondry hoe ho reraka loatra ireo namany ka tsy hahavita ny dia. Tsy nandeha tamim-pahanginana ho any Bethlehema samirery izy ireo. Fa nifampijery tamim-pifaliana izy ireo ary nilaza hoe: “Andeha isika!”

Mety tsy ho afaka manasa ireo namantsika isika ho tonga hijery ilay Mpamonjy zazakely fa afaka manasa azy ireo kosa hahatsapa ny fanahin’ny Krismasy (na ny fanahin’i Kristy) amin’ny fiarahana manompo amintsika. “Ny fomba hampitomboana ny fanahin’ny Krismasy dia ny manampy amin-kahalalan-tanana ireo manodidina antsika sy ny manolotra ny tenantsika,” hoy i Bonnie L. Oscarson, Filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany teo aloha.4 Alaivo sary an-tsaina hoe mitazona labozia ianao. Azo antoka fa mahita sy mahazo tombontsoa avy amin’ny hazavan’ilay labozianao ny hafa, fa eritrereto anie ny hafanana izay mety ho tsapan’izy ireo raha toa mampiasa ny labozianao ianao handrehetana ny labozian’izy ireo ary manome fahafahana azy ireo hihazona ilay hazavana samirery.

I Kristy mihitsy no nampianatra fa ireo izay manaraka Azy no hanana ny fahazavan’aina (jereo ny Jaona 8:12). Ny fanompoana tahaka izay nataony no fomba iray ahafahantsika manaraka Azy sy hisitraka io fahazavana nampanantenaina io. Koa zarao ilay hazavana amin’ny fanasana ireo hafa hiara-hanompo aminao! Ahoana no hahafahanao sy ireo izay tompoinao hiaraka hanompo? Azonareo atao ny miaraka manomana ny sakafo ankafizinareo indrindra na mampitolagaga olona iray amina fanomezana na soratra kely. Rehefa miaraka ianareo dia afaka samy mahatsapa ny hazavana izay tonga amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatry ny fanompoana nataon’i Kristy.

“Nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin’izany Zaza izany [izy ireo]” (Lioka 2:17)

Mora ny mieritreritra ny fientanentanana mahafinaritra tsapan’ireo mpiandry ondry tamin’izy ireo nizara ilay vaovao mahagagan’ny fahaterahan’i Kristy tamin’ny olona betsaka araka izay tratrany. Nolazain’ny anjely fa tonga ilay Mesia voalazan’ny faminaniana! Tonga tety Izy! Raha ny marina dia ny fizarana ny vaovao mahafaly mikasika ny Mpamonjy no lohahevitra lehibe ao anatin’ny tantaran’ny Fahaterahana. Nihira ireo anjely. Nanondro ny lalana ilay kintana. Ary nampiely izany tamin’ny manodidina ireo mpiandry ondry.

Afaka mampiditra ny feontsika ao amin’ny tantaran’ny Krismasy isika amin’ny alalan’ny fizarana ilay vaovao mahafaly sy amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy. “Rehefa manana tombontsoa hisolo tena ny Mpamonjy ianao eo amin’ny fiezahana hanompo, dia manontania tena hoe: “Ahoana no ahafahako mizara ny fahazavan’ny filazantsara amin’ity olona na ity fianakaviana ity?’” izany no nampianarin’ny Rahavavy Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany. “Inona no hanentanan’ny Fanahy ahy ho ataoko?”5

Ireto misy sosokevitra vitsivitsy azonao dinihina rehefa mikatsaka ny hahafantatra ny fomba ahafahanao mizara ny teny vavolombelonao momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany:

  • Mitadiava soratra masina izay manoritsoritra ireo fahatsapana anananao mikasika ny Mpamonjy na mampiseho ny fankasitrahanao Azy. Zarao amin’ireo izay tompoinao izany:

  • Mandefasa hafatra an-tsoratra na amin’ny tambazotra ifaneraserana ampiarahana amin’ny horonan-tsary momba ny Krismasy. Misy maromaro mahafinaritra ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org!

  • Lazao amin’ny namana iray ny fahatsiarovana na fomba fanao manokana izay mampahatsiahy anao an’i Kristy.

Manàna finoana fa ny Fanahy Masina dia hijoro ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan’ny teny vavolombelonao, tsy misy hafa tamin’ny nijoroany ho vavolombelona tamin’i Simeona sy Ana fa ilay Jesoa zaza no Mpamonjy (jereo ny Lioka 2:26, 38).

“Mba hanomezam-boninahitra marina ny fahatongavan’i [Jesoa Kristy] teto amin’izao tontolo izao dia tsy maintsy manao tahaka izay nataony isika ary mamonjy ireo mpiara-belona amintsika amin’ny fitserana sy famindram-po,” hoy ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. ‘Azontsika atao isan’andro izany amin’ny teny sy ny asa. Aoka ho lasa fomba fanaontsika amin’ny Krismasy izao na aiza na aiza misy antsika dia ny ho tsara fanahy kely kokoa, mamela heloka kokoa, tsy mitsaratsara, maneho fankasitrahana kokoa ary malala-tanana kokoa amin’ny fizarana ny fananantsika amin’ireo izay mila fanampiana.”6

Fanamarihana

  1. Henry B. Eyring, “Christmas Stories” (Fivoriam-bavaky ny Krismasy ataon’ny Fiadidiana Voalohany, 6 des. 2009), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org.

  2. Jereo ny Daiana Melina Albornoz Díaz, “Sharing Christmas,” Liahona, Dec. 2007, 17.

  3. Jereo ny Cheryl Boyle, “He Would Have Bought It for You,” Ensign, Dec. 2001, 57.

  4. Bonnie L. Oscarson, “Christmas Is Christlike Love” (Fivoriam-bavaky ny Krismasy ataon’ny Fiadidiana Voalohany, 7 des. 2014), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org.

  5. Jean B. Bingham, “Manompo tahaka ny ataon’ny Mpamonjy,” Liahona, mey 2018, 104.

  6. Dieter F. Uchtdorf, “Scatter Your Crumbs” (Fivoriam-bavaky ny Krismasy ataon’ny Fiadidiana Voalohany, 3 des. 2017), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org.