2022
Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay
Ôktôbra 2022


“Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay,” Liahona, ôkt. 2022.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona, ôktôbra 2022

Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay

Ireo rehetra izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra dia afaka mahazo karazana fitiavana sy famindram-po manokana.

Sary
sarin’i Jesoa Kristy

Ny Tompo Jesoa Kristy, nataon’i Del Parson

Eto amin’ity tontolo ravan’ny ady sy filazana ady ity dia tsy mbola lehibe noho ny amin’izao ny ilana fahamarinana sy fahazavana ary ny fitiavana madion’i Jesoa Kristy. Ny filazantsaran’i Kristy dia feno voninahitra, ary isika dia voatahy amin’ny fandalinana izany sy ny fiainana araka ireo fitsipika ao aminy. Mifaly isika amin’ny fahafahantsika mizara izany—hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinany n’aiza n’aiza misy antsika.

Miresaka matetika be momba ny lanjan’ny fanekempihavanan’i Abrahama sy ny fanangonana an’i Isiraely aho. Rehefa mandray ny filazantsara sy atao batisa isika dia mitondra eo amintsika ny anarana masin’i Jesoa Kristy. Ny batisa no vavahady mitondra amin’ny fahalasana ho mpiara-mandova ireo fampanantenana rehetra nomen’ny Tompo fahiny an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba sy ny taranak’izy ireo.1

“Ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay”2 (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:6) sy ny fanekempihavanan’i Abrahama dia iray ihany amin’ny ankapobeny—fomba anankiroa hilazana ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’ny olombelona tamin’ny vanim-potoana samihafa.

Ny mpamari-toetra hoe maharitra mandrakizay dia mamaritra fa io fanekempihavanana io dia nisy efa hatry ny talohan’ny fanorenana izao tontolo izao! Ilay drafitra izay navelatra tany amin’ny Filankevitra lehiben’ny Lanitra dia nahitana ny fahatongavan-tsaina mampieritreritra fa ho tafasaraka amin’ny fanatrehan’ Andriamanitra avokoa isika rehetra. Andriamanitra anefa dia nampanantena fa hanolotra Mpamonjy izay handresy ireo vokatry ny Fahalavoana. Hoy Andriamanitra taorian’ny batisan’i Adama:

“Ary ianao dia araka ny lamin’ilay tsy nisy fiandohan’andro na fiafaran-taona, hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.

“Indro ianao dia iray ato Amiko, zanak’ Andriamanitra; dia toy izany no mety hahatonga ny rehetra ho zanako” (Mosesy 6:67–68).

Adama sy Eva dia nanaiky ny ôrdônansin’ny batisa ary nanomboka ny dingana mba ho lasa iray amin’ Andriamanitra. Niditra ny lalan’ny fanekempihavanana izy ireo.

Rehefa miditra izany lalana izany koa izaho sy ianao dia manana fomba fiainana vaovao isika. Avy amin’izany isika dia mamorona fifandraisana amin’ Andriamanitra izay mamela Azy hitahy antsika sy hanova antsika. Ny lalan’ny fanekempihavanana dia mitondra antsika hiverina any Aminy. Raha mamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika isika dia hitarika antsika hanakaiky Azy kokoa hatrany izany fanekempihavanana izany. Ny fanekempihavanana rehetra dia natao mba hamatotra. Mamorona fifandraisana misy fatotra mandrakizay izy ireo.

Fitiavana sy famindram-po manokana

Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika dia miala mandrakizay amin’ny tsy fiandaniana. Andriamanitra dia tsy hanary ny fifandraisany amin’ireo izay nikolokolo fifamatorana toy izany Taminy. Raha ny marina, ireo rehetra izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra dia afaka mahazo karazana fitiavana sy famindram-po manokana. Amin’ny fiteny Hebreo, ny fitiavana ao amin’ny fanekempihavanana dia antsoina hoe hesed (חֶסֶד).3

Ny hesed dia tsy manana teny Anglisy milaza azy marina. Ny mpandika teny niasa tamin’ny Baiboly King James dia mety ho sahirana mihitsy tamin’ny fomba hilazana tsara ny hesed amin’ny teny Anglisy. Matetika izy ireo no misafidy ny hoe “famindram-po.” Izany dia mahafoaka betsaka ny hevitry ny hoe hesed saingy tsy heviny rehetra anefa. Misy ihany koa ny dikanteny hafa naroso, toy ny “indrafo” na “fahatsarana.” Ny hesed dia teny miavaka mamariparitra ny fifandraisana ao amin’ny fanekempihavanana izay ifamatoran’ny roa tonta mba hifampatoky sy tsy hivadika.

Ny fanambadiana selestialy dia fifandraisana ao amin’ny fanekempihavanana toy izany. Ny mpivady dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy amin’izy samy izy mba tsy hivadika ary hifampatoky.

Ny hesed dia karazana fitiavana sy famindram-po izay tsapan’ Andriamanitra ho an’ireo izay manao fanekempihavanana Aminy ary atolony ho azy ireo. Ary dia mamaly hesed ho Azy ihany koa isika.

Sary
mpivady vao herotrerony eo ivelan’ny tempoly

Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izaho sy ianao, ny fifandraisantsika Aminy dia lasa tena akaiky kokoa noho ny talohan’ny fanekempihavanantsika. Mifamatotra isika izao.

Sary nalain’i Jerry L. Garns

Koa satria manana hesed ho an’ireo izay nanao fanekempihavanana Taminy Andriamanitra, Izy dia hitia azy ireo. Hanohy hiasa ho azy ireo Izy ary hanolotra azy ireo fahafahana hiova. Hamela azy ireo Izy rehefa mibebaka izy ireo. Ary raha sanatria mania izy ireo, dia hanampy azy ireo hahita ny lalana hiverenana Aminy Izy.

Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izaho sy ianao, ny fifandraisantsika Aminy dia lasa tena akaiky kokoa noho ny talohan’ny fanekempihavanantsika. Mifamatotra isika izao. Noho ny fanekempihavanantsika amin’ Andriamanitra, dia tsy ho reraka mihitsy Izy amin’ny ezaka ataony hanampiana antsika, ary tsy ho lany mihitsy ny faharetany feno famindram-po amintsika. Samy manana anjara toerana manokana ao am-pon’ Andriamanitra isika tsirairay avy. Avo dia avo ny fanantenany ho antsika.

Fantatrareo ilay filazana manan-tantara nomen’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith. Avy amin’ny fanambarana ilay izy. Hoy ny Tompo tamin’i Joseph, “Izany fampanantenana izany koa dia anareo, satria taranak’i Abrahama ianareo ary ny fampanantenana dia natao tamin’i Abrahama” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:31).

Noho izany, naverina tamin’ny laoniny tao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny fahafenoany io fanekempihavanana maharitra mandrakizay io. Eritrereto anie e! Ny fanekempihavanan’ny fanambadiana izay atao any amin’ny tempoly dia mifamatotra mivantana amin’io fanekempihavanan’i Abrahama io. Ao amin’ny tempoly ny mpivady dia ampahafantarina ireo fitahiana rehetra izay atokana ho an’ireo taranaka mahatokin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.

Tahaka an’i Adama, izaho sy ianao dia niditra manokana ny lalan’ny fanekempihavanana tamin’ny batisa. Dia miditra feno kokoa ao amin’izany isika any amin’ny tempoly. Ireo fitahian’ny fanekempihavanan’i Abrahama dia atolotra any amin’ireo tempoly masina. Ireo fitahiana ireo dia mamela antsika, rehefa tafatsangana amin’ny maty, “handova fiandrianana, fanjakana, hery, fanapahana, ary fizakana, hankany amin’ny -fisandratantsika sy ny voninahitsika amin’ny zava-drehetra- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19].”4

Any amin’ny fiafaran’ny lahatsoratry ny Testamenta Taloha dia mamaky ny fampanantenan’i Malakia isika, fa i Elia dia “hampody ny fon’ny ray amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy” (Malakia 3:18). Tao Isiraely fahagola, ny filazana momba ireo ray toy izany dia hahitana ireo ray, dia i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Io fampanantenana io dia nohazavaina rehefa mamaky an’io andininy io amin’ilay endriny hafa izay notenenin’i Môrônia tamin’ny Mpaminany Joseph Smith isika: “[I Elia dia] hamboly ao am-pon’ny zanaka ny fampanantenana natao tamin-drainy ary ny fon’ny zanaka dia hitodika amin-drainy” (Joseph Smith—Tantara 1:39). Azo antoka fa ao anatin’ireo ray ireo i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:9–10.)

Sary
sarin’i Jesoa Kristy

Ireo izay manao fanekempihavanana masina ary mitandrina izany dia ampanantenaina fiainana mandrakizay sy fisandratana. I Jesoa Kristy no mpiantoka ireo fanekempihavanana ireo.

Sombin-tsary avy amin’ny Christ and the Rich Young Ruler (I Kristy sy ilay tanora mpanan-karena), nataon’i Heinrich Hofmann

I Jesoa Kristy: Ilay Ivon’ny fanekempihavanana

Ny sorona fanavotana nataon’ny Mpamonjy dia mahatonga ny Ray afaka hanatanteraka ireo fampanantenana nataony amin’ireo zanany. Koa satria i Jesoa Kristy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana,” dia midika izany fa “tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alala[ny]” (Jaona 14:6). Ny fahatanterahan’ny fanekempihavanan’i Abrahama dia lasa mety tontosa noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, dia ny Tompo Jesoa Kristy. I Jesoa Kristy no ivon’ ny fanekempihavanan’i Abrahama.

Ny Testamenta Taloha dia tsy boky soratra masina ihany fa bokin-tantara ihany koa. Tsaroanareo ny namaky momba ny fanambadian’i Saray sy Abrama. Koa satria tsy nanan-janaka izy ireo dia nomen’i Saray i Hagara mpanompony mba ho vadin’i Abrama ihany koa, araka ny torolalan’ny Tompo. Niteraka an’i Isimaela i Hagara.5 Tia an’i Isimaela i Abrama, saingy tsy izy no ilay zanaka izay hahatanteraka ny fanekempihavanana. (Jereo ny Genesisy 11:29–30; 16:1, 3, 11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:34.)

Vokatry ny finoan’i Saray ary noho ny fitahian’ Andriamanitra6 dia nitoe-jaza tao amin’ny fahanterany izy mba hahatanteraka ny fanekempihavanana amin’ny alalan’i Isaka zanany (jereo ny Genesisy 17:19). Teraka tao anatin’ny fanekempihavanana izy.

Nomen’ Andriamanitra anarana vaovao i Saray sy Abrama—Sara ary Abrahama (jereo ny Genesisy 17:5, 15). Ny fanomezana ireo anarana vaovao ireo dia nanondro ny fiantombohan’ny fiainana vaovao sy ny hoavy vaovao ho an’io fianakaviana io.

Samy tian’ Abrahama i Isimaela sy Isaka. Nolazain’ Andriamanitra i Abrahama fa ho maro taranaka sy ho lasa firenena lehibe i Isimaela (jereo ny Genesisy 17:20). Fa nataon’ Andriamanitra nazava niaraka tamin’izany koa fa ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay dia hahorina amin’ny alalan’i Isaka (jereo ny Genesisy 17:19).

Ireo rehetra izay manaiky ny filazantsara dia lasa mpikambana ao amin’ny taranak’i Abrahama. Mamaky isika ao amin’ny Galatiana fa:

“Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy.

“… Fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa.

“Fa raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana” (Galatiana 3:27–29).

Noho izany isika dia lasa mpandova ny fanekempihavanana na noho ny firazanantsika na avy amin’ny fananganana.

Sary
olona miangona mandritra ny fotoam-pivavahana fanaovana batisa

Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika dia miala mandrakizay amin’ny tsy fiandaniana. Andriamanitra dia tsy hanary ny fifandraisany amin’ireo izay nikolokolo fifamatorana toy izany Taminy.

I Jakoba zanakalahin’i Isaka sy Rebeka dia teraka tao anatin’ny fanekempihavanana. Ankoatra izany dia nisafidy ny hiditra avy amin’ny faniriany manokana koa izy Araka ny fantatrareo dia novaina ho Isiraely (jereo ny Genesisy 32:28) ny anaran’i Jakoba, izay midika hoe “aoka Andriamanitra hanjaka” na “ilay nahery niaraka tamin’ Andriamanitra.”7

Mamaky isika ao amin’ny Eksodosy fa “nahatsiaro ny fanekeny tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba [Andriamanitra]” (Eksodosy 2:24). Niteny tamin’ny zanak’ Isiraely Andriamanitra hoe, “Raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy” (Eksodosy 19:5).

Ny andian-teny hoe “rakitra soa” dia nadika tamin’ny teny Hebreo hoe segullah, izay ilazana fananana tena sarobidy tokoa—dia “harena” izany.8

Ny bokin’i Deoteronomia dia mamerina ny filazana ny lanjan’ny fanekempihavanana. Nahafantatra momba io fanekempihavanana io ireo Apôstôlin’ny Testamenta Vaovao. Taorian’ny nanasitranan’i Petera ilay lehilahy nalemy tao amin’ny totoha-baton’ny tempoly dia nampianatra ireo mpijery momba an’i Jesoa izy. Hoy Petera hoe, “Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesosy Mpanompony” (Asan’ny Apostoly 3:13).

Nofaranan’i Petera ny hafany tamin’ny filazana tamin’ireo mpihaino azy hoe, “Hianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’ Andriamanitra tamin’ny razanareo, raha hoy Izy tamin’i Abrahama: Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Asan’ny Apostoly 3:25). Nataon’i Petera nazava tamin’izy ireo fa tao anatin’ny iraka nampanaovina an’i Kristy ny hanatanteraka ny fanekempihavanan’ Andriamanitra.

Nanao lahateny nitovy tamin’izany ho an’ny vahoaka tao Amerika fahiny ny Tompo. Tany ilay Kristy efa nitsangana tamin’ny maty dia nilaza tamin’ny olona hoe iza marina izy ireo. Hoy izy:

“Ary indro, zanaky ny mpaminany ianareo; ary avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely; ary avy amin’ny fanekempihavanana izay efa nataon’ny Ray tamin’ny razanareo, tamin’ny filazana tamin’i Abrahama hoe: Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra amin’ny tany.

“Ny Ray, rehefa avy nanangana Ahy ho anareo aloha, sy naniraka Ahy hitahy anareo amin’ny fampihodinana ny tsirairay avy aminareo hiala amin’ny helony; ary izany dia noho ianareo zanaky ny fanekempihavanana” (3 Nefia 20:25–26).

Azonareo an-tsaina ve ny lanjan’izany? Ireo izay mitandrina ny fanekempihavanana nataony tamin’ Andriamanitra dia ho lasa hery velon’ny fanoherana fahotana! Ireo izay mitandrina ny fanekempihavanany dia hanana ny tanjaka hanoherana ny fitaomana tsy mitsahatr’izao tontolo izao.

Sary
lehilahy mandray ny fanasan’ny Tompo

Ireo izay mitandrina ny fanekempihavanana nataony tamin’ Andriamanitra dia ho lasa hery velon’ny fanoherana fahotana! Ireo izay mitandrina ny fanekempihavanany dia hanana ny tanjaka hanoherana ny fitaomana tsy mitsahatr’izao tontolo izao.

Asa fitoriana: Mizara ilay fanekempihavanana

Nandidy ny Tompo ny hampielezana ny filazantsara sy hizarana ny fanekempihavanana. Izany no antony hananantsika misiônera. Maniry isika ny hananan’ny zanany tsirairay avy ny fahafahana hisafidy ny filazantsaran’ny Mpamonjy ary hiroso ao amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Andriamanitra dia te hampifandray ny olona rehetra ao amin’ny fanekempihavanana izay nataony fahiny tamin’i Abrahama.

Noho izany dia ampahany manan-danja ao amin’ny fanangonana lehibe an’i Isiraely ny asa fitoriana ny filazantsara. Izany fanangonana izany no asa manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao. Tsy misy lehibe noho izany. Tsy misy manan-danja noho izany. Ny misiôneran’ny Tompo—ireo mpianany—dia mandray anjara amin’ilay fanamby lehibe indrindra sy tanjona lehibe indrindra ary asa lehibe indrindra eto ambonin’ny tany ankehitriny.

Saingy mbola misy zavatra hafa ankoatra izany—lehibe lavitra. Misy antony goavana ilana ny fanaparitahana ny filazantsara any amin’ny ilany hafa amin’ny voaly. Andriamanitra dia maniry ny tsirairay, amin’ny lafiny roa amin’ny voaly, hianoka ireo fitahian’ny fanekempihavanany. Misokatra ho an’ny rehetra ny lalan’ny fanekempihavanana. Miangavy ny rehetra isika mba hiara-handia izany lalana izany amintsika. Tsy misy asa hafa izay tena tsy hanavahana ny rehetra noho ity. Satria “ny Tompo dia feno famindram-po amin’ireo rehetra izay hiantso ny anarany masina amin’ny fahatsoran’ny fony” (Helamàna 3:27).

Noho ny namerenana tamin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka, ireo vehivavy sy lehilahy mpitandrina fanekempihavanana dia afaka mahazo “ny fitahiana ara-panahy rehetra” ao amin’ny filazantsara (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:18; nampiana fanamafisana).

Tamin’ny fitokanana ny tempolin’i Kirtland tamin’ny 1836, dia niseho teo ambany fitarihan’ny Tompo i Elia. Ny tanjony? “Hampody … ny zanaka ho amin’ny ray” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:15). Niseho ihany koa i Elià. Ny tanjony? Hanolotra an’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery “ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama sady nilaza fa ao aminy sy ny taranakay no hitahiana ny fara aman-dimby rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:12). Tamin’ny alalan’izany no nanoloran’ny Tompo teo amin’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery ny fahefan’ny fisoronana sy ny zo hampita ireo fitahiana miavaky ny fitahian’ny fanekempihavanan’i Abrahama amin’ny hafa.9

Ato amin’ny Fiangonana, ny isam-batan’olona sy isika miaraka dia mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Toy ny ifampizaran’ireo fanambadiana sy fianakaviana fifamatorana miavaka mitsivalana izay miteraka fitiavana manokana, dia toy izany koa ilay fifandraisana niforona rehefa mamatotra miakatra ny tenantsika amin’ny alalan’ny fanekempihavanana amin’ilay Andriamanitsika isika!

Mety ho izany no tian’i Nefia niaviana rehefa nilaza izy fa Andriamanitra dia “tia ireo izay hanana Azy ho Andriamaniny” (1 Nefia 17:40). Izany mihitsy no antony, ao anatin’ny fanekempihavanana, hisian’ny famindram-po sy fitiavana manokana—na hesed—ho an’ireo rehetra izay miditra ao amin’ity fifandraisana mamatotra sy akaiky amin’ Andriamanitra ity, dia “hatramin’ny taranaka arivo mandimby” (Deoteronomia 7:9).

Ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia manova mandrakizay ny fifandraisantsika Aminy. Hitahiana antsika amin’ny fatram-pitiavana sy famindram-po betsaka kokoa izany.10 Miantraika amin’ny hoe iza isika ary ny hanampian’ Andriamanitra antsika ho lasa ny olona tokony hahatongavantsika izany. Ampanantenaina isika fa isika koa dia afaka ny ho “rakitra soa hafakely” ho Azy (Salamo 135:4).

Fampanantenana sy tombontsoa

Ireo izay manao fanekempihavanana masina ary mitandrina izany dia ampanantenaina fiainana mandrakizay sy fisandratana, “ny fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7). I Jesoa Kristy no mpiantoka ireo fanekempihavanana ireo (jereo ny Hebreo 7:22; 8:6). Ireo mpitandrina fanekempihavanana izay tia an’ Andriamanitra sy mamela Azy hanjaka amin’ny zavatra hafa rehetra eo amin’ny fiainany dia manao Azy ho ny fitaomana mahery vaika indrindra eo amin’ny fiainany.

Amin’izao androntsika izao dia manana tombontsoa isika mandray tsodranon’ny patriarika sy mianatra ny fifandraisantsika amin’ireo patriarika fahiny. Ireo tsodrano ireo ihany koa dia manome antsika topimaso ny amin’izay hitranga amin’ny hoavy.

Sary
I Jesoa miresaka amin’i Petera

Noho ny fanekempihavanantsika amin’ Andriamanitra, dia tsy ho reraka mihitsy Izy amin’ny ezaka ataony hanampiana antsika, ary tsy ho lany mihitsy ny faharetany feno famindram-po amintsika.

Lovest Thou Me More Than These? (Moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ireto?) nataon’i David Lindsley

Ny antsontsika amin’ny maha Isiraely mpanao fanekempihavanana antsika dia ny maka antoka fa ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay avy dia tonga saina ny amin’ny fifaliana sy tombontsoa mifandray amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra. Izany dia antso hamporisihana ny lehilahy sy vehivavy, ny ankizilahy sy ny ankizivavy mpitandrina fanekempihavanana tsirairay, mba hizara ny filazantsara amin’ireo izay ao anatin’ny fari-pitaomany. Izany ihany koa dia antso mba hanohana sy hankahery ireo misiônerantsika, izay voairaka miaraka amin’ny torolalana hanao batisa sy hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely, mba hahafahantsika miaraka ho lasa vahoakan’ Andriamanitra ary Izy ho Andriamanitsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:9).

Ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay izay mandray ny ôrdônansin’ny fisoronana sy mitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia manana fahafahana mivantana hahazo ny herin’ Andriamanitra. Amin’ny maha isam-batan’olona no itondrantsika ny anaran’ny Tompo eo amintsika. Mitondra ny anarany amin’ny maha vahoaka koa isika. Ny hoe mafana fo amin’ny fampiasana ny anaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany araka ny tokony ho izy dia tena iankinan’ny fomba itondrantsika amin’ny maha vahoaka antsika ny anarany eo amintsika. Tena marina tokoa fa ny asa feno hatsaram-panahy tsirairay ataon’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ireo mpikambana ao aminy dia fanehoana ny hesed avy amin’ Andriamanitra.

Nahoana i Isiraely no naely patrana? Satria nandika ireo didy ny vahoaka ary nitora-bato ireo mpaminany. Namaly ny Ray iray izay feno fitiavana nefa nalahelo tamin’ny fanaparitahana ny Isiraely ho any lavitra.11

Saingy naparitany izy ireo niaraka tamin’ny fampanantenana fa indray andro any Isiraely dia hangonona indray ho ao amin’ny valany.

Ny fokon’i Joda no nomena ny andraikitra hanomana izao tontolo izao ho amin’ny fiavian’ny Tompo voalohany. Avy amin’io foko io dia nantsoina i Maria ho renin’ny Zanakalahin’ Andriamanitra.

Ny fokon’i Josefa, amin’ny alalan’ny zanany sy ireo zanakalahin’i Asenata, dia i Efraima sy Manase (jereo ny Genesisy 41:50–52; 46:20), no nomena ny andraikitra hitarika amin’ny fanangonana an’i Isiraely, hanomana izao tontolo izao ho amin’ny Fiaviana Fanindroan’ny Tompo.

Ao anatin’ny fifandraisana hesed maharitra toy izany dia tena tsy zavatra hafahafa ny hoe maniry ny hanangona an’i Isiraely Andriamanitra. Raintsika any An-danitra Izy! Maniry ny zanany tsirairay avy—ao amin’ny lafy roan’ny voaly—mba haheno ny hafatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny Izy.

Lalana mifono fitiavana

Ny lalan’ny fanekempihavanana dia lalana mifono fitiavana—dia ilay hesed mahatalanjona izany, ilay fiahiana amim-pangorahana sy fanoloran-tanana ny hafa. Ny fahatsapana izany fitiavana izany dia manafaka sy mankahery. Ny fifaliana lehibe indrindra azonao hiainana dia rehefa heniky ny fitiavana ho an’ Andriamanitra sy ho an’ireo zanany rehetra ianao.

Ny fitiavana an’ Andriamanitra mihoatra noho ny olona na ny zavatra rehetra hafa dia fepetra izay mitondra fiadanana sy fampiononana sy toky ary fifaliana tena izy.

Ny lalan’ny fanekempihavanana dia miompana tanteraka amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra—ny fifandraisana hesed antsika Aminy. Rehefa miditra ao amin’ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika dia nanao fanekempihavanana Aminy izay hitandrina mandrakariva ny teniny. Hanao izay rehetra azony atao Izy, nefa tsy hanitsakitsaka ny fahafahantsika misafidy, mba hanampy antsika hitandrina ny antsika.

Ny Bokin’i Môrmôna dia manomboka sy mifarana amin’ny filazana momba io fanekempihavanana maharitra mandrakizay io. Manomboka amin’ny pejin-dohateniny ka hatramin’ny tenivavolombelona famaranan’i Môrmôna sy i Môrônia, ny Bokin’i Môrmôna dia milaza hatrany ilay fanekempihavanana (jereo ny Môrmôna 5:20; 9:37). “Ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna dia famantarana iray ho an’izao tontolo izao manontolo fa manomboka manangona an’i Isiraely ny Tompo ary manatontosa ny fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama, Isaka ary Jakoba.”12

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, nantsoina ho amin’ity fotoana tena manan-danja amin’ny tantaran’ny tany ity isika mba hampianatra izao tontolo izao momba ny hatsarana sy herin’ilay fanekempihavanana maharitra mandrakizay. Matoky antsika ankolaka mba hanao ny asany lehibe ny Ray any An-danitra.

Ity hafatra ity dia nomena ihany koa nandritra ny fivoriana ho an’ny mpitarika niaraka tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny 31 martsa 2022.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson, “Children of the Covenant,” Ensign, May 1995, 34.

  2. Ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay dia ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ao anatiny ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ilaina ho an’ny fanavotana antsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 66:2). “Vaovao” ilay izy isaky ny havaozin’ny Tompo na haveriny amin’ny laoniny izany, ary “maharitra mandrakizay” ilay izy satria tsy miova.

  3. Ny resadresaka lalindalina kokoa momba ny hesed sy ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay dia hita ao amin’ny Kerry Muhlestein, God Will Prevail: Ancient Covenants, Modern Blessings, and the Gathering of Israel (2021).

  4. Russell M. Nelson, ao amin’ny “Témoins spéciaux du Christ,” Liahona, Apr. 2001, 7.

  5. Ny teny Hebreo hoe Ishmael (Isimaela) dia midika hoe “Andriamanitra dia mihaino” (Bible Dictionary, “Ishmael”).

  6. “Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan’anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana” (Hebreo 11:11).

  7. Bible Dictionary, “Israel.”

  8. Jereo ny Bible Dictionary, “Peculiar”; “Hebrew and Chaldee Dictionary,” Strong’s Exhaustive Concordance of the Bible (1984), 82, word 5459.

  9. Jereo ny Russell M. Nelson, “Thanks for the Covenant” (Fampaherezam-panahin’ny Oniversite Brigham Young, 22 nov. 1988), 4, speeches.byu.edu.

  10. “Ny fanekempihavanana rehetra atao amin’ Andriamanitra dia fahafahana hanakaikezana Azy kokoa. Ireo izay misaintsaina vetivety momba izay efa nahatsapany ny fitiavan’ Andriamanitra, ny hoe hampatanjaka izany fifamatorana izany sy ny hampilalim-paka izany fifandraisana izany dia tolotra tsy hay lavina” (Henry B. Eyring, “Making Covenants with God” [Takariva amorom-patana an’ny Oniversite Brigham Young 8 sept., 1996], 3, speeches.byu.edu).

  11. “Nampiasain’ny Tompo koa izany fampielezana ny olom-boafidiny tany anivon’ireo firenena teo amin’izao tontolo izao izany hitahiana ireny firenena ireny” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Isiraely,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org; jereo ihany koa ny Jakôba 5:1-8, 20).

  12. Russell M. Nelson, “Ny hoavin’ny Fiangonana: Manomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany,” Liahona, apr. 2020, 9.