Momba ireo gazetibokin’ny Fiangonana
Andiana gazetiboky maneran-tany
Andiana gazetiboky maneran-tany


“Andiana gazetiboky maneran-tany,” nôv 2021.

Andiana gazetiboky maneran-tany

Sary
gazetiboky

Nanomboka tamin’ny janoary 2021 ny Fiangonana dia nanomboka namoaka gazetiboky maneran-tany anankitelo: ny Namana (ho an’ny ankizy 3–11 taona), ny Ho zatovo mahery! (ho an’ny zatovo 11–18 taona), ary ny Liahona (ho an’ny olon-dehibe). Ireo gazetiboky ireo no misolo ireo gazetiboky efatra teo aloha, izay tamin’ny teny anglisy ihany no namoahana ny telo tamin’izany.

Rehefa nanambara ireo gazetiboky vaovao ireo ny Fiadidiana Voalohany dia nanao hoe: “Ny fanirianay dia ny hisoratan’ny mpikambana na aiza na aiza anarana hanjifa ireo boky ireo sy handray an-tanan-droa izany mpitondra hery manohana ny finoana izany ao am-pony sy ao an-tokantranony” (Taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, 14 aogositra 2020).

Miasa mafy izahay mba hahazoana antoka fa na avy any Slovenia na avy any Espaina, na avy any Madagasikara na avy any Massachusetts ianao, dia natao ho anao ireo gazetiboky ireo. Noho izany na miteny ny fiteny Koreana na Kiribatia ianao; na trano biriky na bararata ny fonenanao; na efa 80 taona lasa na vao omaly no nahavitana ny batisanao, dia ahitana taratra ny fijoroanao ho vavolombelona sy ny zavatra iainanao ary ny tokantranonao be finoana ireo lahatsoratra ireo. Izany no anisan’ireo fitahiana lehibe avy amin’ireo gazetiboky maneran-tany ireo: mampiray antsika sy mampahatsiahy antsika izy ireo fa isan’ny fianakaviamben’ny Fiangonana iray maneran-tany isika.

Ny fananana gazetiboky maneran-tany anankitelo dia hanome fahafahana ny mpikambana eo amin’ny 97 isan-jato eo hahazo gazetiboky vita printy isam-bolana na isaky ny roa volana. (Taloha ny amin’ny fiteny sasany dia nandray gazetiboky iray isan-taona ihany!) Jereo ity pejin’ny FAM ity raha mila fampahalalana fanampiny momba ny hoe impiry ny votoatin’ny gazetiboky no havoaka amin’ireo fiteny samihafa.

Ao amin’ny firaketana ireo gazetiboky ao amin’ny Médiathèque, dia hahita taila ianao ho an’ireo gazetiboky anankitelo, ary taila iray ho an’ilay lahatsoratra navoaka amin’ny endrika nomerika ihany ho an’ny tanora izay antsoina hoe Ho an’ny tanora - Isan-kerinandro. Afaka mianatra bebe kokoa momba ny tsirairay amin’ireo lahatsoratra navoaka ireo ianao ato amin’ny fizarana “Momba ireo gazetibokin’ny Fiangonana.”