Momba ireo gazetibokin’ny Fiangonana
Fanontaniana fanampiny apetraka matetika
Fanontaniana fanampiny apetraka matetika


“Fanontaniana fanampiny apetraka matetika,” jan. 2021

Fanontaniana fanampiny apetraka matetika

Sary
reny sy zanakavavy

Ahoana no fomba hametrahako fanontaniana momba ny fisoratako anarana?

Ho an’ny fanontaniana momba ny fisoratanao anarana dia tsidiho ny store.ChurchofJesusChrist.org dia tadiavo ny laharan’ny toerana misy anao eo ambanin’ny hoe “Contact Us.”

Iza no afaka misoratra anarana maimaimpoana?

Ny Fiadidiana Voalohany dia namporisika ireo mpitarika ao amin’ny paroasy sy sampana mba hanampy ireo mpikambana hahazo ny votoatin’ny gazetiboky vita printy na amin’ny endrika nomerika avy amin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ireto fomba manaraka ireto:

Manolotra gazetiboky ho an’ireo mpikambana vao vita batisa: Aorian’ny batisan’ireo mpikambana vaovao dia tokony haseho azy ireo ny fomba hahazoana ireo gazetibokin’ny Fiangonana ao amin’ny application Médiathèque na amin’ny internet. Raha toa ka gazetiboky vita printy no tian’izy ireo, dia azo soratana anarana hahazo gazetiboky mandritra ny herintaona maimaimpoana izy ireo amin’ny fampiasana ny tetibolan’ny rantsana.

Manolotra gazetiboky ho an’ireo tanora sy ankizy: Amin’ny fampiasana ny tetibolan’ny rantsana dia tokony ho voasoratra anarana avokoa ireo ankizy sy zatovo rehetra tonga miangona nefa tsy miaraka amin’ny ray aman-dreny na mpiantoka.

Ahoana no fomba handefasako lahatsoratra na hevitra na fanamarihana any amin’ny mpamokatra ny gazetiboky?

Raha handefa lahatsoratra na hevitra na fanamarihana any amin’ny mpamokatra ny gazetiboky dia ampiasao ireto rohy manaraka ireto:

Liahona: Handefa lahatsoratra na hevitra na fanamarihana any amin’ny mpamokatra ny Liahona en ligne.

Ho an’ny tanora - Isan-kerinandro: Handefa lahatsoratra na hevitra na fanamarihana any amin’ny mpamokatra ny Ho an’ny tanora - Isan-kerinandro en ligne.

Ho zatovo mahery!: Mandefasa lahatsoratra na hevitra na fanamarihana any amin’ny mpamokatra ny Ho zatovo mahery! en ligne na mandefasa email aminay amin’ny ftsoy@ChurchofJesusChrist.org.

Namana: Mandefasa lahatsoratra na hevitra na fanamarihana any amin’ny mpamokatra ny Namana en ligne na mandefasa email aminay amin’ny friend@ChurchofJesusChrist.org.

Nahoana ny Ensign sy ny New Era no niova?

Nandritra ny taona maro ny Fiangonana dia namoaka boky anankitelo tamin’ny fiteny anglisy (Friend, New Era, sy Ensign), ary gazetiboky iray nadika tamin’ny fiteny hafa (Liahona).

Nanomboka ny janoary 2021 dia nosoloina gazetiboky anankitelo ireo boky ireo izay manompo ireo mpikambana manerana izao tontolo izao amin’ny fiteny maro: ny Namana ho an’ny ankizy 3–11 taona, ny Ho zatovo mahery! ho an’ny zatovo 12–18 taona, ary ny Liahona ho an’ny olon-dehibe.

Ireo gazetiboky maneran-tany ireo dia hanampy amin’ny fizarana hafatra iraisana kokoa ho an’ny andiana mpamaky maro karazana kokoa. Io fanatsoran-javatra io koa dia hanome fahafahana ny Fiangonana handefa votoatin-javatra imbetsaka kokoa mihoatra ny teo aloha any amin’ny faritra isan-karazany manerana izao tontolo izao.

Ahoana no fomba hisoratako anarana?

Afaka misoratra anarana ao amin’ny store.ChurchofJesusChrist.org ianao, na amin’ny alalan’ny ivon-toerana mpaninjara eo an-toerana, na amin’ny fifandraisana amin’ny Departemantan’ny Global Services. Ny olona ao Etazonia sy Kanadà dia afaka miantso ny 1-800-537-5971.

Impiry aho no afaka mahazo gazetiboky?

Manomboka ny volana janoary 2021 dia hisy isam-bolana amin’ireto fiteny manaraka ireto ireo gazetiboky vita printy sy amin’ny endrika nomerika: Seboanô, Sinoa, Sinoa notsorina, Danoà, Hôlandey, Anglisy, Finlandey, Frantsay, Alemana, Hongroà, Italiana, Japôney, Koreana, Nôrveziana, Pôrtogey, Rosiana, Samôàna, Espaniola, Soedoà, Tagalôgy, Tailandey, Tôngàna, ary Okireniana.

Amin’ireto fiteny manaraka ireto dia hisy isaky ny roa volana (enina isan-taona) ireo gazetiboky vita printy sy amin’ny endrika nomerika: Albaniana, Armeniana, Bislama, Kambôjiana, Krôaty, Tseky, Estôniana, Fijiana, Grika, Isilandey, Indoneziana, Kiribatia, Letôniana, Litoaniana, Malagasy, Marisalezy, Môngôliana, Pôlôney, Romaniana, Slôveniana, Soahilia, Tahisiana, ary Vietinamiana. Ankoatra izany, dia hisy votoatiny voafantina ao amin’ny gazetiboky amin’ireo fiteny ireo hivoaka amin’ny endrika nomerika ho an’ireo volana izay tsy isian’ny gazetiboky vita printy.

Amin’ireto fiteny manaraka ireto dia hisy isam-bolana ireo votoatin-dahatsoratra voafantina amin’ny endrika nomerika ihany: Afrikaans, Amarika, Arabo, Birmana, Tsokizy, Efika, Fante, Zeorziana, Haisiana, Hiligaynon, Hindi, Hindi (Fiji), Hmong, Igbo, Ilokano, Kinyarwanda, Kosraean, Laotiana, Lingala, Malay, Maltey, Nepali, Palauan, Pohnpeian, S. Sotho, Serbiana, Shona, Sinhala, Salôvaky, Tamil, Telugu, Tshiluba, Tsoanà, Tiorka, Twi, Ordoa, Xhosa, Yapizy, Yoroba, ary Zulu.