Avia, hanaraka Ahy 2024
Ny fiovam-po no tanjontsika


“Ny fiovam-po no tanjontsika,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“Ny fiovam-po no tanjontsika,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024

Sary
raim-pianakaviana iray sy ireo zanany mamahana zanak’ondry

Ny fiovam-po no tanjontsika

Ny tanjon’ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara dia ny mba hampahalalina kokoa ny fiovam-pontsika ary ny mba hanampiana antsika ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa. Noho io antony io dia tsy mitady fampahalalana vaovao fotsiny isika rehefa mandalina ny filazantsara fa maniry ny ho lasa “olom-baovao” mihitsy (2 Korintiana 5:17). Ny dikan’izany dia hoe miantehitra amin’ny Ray any An-danitra sy amin’i Jesoa Kristy mba hanampy antsika hanova ny fontsika, ny fomba fijerintsika, ny zavatra ataontsika ary ny toetrantsika mihitsy.

Saingy ilay karazana fianarana filazantsara izay manamafy orina ny finoantsika sy mitondra fahagagana ateraky ny fiovam-po dia tsy mitranga eo no ho eo. Miitatra any ivelan’ny efitrano fianarana izany ka mankany amin’ny fo sy ny tokantranon’ny tsirairay. Mitaky fiezahana manatakatra sy miaina ny filazantsara tsy tapaka sy isan’andro izany. Ny tena fiovam-po dia mitaky ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Ny Fanahy Masina dia mitarika antsika amin’ny fahamarinana ary mijoro ho vavolombelona amintsika momba izany fahamarinana izany (jereo ny Jaona 16:13). Manazava ny saintsika Izy, manafaingana ny fahatakarantsika ary mikasika ny fontsika amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra, ilay loharanon’ny fahamarinana rehetra. Manadio ny fontsika ny Fanahy Masina. Mampisy faniriana ao anatintsika hiaina araka ny fahamarinana Izy, ary mibitsika amintsika ny fomba hanaovana izany. Tena marina fa “ny Fanahy Masina [dia] … hampianatra [antsika] ny zavatra rehetra” (Jaona 14:26).

Noho ireo antony ireo dia tokony hikatsaka ny hanana ny Fanahy Masina miaraka amintsika aloha isika voalohany indrindra ao anatin’ireo ezaka ataontsika hiaina sy hianatra ary hampianatra ny filazantsara. Io tanjona io no tokony hitantana ny safidy ataontsika sy hitarika ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika. Tokony hikatsaka izay zavatra rehetra manasa ny fitaoman’ny Fanahy sy handà izay rehetra manala izany fitaomana izany isika, satria fantatsika fa rehefa mendrika ny hanana ny Fanahy Masina isika dia ho afaka ihany koa ny ho mendrika ny hiaina eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany.