Boky torolalana sy antso
Taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, 2 aprily 2018: Manompo amin’ny alalan’ny kôlejy ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka sy Fikambanana Ifanampiana matanjaka kokoa


Manompo amin’ny alalan’ny kôlejy ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka sy Fikambanana Ifanampiana matanjaka kokoa

Fanontaniana apetraka matetika

Fanontaniana apetraka matetika

Manompo amin’ny alalan’ny kôlejy ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka sy Fikambanana Ifanampiana matanjaka kokoa

Taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, 2 aprily 2018: Manompo amin’ny alalan’ny kôlejy ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka sy Fikambanana Ifanampiana matanjaka kokoa

Manompo amin’ny alalan’ny kôlejy ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka sy Fikambanana Ifanampiana matanjaka kokoa: Fanontaniana mateti-pitranga fanampiny

Ny fiainana sy fanompoana nataon’i Jesoa dia nahitana taratra ireo didy roa lehibe indrindra: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra” sy ny hoe “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Matio 22:37, 39). Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy maniry ny ho tena mpianany antsika, dia tokony hanaraka ny fanasany mba hitia sy hanompo ny Raintsika any An-danitra sy ireo zanany isika. Hoy ny Mpamonjy hoe: “Raha tia ahy ianao dia hanompo Ahy” (F&F 42:29). Nampianatra i Benjamina Mpanjaka hoe: “Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo” (Môsià 2:17). Namintina ny andraikitsika amin’ny alalan’izao teny izao i Almà: “Koa ireo dia niahy ny olony sy namahana azy tamin’ ny zavatra mikasika ny fahitsiana” (Môsià 23:18).

Mba hanampiana antsika tsirairay avy hamaly ilay antso avo masina ny hikarakara sy hanompo ny hafa dia manambara izao fanatsarana manaraka izao ny Fiadidiana Voalohany, izay natao mba hampifantohana ireo ezaka ataon’ireo kôlejy ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny fanompoana araka ny Mpamonjy. Ahitana izao manaraka izao izany fanatsarana izany:

  • Eo anivon’ny paroasy, kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka tokana.

  • Eo anivon’ny tsatòka, kôlejin’ny mpisorona avo tokana.

  • Soloina amin’ny hoe fanompoana ny fampianarana isan-tokantrano sy ny famangiana isan-tokantrano.

  • Fampandraisina anjara ireo tanora amin’ny fanompoana.

Mba hanohanana ireo fanatsarana ireo dia tsy hanao fivorian’ny kômity mpanatanteraky ny fisoronana intsony ireo paroasy sy tsatòka. Raha misy olana manokana iray eo anivon’ny paroasy, toy ny olana mila fitandremana manokana eo amin’ny fianakaviana iray ohatra na olana izay tsy mahazatra eo amin’ny lafiny fifanampiana, dia azo vahàna amin’ny alalan’ny fivorian’ny episkôpà nitarina iray izany. Ireo olana izay tsy dia mila fitandremana manokana dia azo vahàna eo anivon’ny filankevitry ny paroasy. Ilay nantsoina taloha hoe “fivorian’ny kômity mpanatanteraky ny fisoronana an’ny tsatòka” dia antsoina hoe “fivorian’ny filankevitra avo” (jereo ireo fanontaniana 8 sy 19, eo ambany).

Eo anivon’ny paroasy, kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka tokana

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa “tsy tonga indray miaraka ny fanambarana. Mety hampiharina tsikelikely izany.”1 Ny fanohizana ireo zava-mitranga mahakasika ireo kôlejin’ny fisoronana sy ny fahatakarana mihatsara hatrany ny momba ireo fanalahidin’ny fisoronana dia manome fahafahana handray fanambarana tsikelikely. Tao anatin’ny tantaran’ny Fiangonana dia nanambara matetika ny sitrapony andalana anampy andalana ny Tompo, nitahy tsikelikely ireo zanany tamin’ny fahatakarana misimisy kokoa ny amin’ny tokony hampiharana ireo fitsipiky ny filazantsara manoloana ireo toe-javatra ankehitriny (jereo ny F&F 46:15–16).

Nandritra ny taona maro dia nandinika ireo fanatsarana fariparitana eo ambany ireo ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Tamin’ny alalan’ny vavaka betsaka, ny fandalinana tsara ny foto-pampianarana ara-tsoratra masin’ny kôlejin’ny fisoronana, ny fiarahan’ireo mpitarika mpiahy ny Fiangonana manaiky, ary ny fanamafisana fa izany no sitrapon’ny Tompo, dia mandroso hatrany ireo mpitarika amin’ny fanamboarana ny rafitr’ireo kôlejy eo anivon’ny paroasy sy tsatòka, ka izany dia lasa dingana iray hatrany amin’ny fanohizana ny Famerenana amin’ny laoniny.

1. Inona avy ireo fanamboarana eo amin’ny vondron’ny mpisorona avo sy ny kôlejin’ny loholona ao amin’ny paroasy?

Eo anivon’ny paroasy, ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona sy ao amin’ny vondron’ny mpisorona avo dia hitambatra manomboka izao ho kôlejy tokana miaraka amin’ny fiadidiana tokana. Io kôlejy io, izay hitombo an’isa sy hitombo eo amin’ny lafiny firaisankina dia hoantsoina hoe “kôlejin’ny loholona”, ary tsy hisy intsony ny vondron’ny mpisorona avo eo anivon’ny paroasy.

Ilay kôlejin’ny loholona dia ahitana ireo loholona sy ireo miomana ho loholona rehetra ao amin’ny paroasy ary ireo mpisorona avo izay tsy tafiditra ao anatin’ny episkôpà, na ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, na ao amin’ny filankevitra avo, na patriarika am-perinasa.

2. Manao ahoana ny rafitry ny fiadidian’ilay kôlejin’ny loholona?

Ny filohan’ny tsatòka, miaraka amin’ny fanampian’ny mpanolotsainy, dia hisaotra ireo mpitarika ao amin’ny vondron’ny mpisorona avo sy ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona ankehitriny. Dia hiantso filohan’ny kôlejin’ny loholona vaovao ao amin’ny paroasy tsirairay avy avy eo ny filohan’ny tsatòka, ary ny filohan’ny tsatòka, ny mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka notendrena iray, na ny mpikambana notendrena iray ao amin’ny filankevitra avo dia hiantso ireo mpanolotsaina natolotra mba hanompo ao amin’ny fiadidian’ilay kôlejin’ny loholona. Ilay fiadidian’ny kôlejin’ny loholona vaovao dia mety ahitana loholona sy mpisorona avo, amin’ny taona samy hafa sy manana traikefa samy hafa, miara-manompo ao amin’ny fiadidian’ny kôlejy iray. Ny loholona iray na ny mpisorona avo iray dia mety ho filoha na mpanolotsaina ao amin’ilay kôlejy.2

3. Iza no mitarika ny asan’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona?

Ny filohan’ny tsatòka no tompon’andraikitry ny filohan’ny kôlejin’ny loholona mivantana; ny filohan’ny tsatòka dia manome fampiofanana sy fitarihana avy amin’ny fiadidian’ny tsatòka ary amin’ny alalan’ny filankevitra avo. Ny eveka, amin’ny maha-mpisorona avo mpiahy azy ao amin’ny paroasy dia mihaona tsy tapaka amin’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona ihany koa. Mila hevitra aminy sy manome torolalana araka ny tokony ho izy mikasika ny fomba tsara indrindra hanompoana sy hitahiana ireo mpikamban’ny paroasy ny eveka, miara-miasa amim-piraisankina amin’ireo rafitra rehetra ao amin’ny paroasy. (Jereo ny Boky torolalana 2, 7.3.1.)

4. Manova ny anjara fanompoana hazonin’ny mpikambana ao amin’ny kôlejy ve izao fanamboarana ny rafitry ny kôlejy izao?

Tsia. Ny loholona dia mijanona ho loholona ary ny mpisorona avo dia mijanona ho mpisorona avo raha ny anjara fanompoana no resahina. Saingy mbola tendrena ho mpisorona avo foana ny loholona rehefa voantso ho ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, na ho mpikambana ao amin’ny filankevitra avo na episkôpà, na ankoatra izany izay tapaky ny filohan’ny Tsatòka tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny fanentanam-panahy.

5. Afaka manana kôlejin’ny loholona mihoatra ny iray ve ny paroasy iray?

Eny. Ao anatin’ny fanahin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:89, rehefa manana isan’ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka betsaka tsy araka ny mahazatra ny paroasy iray dia azon’ny mpitarika atao ny manangana kôlejy mihoatra ny anankiray. Rehefa mitranga ny toy izany dia tokony hifandanja tsara ny kôlejy tsirairay avy eo amin’ny lafiny taona sy traikefa ary anjara fanompoana sy hery ao amin’ny fisoronana.

6.Inona no kôlejy misy ireo mpikambana ao amin’ireo fiadidian’ny tempoly, sy misiôna ary Ivontoerana Fanofanana ny Misiônera?

Ireo rahalahy ireo dia mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona any amin’ny paroasy misy azy.

Eo anivon’ny tsatòka, kôlejin’ny mpisorona avo tokana

7. Inona avy ireo fanatsarana atao momba ny kôlejin’ny mpisorona avon’ny tsatòka?

Ny fiadidian’ny tsatòka hatrany no fiadidian’ny kôlejin’ny mpisorona avon’ny tsatòka. Ireo mpisorona avo manompo ankehitriny ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, ao ao amin’ireo episkôpà, ao amin’ny filankevitra avo, ary ireo patriarika am-perinasa ihany no mpikambana ao amin’izany kôlejy izany. Ireo mpitamboky sy mpitantsoratry ny paroasy sy tsatòka dia tsy mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona avon’ny tsatòka .

Ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona avon’ny tsatòka amin’ny ankapobeny dia hivory miaraka amin’ny kôlejin’ny loholona raha toa tsy voatendry amin’ny toeran-kafa.

8. Inona no anjara asan’ny kôlejin’ny mpisorona avon’ny tsatòka ?

Ao anatin’ny anjara asany amin’ny maha-mpiahy azy ireo, ny fiadidian’ny tsatòka dia mivory araka izay ilaina miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona avon’ny tsatòka mba hanome fampiofanana sy hanampy ny mpikambana ao amin’io kôlejy io amin’ny antson’izy ireo. Ireo fivoriana efa fanao araka ny hazavaina ao amin’ny Boky torolalana 2, fizarana 18.3 dia mitohy hatrany miaraka amin’ireto fanatsarana manaraka ireto:

  • Ireo fivorian’ny kômity mpanatanteraky ny fisoronana ao amin’ny tsatòka dia antsoina hoe “fivorian’ny filankevitra avo.”

  • Tsy atao intsony ny fivoriana fanao isan-taona iarahan’ireo mpisorona avo rehetra ao amin’ny tsatòka. Ny fiadidian’ny tsatòka anefa dia hampanao fivorian’ny kôlejin’ny mpisorona avon’ny tsatòka isan-taona.

9. Inona no tanjon’ireo fanamboarana ao amin’ny kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka ireo?

Ny fisian’ny kôlejin’ny Fisoronana Melkizedeka tokana ao amin’ny paroasy iray dia mampiray hina ireo mpihazona ny fisoronana amin’ny fanatontosana ny lafin’ny rehetra ao amin’ny asan’ny famonjena, tafiditra amin’izany ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana izay teo ambany fitantanan’ny mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo teo aloha. Izany dia mamela ireo mpikambana amin’ny taona sy traikefa rehetra hahazo tombotsoa avy amin’ny fomba fijery sy ny traikefan’ireo izay samihafa ny dingana efa nolalovany teo amin’ny fiainana. Izany ihany koa dia miteraka fahafahana fanampiny ho an’ireo mpihazona fisoronana efa nahazo traikefa kokoa mba hitantana ny hafa, tafiditra amin’izany ireo izay miomana ho lasa loholona, ireo mpikambana vaovao, ireo tanora tokan-tena, ary ireo izay miverina ho mazoto indray ao amin’ny Fiangonana.

Ireo fanatsarana ireo dia hanampy ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana hampifandray ny asan’izy ireo. Hanamora ny fampifandraisana ny asan’ny kôlejy amin’ny episkôpà sy ny filankevitry ny paroasy ihany koa izany. Ary izany dia hamela ny eveka hanankina andraikitra kokoa amin’ireo filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana mba ahafahan’ny tenany sy ireo mpanolotsainy hifantoka amin’ireo andraikitr’izy ireo voalohany, indrindra indrindra ny fiahiana ny Fisoronana Aharôna sy ireo zatovovavy.

10. Raha eo anivon’ny tsatòka, mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona avo ve ireo mpisorona avo izay ao anatin’ny fiadidian’ny sampana?

Tsia. Ireo mpisorona avo izay mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny sampana ao amin’ny tsatòka dia tsy mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona avo. Ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona avo dia ireo izay manana antso izay mitaky azy ho mpisorona avo ny antsony ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, ao amin’ny episkôpà, ao amin’ny filankevitra avo, ary ireo patriarika am-perinasa.

11.Mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona avo ve ireo loholona manompo ao amin’ny episkôpà (ohatra, ao amin’ny tsatòkan’ny tanora tokan-tena) ?

Tsia. Ireo loholona ao amin’ny episkôpà dia tsy mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona avo.

12.Amin’ny fomba ahoana no hampiharana ny fanompoana eo amin’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona avo?

Eo ambany fitarihan’ny evekan’izy ireo, izay mpisorona avo mpiahy eo anivon’ny paroasy ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny mpisorona avo sy ny fianakavian’izy ireo dia manana rahalahy sy rahavavy mpanompo azy ireo voatendrin’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana misy azy ireo.

Koa satria ireo fiadidian’ny tsatòka sy ireo episkôpa no tompon’andraikitra amin’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny tsatòka na paroasy, ireo rahalahy ireo amin’ny ankapobeny dia tsy tendrena ho rahalahy mpanompo ho ana isam-batan’olona na fianakaviana voatendry. Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra avo sy ireo patriarika am-perinasa dia azo omena andraikitra mifanaraka amin’ny toe-javatra misy eo an-toerana araka izay tapaky ny filohan’ny tsatòka. Raha toa ka omena andraikitra izy ireo, dia ny filohan’ny kôlejin’ny loholona eo ambany fitarihan’ny evekan’ny paroasy misy azy ireo no manome izany.

Ho fanampin’ireo andraikitra manan-danja hafa toy ny maha-mpisorona avo mpiahy sy ny mpitsara tsotra ny rehetra ao Israely azy, ireo eveka dia manana andraikitra manokana, miaraka amin’ireo mpanolotsainany, hikarakara ny zatovo. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:15 dia mivaky toy izao: “ny episkôpà no miadidy io fisoronana [Aharôna] io sy mihazona ny fanalahidiny na ny fahefany.” Ny ao amin’ny Boky Torolalana 1, 2.2 dia milaza fa: “Ireo mpikambana ao amin’ny episkôpà dia miahy sy mikolokolo ny zatovolahy sy ny zatovovavy ao amin’ny paroasiny.”

Mitovy amin’izany ihany, ny filohan’ny tsatòka, amin’ny maha-mpisorona avo mpiahy azy, no “mpitarika ara-panahy voalohany ao amin’ny tsatòka (Boky Torolalana 1, 1.1.1) ary “miahy ny asan’ny famonjena” (Boky Torolalana 1, 1.1.2).

Ny fanompoana dia hisolo ny fampianarana isan-tokantrano sy ny famangiana isan-tokantrano

Nandritra ny taona maro dia namaly ny antso mba hamangy ny tokantranon’ny mpikambana tsirairay avy isam-bolana sy hitondra hafatra ary hitondra fanampiana araka izay ilaina ireo mpampianatra isan-tokantrano sy mpamangy isan-tokantrano. Ora maro tsy voatanisa nanaovana asa fanompoana tsy nitadiavana tambiny sy natao tamim-pahafoizana no natolotra ho an’izany asa lehibe izany.

Ho fanohizana izany fanolorantena izany dia angatahan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izao ny mpikambana hifantoka amin’ny fikarakarana ny hafa araka an’i Kristy, sady ara-panahy no ara-batana (jereo ny Boky torolalana 2, 3.2.3). Ho fanantitranterana izany fikarakarana izany, ny fampianarana isan-tokantrano sy ny famangiana isan-tokantrano taloha dia lasa ezaka mifandray antsoina hoe “fanompoana” amin’izao, ka ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana no mitantana izany, eo ambany fitarihan’ny eveka.

13. Inona no atao hoe “manompo”?

Naneho tamin’ny alalan’ny ohatra ny dikan’ny hoe manompo ny Mpamonjy tamin’ny nanaovany asa fanompoana tamim-pitiavana ho an’ny Rainy sy ny olona tsirairay avy (jereo ny Jaona 15:9–10). Nitia, nampianatra, nivavaka, nampionona, ary nitahy ireo izay nanodidina Azy, nanasa ny rehetra hanaraka Azy Izy (jereo ny Marka 8:34). Rehefa manompo ireo mpikamban’ny Fiangonana dia mikatsaka amim-bavaka ny hanompo tahaka ny ho ataony izy ireo, dia ny “hampionona ireo izay mila fampiononana,” “mitandrina mandrakariva ireo mpikambana ao amin’ny fiangonana ary ny miaraka amin’izy ireo sy ny manatanjaka azy,” “mamangy ny tranon’ny mpikambana tsirairay,” ary manampy ny rehetra ho lasa mpanara-dia marin’i Jesoa Kristy (Môsià 18:9; F&F 20:51, 53; jereo ihany koa ny Jaona 13:35).

Rehefa manompo ny mpikambana dia mamaritra amin’ny alalan’ny fifampiresahana sy ny fanentanam-panahy izy ireo ny amin’ny hoe isaky ny oviana ary inona no karazana fifandraisana hisy eo aminy sy ireo izay karakarainy. Mila hevitra amin’ireo mpitarika azy ireo sy manome tatitra farafahakeliny isan-telo volana izy ireo mahakasika ny asa fanompoana nataony ary ireo zavatra ilaina sy tanjaka ananan’ireo izay nasaina nokarakarainy. Manao tatitra izany dinidinika momba ny fanompoana izany isan-telo volana ireo mpitarika; tsy manao tatitra ny isan’ny famangiana na fifandraisana natao tamina isam-batan’olona sy fianakaviana intsony izy ireo. Ho fanampin’izany, amin’ny alalan’ny fifandraisan’ny fisoronana amin’ny mpikambana tsirairay dia manorina tambazotram-pifandraisana ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo izay azon’ny mpitarika ampiasaina amin’ny fotoana hisian’ny loza na hamehana.

14. Inona no fiantsoana ireo izay manompo?

Ireo mpihazona ny fisoronana dia antsoina hoe “rahalahy mpanompo,” ary ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia ho fantatra amin’ny hoe “rahavavy mpanompo.” Amin’ny ankapobeny izy ireo dia antsoina fotsiny amin’ny anarany: “Rahalahy Rakoto” sy “Rahavavy Rasoa.” Tsy antsoina hoe “mpitandrina” izy ireo.

15. Inona no zavatra itovizana sy ny maha-samy hafa ny fanompoana amin’ny fampianarana isan-tokantrano sy ny famangiana isan-tokantrano?

Mitovy amin’ny fampianarana isan-tokantrano sy ny famangiana isan-tokantrano ny fanompoana eo amin’ny lafiny hoe ny tokantrano tsirairay avy dia hanana rahalahy ao amin’ny fisoronana—dia ireo rahalahy mpanompo izany—manompo sy mikarakara ny fianakaviana sy ireo olona izay monina ao (jereo ny F&F 20:47, 59). Ny rahavavy lehibe rehetra dia hanana mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana—dia ireo rahavavy mpanompo izany—manompo sy mikarakara azy, ka izany dia hanamafy kokoa ny fifantohana amin’ny fanompoana izay nozarain’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany nanomboka tamin’ny janoary 2018 lasa teo (jereo ny “Tazony hatrany ny fifandraisana aminy amin’ny fotoana rehetra, na aiza na aiza, amin’ny fomba rehetra,” Liahona, jan. 2018).

Ho fanampin’izany dia nasiana fanamboarana ny fitakiana sasany amin’ny fampianarana isan-tokantrano sy ny famangiana isan-tokantrano mba hanampiana ireo mpikambana hanompo amin’ny fifantohana kokoa amin’ny fitondrana ireo zavatra ilaina. Tsy voatery ho famangiana ara-dalana foana intsony ny fifandraisana. Azo atao ao an-tokantrano, any am-piangonana, na amin’ny toerana rehetra izay azo antoka sy tsy manahirana ary azo aleha mora foana izany. Araka ny nampianarin’ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “[Ny] manan-danja indrindra dia ny fomba nitondranao soa sy nikarakaranao ireo izay eo ambany fiandraiketanao, izay tahaka ny tsy misy hidirany amin’izay fandaharam-potoana manokana, na izay toerana iray manokana. Ny zavatra manan-danja dia ianao tia an’ireo olonao sy manatanteraka ilay didy hoe -mitandrina mandrakariva ireo mpikambana ao amin’ny fiangonana.-”3

Raha lazaina amin’ny teny fohy dia tarihin’ny Fanahy ny hoe manompo, tsy misy hoe fitakiana efa voafaritra tsara izany, ary ampifanarahana amin’ireo zavatra ilain’ny mpikambana tsirairay izany.

16. Amin’ny fomba ahoana no itarihan’ny Fanahy ny manompo?

Eo am-panompoan’ireo mpikambana dia mikatsaka fanentanam-panahy mba hahafantarana izay fomba tsara indrindra hanoloran-tanana ny hafa sy hitondrana ny zavatra ilainy izy ireo. Moa ve hitondra ny fifandraisana ilain’ny rahavavy be taona iray ny famangiana amina fotoana ifanomezana sy ny antso tsy tapaka amin’ny alalan’ny telefaonina? Moa ve ny fanasana tanora tokan-tena malaindaina iray mba handray anjara amin’ny hetsika itambarana iray no fifandraisana mahomby indrindra? Hanampy ny tanora sy ny ray aman-dreniny ve ny fanohanana baolina kitra ataon’ny tanora? Mety hanampy amin’ny fanamaivanana ny enta-mavesatry ny olona iray ve ny fandefasana azy soratra masina mitondra fanantenana amin’ny alalan’ny hafatra alefa amin’ny finday? Maneho firaharahiana ny olona iray ve ny taratasy kely na karatra kely na email iray? Inona no ho tian’ny Mpamonjy ataon’ny mpanompony? Ny fahitana valiny nentanim-panahy amina fanontaniana toy izany sy ny fampiasana ireo fomba fifaneraserana rehetra izay misy eo am-pelatanana mba hifandraisana amin’ny ireo izay eo ambany fiandraiketany dia manan-danja amin’ny fanompoana nentanim-panahy. Mba hanatanterahana ny fanompoana araka ny an’i Kristy dia tsy afaka miantehitra fotsiny amina famangiana tsy maintsy atao na amina hafatra efa voafaritra ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo; mikatsaka fanentanam-panahy sy torohevitra amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana izy ireo mba hikarakarana amin’ny tena tsara indrindra ireo izay nampandraiketina azy ireo—amin’ny alalan’ny fampiasana ny fotoana sy loharano ananany.

17. Ahoana izany hoe tsy misy fitakiana efa voafaritra tsara izany ny fanompoana?

Ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo dia manana fahafahana hanao izay zavatra mahomby indrindra. Ireo izay asaina karakarainy dia mety tsy samy hila zavatra na fotoana mitovy avokoa. Ny fiarahana miasa amin’ny episkôpà sy ny filankevitry ny paroasy ary ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia mampita ireo laharam-pahamehana amin’ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo mba hananan’izy ireo hevitra ny amin’ny hoe iza no tena mila azy ireo indrindra. Matetika ny laharam-pahamehana indrindra dia ireo mpikambana vaovao sy ireo mpikambana malaindaina izay mety handray, ary ireo hafa toy ny ray na reny tokan-tena sy ireo mananotena. Azon’ny mpitarika atao ny manendry mpitarika ao amin’ny zatovo iray mba hikarakara fianakaviana iray izay misy zatovolahy na zatovovavy mandalo olana, ary avy hatrany izy ireo dia tokony hanendry rahalahy sy rahavavy mpanompo hanompo ireo mpikambana vaovao. Azon’izy ireo atao ny manendry izay mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona, dia ny mpisorona avo sy ny loholona izany, ho an’izany fanompoana izany.

Raha azo atao dia afaka tendrena hanompo fianakaviana iray na olon-tokana iray ny mpivady. Ho fanampin’izany, ny Ravintsara sy ny Farimbona dia afaka mitondra anjara biriky lehibe amin’ny fanompoana miaraka amina rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana iray, tahaka ny ataon’ireo mpisorona sy mpampianatra amin’ny fanompoana miaraka amin’ny Fisoronana Melkizedeka (jereo ny fanontaniana 22, eo ambany).

18. Amin’ny fomba ahoana ny fanompoana no mifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny mpikambana tsirairay?

Ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo dia mikatsaka ny ny tena mifanaraka tsara indrindra amin’ny zavatra ilain’ny olona tsirairay. Ny endrika fifandraisana rehetra dia misy mba hanarahana ireo bitsiky ny Fanahy ary hitondrana ny zavatra ilain’ireo izay tompoiny. Ny fitondrana ireo zavatra ilaina ireo dia manomboka amin’ny fandinihana ombam-bavaka sy amin’ny resadresaka atao amin’ireo fianakaviana sy olona izay nampandraiketina azy ireo mba hahazoana fampahalalana. Mandritra izany resadresaka izany sy ireo fifandraisana aty aoriana rehetra dia mihaino ireo izay tompoiny izy ireo mba hahatakarana ny fomba tsara indrindra hanompoana, ny hoe isaky ny inona ary manao ahoana ny karazana fifandraisana tian’izy ireo, ary ny hafatra mila zaraina sy ny votoatin’izany. Ireo izay manompo dia mila maka antoka fa ny fifandraisana rehetra amin’ny olona rehetra ao amin’ny fianakaviana dia araka ny tokony ho izy.

Mikatsaka ny hanampy ny olona sy ny fianakaviana hiomana amin’ny ôrdônansy tokony hatao manaraka sy ny fitandremana ireo fanekempihavanana efa natao ary ny mba ho lasa mizaka tena ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo. Mety ho tafiditra ao anatin’izany fanampiana izany ny fizarana hafatra entanim-panahy izay mifanentana tsara amin’ny olona na fianakaviana iray, na dia tsy andraikitra mifototra amin’ny fizarana hafatra aza ny fanompoana. Ny Liahona dia tsy hahitana hafatra manokana intsony ho fampiasa mandritra ireo fifandraisana amin’ny fanompoana.

19. Amin’ny fomba ahoana no hampiraisan’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana ny asan’izy ireo?

Ny fahafahana manompo misimisy kokoa ny hafa no iray amin’ireo vokatra kendrena sy mitranga ho azy noho ireo kôlejin’ny fisoronana matanjaka kokoa sy nasiana fanamboarana ary ny firaisankina amin’ny Fikambanana Ifanampiana aterak’izany. Ny fanompoana dia lasa ezaka ampifandraisina iray mba hanatanterahana ny andraikitry ny fisoronana, izay “[h]amangy ny tranon’ny mpikambana tsirairay” sy “[h]itandrina mandrakariva ireo mpikambana ao amin’ny fiangonana, ary ny miaraka amin’izy ireo sy ny manatanjaka azy” ary ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana ny “hampitombo finoana ny Ray any An-danitra ary i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany; hampatanjaka ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary ny tokantrano amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana; ary ny hiasa ao anatin’ny firaisankina mba hanampy ireo sahirana” (F&F 20:47, 53; Torolalana 2, 9.1.1).

Ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana, izay miara-miasa sy eo ambany fitarihan’ny eveka dia manana fahafahana hoentanin’ny Fanahy sy ho mirindra ary hampifandray ny asan’izy ireo eo am-pikatsahana ny hiambina sy hikarakara ny olona sy fianakaviana tsirairay avy. Ny fampifandraisana asa dia ahitana ny fiarahana miasa amin’ny alalan’izao fomba manaraka izao:

  • Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona dia manome soso-kevitra ny amin’ny fanendrena fanompoana ho an’ny olona sy fianakaviana ao amin’ny paroasy. Ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana dia manome soso-kevitra ny amin’ny fanendrena fanompoana ho an’ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Rehefa misy zavatra ilaina manokana dia azon’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana atao ny miresadresaka momba ireo fanendrena manokana mialoha ny hanapahana izany.

  • Ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana dia mandroso ireo fanendrena ho mpanompo amin’ny eveka mba hoankatoaviny.

  • Araka izay ilaivana azy dia azon’ny rahalahy sy rahavavy mpanompo atao ny miresadresaka momba ireo toe-javatra manokana mianjady amin’ny olona, dia, raha ilaina, mifandray amin’ireo mpitarika azy ireo ao amin’ny kôlejy sy ny Fikambanana Ifanampiana mba hahazoana fanampiana sy loharanom-pitaovana fanampiny.

  • Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia mihaona isan-telo volana mba hifampiresaka ny zavatra ilain’ny olona sy ny fianakaviana, izay fantatra tamin’ny alalan’ny dinidinika momba ny fanompoana.

  • Aorian’izany fivoriana izany dia miara-mihaona isan-telo volana amin’ny eveka ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana mba hiresaka momba ilay zavatra ilain’ny olona sy ny fianakaviana.

  • Araka izay ilaina, dia manao filan-kevitra miaraka amin’ny filankevitry ny paroasy mikasika ny tanjaka sy ny zavatra ilaina hita avy amin’ny dinidinika momba ny fanompoana ireo mpitarika ao amin’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana, ary mamolavola sy manatontosa drafitra mba hanompoana sy hitahiana ireo mpikamban’ny paroasy izy ireo.

Mba hanamorana ny fampifandraisana ny asa, dia hifantoka amin’ny fivorian’ny filankevitry ny paroasy ireo paroasy fa tsy hanao fivorian’ny kômity mpanatanteraky ny fisoronana intsony. Ireo teboka ao amin’ny fandaharam-potoana izay noresahina nandritra ireo fivorian’ny kômity mpanatanteraky ny fisoronana teo aloha dia horesadresahina, araka izay ilaina, mandritra ny fivorian’ny episkôpà mivelatra iray, na filankevitry ny paroasy, na fihaonana isan-telo volana amin’ny eveka, filohan’ny kôlejin’ny loholona, ary filohan’ny Fikambanana Ifanampiana.

20. Ahoana no handraisan’ny mpikambana ny fanendrena andraikitra hanompo?

Ireo mpitarika dia mihaona amin’ny rahalahy sy rahavavy mpanompo, ny tena tsara dia miaraka ny mpiara-manompo, mba hizara ny fanendrena azy ireo sy hifampiresaka momba ireo tanjaka sy olan’ireo izay ho tompoiny. Izany resadresaka izany dia mety hitranga mandritra ny dinidinika momba ny fanompoana (jereo ny fanontaniana 24, eo ambany) na amin’ny fotoana rehetra ilana azy.

21. Inona no tanjon’ny famangiana any amin’ny tokantrano?

Noho ny isa, ny halaviran-toerana, ny fisian’ny loza, ary ny zavatra hafa tokony heverina dia mety tsy ho azo tanterahina na mety hanahirana ny famangiana ny tokantrano rehetra isam-bolana; na dia izany aza dia manan-danja ny famangiana manokana rehefa azo tanterahina izy ireny. Mba hanompoana araka ny fomban’ny Mpamonjy dia mandinika ny zavatra rehetra azo atao ny rahalahy sy rahavavy mpanompo mba hikarakarana sy hifandraisana amin’ireo izay eo ambany fiandraiketany.

22. Tsy maintsy mizara hafatra foana ve rehefa manompo?

Tsia. Rehefa lasa mahafantatra kokoa ireo izay eo ambany fiandraiketany ny rahalahy sy rahavavy mpanompo dia mianatra ny zavatra ilain’izy ireo izy ary ny Fanahy Masina dia afaka hibitsika aminy hampianatra fitsipiky ny filazantsara iray. Ny ray na ny reny ihany koa dia afaka mangataka lohahevitra manokana iray ho an’ny fianakaviany. Saingy ny “hafatra” tsara indrindra dia ny fikarakarana sy ny fangorahana.

23. Amin’ny fomba ahoana ny rahalahy sy ny rahavavy mpanompo no mitatitra ny ezaka ataony?

Tsy manangona ny tatitra momba ireo fianakaviana sy olona novangiana nandritra ny volana iray intsony ny mpitarika. Ho solon’izany dia manana fahafahana hila hevitra miaraka amin’ireo mpitarika azy ao amin’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana ny rahalahy sy ny rahavavy mpanompo mba hanao tatitra momba ny toe-javatra iainan’ireo izay tompoiny sy momba ny ezaka efa ataon’izy ireo mba hanompoana. Atao farafahakeliny indray mandeha isan-telo volana izany fifampiresahana izany, mandritra ny dinidinika momba ny fanompoana ary mandritra ny fotoana fanampiny hafa rehefa ilaina ny fifaneraserana.

24. Inona no atao hoe dinidinika momba ny fanompoana?

Atao ny dinidinika momba ny fanompoana (1) mba hifampiresahana momba ny tanjaka sy ny zavatra ilaina ary ny toe-javatra mianjady ireo fianakaviana sy ny olona eo ambany fiandraiketana, (2) mba hamaritana ny filaina izay azon’ny kôlejy, na ny Fikambanana Ifanampiana, na ny filankevitry ny paroasy hitondrana fanampiana, ary (3) hianarana avy amin’ny mpitarika sy hahazoana fankaherezana manoloana ireo ezaka atao amin’ny fanompoana.

Farafahakeliny indray mandeha isaky ny telo volana, dia mihaona amin’ny mpitarika iray ao amin’ny kôlejin’ny loholona na ny Fikambanana Ifanampiana mba hanao dinidinika momba ny fanompoana ireo rahalahy mpanompo sy rahavavy mpanompo, ny tena tsara dia mihaona mivantana ary samy eo ny mpiara-manompo. Ny mpivady miara-manompo dia afaka mihaona na amin’ny kôlejin’ny loholona na amin’ny Fikambanana Ifanampiana na amin’izy roa. Eny anelanelan’ny dinidinika dia mampita ireo fampahalalana hafa araka izay ilaina ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo, mivantana na amin’ny alalan’ny antso an-telefaonina, hafatra amin’ny finday, email, na fomba hafa. Tsy mizara ireo fampahalalana saropady raha tsy amin’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona na amin’ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana, na tonga dia mivantana amin’ny eveka, izy ireo.

25. Ahoana no hihazonan’ny mpitarika ny firaketana ireo dinidinika momba ny fanompoana?

Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia mirakitra ny dinidinika ataony amin’ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo. Marihin’ireo mpitarika ny volana nanaovana ny dinidinika sy ny olona nandray anjara tamin’izany. Taterin’izy ireo ho vita dinidinika ny mpiara-manompo iray raha natao dinidinika farafahakeliny indray mandeha isan-telo volana ny iray amin’ireo mpiara-manompo.

Farafahatarany amin’ny 1 aogositra 2018, dia hisy tatitra toy izany ao amin’ny application Outils SDJ sy amin’ny Documentation pour les Dirigeants et les Greffiers ao amin’ny LDS.org. Hisy fiovana ihany koa ao amin’ny Rapport Trimestriel (tatitra isan-telo-volana) amin’ny antsasaky ny taona 2018. Hisy antsipiriany misimisy kokoa ho an’ireo mpitarika sy mpitamboky homena ao anatin’ny fampilazana ho avy iray avy amin’ny foiben’ny Fiangonana.

26.Inona no andraikitr’ireo tompon’andraikitra mpandrindra sy mpanara-maso momba ny fanompoana?

Ny antson’ireo tompon’andraikitra mpandrindra sy mpanara-maso momba ny fanompoana dia natsahatra. Ireo izay nantsoina tamin’ireo anjara toerana ireo dia tokony hisaorana.

27.Iza no mitarika ireo dinidinika momba ny fanompoana?

Ny mpikambana tsirairay ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana no mitarika ireo dinidinika momba ny fanompoana. Na dia ao amin’ny paroasy lehibe iray aza, ireo mpitarika dia hahita fa ho azo atao tsara ireo dinidinika rehefa manao izany tsikelikely isan-kerinandro ny mpikambana tsirairay ao amin’ny fiadidiana tsirairay avy. Ireo dinidinika momba ny fanompoana dia tsy voatery ho lava be vao hoe mahomby.

28.Rahoviana mandritra ny isan-telo volana no hanaovan’ny mpitarika ny dinidinika momba ny fanompoana?

Ireo dinidinika momba ny fanompoana dia azo tanterahina amin’ny fotoana rehetra ao anatin’ny ny isan-telo volana tsirairay—ary tsy voatokana ho ny herinandro farany na ny volana farany amin’ny telovolana izany. Rehefa manao dinidinika tsy tapaka ireo mpitarika dia ho hitan’izy ireo fa afaka manatontosa ny tanjona ara-panahy sy ara-batan’ny fanompoana izy ireo.

Fampandraisana anjara ireo zatovo

29. Ahoana no hampandraisana anjara ny zatovo ao amin’ny andraikitra fanompoana?

Azon’ny mpitarika atao ny manendry Ravintsara sy Farimbona mba hiara-hanompo amin’ny rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, tahaka ny maha-mpiara-manompo ireo mpisorona sy mpampianatra amin’ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka amin’izao. Mizara ny fanomezam-pahasoavany manokana sy mitombo ara-panahy ny zatovo rehefa manompo miaraka amin’ny olon-dehibe ao amin’ny asan’ny famonjena sy rehefa miresaka momba izany asa izany ao anatin’ny dinidinika momba ny fanompoana. Ho fanampin’izany, ny fampandraisana anjara ireo zatovo amin’ny andraikitra fanompoana dia hampivelatra ny fikarakarana ny hafa amin’ny fampitomboana ny isan’ny mpikambana mandray anjara amin’izany. Mety hanamora sy hankahery ireo ezaka ireo eny anatin’ny fianakaviana ihany koa izany rehefa miara-manompo ny reny sy zanakavavy ary ny ray sy zanakalahy.

30. Tokony hanana rahalahy sy/na rahavavy mpanompo nampandraiketina manokana ho azy ve ny zatovo iray?

Tsia. Ireo zatovolahy sy zatovovavy dia tompoin’ireo izay manompo ny fianakaviany, ary izy ireo ihany koa dia karakarain’ny mpitarika azy ireo ao amin’ny Fisoronana Aharôna sy ny Zatovovavy.

31. Azo tendrena miaraka amin’ny mpiara-manompo olon-dehibe ve ny zatovolahy sy ny zatovovavy?

Eny. Ny torolalana tao amin’ilay filazana natao vao tsy ela manao hoe “Preventing and Responding to Abuse (Fisorohana sy fandraisana andraikitra manoloana ny fanararaotana)” dia mamela ny fiarahana manompo amin’ny zatovo izay voatendry ho mpiara-manompo amina olon-dehibe. Tsy raisina ho “fiaraha-mientana” iray na “kilasy” iray ny “fanompoana” araka ny voalaza ao amin’ireo torolalana ireo.

Ireo mpitarika dia tokony hampiasa fandanjalanjana entanim-panahy rehefa manendry tanora ho mpiara-manompo. Ireo mpiara-manompo olon-dehibe dia tokony hisoroka ny fisian’ny toe-javatra izay mety hampiahiahy. Tokony ho malina izy ireo amin’ireo fotoana maha irery azy ireo amin’ny toerana mitokana mba hahafahan’ny tanora ho voaro sy hiaina zava-tsoa avy amin’ny fanompoana. Manarak’izany, mila mampiasa fahendrena ihany koa ka tsy manendry tanora hiandraikitra tokantrano na fianakaviana anatin’ny toe-javatra sarotra.

32.Tokony hotendrena amin’ny andraikitra fanompoana ve ny Farimbona sy ny Ravintsara?

Azo asaina hanompo ny Farimbona sy ny Ravintsara. Tokony hifampiresaka amin’ny zatovovavy tsirairay ireo ray aman-dreny sy mpitarika ary rehefa mamela azy hanao izany ny toe-javatra misy azy ka vonona ny hanompo izy dia afaka omena andraikitra fanompoana iray izy. Ny zatovovavy dia natao hiara-hanompo amin’ny rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana.

33.Iza no mampilaza momba ireo andraikitra fanompoana amin’ny tanora?

Miaraka amin’ny fankatoavan’ny eveka, ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana dia manolotra andraikitra hanompo amin’ireo Farimbona sy ny Ravintsara. Ary miaraka amin’ny fankatoavan’ny eveka hatrany, ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona dia manolotra andraikitra hanompo amin’ireo mpampianatra sy mpisorona.

Kôlejy sy ny Fikambanana Ifanampiana

34.Manamafy orina ny anjara asan’ny eveka sy ny filan-kevitry ny paroasy ve ny fifantohana amin’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana?

Eny. Ny eveka no mpisorona avo mpiahy sy “manome torolalana sy tolo-kevitra an’ireo mpitarika hafa ao amin’ny paroasy” (Boky torolalana1, 2.1.1). Izy no manamarina sy manome fankatoavana ireo anjara andraikitra amin’ny fanompoana. Eo ambany fitarihan’ny eveka, ny filankevitry ny paroasy dia manohy ny anjara andraikiny manan-danja “[h]anampy ny olona tsirairay hanorina fijoroana ho vavolombelona, sy handray ireo ôrdônansin’ny famonjena, sy hitandrina ireo fanekempihavanana, ary ho tonga mpanaradia mahafatra-po an’i Jesoa Kristy” (Boky Torolalana 2, 4.4). Ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana matanjaka kokoa—izay isoloan’ireo fiadidiana tena, izay mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy—dia hampitombo ny fahombiazan’izany filankevitra izany.

35.Tokony hamangy na hanao dinidinika indray mandeha isan-taona ny mpikambana ao amin’ny kôlejiny ve ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona (jereo ny Boky Torolalana 2, 7.3.2)—ho fanampin’ny fanaovana dinidinika momba ny fanompoana fanao isan-telo volana?

Eny. Tafiditra ao anatin’ny andraikitr’izy ireo amin’ny ankapobeny, ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona dia tokony hanao dinidinika ireo mpikamban’ny kôlejy momba ireo andraikitra ao amin’ny fisoronana rehetra—tafiditra amin’izany ny firindran’ny fiainan’ilay mpihazona fisoronana, sy an’ny vadiny ary ny an’ny fianakaviany—indray mandeha isan-taona farafahakeliny. Ireo dinidinika ireo dia afaka atao amin’ny fotoana rehetra mandritra ny taona. Io resadresaka io dia tsy tokony hakambana amin’ny dinidinika momba ny fanompoana izay atrehan’ny mpiara-manompo ihany koa.

36.Iza no afaka manampy ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana hanatanteraka ny asan’ny famonjena?

Ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia afaka mifandamina amin’izay mety hanampy azy ireo hanatanteraka ny asa araka izay ilaina. Ohatra, azon’izy ireo atao ny miantso mpikambana hitarika sy hanampy amin’ny asa toy ny asa fanompoana, ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, sy ny fizarana ny filazantsara, ary ny fifanampiana.

37.Afaka manana kôlejin’ny loholona na Fikambanana Ifanampiana mihoatra ny iray ve ny paroasy iray?

Eny. Ao anatin’ny fanahin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:89, rehefa manana isan’ny mpihazona Fisoronana Melkizedeka betsaka tsy araka ny mahazatra ny paroasy iray dia azon’ny mpitarika atao ny manangana kôlejy mihoatra ny anankiray. Rehefa mitranga ny toy izany dia tokony hifandanja tsara ny kôlejy tsirairay avy eo amin’ny lafiny taona sy traikefa ary anjara fanompoana sy hery ao amin’ny fisoronana. Mihatra amin’ny Fikambanana Ifanampiana ihany koa ireo fitsipika ireo.

38.Azon’ireo filohan’ny kôlejin’ny loholona sy Fikambanana Ifanampiana atao ve ny miantso mpanolotsaina fanampiny hanampy azy ireo amin’ny fanompoana?

Tsia. Ny filoha iray dia manana mpanolotsaina roa. Raha toa ka hitan’ireo mpitarika fa mila fanampiana fanampiny izy ireo dia afaka mikaondoha amin’ny eveka izy ireo momba ny fiantsoana mpitantsoratra mpanompo iray na mihoatra. Ireo mpitantsoratra mpanompo ireo dia azo omena andraikitra amin’ny fandrindrana ireo fotoana hanaovana dinidinika momba ny fanompoana sy manampy manomana tatitry ny dinidinika fanao isan-telo volana.