Momba ireo gazetibokin’ny Fiangonana
Ho zatovo mahery!: Gazetiboky vaovao ho an’ny zatovo
Ho zatovo mahery!


Ho zatovo mahery!: Gazetiboky vaovao ho an’ny zatovo,” 2021.

Ho zatovo mahery!: Gazetiboky vaovao ho an’ny zatovo

Mahita fifaliana ao amin’i Kristy

Sary
zatovovavy mampiasa finday

Gazetiboky maneran-tany ho an’ny zatovo natao ho anao!

Ny Ho zatovo mahery! dia gazetiboky natao ho an’ny zatovo. Ny laharana tsirairay dia misy hafatra mampahery ara-panahy avy amin’ireo Apôstôly sy mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana, fijoroana ho vavolombelona sy traikefa avy amin’ny zatovo manerana izao tontolo izao, zavatra mampiala voly, ary zavatra hafa maro ihany koa. Eo amin’ny pejy tsirairay ianao dia afaka mahita aingam-panahy sy hery izay afaka manampy anao hahita fifaliana amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy anao.

Manohana ny Avia, hanaraka Ahy

Lahatsoratra sy sahanasa maro ao amin’ny Ho zatovo mahery! no manohana ny fandalinanao ireo soratra masina voaresaka ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy isam-bolana. Afaka manamafy ny fandalinanao manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana ny soratra masina ary mampifandray anao amin’ireo zatovo manerana izao tontolo izao izany rehefa samy mandalina soratra masina mitovy izy ireo. Na aiza na aiza misy anao dia hitaona fanahy anao sy hanampy anao ireo lahatsoratra ireo rehefa miezaka ny miaina ny zavatra ianaranao avy amin’ny soratra masina isan’andro ianao!

Alefaso aty aminay ny tantaranao

Ny Ho zatovo mahery! dia te handre anao! Afaka mitahy ireo tanora manerana izao tontolo izao izay mitovy aminao ianao. Ny fizarana ny zavatra iainanao amin’ny fiainana ny filazantsara dia afaka mitaona fanahy ireo tanora manerana izao tontolo izao.

Alefaso aminay azafady ireto manaraka ireto:

  • fotoana izay niainanao tamim-pahatokiana ny filazantsara, na dia sarotra aza izany

  • fanamby izay nolalovanao teo ambany fanampian’ny finoanao an’ Andriamanitra

  • hevitra momba ny hoe manao ahoana izany mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy izany any amin’ny toerana misy anao

  • zavatra niainana iray izay nanehoan’ny olona iray anao fitiavana tena tahaka ny an’i Kristy

  • fijoroana ho vavolombelona anananao

  • tantara hafa izay maneho ny nitahian’ny filazantsara ny fiainanao

Alefaso ao amin’ny ftsoy@ChurchofJesusChrist.org ny tantaranao.

Lahatsoratra bebe kokoa amin’ny endrika nomerika

Fantatrao ve fa ny Ho zatovo mahery! dia mamoaka votoatiny misimisy kokoa mihoatra noho izay hitanao ao amin’ny gazetiboky vita printy? Ireo fanampiny amin’ny endrika nomerika ireo dia azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ny application Médiathèque.

Raha hijery votoatiny mampiala voly sy mankahery kokoa dia andramo ilay application Vivre l’évangile! Ahitana kilalaon-tsaina, horonan-tsary, torohevitra momba ny fandalinana ny soratra masina, sary, ary maro hafa izany.

Jereo ny “Safidy ho an’ny endrika nomerika” raha hijery fampahalalana fanampiny momba ny votoatiny amin’ny endrika nomerika ho an’ny zatovo.