Momba ireo gazetibokin’ny Fiangonana
Ny Namana: Gazetiboky maneran-tany ho an’ny ankizy
Momba ny Namana


“Ny Namana: Gazetiboky maneran-tany ho an’ny ankizy,” jan. 2021.

Ny Namana: Gazetiboky maneran-tany ho an’ny ankizy

Miara-manara-dia an’i Jesoa

Sary
ankizivavy mihazona gazetiboky Namana

Gazetiboky maneran-tany

Ny gazetiboky Namana dia manasa ny ankizy manerana izao tontolo izao hiaraka hanaraka an’i Jesoa. Ny laharana tsirairay dia ahitana tantara ao amin’ny soratra masina, hafatra feno fitiavana ho an’ny ankizy avy amin’ireo mpaminany sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana, pejy misy kilalao sy fandokoana, ary tantaran’ankizy manerana izao tontolo izao izay nametraka ny finoany ny Mpamonjy mba hiasa. Ny Namana dia ahitana votoatiny mampandray andraikitra sy manorina finoana voadika amin’ny fiteny miisa 48.

Ho an’ny ankizy amin’ny taona rehetra

Miaraka amin’ireo fizarana natokana ho an’ny ankizy zokiny sy ny ankizy zandriny dia ahitana hevitra izay mahatonga ny takarivan’ny mpianakavy sy ireo lesona amin’ny Avia, hanaraka Ahy hahafinaritra ny ankizy amin’ny taona rehetra ihany koa ny Namana. Ny Namana dia afaka manampy ny ankizy sy ny fianakaviana hampivoatra ny fahaizana mamaky teny sy manoratra, hampitombo ny fahatakarana ny filazantsara, ary hitombo ka ho tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa, ilay Mpanavotra sy Naman’izy ireo.

Ho an’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra

Ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra dia afaka mampiasa ilay gazetiboky hoentina mampianatra ny soratra masina miaraka amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Ireo tantara ao amin’ilay gazetiboky dia azo ampiasaina ho fitaovana fampianarana mahery vaika sy hanombohana resaka amin’ireo ankizy momba ny traikefan’izy ireo manokana.

Horonan-tsary sy zavatra maro hafa

Ny Namana dia mamoaka horonan-tsary misy tantara ao amin’ny soratra masina ary horonan-tsary misy hira ho an’ny ankizy, miaraka amin’ny tantara amin’ny endrika nomerika ihany momba ireo lohahevitra saropady. Jereo ireo horonan-tsary sy ireo zavatra hafa ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ny application Médiathèque.

Te handre anareo izahay!

Ny Namana dia te handre ireo ankizy manerana izao tontolo izao! Alefaso aminay azafady ireto manaraka ireto:

  • fotoana iray izay nisafidiananao ny tsara, na dia sarotra aza izany

  • sarinao any amin’ny tempoly

  • fotoana izay nanampianao olona

  • ohatra amin’ny fomba fampiasan’ny fianakavianao ny Namana (asio sary!)

  • sary na zava-kanto hafa maneho tantara ao amin’ny soratra masina, an’i Jesoa, tempoly, sns.

Alefaso ao amin’ny friend@ChurchofJesusChrist.org ny tantaranao na ny sarinao.