Tantaran’ny Fiangonana
Ireo fitantarana momba ny Fahitana Voalohany


Sary
tara-masoandro anelanelan’ny hazo

Ireo fitantarana momba ny Fahitana Voalohany

Topimaso

Noraketin’i Joseph Smith fa Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy dia niseho taminy tao anaty alakely teo akaikin’ny tranon’ny ray aman-dreniny tao amin’ny Faritanin’i New York andrefana fony izy 14 taona. Raha niahiahy momba ireo fahotany sy tsy nahazo antoka ny amin’izay lalana ara-panahy harahina i Joseph dia nikatsaka fitarihana izy tamin’ny alalan’ny fanatrehana fivoriana, famakiana soratra masina, ary fivavahana. Nahita olon’ny lanitra izy ho valin’izany. Imbetsaka i Joseph no nizara sy nirakitra an-taratasy ny Fahitana Voalohany, araka izay ahalalana azy taty aoriana. Nanoratra na nanendry mpitantsoratra izy mba hanoratra fitantarana efatra samy hafa mikasika an’ilay fahitana.

Namoaka fitantarana ny Fahitana Voalohany miisa roa i Joseph Smith nandritra ny androm-piainany. Ny voalohany tamin’ireo, izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe Joseph Smith—Tantara, dia noraketina ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy ka lasa ny fitantarana fantatra indrindra. Ireo fitantarana roa tsy navoaka, izay voarakitra ao amin’ny bokin’ny tantaram-piainan’i Joseph Smith tany am-boalohany ary tao anaty diary taty aoriana, dia tsy tsaroana tamin’ny ankapobeny raha tsy rehefa hitan’ireo mpahay tantara niasa ho an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany indray ary navoaka tany amin’ny taona 1960 tany. Nanomboka tamin’izany fotoana izany, ireo rakitsoratra ireo dia naverimberina noresahana tao anatin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana, sy tao amin’ireo sanganasa natontan’ireo trano printin’ny Fiangonana sy ireo trano printy mifandray amin’ny Fiangonana, ary ireo sanganasa natontan’ireo manam-pahaizana manokana Olomasin’ny Andro Farany tany amin’ny sehatra hafa .1 Ankoatra ireo fitantarana mivantana nataona vavolombelona dia misy ihany koa ireo famariparitana dimy momba ny fahitan’i Joseph Smith noraketin’ireo niara-belona taminy.2

Ireo fitantarana isan-karazany ny Fahitana Voalohany dia milaza zavatra iray ihany, na dia samy hafa aza ny zavatra hamafisiny sy ny antsipiriany. Ny zavatra andrasan’ireo mpahay tantara dia ny hoe rehefa tantarain’ny olona iray amin’ny sehatra samy hafa sy amin’ny mpihaino samy hafa ny zava-nitranga iray, dia hanantitrantitra lafiny isan-karazany mikasika ilay zava-nitranga sy hahitana antsipiriany miavaka ny fitantarana tsirairay. Eny tokoa, ireo tsy fitoviana sahala amin’ireo izay hita ao amin’ireo fitantarana momba ny Fahitana Voalohany dia hita ihany koa ao amin’ireo fitantarana maro ao amin’ny soratra masina momba ny fahitana azon’i Paoly teo amin’ny lalana nankany Damaskosy sy ny zavatra niainan’ireo Apôstôly teo an-tendrombohitry ny Fiovan-tarehy.3 Na dia eo aza anefa ireo fahasamihafana, dia misy fototra iray izay tsy miova mitoetra manerana ireo fitantarana ny Fahitana Voalohany. Ny olona sasany dia milaza am-pahadisoan-kevitra fa ny fiovana rehetra mety ho hita amin’ny famerenana mitantara ilay tantara dia manaporofo fa zavatra noforomporonina fotsiny ilay izy. Mifanohitra amin’izany anefa, ny fisian’ny rakitsoratra ara-tantara isan-karazany dia afaka mampianatra antsika bebe kokoa momba an’io zava-nitranga manan-danja io mihoatra izay nahafahantsika nanao izany raha tsy dia nanana tahirin-kevitra firy momba izany isika.

Fitantarana momba ny Fahitana Voalohany

Ny fitantarana tsirairay momba ny Fahitana Voalohany nataon’i Joseph Smith sy ireo niara-belona taminy dia samy manana ny tantarany sy ny toe-javatra nisy izay nisy fiantraikany teo amin’ny fomba nahatsiarovana sy nitantarana, sy nampitaina, ary niraketana izany. Resahina etsy ambany ireo fitantarana ireo.

Fitantarana tamin’ny 1832. Ny fitantarana voalohany indrindra fantatra momba ny Fahitana Voalohany, ilay hany fitantarana tokana nosoratan’i Joseph Smith tamin’ny tanany mihitsy, dia hita ao amin’ny tantaram-piainana fohy sy tsy navoaka nataon’i Joseph Smith tany amin’ny tapany faharoan’ny taona 1832. Nofariparitan’i Joseph Smith ao amin’ilay fitantarana ny fahatsiarovany ny fahotany manokana sy ny fahasorenany noho ny tsy fahitany fiangonana izay nifanaraka tamin’ilay novakiny tao amin’ny Testamenta Vaovao izay hitarika azy ho amin’ny fanavotana. Nohamafisiny ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fanavotana manokana atolotr’izany. Nanoratra izy fa niseho ny “Tompo” ary namela ny helony. Vokatr’ilay fahitana dia niaina fifaliana sy fitiavana i Joseph, na dia tsy nahita olona nino ny tantarany aza izy, araka ny nomarihiny. Vakio eto ny fitantarana tamin’ny 1832.

Fitantarana tamin’ny 1835. Tamin’ny fararanon’ny 1835 dia nitantara ny Fahitana Voalohany tamin’i Robert Matthews, izay nitsidika an’i Kirtland, Ohio i Joseph Smith. Ny famerenana fitantarana, noraketin’i Warren Parrish mpitantsorany tao amin’ny diarin’i Joseph, dia manantitrantitra ny fiezahany hamantatra hoe iza no fiangonana marina, sy ny fanoherana tsapany rehefa nivavaka izy, ary ny fisehoan’ny olona masina iray izay narahin’ny iray hafa afaka fotoana fohy. Ity fitantarana ity koa dia manamarika ny fisehoan’ny anjely tao amin’ilay fahitana. Vakio eto ny fitantarana tamin’ny 1835.

Fitantarana tamin’ny 1838. Ny fitantarana ny Fahitana Voalohany fantatry ny Olomasin’ny Andro Farany indrindra ankehitriny dia ny fitantarana tamin’ny 1838. Navoaka voalohany tamin’ny 1842 tao amin’ny Times and Seasons, gazetin’ny Fiangonana tany Nauvoo Illinois, ilay fitantarana dia ampahany tamin’ny tantara lava nataon’i Joseph Smith teo anelanelan’ireo fotoana nisian’ny fanoherana mahery vaika. Raha manantitrantitra ny tantaram-piainan’i Joseph Smith manokana fony izy tovolahy nitady famelan-keloka ny fitantarana tamin’ny 1832, ny fitantarana tamin’ny 1838 kosa dia mifantoka amin’ilay fahitana ho fiantombohan’ny “fitsanganana sy ny fandrosoan’ny Fiangonana.” Toy ny fitantarana tamin’ny 1835, ny fanontaniana lehibe apetraky ny fitantarana dia hoe iza no fiangonana marina. Vakio eto ny fitantarana tamin’ny 1838.

Fitantarana tamin’ny 1842. Nosoratana ho valin’ny fangatahana fampahalalana momba ny Olomasin’ny Andro Farany nataon’i John Wentworth, mpanoratra ny Chicago Democrat, ity fitantarana ity dia natonta tao amin’ny Times and Seasons tamin’ny 1842. (Ny “Wentworth letter [taratasin’i Wentworth],” araka ny ahafantaran’ny besinimaro azy dia loharano nipoiran’Ireo fanekem-pinoana ihany koa.)4 Ilay fitantarana, izay nokasaina havoaka ho an’ny mpamaky tsy mahalala firy momba ny zavatra inoan’ny Môrmôna, dia fohy sy mahitsy. Tahaka ireo fitantarana teo aloha, dia nomarihan’i Joseph Smith ny fisafotofotoana niainany sy ny fisehoan’ny olona roa ho valin’ny vavaka nataony. Ny taona manaraka, ity fitantarana ity izay nasiam-panovana kely dia kely dia nalefan’i Joseph Smith tany amin’ny mpahay tantara iray nantsoina hoe Israel Daniel Rupp, izay namoaka izany ho toko iray tao amin’ny bokiny, He Pasa Ekklesia [Ny Fiangonana manontolo]: An Original History of the Religious Denominations at Present Existing in the United States.5 Vakio eto ny fitantarana tamin’ny 1842.

Fitantarana nataon’ireo olona izay nandre izany avy tamina vavolombelona mivantana. Ankoatra ireo fitantarana avy tamin’i Joseph Smith tenany mihitsy dia misy fitantarana dimy nosoratan’ny mpiara-belona taminy izay nandre an’i Joseph Smith niresaka momba ilay fahitana. Vakio eto ireo fitantarana ireo.

Adihevitra mikasika ireo fitantarana momba ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith

Ny karazany sy ny isan’ireo fitantarana momba ny Fahitana Voalohany dia nitarika ireo mpitsikera sasany hametra-panontaniana raha toa mifanaraka amin’ny zava-misy niainany ireo famaritana nataon’i Joseph Smith. Adihevitra roa no natao matetika enti-manohitra ny fahamarinany: ny fanontaniana voalohany dia miahiahy ny amin’ny fahatsiarovan’i Joseph Smith ireo zava-nitranga; ny faharoa dia miahiahy sao nampitombo ireo singa tao amin’ilay tantara izy rehefa nandeha ny fotoana.

Fitadidiana. Ny adihevitra iray momba ireo fitantaran’i Joseph Smith ny Fahitana Voalohany dia milaza fa ny porofo ara-tantara dia tsy manohana ny famaritan’i Joseph Smith ny fifohazana ara-pivavahana tany Palmyra, New York, sy ireo faritra manodidina tamin’ny 1820. Nilaza ny sasany fa io dia tsy mampitombina ny filazan’i Joseph momba-na firehetana ara-pivavahana tsy mahazatra sy ny fitantarana momba ilay fahitana mihitsy.

Ny porofo ara-panadihadiana anefa dia manohana ny fanambaran’i Joseph Smith mikasika ireo fifohazana ara-pivavahana ireo. Nanjary nalaza noho ny firehetana ara-pivavahana ny faritra nonenany ary tsy isalasalana fa iray amin’ireo foiben’ny fifohazana ara-pivavahana. Ireo mpahay tantara dia miantso ilay faritra hoe “burned-over district (distrika kila firehitra)” satria nobahanan’ireo mpitoriteny nanao toby fifohazana sy nitady olona hiova fo ny tany tany amin’ny voalohan’ny taona 1800.6 Tamin’ny volana jona 1818, ohatra, ny fivorian’ny tobin’ny Metodista dia natao tany Palmyra, ary ny fahavaratra manaraka ny Metodista dia nivory indray tao Vienna (Phelps ankehitriny), New York, 24 kilaometatra miala ny toeram-pambolen’ny fianakaviana Smith. Ireo diarin’ny mpitory Metodista mpandehandeha iray dia nirakitra ny fientanentanana ara-pivavahana maro tao amin’ny faritra jeôgrafika nisy an’i Joseph tamin’ny 1819 sy 1820. Notaterin’ireny fa i Reverend George Lane, mpitoriteny Metodista nanindraindra ny fifohazana,​dia tao amin’izany faritra izany nandritra ireo taona roa ireo, niresaka “momba ny fomba hanatanterahan’Andriamanitra ny Fanavaozana ara-pivavahana.”7 Io porofo ara-tantara io dia mifanaraka amin’ny famariparitan’i Joseph. Nilaza izy fa ny fientanentanana ara-pivavahana tsy mahazatra tao amin’ny distrika na faritra nisy azy dia “nanomboka tamin’ireo Metodista.” Nilaza tokoa i Joseph fa lasa “somary niandany” tamin’ny Metodista izy.8

Fampitomboana. Ny adihevitra faharoa natao matetika momba ny fitantarana ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith dia ny hoe nampitomboiny ny tantarany rehefa nandeha ny fotoana. Ity adihevitra ity dia mifantoka amin’ny antsipiriany roa: ny isa sy ny mombamomba ireo olona avy any an-danitra izay nolazain’i Joseph Smith fa hitany. Ireo fitantaran’i Joseph momba ny Fahitana Voalohany dia mamaritra ireo olona avy any an-danitra amin’ny antsipiriany bebe kokoa rehefa nandeha ny fotoana. Ny fitantarana tamin’ny 1832 dia milaza hoe: “Nanokatra ny lanitra teo amiko ny Tompo ary nahita ny Tompo aho.” Ny fitantarana nataony tamin’ny 1838 dia nilaza hoe: “Nahita Olona roa aho,” ny iray nanolotra ny iray hoe “Zanako Malalako.” Vokatr’izany dia nilaza ireo mpitsikera fa olona iray—“ny Tompo”—no nolazain’i Joseph Smith fa hitany tamin’ny voalohany, dia niafara tamin’ny filazany fa nahita ny Ray sy ny Zanaka izy.9

Misy fomba hafa, fomba izay tsy miovaova hahitana ny porofo. Tsy azo lavina fa misy fifandraisana fototra eo amin’ireo fitantarana : ny telo amin’ireo fitantarana efatra dia milaza mazava fa nisy olona roa niseho tamin’i Joseph Smith tao amin’ny Fahitana Voalohany. Ankoatra ny fitantaran’i Joseph Smith tamin’ny 1832, izay azo vakina ho manondro olona iray na roa. Raha vakina ho manondro olona iray avy any an-danitra ilay fitantarana tamin’ny 1832 dia mety hoe manondro ilay olona izay namela ny helony izany. Araka ny fitantarana taty aoriana, ny olon’ny lanitra voalohany dia nilaza tamin’i Joseph Smith mba hihaino ilay faharoa, i Jesoa Kristy, izay nanolotra ny hafatra lehibe, izay nahitana ny hafatra momba ny famelan-keloka.10 Ny fitantaran’i Joseph Smith tamin’ny 1832, avy eo, dia mety ho nifantoka tamin’i Jesoa Kristy, ilay nitondra famelan-keloka.

Fomba iray hafa hamakina ny fitantarana tamin’ny 1832 ny hoe i Joseph Smith dia nanondro olona roa, izay samy nantsoiny hoe “Tompo.” Ilay petrakevitra nampitomboany miandalana ireo fitantarany dia miankina amin’ny fiheverana fa ny fitantarana tamin’ny 1832 dia manoritsoritra ny fisehoan’ny olon’ny lanitra tokana. Saingy ny fitantarana tamin’ny 1832 dia tsy milaza fa olona iray ihany no niseho. Mariho fa ny firesahana roa momba ny “Tompo” dia amin’ny fotoana samy hafa: voalohany dia nanokatra ny lanitra ny “Tompo”; avy eo nahita ny “Tompo” i Joseph Smith. Ity famakiana ny fitantarana ity dia mifanaraka amin’ny fitantaran’i Joseph tamin’ny 1835, izay nisy olona iray niseho aloha, ary narahin’ny iray hafa taoriana kelin’izay. Ny fitantarana tamin’ny 1832, avy eo, dia azo vakina amin’ny saina tsy miangatra ho midika fa nahita olona iray izay nampiseho olona iray hafa i Joseph Smith ary samy nantsoiny hoe “ny Tompo” izy roa: “Nanokatra ny lanitra teo amiko ny Tompo ary nahita ny Tompo aho.”11

Ireo famariparitana nataon’i Joseph izay niha-nazava hatrany dia azo vakina amim-paharesen-dahatra ho porofon’ny hevi-baovao tsy nitsaha-nitombo, niangona rehefa nandeha ny fotoana, niorina tamin’ny zavatra niainana. Amin’ny ampahany, ireo fahasamihafana misy eo amin’ny fitantarana tamin’ny 1832 sy ireo fitantarana taty aoriana dia mety hisy ifandraisany amin’ireo tsy fitovian’ny teny voasoratra sy ny teny notononina. Ny fitantarana tamin’ny 1832 dia maneho ny fotoana voalohany nanandraman’i Joseph Smith nanoratra ny tantarany. Tamin’io taona io ihany dia nanoratra tamin’ny namana iray izy, nilaza fa nahatsiaro ho voagadran’ny “penina fanoratana taratasy sy ny ranomainty ary ny fiteny tsy tonga volana sy ny fiteny vary amin’anana.” Nantsoiny hoe “fonja tery kely” ilay teny voasoratra.12 Ny fivelaran’ireo fitantarana taty aoriana dia mora takatra kokoa ary antenaina mihitsy aza rehefa fantatsika fa fitantarana notononina ireo—fomba mora sy mampahazo aina ho an’i Joseph Smith ary fomba iray izay namela ireo teny hikoriana mora kokoa.

Fehin-kevitra

Nijoro ho vavolombelona ombieny ombieny i Joseph Smith fa niaina fahitana miavaka nahitana an’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany izy. Na ny fahamarinan’ny Fahitana Voalohany na ireo adihevitra manohitra izany dia azo porofoina amin’ny alalan’ny fikarohana ara-tantara fotsiny. Ny fahafantarana ny fahamarinan’ny fijoroana ho vavolomben’i Joseph Smith dia mitaky mpikatsaka fahamarinana mazoto handalina ilay rakitsoratra ary avy eo hampihatra finoana ampy an’i Kristy ka hangataka amin’Andriamanitra amin’ny vavaka amin-kitsimpo sy feno fanetrentena raha marina ilay rakitsoratra. Raha mangataka omban’ny fikasana marina hanao araka ny valiny ambaran’ny Fanahy Masina ilay mpikatsaka dia hiseho ny fahamarinan’ny fahitana hitan’i Joseph Smith. Amin’izany fomba izany, ny olona tsirairay dia afaka mahafantatra fa nilaza tamim-pahamarinana i Joseph Smith rehefa nanambara izy hoe: “Fa efa nahita fahitana aho; nahafantatra izany aho, ary nahafantatra aho fa nahafantatra izany Andriamanitra, ary tsy afaka mandà izany aho.”13

Ny Fiangonana dia manaiky ny fandraisan’anjaran’ny manam-pahaizana momba ny votoatiny ara-tantara naroso tato amin’ity lahatsoratra ity; nahazoana lalana ny fampiasana ny asan’izy ireo.

Navoaka voalohany tamin’ny nôvambra 2013.

Lohahevitra mifandray amin’izany

  • Mamaly fanontaniana momba ny filazantsara

  • Ny Andriamanitra

  • Andriamanitra Ray

  • Jesoa Kristy

  • Joseph Smith

  • Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana

  • Famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana

Soratra masina

Soratra masina mifandray

Horonan-tsary

“The Restoration” (Ny Famerenana amin’ny laoniny)

“Joseph Smith: The Prophet of the Restoration” (I Joseph Smith: Ilay mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny)

“Mission Preparation Track 14: Gordon B. Hinckley”

Loharanom-pandalinana

Loharano ankapobeny

History, circa Summer 1832,” The Joseph Smith Papers

Journal, 1835–1836,” The Joseph Smith Papers

History, circa June 1839–circa 1841 [Draft 2],” The Joseph Smith Papers

‘Church History,’ 1 March 1842,” The Joseph Smith Papers

‘Latter Day Saints,’ 1844,” The Joseph Smith Papers

Primary Accounts of Joseph Smith’s First Vision of Deity,” The Joseph Smith Papers

Gazetibokin’ny Fiangonana

Preparing for the Restoration,” Ensign, June 1999

Book of Mormon Personalities Known by Joseph Smith,” Ensign, December 1983

Boky torolalana ho an’ny fandalinana

  1. Jereo, ohatra, ny James B. Allen, “Eight Contemporary Accounts of the First Vision—What Do We Learn from Them?” Improvement Era, 73 (1970): 4–13; Richard L. Anderson, “Joseph Smith’s Testimony of the First Vision,” Ensign, Apr. 1996, 10–21; Milton V. Backman, Joseph Smith’s First Vision: The First Vision in Its Historical Context (Salt Lake City: Bookcraft, 1971; 2nd ed., 1980); Steven C. Harper, Joseph Smith’s First Vision: A Guide to the Historical Accounts (Salt Lake City: Deseret Book, 2012).

  2. Ireo fitantarana rehetra ireo dia naverina natonta tao amin’ny Dean C. Jessee, “The Earliest Documented Accounts of Joseph Smith’s First Vision,” ao amin’ny John W. Welch, ed., miaraka amin’i Erick B. Carlson, Opening the Heavens: Accounts of Divine Manifestations, 1820–1844 (Provo and Salt Lake City: Brigham Young University Press and Deseret Book, 2005), 1–33.

  3. Asan’ny Apostoly 9:3–9; 22:6–21; 26:12–18; Matio 17:1–13; Marka 9:2–13; Lioka 9:28–36.

  4. Ilay taratasy manontolo dia hita ao amin’ny Joseph Smith, “Church History,” Times and Seasons 3 (Mar. 1, 1842): 706–10.

  5. Joseph Smith, “Latter Day Saints,” ao amin’ny I. Daniel Rupp, He Pasa Ekklesia: An Original History of the Religious Denominations at Present Existing in the United States (Philadelphia: J. Y. Humphreys, 1844), 404–10.

  6. Whitney R. Cross, The Burned-Over District: The Social and Intellectual History of Enthusiastic Religion in Western New York, 1800–1850 (Ithaca, N.Y.: Cornell University Press, 1950); Paul E. Johnson, A Shopkeeper’s Millennium: Society and Revivals in Rochester, New York, 1815–1837 (New York: Hill and Wang, 1983); Nathan O. Hatch, The Democratization of American Christianity (New Haven: Yale University Press, 1989).

  7. Diarin’i Benajah Williams, 15 jolay 1820, tahadika ao amin’ny Tranombokin’ny tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City; fitsipi-panoratana nampanarahana fenitra.

  8. Fitantarana tamin’ny 1838 (Joseph Smith—Tantara 1:5, 8).

  9. Fitantarana tamin’ny 1832 (Joseph Smith History, ca. Summer 1832, 3, ao amin’ny Joseph Smith, “Letter Book A,” Joseph Smith Collection, Church History Library, Salt Lake City). Fitantarana tamin’ny 1838 (Joseph Smith—Tantara 1:17).

  10. Fitantarana tamin’ny 1838 (Joseph Smith—Tantara 1:17). Fitantarana tamin’ny 1835 (Joseph Smith, “Sketch Book of the use of Joseph Smith, jr.,” Journal, Nov. 9–11, 1835, Joseph Smith Collection, Tranombokin’ny tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City.

  11. Fitantarana tamin’ny 1832 (Joseph Smith History, ca. Summer 1832, 3, ao amin’ny Joseph Smith, “Letter Book A,” Joseph Smith Collection, Tranombokin’ny tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City).

  12. Joseph Smith to William W. Phelps, Nov. 27, 1832, Joseph Smith Collection, Tranombokin’ny tantaran’ny Fiangonana, Salt Lake City; hita ao amin’ny www.josephsmithpapers.org.

  13. Fitantarana tamin’ny 1838 (Joseph Smith—Tantara 1:25).