Fikambanana Ifanampiana sy Kôlejin’ny Loholona
Mampianatra sy mianatra ary mampihatra ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany


Avia, hanaraka Ahy

Mampianatra sy mianatra ary mampihatra ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Mitana anjara asa lehibe amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana ireo kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana. Mandritra ireo fivoriana isan’alahady ataon’izy ireo dia mifanakalo hevitra momba ny fomba hampiharana ireo fampianarana ao amin’ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany izy ireo ho isan’ny ezaka ataony amin’ity asa ity. Mifantina hafatra iray avy amin’ny fihaonambe ireo filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana mba hianarana mandritra ny fivoriana isaky ny alahady, mifototra amin’ny filan’ireo mpikambana sy ny fitarihan’ny Fanahy. Indraindray mety hanolotra hafatra iray koa ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Amin’ny ankapobeny dia ireo hafatra avy amin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no tokony hofantenin’ireo mpitarika. Kanefa azo ifanakalozana hevitra daholo izay mety ho hafatra avy amin’ny fihaonambe farany indrindra.

Mifantoka amin’ny fomba hanampiana ireo mpikambana hampihatra ireo fampianarana ao amin’ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany eo amin’ny fiainany ny mpampianatra. Ireo mpitarika sy mpampianatra dia mitady fomba hamporisihana ireo mpikambana mba handalina ireo hafatra voafantina alohan’ ireo fivoriana.

Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ireo fivorian’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia jereo ny Boky torolalana maneran-tany: Manompo ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 8.2.1.2, 9.2.1.2, ChurchofJesusChrist.org.

Lamina enti-mampianatra

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy ireo mpampianatra rehefa manao drafitra hampianatra hafatra iray avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana izy ireo. Raha ilaina dia mila hevitra amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona na ny FIkambanana Ifanampiana ireo mpampianatra rehefa misaintsaina ireo fanontaniana ireo.

  • Nahoana ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona na ny Fikambanana Ifanampiana no nisafidy ity hafatra ity mba hifanakalozana hevitra? Inona no antenain’izy ireo ho fantatry ny mpikambana sy hataony rehefa avy mifanakalo hevitra momba ity hafatra ity?

  • Inona no tian’ny mpandahateny ho takatry ny mpikambana? Inona avy ireo fitsipiky ny filazantsara ampianariny? Amin’ny fomba ahoana no iharan’ireo fitsipika ireo amin’ny kôlejin’ny loholona na ny Fikambanana Ifanampiana misy ahy?

  • Inona no soratra masina nampiasain’ilay mpandahateny mba hanohanana ny hafany? Misy soratra masina hafa ve azon’ireo mpikambana vakina ka hampitombo kokoa ny fahatakaran’izy ireo? (Mety hahita ianao ao amin’ireo fanamarihana ambany pejy amin’ilay hafatra na ao amin’ny Torolalana momba ny Soratra Masina [scriptures.ChurchofJesusChrist.org].)

  • Inona avy ireo fanontaniana azoko apetraka izay afaka manampy ireo mpikambana hisaintsaina sy hampihatra ireo fampianarana ao amin’ilay hafatra? Inona avy ireo fanontaniana izay hanampy azy ireo hahita ny maha manan-danja ireo hafatra ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo sy amin’ny fianakavian’izy ireo ary eo amin’ny asan’ny Tompo?

  • Inona no zavatra azoko atao mba hanasana ny Fanahy ao anatin’ny fivorianay? Inona no zavatra azoko ampiasaina mba hampivelarana ny fifanakalozan-kevitra, tafiditra ao anatin’izany ny tantara, ny fifanahafana, ny mozika na ny sary? Inona no ataon’ilay mpandahateny mba hanampiana ny mpikambana hahatakatra ny hafany?

  • Moa ve nanolotra fanasana ilay mpandahateny? Ahoana no ahafahako manampy ireo mpikambana hahatsapa ny faniriana handray andraikitra eo anatrehan’ireo fanasana ireo?

Hevitra mikasika ireo atrikasa azo atao

Misy fomba maro azon’ireo mpampianatra anampiana ireo mpikambana mba hianatra avy amin’ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany sy hampihatra izany. Misy ohatra vitsivitsy ireto. Mety manana hevitra hafa izay hahomby kokoa ho an’ny kôlejin’ny loholona na ny Fikambanana Ifanampiana misy azy ireo ny mpampianatra.

  • Mampihatra ireo fahamarinana eo amin’ny fiainantsika. Asao ireo mpikambana mba hamerina hijery ilay hafatra avy amin’ny fihaonambe ka hitady ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hanatanteraka ny asa nomen’ Andriamanitra azy ireo manokana na miaraka amin’ny kôlejin’ny loholona na Fikambanana Ifanampiana. Ohatra, inona no ianarantsika izay afaka manampy antsika amin’ny maha-mpanompo antsika? amin’ny maha-ray aman-dreny antsika? amin’ny maha-mpikambana misiônera antsika? Inona no fiantraikan’io hafatra io eo amin’ny eritreritsika sy ny fahatsapantsika ary ny zavatra ataontsika?

  • Mifanakalo hevitra ao anatina vondrona. Zarazarao ho vondrona kely maromaro ireo mpikambana ary omeo ampahany samihafa avy ao amin’ilay hafatra avy amin’ny fihaonambe ny vondrona tsirairay hovakina sy hifanakalozana hevitra. Avy eo dia asao ny vondrona tsirairay hizara fahamarinana iray izay hitany sy ny fomba ampiharana izany eo amin’izy ireo. Na afaka mamorona vondrona ahitana mpianatra nandalina fizarana samy hafa ao amin’ilay hafatra ianao ka hamela azy ireo hifampizara ny zavatra hitany.

  • Mitadiava valim-panontaniana. Asao ireo mpikambana mba hamaly fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto mikasika ny hafatra avy amin’ny fihaonambe: Inona avy ireo fahamarinana momba ny filazantasara izay hitantsika ao amin’io hafatra io? Ahoana no ahafahantsika mampihatra ireo fahamarinana ireo? Inona avy ireo fanasana natolotra sy fitahiana nampanantenaina? Inona no ampianarin’izany hafatra izany antsika mikasika ny asa tian’Andriamanitra hataontsika? Na mamoròna fanontaniana vitsivitsy izay mampirisika ireo mpikambana hieritreritra lalina momba ilay hafatra na hampihatra ireo fahamarinana ampianarin’izany. Avelao ireo mpikambana hisafidy iray amin’ireo fanontaniana ireo ary hitady ny valiny ao amin’ilay hafatra.

  • Mizarà zavatra nolazaina ao amin’ilay hafatra. Asao ireo mpikambana mba hizara teny nindramina avy ao amin’ilay hafatra avy amin’ny fihaonambe izay mamporisika azy ireo hanatanteraka ny andraikitr’izy ireo eo amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana. Amporisiho izy ireo handinika ny fomba ahafahan’izy ireo mizara ireo teny nindramina ireo mba hitahiana olona, tafiditra ao anatin’izany ireo olona lalainy sy ireo olona izay anaovan’izy ireo fanompoana.

  • Mizarà lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana. Angataho mialoha ny mpikambana vitsivitsy mba hitondra zavatra avy any an-trano izay azon’izy ireo ampiasaina mba hampianarana mikasika ilay hafatra avy amin’ny fihaonambe. Mandritra ilay fivoriana dia angataho ireo mpikambana hanazava ny ifandraisan’ireo zavatra ireo amin’ilay hafatra sy ny fomba ampiharana ilay hafatra eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Manomàna lesona iray mba hampianarina any an-trano. Angataho ireo mpikambana hiasa tsiroaroa mba hanomana lesona iray ho an’ny takarivan’ny mpianakavy izay mifototra amin’ilay hafatra avy amin’ny fihaonambe. Afaka mamaly fanontaniana tahaka ireto izy ireo: Ahoana no ahafahantsika manao izay hahatonga io hafatra io ho manan-danja ho an’ny fianakaviantsika? Ahoana no ahafahantsika mizara io hafatra io amin’ny olona izay anaovantsika fanompoana?

  • Zarao ireo zavatra niainana. Miaraha mamaky teny maro nambara tao amin’ilay hafatra avy amin’ny fihaonambe. Angataho ireo mpikambana mba hizara ohatra avy ao amin’ny soratra masina sy avy amin’ny fiainan’izy ireo izay maneho na manamafy ilay fotopampianarana nampianarina tao anatin’ireo teny nambara ireo.

  • Mitadiava andian-teny. Asao ireo mpikambana handinika ilay hafatra avy amin’ny fihaonambe ka hitady ireo andian-teny izay manan-danja amin’izy ireo. Angataho izy ireo hizara ireo andian-teny sy ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’izany. Angataho izy ireo hizara ny fomba anampian’ireo fampianarana ireo azy ireo hanatanteraka ny asan’ny Tompo.

Mba hahazoana hevitra fanampiny momba ny fomba fandalinana sy fampianarana avy amin’ireo hafatry ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia jereo ny “Idées pour l’étude et l’enseignement de la conférence générale.” (Safidio ny “Idée pour l’étude” ao amin’ny “Conférence Générale ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.)