Momba ireo gazetibokin’ny Fiangonana
Liahona
Fantaro ny momba ny Liahona


Liahona,” jan. 2021.

Liahona

Manondro antsika rehetra ho any amin’i Jesoa Kristy

Sary
lehilahy mamaky gazetiboky

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika dia mamaky fa nanomana ny Liahona ny Tompo hanampiana an’i Lehia sy ny fianakaviany handroso eo amin’ny dian’izy ireo. Izany dia “kompà … izay nanoro azy ny lalana mahitsy mankany amin’ny tany nampanantenaina” (Almà 37:44). Eo ambany fitarihan’ireo mpaminany velona, ny gazetiboky Liahona amin’izao androntsika izao dia torolalana miaraka amintsika eo amin’ny diantsika ary manondro ny lalana mankany amin’i Jesoa Kristy, na dia eo anivon’ny tafiotra aza.

Liahona Vaovao

Ny gazetiboky Liahona ho an’ny olon-dehibe dia manoritsoritra ny fampianarana sy ny fanompoan’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana, mizara lahatsoratra manentana ny fanahy izay maneho ny fomba fampiharana ireo fitsipiky ny filazantsara, manohana ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano, ary manolotra hevitra amin’ireo lohahevitra amin’ny Avia, hanaraka Ahy.

Fitarihana avy amin’ny mpaminany velona

Ny laharana tsirairay dia misy lahatsoratra vaovao nomanin’ny mpikambana iray ao amin’ny Fiadidiana Voalohany na ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Vakio izay ampianarin’ireo mpaminany sy apôstôly ankehitriny.

Mpamaky fototra

Ny Liahona dia manolotra fitaovana manentana ny fanahy momba ny filazantsara ho an’ireo mpikambana olon-dehibe rehetra, tafiditra amin’izany ireo olon-dehibe tsy manambady, tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, mpikambana vaovao, mpikambana efa ela, ary ray aman-dreny. Ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony dia mamoaka lahatsoratra ihany koa ny Liahona izay hita ao amin’ny Ho an’ny tanora - Isan-kerinandro, gazetiboky nomerika ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony.

Maneran-tany

Ny Liahona dia miezaka mitahy ny mpikambana rehetra manerana izao tontolo izao. Ilay gazetiboky dia mivoaka amin’ny fiteny miisa 23 isam-bolana amin’ny endrika nomerika sy vita printy ary ary amin’ny fiteny 25 fanampiny isaky ny roa volana amin’ny endrika nomerika sy vita printy. Misy hafatra manan-danja voafantina natao amin’ny endrika nomerika hozaraina eo an-toerana amin’ny fiteny 39 fanampiny. Izany no mahatonga ny votoatin’ny Liahona ho tonga amin’ireo mpikambana amin’ny fiteny 87 isam-bolana.

Lahatsoratra bebe kokoa amin’ny endrika nomerika

Fantatrao ve fa ny Liahona dia mamoaka votoatiny misimisy kokoa mihoatra noho izay hitanao ao amin’ny gazetiboky vita printy? Ireo fanampiny amin’ny endrika nomerika ireo dia azo jerena ao amin’ny liahona.ChurchofJesusChrist.org na ny Liahona ao amin’ny application Médiathèque.

Lahatsoratra ho an’ny vondromparitra manokana

Ny Liahona feno dia adika amin’ny fiteny miisa 48. Saika ny laharana tsirairay dia ahitana votoatiny novokarin’ireo kômitin’ny mpiasa na olona voantso nanolo-tena eo an-toerana. Io votoatiny eo an-toerana io dia ahitana hafatra avy amin’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra, lahatsoratra momba ireo hetsika eo an-toerana, tantara sy fijoroana ho vavolombelona avy amin’ireo mpikambana eo an-toerana, sy ny maro hafa. Ho an’ny ankamaroan’ny vondromparitra io votoatiny io dia misy amin’ny endrika nomerikan’ny Liahona isam-bolana ao amin’ny Médiathèque.

Alefaso aty aminay ny tantaranao

Te handre anao ny Liahona. Afaka mitaona ny fanahin’ireo mpikambana manerana izao tontolo izao ianao rehefa mizara ny traikefanao amin’ny fiainana ny filazantsara. Alefaso ny lahatsoratrao, ny hevitrao, ary ny fanamarihanao amin’ny Liahona en ligne.

Misorata anarana izao

Raha mila fampahalalana fanampiny momba ny fisoratana anarana amin’ny Liahona, dia tsidiho ny tranombarotra en ligne ka safidio ny fiteny tianao. Ny pejy manokana ho an’ny vondromparitra dia ho tafiditra ho azy arakaraka ny toerana misy anao.

Fanamarihana: Mety haharitra telo volana vao mihatra ny fisoratana anarana.