Seminera sy Institiota
Ny tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara


“Ny tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara,” Ny tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara (2022)

“Ny tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara,” Ny tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara

Ny tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara

Ny tanjontsika dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora manambady na tsy manambady, hanao izay hampiorim-paka ny fiovam-pon’izy ireo ho amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany ary ny hafa, ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra.

Mba hanatratrarana izany tanjontsika izany dia ilaina ny:

Miaina

Miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika ary miezaka ny hanana ny Fanahy Masina ho namana. Ny fitondrantenantsika sy ny fifandraisantsika dia ohatra tsara ao an-tokantrano, any an-dakilasy, ary eo amin’ny fiaraha-monina. Mikatsaka hatrany isika ny hanatsara ny zava-bitantsika, ny fahalalantsika, ny fitondrantenantsika, ary ny toetrantsika. Mihaino tsara ireo mpaminanin’ Andriamanitra isika ary manaraka ny fampianaran’izy ireo sy ny fitarihan’ny fanahy masina.

Mampianatra

Ny traikefa tsirairay momba ny fianarana dia ampifantohantsika amin’i Jesoa Kristy sy ny ohatra nasehony sy ny toetrany ary ny heriny manavotra Isika dia manampy ny mpianatra hianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny araka izay hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany. Manampy ny mpianatra hanatanteraka ny anjara andraikiny amin’ny fianarana ho an’ny tenany ihany isika. Miezaka isika ny hanasa ny Fanahy Masina mba hanatanteraka ny andraikiny amin’ny traikefa fianarana tsirairay.

Mitarika

Ampitoviantsika amin’ny ohatr’i Jesoa Kristy ny fitarihantsika. Manasa sy mamporisika ireo zatovo sy tanora mpitovo ary mpivady vao herotrerony rehetra izahay mba handray anjara amin’ny seminera sy institiota. Mikatsaka ny hampatanjaka ireo izay tarihintsika isika, sy hitantana ny asa amim-pahombiazana ary hanorina firaisankina amin’ny hafa. Ny ezaka ataontsika dia manampy sy manohana ny tsirairay sy ny fianakaviana ary ny mpitarika ao amin’ny fisoronana.