Boky torolalana sy antso
Ireo loharanom-pitaovana ho an’ny Fanompoana


“Loharanom-pitaovana ho an’ny Fanompoana amin’ny alalan’ny kôlejy ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka sy Fikambanana Ifanampiana matanjaka kokoa”

“Ireo loharanom-pitaovana ho an’ny Fanompoana”

Loharanom-pitaovana ho an’ny Fanompoana amin’ny alalan’ny kôlejy ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka sy Fikambanana Ifanampiana matanjaka kokoa

Ireto loharanom-pitaovana ireto dia manampy ireo mpitarika rehefa manolotra torolalana sy rehefa mitarika fifanakalozan-kevitra ao amin’ny filankevitry ny vondrom-paritra, filankevitra fandrindrana, fihaonamben’ny tsatòka, filankevitry ny tsatòka, filankevitry ny paroasy, ary lesona isaky ny alahady izy ireo.

Sosokevitra amin’ny fampiasana ireto loharanom-pitaovana ireto

Azon’ireo mpitarika atao mandritra ny fivoriana filankevitra iray ny manomboka fifanakalozan-kevitra momba ireo fanovana nolazaina tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ny volana aprily 2018 amin’ny alalan’ny famakiana ny fizarana fampidirana amin’ny taratasy nampiarahana izay ahitana ny taratasy avy amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny 2 aprily 2018: “Manompo amin’ny alalan’ny kôlejy ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka sy Fikambanana Ifanampiana matanjaka kokoa” (jereo ny ministering.ChurchofJesusChrist.org).

Azon’ireo mpikambana ao amin’ilay filankevitra atao ihany koa ny mijery sy mifanakalo hevitra momba ilay horonan-tsary Fahitana iray momba ny fanompoana (jereo ny “Horonan-tsary” etsy ambany). Misy horonan-tsary sy loharanom-pitaovana hafa omena mba hanatsarana ny fifanakalozan-kevitra ary azo ampiasaina mandritra ireo fivoriana filankevitra manaraka sy ireo fivoriana hafa. Ny fizarana tsirairay ao amin’ny horonan-tsary Fanompoana mahomby dia arahina fanontaniana iray izay azon’ny vondrona hifanakalozana hevitra.

Horonan-tsary

Ireto horonan-tsary manaraka ireto dia ahitana ampahana horonan-tsary fohy avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, volana aprily 2018 sy avy amin’ireo fivoriana ho an’ny mpitarika mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany niarahana tamin’ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, ary ireo Mpiandraikitra Ambony.

Fahitana iray momba ny fanompoana (4:41)

NyFanompoana mahomby (15:00) dia ahitana ireto fizarana manaraka ireto:

  1. Ny antony anompoantsika” (2:43). Fanontaniana: Nahoana isika no manompo?

  2. Tsotra, an’ny isam-batan’olona, ary tarihin’ny Fanahy” (2:20). Fanontaniana: Ahoana no fomba ahafahantsika mihazona ny ezaka ataontsika ho tsotra sy tarihin’ny Fanahy?

  3. Topimaso momba ireo dinidinika momba ny fanompoana” (3:53). Fanontaniana: Afaka mitahy ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana amin’ny fomba ahoana ireo dinidinika momba ny fanompoana?

  4. Ezaka iray mirindra” (2:49). Fanontaniana: Manampy antsika hikarakara ny zanak’Andriamanitra rehetra amin’ny fomba ahoana ny ezaka iray mirindra?

  5. Fanasana mba hanao asa” (3:24). Fanontaniana: Ahoana no ahafahantsika mampihatra amin’ny fomba tsara indrindra ny vina momba ny fanompoana izay natolotry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo?

Dinidinika momba ny fanompoana (19:17)

Soratra masina mifandray

Matio 10:39; 22:37–39; Lioka 22:32; Jaona 10:11; 13:34; 21:15–16; Galatiana 5:13; Môzià 23:18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:51–53

Loharanom-pitaovana fanampiny

  • Ny laharan’ny gazetiboky Liahona mey 2018 sy ny Ensign ary ny comefollowme.ChurchofJesusChrist.org dia manome loharanom-pitaovana izay azo ampiasaina amin’ireo fifanakalozan-kevitra mikasika ny fanompoana mandritra ireo fivoriana alahady fahefatra ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana sy ny Fikambanana Ifanampiana.

  • Hisy fampahalalana, antsoina hoe “Fitsipiky ny fanompoana,” hampidirina ao amin’ireo laharan’ny Liahona sy Ensign ho avy.