Seminera sy Institiota
Sosokevitra ho an’ireo sehatra samihafa hampianarana sy ireo karazana mpianatra


“Sosokevitra ho an’ireo sehatra samihafa hampianarana sy ireo karazana mpianatra,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy: Ho an’ireo rehetra izay mampianatra any an-tokantrano sy any am-piangonana (2022)

“Sosokevitra ho an’ireo sehatra samihafa hampianarana sy ireo karazana mpianatra,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Sary
lehilahy mampianatra ny fianakaviany

Sosokevitra ho an’ireo sehatra samihafa hampianarana sy ireo karazana mpianatra

Ireo fitsipiky ny fampianarana araka ny fomban’ny Mpamonjy dia azo ampiharina amin’izay sehatra ahafahana mampianatra rehetra: ao an-tokantrano, any am-piangonana, ary na aiza na aiza. Saingy ny fahafahana azo araraotina rehetra dia samy ahitana toe-javatra manokana miaraka aminy. Ity fizarana iray ao amin’ny boky ity dia manolotra sosokevitra fanampiny izay mifantoka manokana amina mpianatra sy sehatra hampianarana samihafa.

Tokantrano sy fianakaviana

Ny tokantrano no toerana tsara indrindra hampianarana sy hianarana ny filazantsara

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra fa ny tokantrano no tokony ho “ivon-toeran’ny fianarana ny filazantsara” (“Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” Liahona, nôv. 2018, 113). Ny fampianarana izay atao any am-piangonana na any amin’ny seminera dia manan-danja sy ilaina, saingy izy ireny dia natao hanohanana ny fampianarana izay atao ao an-tokantrano. Ny sehatra voalohany indrindra, ary ny sehatra tsara indrindra, hianarana ny filazantsara, ho an’ny tenantsika sy ny fianakaviantsika, dia ny tokantrano.

Tsy midika anefa izany fa mandeha ho azy tsotra izao ao an-tokantrano ny fianarana ny filazantsara araka ny tokony ho izy. Mitaky fanaovana ezaka amim-pahamatorana izany. Nandroso hevitra ny Filoha Nelson hoe mety mila “[manisy] fanovana” na “[manova] ny fonenan[ao]” ianao, tsy voatery hoe hamotika rindrina akory na hanolo gorodona vaovao fa mety hoe amin’ny alalan’ny fanombantombanana ny fanahy ankapobeny misy ao amin’ny tokantranonao, tafiditra ao anatin’izany ny anjara biriky entinao mba hisian’izany fanahy izany (“Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” 113). Ohatra, diniho ny mozika sy horonan-tsary ary ireo haino aman-jery hafa ampiasaina ao an-tranonao; ireo sary eny amin’ny rindrina; ary ny fomba ifampiresahan’ireo olona ao amin’ny fianakavianao ary ny fifampitondran’izy ireo. Manasa ny fitarihan’ny Fanahy Masina ve ireo zavatra ireo? Moa ve manokana fotoana hianarana ny filazantsara ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana? Moa ve ny olona ao amin’ny fianakaviana mahatsiaro ho tiana sy voaro ary akaiky an’ Andriamanitra rehefa ao an-tokantranonao?

Mety tsy mahatsapa ianao hoe afaka mifehy ny tontolo ara-panahin’ny tokantranonao. Raha izany no izy dia aoka ianao no hitondra hery mitarika araka izay tsara indrindra vitanao ary mangataha fanampiana amin’ny Tompo. Hanome voninahitra ny ezaka nataonao tamim-pahamarinana Izy. Rehefa miezaka mampianatra sy mianatra ny filazantsara ianao, na dia tsy mahita valiny nirina eo no ho eo aza, dia eo am-pahombiazana ianao izay.

Mifototra amin’ireo fifandraisana ny fianarana ao an-tokantrano

Ny “Tiavo ireo izay ampianarinao” dia miantefa amin’ny sehatra hampianarana ny filazantsara rehetra, saingy ao an-tokantrano, ny fitiavana dia tokony ho tena tonga ho azy ary ho tena lalina ny fahatsapana azy. Na dia lavitra an’ilay hoe tonga lafatra aza ny tokantranonao, dia natao ho ivon-toeran’ny fampianarana ny filazantsara izany satria ao no aorina ilay fifandraisantsika maharitra indrindra. Ireo mpampianatra any ivelan’ny tokantrano dia mety manana traikefa kokoa sy nahazo fampiofanana bebe kokoa amin’ny maha-mpampianatra, saingy izy ireo anefa dia tsy afaka hamokatra velively ny fahafahana hanana fifandraisana feno fitiavana sy mahatritra mandrakizay izay misy ao amin’ny tokantrano. Noho izany dia kolokoloy ireo fifandraisana ireo. Lanio izay fotoana ilaina ary ataovy izay ezaka ilaina mba hihainoana ny olona ao amin’ny fianakavianao ary manorena fifampatokiana sy fifankahazoana an-tsaina. Izany dia hanampy amin’ny famoronana fototra mafy orina ho an’ireo ezaka ataonao amin’ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano.

Azo arafitra ny fianarana ao an-tokantrano kanefa afaka mandeha ho azy tsy ilàna drafitra koa izany

Ny ankamaroan’ny kilasy ao amin’ny Fiangonana dia atao indray mandeha isan-kerinandro, miaraka amin’ny fanombohana sy fiafarana efa voafaritra, saingy tsy voatery ho toy izany foana ny ao an-tokantrano. Mety efa misy fotoana raikitra hanaovanareo leson’ny takarivan’ny mpianakavy na ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina, saingy ny fahafahana azo araraotina hampianarana ao amin’ny fianakaviana matetika dia mitranga mandritra ireo fotoana tsotra sy mahazatra isan’andro: rehefa misakafo, manao raharaha, milalao, eny an-dalana mankany am-piasana na any am-pianarana, rehefa mamaky boky, na miara-mijery sarimihetsika. Ny oram-baratra dia fahafahana iray azo araraotina mba hiresahana momba ny fomba hiarovan’ny Mpamonjy antsika mandritra ny tafio-drivotra ara-panahy. Ny zatovo iray izay mila mandray fanapahan-kevitra sarotra dia mety ho vonona hianatra momba ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Mety hahazo tombontsoa avy amin’ny fijoroanao ho vavolombelona momba ilay Mpampionona ny ankizy matahotra iray. Ny ankizy manao fitondran-tena tsy mety na mifanao ratsy dia azo ampianarina momba ny fibebahana sy ny famelan-keloka.

Noho ireo fotoana ireo izay miseho tampoka dia tsy afaka miomana amin’izany toy ny hiomananao amin’ny lesona mahazatra iray ianao. Kanefa afaka manomana ny tenanao ianao amin’ny alalan’ny fihainoana tsara ny Fanahy ary ny fiezahana ny “ho vonona mandrakariva” (1 Petera 3:15). Ny fotoana rehetra dia afaka ny ho fotoana azo ampianarana na ianarana daholo.

Ny fianarana ao an-tokantrano dia ahitana ezaka kely sy tsotra nefa tsy tapaka

Indraindray kivy ny ray aman-dreny rehefa toa tsy mahomby ny ezaka ataon’izy ireo eo amin’ny fampianarana ny filazantsara ao an-tokantrano. Raha raisina tsirairay, ny takarivan’ny mpianakavy iray, ny fotoana fandalinana soratra masina iray, na ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara iray dia toa tsy mitondra zavatra firy. Saingy ny fitambaran’ireo ezaka kely sy tsotra, miverimberina tsy tapaka rehefa mandeha ny fotoana, dia afaka ny ho mahery vaika sy mampatanjaka kokoa noho ny fotoana goavana iray izay mahalana na ny lesona miavaka iray. “Tsy maintsy mitranga amin’ny fotoany avy ny zava-drehetra,” hoy ny Tompo. “Koa aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa fa mandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe ianareo. Ary avy amin’ny zavatra madinika no hivoahan’izay lehibe” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:32–33; jereo koa ny Almà 37:6–7). Noho izany aoka ianao tsy hilavo lefona, ary aza miahiahy ny amin’ny tsy maintsy hanatanterahana zavatra goavana isaky ny mandeha. Ataovy tsy tapaka fotsiny ny ezaka ataonao.

Ny fianarana sy ny fampiharana dia tsy afa-misaraka ao an-tokantrano

Azo iainana avy hatrany ao an-tokantrano ny filazantsara. Ny olona miara-mianatra ny filazantsara aminao ihany no hiara-hiaina izany aminao ao, isan’andro. Raha ny marina, ny fiainana ny filazantsara, amin’ny ankamaroan’ny fotoana, no fomba ianarantsika ny filazantsara. Noho izany, rehefa mianatra sy mampianatra ny filazantsara ao an-tokantrano ianao, dia mitadiava fomba hampifandraisana ny zavatra ianaranao amin’ny zavatra izay ataonao. Aoka ny filazantsara ho zavatra ezahanao mba hiainana ao an-tokantranonao, fa tsy zavatra resahana fotsiny.

Sary
vehivavy mampianatra ankizy

Ny fahafahana mampianatra ao amin’ny fianakaviana dia matetika mitranga mandritra ireo fotoana tsotra sy mahazatra isan’andro.

Mampianatra ny ankizy

Ilaina ovaovaina ny zavatra atolotra ny ankizy

Tsy mitovy ny ankizy rehetra, ary rehefa mihalehibe izy ireo dia hiova ny zavatra ilain’izy ireo. Ny fampianarana amin’ny fomba isan-karazany dia hanampy anao hanome ireo zavatra samihafa ilain’izy ireo. Ohatra, hevero ny hampiasa ireto manaraka ireto:

  • Tantara. Ny tantara dia manampy ny ankizy hahita ny fomba fihatran’ny filazantsara eo amin’ny fiainana andavanandro. Mampiasà tantara avy ao amin’ny soratra masina, na avy amin’ny fiainanao manokana, na avy amin’ny tantaran’ny fianakavianao, na avy ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana, indrindra indrindra ireo tantara momba ny Mpamonjy. Mandrafeta fomba hampandraisana anjara ny ankizy ao amin’ilay tantara, amin’ny alalan’ny fihazonana sary, na famerimberenana andian-teny, na filalaovana an-tsehatra ny ampahany amin’ilay tantara.

  • Zavatra jeren’ny maso. Ny sary, horonan-tsary, ary zavatra azo tsapain-tanana dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra sy hahatsiaro ireo fitsipiky ny filazantsara. Sary sy horonan-tsary maro no hita ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Hira. Ny hira ao amin’ny fihirana sy ireo hira masina hafa dia afaka manampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra sy hahatsapa ny Fanahy ary hianatra fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Ny feon-kira sy ny paikam-peonkira ary ny rima tsotra dia afaka manampy ny ankizy hahatsiaro ireo fahamarinan’ny filazantsara mandritra ireo taona maro manaraka. Rehefa miaraka mihira amin’ny ankizy ianao dia ampio izy ireo hahita sy hahatakatra ireo fitsipika ampianarina ao anatin’ireo hira.

Tena mianatra tsara ny ankizy rehefa ampandraisina anjara ireo retsi-pamantarana isan-karazany. Mitadiava fomba hanampiana ny ankizy hampiasa ny retsi-pahitany sy ny retsi-pandrenesany ary ny retsi-pahatsapany rehefa mianatra izy ireo. Ao anatin’ny toe-javatra sasany dia mety hahita fomba hampiasana ny retsi-pamofonany sy ny retsik’andrany mihitsy aza ianao!

Tia mamorona ny ankizy

Rehefa manasa ny ankizy hanao sary, na hanorina zavatra na hanoratra zavatra mifandray amin’ny fitsipiky ny filazantsara anankiray ianao dia manampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa ilay fitsipika ianao ary manome azy ireo mpampahatsiahy azo tsapain-tanana mikasika ny zavatra nianarany. Azon’izy ireo ampiasaina koa ireo zavatra noforoniny mba hizarana ny zavatra nianarany amin’ny hafa. Ny laharana tsirairain’ny gazetiboky Namana dia ahitana sahanasa manosika ny ankizy hamorona.

Tia karokaroka ny ankizy

Rehefa mametraka fanontaniana ny ankizy dia raiso ho fahafahana azo araraotina hanaovan-javatra izany fa tsy fanelingelenana. Ny fanontanian’ny ankizy dia famantarana fa vonona ny hianatra izy ireo, ary ny fanontaniany dia hanome anao fahalalana sarobidy momba ny eritreritr’izy ireo sy ny zavatra tsapan’izy ireo. Ampio izy ireo hahita fa ny valin’ny fanontaniany ara-panahy dia afaka ny ho hita ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona.

Ilaina tiavina ny ankizy na dia rehefa manakorontana aza

Indraindray misy ankizy manao zavatra izay manakorontana ny fianaran’ny hafa. Ny ankabeazan’ny fihetsika manakorontana dia vokatry ny tsy fahazoana zavatra ilaina iray. Rehefa mitranga izany dia manàna faharetana ary manehoa fitiavana sy fahatakarana an-tsaina eo anatrehan’ny olana mety atrehan’ilay ankizy. Mety mila fahafahana misimisy kokoa handray anjara amin’ny lesona amin’ny fomba tsara fotsiny izy—ohatra, mihazona sary iray, manao sarin-javatra na mamaky soratra masina iray.

Raha toa ka mbola manakorontana ihany ilay ankizy dia mety tsara ny miresaka aminy manokana. Hazavao ao anatin’ny toe-tsaina feno fitiavana sy faharetana ireo zavatra andrasanao aminy sy ny fahatokianao fa afaka mahavita azy ireo izy. Dokafy ilay ankizy rehefa manao safidy tsara kokoa izy.

Manan-javatra maro hozaraina ny ankizy

Rehefa mianatra zavatra vaovao ny ankizy iray dia mazava ho azy fa te hizara izany amin’ny hafa izy ireo. Ampitomboy io faniriana io amin’ny alalan’ny fanomezana fahafahana ireo ankizy hifampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara sy hampianatra izany amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviany sy ny namany. Angataho koa izy ireo hizara aminao ny eritreriny sy ny zavatra tsapany ary ny zavatra niainany izay mifandray amin’ireo fitsipika ampianarinao. Ho hitanao fa manana hevitra izay tsotra sy madio ary mafonja izy ireo.

Afaka mahatsapa ny Fanahy ny ankizy saingy mety mila fanampiana amin’ny famantarana ny fitarihany izy ireo

Na dia ny ankizy tsy mbola nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina aza dia afaka mahatsapa ny fitarihany, indrindra indrindra rehefa mianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izy ireo. Rehefa manao safidy tsara izy ireo dia afaka mahatsapa ny fankatoavan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny Fanahy. Ampianaro ny ankizy ireo fomba samihafa ifandraisan’ny Fanahy amintsika. Ampio izy ireo hamantatra ny feony rehefa miresaka amin’izy ireo Izy. Izany dia hanampy azy ireo hizatra hikatsaka sy handray andraikitra eo anatrehan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana mandritra ny fiainany manontolo.

Mampianatra zatovo

Manana hery anaty lehibe hahavitan-javatra ny zatovo

Ny zatovo dia manana hery anaty hahafahany mahavita zavatra miavaka ao anatin’ny fanompoana ny Tompo. Maro amin’ireo zavatra niainana voarakitra ao anatin’ny soratra masina no manazava fa Andriamanitra dia matoky ny fahaiza-manao ara-panahy ananan’ny tanora. Rehefa tsapan’ny zatovo fa matoky azy ireo ianao dia hitombo ny fahatokiany an’ilay hery anaty avy amin’ Andriamanitra ao amin’izy ireo, ary ho talanjona ianao amin’ny zavatra mety ho vitany. Ampio am-pitiavana izy ireo hahita ilay karazana olona fantatry ny Ray any An-danitra fa azon’izy ireo ahatongavana. Araho ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fanohizana mitia sy mankahery azy ireo, sy miara-miasa amim-paharetana amin’izy ireo, ary tsy milavo lefona amin’izy ireo mihitsy.

Eo am-pamantarana ny momba ny tenany ny zatovo

Ny zatovo ampianarinao dia eo am-panorenana ny fototra iorenan’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo. Eo amin’ilay dingana famantarana ireo zavatra inoany izy ireo. Eo am-pandraisana fanapahan-kevitra izay hisy fiantraikany eo amin’ny fiainany manontolo izy ireo. Mba hahatafavoahana velona ara-panahy ao anatin’izao andro mahory izao sy mba hanatontosana ny iraka nampiandraiketin’ny Tompo azy ireo, dia hilain’ny zatovo ampianarinao ny mahafantatra hoe aiza no ahitana tanjaka mandritra ireo fitsapana mianjady amin’izy ireo, sy ahitana ny valin’ny fanontanian’izy ireo, ary ahitana herim-po mba “hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra” (Môzià 18:9).

Ny zatovo dia manana faniriana mihamitombo ny hianatra zavatra amin’ny alalan’ny fisainana sy ny zavatra iainana fa tsy amin’ny alalan’ny zavatra nolazaina fotsiny. Midika izany fa ny fampianarana zatovo dia hitaky fahaiza-mihaino tsara. Rehefa tsapan’ny zatovo hoe misy mahatakatra izy ireo dia hisokatra kokoa amin’ny fandraisana torohevitra sy fitarihana izy ireo. Omeo toky izy ireo fa mahafantatra azy ireo ny Tompo ary hanampy azy ireo eo am-pitoloman’izy ireo amin’ireo fanontaniana sy fisedrana. Afaka mampihatra ny finoany Azy izy ireo amin’ny alalan’ny fananana fahazarana mivavaka sy mandalina ny soratra masina ary amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa isan’andro. Ny famporisihana ny zatovo handray anjara any amin’ireo kilasy ao amin’ny Fiangonana sy hanao fandalinana samirery dia afaka manampy azy ireo hiaina zavatra manokana izay hampiorina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo mikasika ny lova masin’izy ireo.

Maro ny zatovo no mahazo aina eo amin’ny fampiasana ny teknôlôjia

Raha manana ny fitaovana elektrônikany manokana ny zatovo ampianarinao dia tsarovy fa ireo fitaovana ireo dia fitaovana mba hanatsarana ny fianarana. Ampianaro azy ireo ny fomba hampiasana ny soratra masina sy ireo loharanom-pitaovana hafa amin’ny endrika elektrônika hita ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Afaka mandefa hafatra sy rohy any amin’ny zatovo koa ianao mba hanampiana azy ireo hiomana amin’ireo lesona manaraka.

Sary
Kilasin’ny Sekoly Alahady

Mila mahatakatra ilay karazana olona fantatry ny Ray any An-danitra fa azon’izy ireo ahatongavana ny zatovo.

Mampianatra olon-dehibe

Ny olon-dehibe dia afaka ny ho tompon’andraikitry ny fianaran’izy ireo

Ny olon-dehibe mpianatra dia afaka manao zavatra avy amin’ny tenany manokana ao amin’ireo sehatra ianarany ny filazantsara (jereo ny 2 Nefia 2:26). Asao izy ireo hiomana ho amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara amin’ny alalan’ny fandalinana zavatra iray mialoha ny fotoana, ary amporisiho izy ireo hizara izay nianarany tamin’ny alalan’ny Fanahy. Azonao angatahana azy ireo koa ny fitsipiky ny filazantsara izay tiany handaniana fotoana ny fiarahana mianatra azy.

Misinton-javatra avy amin’ireo zavatra niainany ny olon-dehibe rehefa mianatra

Nilaza i Joba hoe, “Ao amin’ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana” (Joba 12:12). Amin’ny ankapobeny, ny fahendrena sy ny fahatakarana ara-panahy dia tonga aorian’ny taona maro niainan-javatra. Rehefa mampianatra olon-dehibe ianao dia asao izy ireo hizara zavatra niainana izay nanorina ny finoany ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy. Izany dia hanome fahafahana azy ireo hijoro ho vavolombelona mikasika ny fomba nahafantarany fa ireo fitsipiky ny filazantsara halalinin’izy ireo dia marina. Ny fizarana zavatra niainana dia hanorina koa fifandraisana eo amin’ireo izay ampianarinao, ka hanampy ny rehetra “ho [voa]orina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:122).

Ny olon-dehibe dia mitady fampiharana mahomby

Ny olon-dehibe ampianarinao dia mety manana anjara asa sy andraikitra maro ao amin’ny asany, ny fiarahamonina misy azy, sy ny antsony ato amin’ny Fiangonana, ary ao amin’ny fianakaviany. Rehefa mandalina ny filazantsara izy ireo, dia mieritreritra matetika momba ny fomba ahafahan’ny zavatra ianarany manampy azy ireo manoloana ireo andraikitra ireo. Asao izy ireo hahita ny lanjan’ny tenin’ Andriamanitra amin’ny toe-javatra miavaka iainan’izy ireo. Azonao atao izany amin’ny alalan’ny fanontaniana azy ireo hoe amin’ny fomba ahoana no maha-manan-danja sy maha-azo ampiharina ny fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainany manokana.

Mety hanana rafi-pieritreretana saro-takarina ny olon-dehibe

Noho ny traikefany sy ny fahalalany, ny olon-dehibe dia mahafantatra fa tsy misy valiny tsotra foana ho an’ireo fanontaniana mikasika ny filazantsara. Afaka mahatakatra izy ireo fa ny andinin-tsoratra masina iray dia mety hanana dikany maro, ary azony ampiharina amina toe-javatra samihafa eo amin’ny fiainana samihafa ny fitsipiky ny filazantsara iray. Asao izy ireo hisaintsaina ny fifandraisan’ireo fitsipiky ny filazantsara sy ny fifandraisan’izany amin’izay zavatra mitranga eo amin’ny fiainan’izy ireo. Amporisiho ny fandraisana anjara sy ny fifanakalozan-kevitra mba hahafahan’izy ireo mifampianatra avy amin’ny fomba fijery miavaka ananan’izy ireo.

Sary
vehivavy mampianatra ao an-dakilasy

Ny olon-dehibe dia afaka mizara zavatra niainana izay nampiorina ny finoany ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy.

Mampianatra olona manana fahasembanana

Ampio ny olona tsirairay hitombo sy hivoatra

Nampianatra i Joseph Smith hoe: “Ireo saina sy fanahy rehetra nalefan’ Andriamanitra teto amin’izao tontolo izao hatrizay dia heverina fa afaka ny hivoatra” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 210). Raiso hoe afaka ny hitombo fahalalana sy hivoatra avokoa ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Angataho ny Tompo mba hanampy anao hahafantatra ny fomba hanampiana ny olona tsirairay.

Fanatro ireo zavatra ilaina manokana

Miresaha amin’ny mpianatra na ny ray aman-dreniny na ny mpikarakara azy ireo. Fantaro ny fomba tsara indrindra ahafahan’ny olona tsirairay mianatra ary ireo paikady tena manampy. Azonao atao ihany koa ny mifampidinika amin’ireo mpitarika sy mpampianatra hafa izay manana traikefa sy hevitra hozaraina. Mba hahitana paikady amin’ny fampianarana izay manampy dia jereo ao amin’ny disabilities.ChurchofJesusChrist.org.

Manorena tontolo mahafinaritra

Manorena tontolo mahafinaritra izay ahatsapan’ny tsirairay ho voaro sy tiana. Aza heverina hoe ny mpianatra rehetra manana fahasembanana dia mitovy daholo, ary anehoy fitiavana sy fanajana ny olona tsirairay. Amporisiho ny hafa ho tsara fanahy sy ho be fandeferana.

Ataovy izay handraisan’ny rehetra anjara

Azo asiana fanovana kely ireo sahanasa mba hakàna antoka fa ny mpianatra rehetra dia afaka mianatra, tafiditra ao anatin’izany ireo izay manana fahasembanana ara-batana na manana fahasahiranana amin’ny fianarana. Ohatra, raha toa mandroso hevitra ny sahanasa iray hoe tokony hampiseho sary, dia azonao atao eo amin’ny toeran’izany ny manao hira mifandray amin’izany mba handraisan’ireo mpianatra manana fahasahiranana amin’ny fahitana anjara.

Mametraha fomba fanao sy rafitra tsy miovaova

Ny fomba iray hametrahana fomba fanao dia ny fanamboarana petadrindrina iray ahitana fandaharam-potoana. Ny fandaharam-potoanao dia mety hahitana vavaka, fotoana hampianarana, ary fotoan’ny sahanasa. Ny fanarahana fandaharam-potoana dia afaka manampy amin’ny fampihenana ny fahatsapana fisalasalana sy tebiteby ho an’ny mpianatra sasany.

Takaro ny antony hitrangan’ireo fitondran-tena manahirana.

Ianaro ny momba ireo fahasembanana na ireo toe-javatra izay mety hitarika olona iray hanao fitondran-tena tsy mety. Jereo tsara ny zava-mitranga rehefa miseho ireo olana ara-pitondran-tena. Diniho ombam-bavaka ny tokony hanovana ny toe-javatra mba hanohanana ny mpianatra amin’ny fomba tsara kokoa.

Raha te hahita fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny fampianarana ireo olona manana fahasembanana dia jereo ny disabilities.ChurchofJesusChrist.org.

Sary
Kilasin’ny Zatovovavy

Ny mpampianatra dia afaka mamorona tontolo hisian’ny fianarana tsara izay hahatsapan’ny rehetra hoe voaray tsara sy tiana izy ireo.

Mampianatra en ligne

Aoka ianao hizatra hikirakira ny teknôlôjia

Mialoha ny fotoam-pianarana na fivoriana iandraiketanao dia makà fotoana fohy hanazaranao tena eo amin’ny fikirakirana ilay teknôlôjia hampiasainao. Jerijereo ireo zavatra azo ampiasaina sasantsasany, toy ny fomba fizarana horonan-tsary na sary. Hevero ny hanao fivoriana “andrana” miaraka amin’ny fianakaviana na namana.

Ny ankamaroan’ny paroasy sy tsatòka dia manana manam-pahaizana momba ny teknôlôjia. Mety mahalala olon-kafa manana traikefa momba ny fivoriana en ligne koa ianao. Mangataha torohevitra na torolalana avy amin’izy ireny.

Esory izay zavatra mety hanelingelina

Raha azo atao dia mitadiava toerana milamina hanaovana ny fivorianareo. Mety hanelingelina ireo feo any ambadika. Amporisiho ireo mpianatra hanao torak’izany na tsy hanisy feo ny mikrô an’izy ireo rehefa tsy mandray fitenenana izy ireo.

Ampiasao ny caméra

Raha azo atao dia alefaso foana ny caméra izay anao mba hahafahan’ireo mpianatra mahita ny tarehinao. Asao (kanefa tsy voatery) ireo mpianatra handefa ny caméra an’izy ireo ihany koa. Izany dia afaka manampy amin’ny famoronana toe-tsaina miray hira sy maneho fifanohanana.

Ampiasao ny fahafahana mifandefa hafatra en ligne

Maro amin’ireo rindran-damina fanaovana fivoriana en ligne no mamela ireo mpandray anjara hanoratra fanontaniana na fanamarihana eo amin’ny efijery fifampiresahana ao amin’ny solosaina. Mety hamela ireo mpandray anjara hananga-tanana amin’ny fomba virtoaly koa ny sasany amin’izy ireny. Ampahafantaro ny mpianatra ireo fitaovana azo ampiasaina ireo. Azonao atao ny manendry olona iray hijery ireo tanana mitsangana na ireo fanehoan-kevitra ao amin’ny faritra fanaovana fifampiresahana mba hahafahanao mifantoka amin’ny fitarihana ny fifanakalozan-kevitra.

Mitadiava fomba hampandraisana anjara ny mpianatra

Ny sehatry ny fianarana en ligne dia mampananosarotra ny fahitana sy ny fahenoana ny olona indraindray. Manaova ezaka amim-pahamatorana mba hampandray anjara ireo izay te handray anjara. Indraindray izany dia midika hoe mamorona vondrona kelikely kokoa (ohatra, amin’ny alalan’ny fizarana kilasina Sekoly Alahady be olona iray). Indraindray izany dia midika hoe mangataka mialoha ny mpianatra handray anjara amina zavatra voafaritra tsara. Ny famerana ateraky ny teknôlôjia dia aza avela hahatonga anao hanadino na hanao tsinontsinona ireo olona izay mangetaheta sy vonona ny hianatra.