Ny soratra masina
Almà 12


Toko 12

Niresaka tamin’i Zezrôma i Almà—Ny misterin’ Andriamanitra dia tsy azo omena afa-tsy ireo mahatoky—Tsaraina araka ny eritreriny, ny finoany, ny teniny ary ny asany ny olona—Hiaritra ny fahafatesana ara-panahy ny ratsy—Fotoana fizahan-toetra ity fiainana an-tany ity—Ny drafitry ny fanavotana no manatanteraka ny fitsanganana amin’ny maty ary ny famelana ny fahotana amin’ny alalan’ny finoana—Izay mibebaka dia manan-jo amin’ny famindram-po amin’ny alalan’ny Zanaka Lahitokana. Tokony ho 82 taona talohan’i Kristy.

1 Ankehitriny i Almà, rehefa nahita fa efa nahasina an’i Zezrôma ny tenin’i Amioleka, satria nahita izy fa i Amioleka dia nahatratra azy tamin’ny laingany sy ny famitahany mba hamongorana azy, ary rehefa nahita fa nanomboka nangovitra izy noho ny fahatsapana ny hadisoany, dia nisoka-bava sy nanomboka niteny taminy sy nanamafy ny tenin’i Amioleka ary nanazava mihoatra, na namelabelatra ny soratra masina mihoatra noho izay efa nataon’i Amioleka.

2 Ankehitriny ny teny izay notenenin’i Almà tamin’i Zezrôma dia ren’ny mponina manodidina; satria betsaka ny vahoaka, ary niteny toy izao izy:

3 Ankehitriny ry Zezrôma, noho ianao efa tratra tamin’ny lainganao sy ny famitahanao, satria tsy nandainga tamin’ny olona ihany ianao fa efa nandainga tamin’ Andriamanitra; satria indro, mahalala ny eritreritrao rehetra Izy, ary hitanao fa ny eritreritrao dia nampahafantarina anay tamin’ny alalan’ny Fanahiny;

4 Ary hitanao fa fantatray fa ny tetikao dia tetika tena fetsy, araka ny hafetsen’ny devoly mba handaingana sy hamitahana ity vahoaka ity, mba hahazoanao mamporisika azy hanohitra anay, hanaratsy anay sy handroaka anay—

5 Ankehitriny, izany no tetiky ny fahavalonao, ary efa nampihariny taminao ny fahefany. Ankehitriny, dia mba tiako ny hitadidianao fa izay lazaiko anao dia lazaiko ny rehetra.

6 Ary indro lazaiko anareo rehetra fa izany no fandriky ny fahavalo, izay efa novelariny hisamborana ity vahoaka ity, hahazoany mitondra anareo ho amin’ny fanoavana azy, ka ho azony hahodidina anareo ny gadrany, mba hahazoany managadra anareo ho amin’ny faharavana maharitra mandrakizay, araka ny herin’ny fambaboany.

7 Ankehitriny rehefa avy nilaza ireo teny ireo i Almà, dia nanomboka nangovitra fatratra tokoa hatrany i Zezrôma, satria efa resy lahatra hatrany hatrany izy ny amin’ny herin’ Andriamanitra; ary efa resy lahatra koa izy fa i Almà sy i Amioleka dia nanana fahalalana ny aminy, satria resy lahatra izy fa izy ireo dia nahalala ny eritreritra sy ny fikasan’ny fony; satria fahefana no nomena azy ireo mba hahazoany mahalala ny amin’ireo zavatra ireo araka ny fanahin’ny faminaniana.

8 Ary nanomboka nanadina azy ireo tamim-pahazotoana tokoa i Zezrôma mba hahazoany mahalala misimisy kokoa ny amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ary hoy izy tamin’i Almà: Inona no tian’i Amioleka lazaina raha niteny izy ny amin’ny fitsanganan’ireo nodimandry amin’ny maty, fa ny rehetra no hitsangana amin’ny maty, na ny marina na ny tsy marina, ary hoentina hijoro eo anoloan’ Andriamanitra mba hotsaraina araka ny asany?

9 Ary ankehitriny dia nanomboka namaofivaofy ireo zavatra ireo taminy i Almà, nanao hoe: Efa nomena ny maro ny hahalala ny misterin’ Andriamanitra; kanefa nofeperana tamin’ny didy henjana ireo ny tsy hizara raha tsy arakaraka ny ampahany amin’ny teniny izay omeny ho an’ny zanak’olombelona, araka ny fitandremana sy ny fahazotoana izay asehony Azy.

10 Ary noho izany, izay manamafy ny fony dia izy no mandray ny ampahany kely indrindra amin’ny teny; ary izay tsy manamafy ny fony dia izy no omena ny ampahany betsaka indrindra amin’ny teny, mandra-panomezana azy ny fahafantarana ny misterin’ Andriamanitra mandra-pahafantarany izany tanteraka.

11 Ary ireo izay manamafy ny fony dia ireo no omena ny ampahany kely indrindra amin’ny teny mandra-pahatonga azy ireo tsy hahafantatra na inona na inona ny amin’ny misteriny; ary amin’izany izy ireo dia entin’ny devoly ho babo ary tarihin’ny sitrapony hidina any amin’ny famongorana. Ankehitriny dia izay no tian-kambara amin’ny hoe gadran’ny helo.

12 Ary i Amioleka dia efa nilaza mazava tokoa momba ny fahafatesana sy ny amin’ny fitsanganana avy amin’ity mety maty ity ho amin’ny toetry ny tsy mety maty ary ny fitondrana eo anoloan’ny toeram-pitsaran’ Andriamanitra mba hotsaraina araka ny asantsika.

13 Raha amafisina ny fontsika amin’izany, eny, raha efa manamafy ny fontsika isika hanohitra ny teny, hany ka tsy hita amintsika izany, dia hahatsiravina ny toetrantsika amin’izany, fa ho voaheloka isika amin’izany.

14 Satria hanameloka antsika ny tenintsika, eny, ny asantsika rehetra no hanameloka antsika; tsy ho hita tsisy pentina isika; ary hanameloka antsika koa ny eritreritsika; ary amin’izany toetra mahatsiravina izany isika dia tsy ho sahy ny hiandrandra ny Andriamanitsika; ary ho faly aza isika raha afaka mibaiko ny vatolampy sy ny tendrombohitra hianjera amintsika mba hanafina amintsika ny tavany.

15 Saingy tsy azo atao izany; tsy maintsy mandroso isika sy mijoro eo anoloany, eo amin’ny voninahiny sy eo amin’ny fahefany ary eo amin’ny heriny, fiandrianany ary fanapahany, ary miaiky ao amin’ny henatsika maharitra mandrakizay fa ny fitsarany rehetra dia marina; fa marina amin’ny asany rehetra Izy, ary feno famindram-po amin’ny zanak’olombelona Izy ary manana ny hery rehetra hamonjy ny olona tsirairay izay mino ny anarany ary mamoa voa miendrika ny fibebahana.

16 Ary ankehitriny, indro lazaiko anareo fa tonga ny fahafatesana amin’izany, dia ny fahafatesana faharoa izay fahafatesana ara-panahy; izany no fotoana ka na zovy na zovy no maty ao amin’ny fahotany, araka ny fahafatesan’ny nofo, dia ho maty koa araka ny fahafatesana ara-panahy; eny, ho maty izy raha ny amin’ny zavatra mikasika ny fahamarinana.

17 Izany no fotoana ka ny fijaliany dia ho toy ny farihy afo sy solifara izay misondrotra miakatra mandrakizay mandrakizay ny lelafony; ary izany no fotoana izay hanagadrana azy amin’ny faharavana maharitra mandrakizay, araka ny hery sy ny fambaboan’i Satana, rehefa nampanaoviny araka ny sitrapony izy.

18 Amin’izany dia lazaiko anareo fa izy dia ho tahaka ny tsy nisy fanavotana natao; fa tsy azo avotana araka ny fahamarinan’ Andriamanitra izy; ary tsy mety maty izy satria tsy misy intsony ny fahalovana.

19 Ankehitriny ny zava-nitranga nony efa namarana ny filazany ireo teny ireo i Almà, dia nanomboka ho gaga kokoa ny vahoaka;

20 Fa nisy anankiray atao hoe Antiônà, izay lohan’ny mpifehy teo aminy, nandroso ary nanao taminy hoe: Inona ange ity nolazainao ity, fa hitsangana amin’ny maty ny olona ary hovana avy amin’ity mety maty ity ho amin’ny toetry ny tsy mety maty, ka ny fanahy dia tsy mety maty na oviana na oviana?

21 Inona no tian’ny soratra masina holazaina amin’ny hoe, fa Andriamanitra efa nampitoetra ny kerobima sy ny lelafon-tsabatra tany atsinanan’ny saha Edena, fandrao hiditra ireo ray aman-drenintsika voalohany ary hihinana amin’ny voan’ny hazon’aina ka ho velona mandrakizay? Ary dia hitantsika amin’izany fa tsy nisy fomba mba hahavelomany mandrakizay.

22 Ankehitriny dia hoy i Almà taminy: Izany no zavatra izay efa saika hohazavaiko. Ankehitriny dia hitantsika fa lavo i Adama noho ny nihinanany ny voankazo voarara, araka ny tenin’ Andriamanitra; ary hitantsika amin’izany, fa noho ny fahalavoany, ny olombelona rehetra dia nanjary olona very sy lavo.

23 Ary ankehitriny indro, lazaiko anareo, fa raha azon’i Adama natao ny nihinana tamin’ny voan’ny hazon’aina tamin’izay fotoana izay, dia tsy ho nisy ny fahafatesana, ary ho nanjary foana ny teny, ka manao an’ Andriamanitra ho mpandainga izany, satria niteny Izy hoe: Raha mihinana ianao, dia ho faty marina tokoa.

24 Ary hitantsika fa tonga amin’ny olombelona ny fahafatesana, eny, ny fahafatesana izay efa notenenin’i Amioleka, izay fahafatesan’ny nofo; na dia eo aza izany dia nisy ny fotoana nomena ny olona izay hahazoany mibebaka ao anatin’izany; noho izany ity fiainana ity dia nanjary fotoana fizahan-toetra; fotoana hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra; fotoana hiomanana ho amin’ilay toetra tsisy fiafarany izay efa nolazainay, izay aorian’ny fitsanganan’ny nodimandry amin’ny maty.

25 Ankehitriny, raha tsy nisy ny drafitry ny fanavotana izay efa nomanina hatry ny fanorenana izao tontolo izao, dia tsy ho nety nisy ny fitsanganan’ireo nodimandry amin’ny maty; saingy nisy ny drafitry ny fanavotana voaomana, izay hanatanteraka ny fitsanganan’ireo nodimandry amin’ny maty, izay efa noresahana.

26 Ary ankehitriny, indro, raha toa ka azon’ireo ray aman-drenintsika voalohany natao ny nandroso sy nihinana tamin’ny hazon’aina, dia ho efa fadiranovana mandrakizay izy ireo, satria tsy nanana toetra fiomanana; ary amin’izany ny drafitry ny fanavotana dia ho efa voasampona, ary ny tenin’ Andriamanitra dia ho efa foana, tsy ho nisy vokany.

27 Nefa indro, tsy izany no izy; satria efa voatendry ho an’ny olona fa tsy maintsy ho faty izy; ary aorian’ny fahafatesana dia tsy maintsy mandalo fitsarana izy, io ihany ilay fitsarana izay efa noresahinay, izay farany.

28 Ary taorian’ny efa nanendren’ Andriamanitra fa ireo zavatra ireo dia ho tonga amin’ny olona, dia indro, nahita Izy tamin’izany fa nilaina ny hahafantaran’ny olona ny amin’ny zavatra izay efa notendreny ho azy;

29 Noho izany Izy dia naniraka anjely hitafa aminy, izay nanao ny hahitan’ny olona ny ampahany amin’ny voninahiny.

30 Ary nanomboka nantsoiny ny anarany hatramin’izay fotoana izay; koa niresaka tamin’ny olona Andriamanitra ka nampahafantatra azy ny drafitry ny fanavotana, izay efa voaomana hatry ny fanorenana izao tontolo izao; ary izany dia nampahafantariny azy araka ny finoany sy ny fibebahany ary ireo asany masina.

31 Koa nomeny ho an’ny olona ny didy, satria tany am-boalohany dia efa nandika ny didy voalohany izy raha ny amin’ny zavatra izay ara-nofo, ka nanjary toy ireo andriamanitra, nahalala ny tsara sy ny ratsy, satria nametraka ny tenany teo amin’ny toetry ny mpanao, na napetraka teo amin’ny toetry ny mpanao araka ny sitrapony sy ny faniriany, na hanao ny ratsy na hanao ny tsara—

32 Koa nomen’ Andriamanitra ho azy ny didy, rehefa nampahafantariny azy ny drafitry ny fanavotana mba tsy hanaovany ny ratsy, satria ny famaizana amin’izany dia ny fahafatesana faharoa izay fahafatesana maharitra mandrakizay raha ny amin’ny zavatra mikasika ny fahamarinana; fa ho an’ny toy ireny, ny drafitry ny fanavotana dia tsy mety manan-kery, fa araka ny hatsaram-po faratampony an’ Andriamanitra, ny asan’ny fahamarinana dia tsy azo ravana.

33 Nefa niantso ny olona Andriamanitra tamin’ny anaran’ny Zanany (izany no drafitry ny fanavotana izay efa voaomana) nanao hoe: Raha mibebaka ianareo, ary tsy manamafy ny fonareo, dia hamindra fo aminareo Aho amin’izany, amin’ny alalan’ny Zanako Lahitokana;

34 Koa na zovy na zovy no mibebaka sy tsy manamafy ny fony dia izy no hanan-jo amin’ny famindram-po amin’ny alalan’ny Zanako Lahitokana, ho famelana ny fahotany; ary hiditra ao amin’ny fitsaharako izy.

35 Ary na zovy na zovy no manamafy ny fony sy manao heloka, dia indro, mianiana amin’ny fahatezerako Aho fa tsy hiditra ao amin’ny fitsaharako izy.

36 Ary ankehitriny, ry rahalahiko, indro, lazaiko anareo fa raha manamafy ny fonareo ianareo, dia tsy hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo ianareo; koa mihantsy Azy ny helokareo ka mandefa ny fahatezerany aminareo Izy, toy ny tamin’ny fihantsiana voalohany, eny, araka ny teniny tamin’ny fihantsiana farany tahaka ny tamin’ny voalohany, ho faharavana maharitra mandrakizay ho an’ny fanahinareo; noho izany, araka ny teniny, dia ho fahafatesana farany tahaka ny voalohany.

37 Ary ankehitriny ry rahalahiko, satria mahalala ireo zavatra ireo isika, ary marina ireo, dia aoka isika hibebaka sy tsy hanamafy ny fontsika mba tsy hihantsiantsika ny Tompo Andriamanitsika ka hampianjera ny fahatezerany amintsika ao amin’ireto didiny faharoa ireto izay efa nomeny antsika; fa aoka isika hiditra ao amin’ny fitsaharan’ Andriamanitra, izay efa voaomana araka ny teniny.