Ny soratra masina
Môrmôna 3


Toko 3

Niantso ny Nefita hibebaka i Môrmôna—Nahazo fandresena lehibe ireo ary nankalaza ny heriny ihany—Nandà ny hitarika azy i Môrmôna, ary tsy niaraka tamin’ny finoana ny fivavany ho azy—Manasa ny fokon’i Isiraely roa ambin’ny folo ny Bokin’i Môrmôna mba hino ny filazantsara. Tokony ho 360–362 taona taorian’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga dia tsy tonga mba hiady indray ny Lamanita raha tsy efa lasana ny folo taona mahery. Ary indro, efa nampiasa ny Nefita oloko aho tamin’ny fanomanana ny taniny sy ny fiadiany hiatrehina ny fotoana hiadiana.

2 Ary ny zava-nitranga dia hoy ny Tompo tamiko: Antsoy amin’ity vahoaka ity hoe—Mibebaha ianareo ary mankanesa aty Amiko, ary aoka hatao batisa sy hanorina indray ny Fiangonako, ary dia hotsimbinina ianareo.

3 Ary izaho dia niantso ity vahoaka ity, nefa zava-poana izany; ary tsy tsapany fa ny Tompo no efa nitsimbina azy sy nanome azy fotoana hibebahana. Ary indro nanamafy ny fony tamin’ny Tompo Andriamaniny izy.

4 Ary ny zava-nitranga, nony efa lasana ity taona fahafolo ity, ka ny fitambarany dia manome enimpolo sy telonjato taona hatramin’ny niavian’i Kristy, dia nandefa taratasy tamiko ny mpanjakan’ny Lamanita, izay nampahafantatra ahy fa efa niomana izy ny ho tonga indray hiady aminy.

5 Ary ny zava-nitranga dia nataoko izay hahatafavory ny oloko miaraka tao an-tany Faharavana, tao amin’ny tanàna izay tao amin’ny sisin-tany, akaikin’ny vozon-tany izay mitondra mankamin’ny tany andafiatsimo.

6 Ary tao izahay no nametraka ny miaramilanay mba hahazoanay misakana ny miaramilan’ny Lamanita, mba tsy hahazoany maka ny fizakana na inona na inona amin’ny taninay; noho izany izahay dia nanamafy tamin’ny herinay rehetra hanoherana azy.

7 Ary ny zava-nitranga, tamin’ny taona fahiraika amby enimpolo sy telonjato, dia nidina tao an-tanànan’i Faharavana ny Lamanita hiady aminy; ary ny zava-nitranga, tamin’io taona io, dia nandresy azy izahay, hany ka niverina tany amin’ny taniny ihany indray izy.

8 Ary tamin’ny taona faharoa amby enimpolo sy telonjato dia nidina indray izy mba hiady. Ary nandresy azy indray izahay ary namono ny maro tokoa taminy, ary natsipy tany an-dranomasina ny maty taminy.

9 Ary ankehitriny, noho izany zava-dehibe izay efa nataon’ny Nefita oloko izany, dia nanomboka nirehareha noho ny tanjany izy ary nanomboka nianiana teo anoloan’ny lanitra, fa izy dia hamaly faty ny ran’ny rahalahiny izay efa novonoin’ny fahavalony.

10 Ary izy dia nianiana tamin’ny lanitra, ary koa tamin’ny seza fiandrianan’ Andriamanitra, fa handeha hiady amin’ny fahavalony sy hamongotra azy tambonin’ny tany.

11 Ary ny zava-nitranga, dia nandà tanteraka izaho Môrmôna hatramin’izay fotoana izay ny tsy ho komandy sy ny tsy ho mpitondra ity vahoaka ity, noho ny faharatsiany sy ny fahavetavetany.

12 Indro, efa nitarika azy aho, na dia teo aza ny faharatsiany, efa nitarika azy imbetsaka aho tamin’ny ady ary efa tia azy, araka ny fitiavan’ Andriamanitra izay tao amiko tamin’ny foko manontolo; ary efa noborahiko ny fanahiko tao amin’ny fivavako tamin’ Andriamanitro nandritra ny manontolo andro ho azy; kanefa dia tsy nombam-pinoana izany noho ny hamafin’ny fony.

13 Ary intelo aho no efa nanafaka azy hiala teo an-tanan’ny fahavalony, ary tsy nibebaka tamin’ny fahotany ihany izy.

14 Ary nony efa nianiana tamin’izay rehetra efa nandraran’i Jesoa Kristy Tomponay sy Mpamonjy anay izy, fa handeha hiakatra hiady amin’ny fahavalony ary hamaly faty ny ran’ny rahalahiny, dia indro tonga tamiko ny feon’ny Tompo, nanao hoe:

15 Ahy ny famaliana, ary Izaho no hamaly; ary satria tsy nibebaka ity vahoaka ity taorian’ny efa nanafahako azy, dia indro, hofongorana eto ambonin’ny tany izy.

16 Ary ny zava-nitranga dia nolaviko tanteraka ny hiakatra hiady amin’ny fahavaloko; ary dia nataoko araka izay efa nandidian’ny Tompo ahy; ary dia nijoro ho toy ny vavolombelona mpitan-damba aho mba haneho amin’izao tontolo izao ny zavatra izay hitako sy reko, araka ny fanehoan’ny Fanahy izay efa nanambara ny amin’ny zavatra ho avy.

17 Koa manoratra aminareo Jentilisa aho, ary koa aminareo, mpianakavin’i Isiraely, fa rehefa hiantomboka ny asa, ka ianareo dia efa madiva hiomana ny hiverina any amin’ny tany lovanareo;

18 Eny, indro, manoratra amin’ny faran’ny tany rehetra aho; eny, aminareo fokon’i Isiraely roa ambin’ny folo, izay hotsarain’ny roambinifololahy izay nofinidin’i Jesoa tao an-tanin’i Jerosalema mba ho mpianany, araka ny asanareo.

19 Ary manoratra koa amin’ny sisa tavela amin’ity vahoaka ity aho, izay hotsarain’ny roambinifololahy koa, izay nofinidin’i Jesoa teo amin’ity tany ity; ary ireo dia hotsarain’ny roambinifololahy hafa izay nofinidin’i Jesoa tao an-tanin’i Jerosalema.

20 Ary asehon’ny Fanahy ahy ireo zavatra ireo; koa manoratra aminareo rehetra aho. Ary noho izao antony izao no anoratako aminareo, dia ny mba hahafantaranareo fa tsy maintsy mijoro avokoa eo anoloan’ny toeram-pitsaran’i Kristy ianareo, eny, ny olona tsirairay izay isan’ny fianakavian’olombelona manontolo avy amin’i Adama; ary tsy maintsy mijoro ianareo mba hotsaraina araka ny asanareo, na tsara izany na ratsy;

21 Ary koa ny mba hinoanareo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izay ho azonareo eo anivonareo; ary koa ny mba hananan’ny Jiosy izay vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo, vavolombelona hafa ankoatra ilay efa hitany sy reny, fa i Jesoa izay novonoiny, no tena Kristy sy tena Andriamanitra.

22 Ary mba tiako ny hahafahako mandresy lahatra anareo rehetra faran’ny tany mba hibebaka sy hiomana ny hijoro eo anoloan’ny toeram-pitsaran’i Kristy.