Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137


Fizarana 137

Fahitana nomena an’Joseph Smith Mpaminany tao amin’ny tempolin’i Kirtland, Ohio, ny 21 janoary 1836. Fanatanterahana ireo ôrdônansy ho fiomanana ho amin’ny fanokanana ny tempoly tamin’io fotoana io.

1–6, Hitan’ny Mpaminany ao amin’ny fanjakana selestialy i Alvin rahalahiny; 7–9, Ambara ny fotopampianarana momba ny famonjena ny maty; 10, Voavonjy ao amin’ny fanjakana selestialy ny ankizy rehetra.

1 Nosokafana ho anay ny lanitra ka tazako ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra sy ny voninahiny, na tao amin’ny vatako aho na tany ivelany, dia tsy haiko lazaina.

2 Hitako ny hatsarana manan-tombon’ny vavahady izay hidiran’ireo mpandovan’izany fanjakana izany, izay nitovy tamin’ny lelafo manao faribolana;

3 Ary koa ny seza fiandrianana mamirapiratra an’ Andriamanitra, izay nipetrahan’ny Ray sy ny Zanaka.

4 Hitako ny lalana tsara tarehin’ilay fanjakana, izay nanana ny endriky ny lalana volamena.

5 Hitako i Adama Ray sy i Abrahama; ary ny raiko sy ny reniko; i Alvin rahalahiko izay efa nodimandry hatry ny ela;

6 Ary nahatalanjona ahy ny nahazoany lova ao amin’izany fanjakana izany, noho izy nandao izao fiainana izao talohan’ny naninjiran’ny Tompo ny tanany hanangonana an’i Isiraely fanindroany, ka tsy vita batisa ho famelana ny fahotana.

7 Toy izao no nahatongavan’ny feon’ny Tompo tamiko, manao hoe: Ireo rehetra izay efa maty tsy nanana fahalalana ity filazantsara ity, izay ho nandray izany raha navela hitoetra, dia ho mpandova ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra;

8 Ary koa ireo rehetra izay ho faty tsy manana izany fahalalana izany hatramin’izao, izay ho nandray izany tamin’ny fony manontolo, dia ho mpandova izany fanjakana izany;

9 Fa Izaho Tompo dia hitsara ny olon-drehetra araka ny asany, araka ny fanirian’ny fony.

10 Ary tazako koa fa ny ankizy rehetra izay maty alohan’ny hahatongavany amin’ny taona maha-tompon’andraikitra azy dia voavonjy ao amin’ny fanjakana selestialin’ny lanitra.