Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65


Fizarana 65

Fanambarana mikasika ny vavaka nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany, tao Hiram, Ohio, ny 30 ôktôbra 1831.

1–2, Nankinina tamin’olona teto an-tany ny fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra ary handresy ny tombontsoan’ny filazantsara; 3–6, Ho avy ny fanjakan’ny lanitry ny arivotaona ary hikambana amin’ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany.

1 Henoy, ary indro, ny feo toy ny an’izay nirahina avy any ambony, izay matanjaka sy mahery, izay hatrany am-paran’ny tany ny alehany, eny, izay miantefa amin’ny olona ny feony—Omaninareo ny lalan’ny Tompo, ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.

2 Ankinina amin’ny olona eto an-tany ny fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra, ary hatreo dia hikodiadia hatrany am-paran’ny tany ny filazantsara, toy ny vato izay nendahina hiala tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana ka hikodiadia ambara-pamenoany ny tany manontolo.

3 Eny, dia feo izay miantso hoe—Omaninareo ny lalan’ny Tompo, omaninareo ny fanasan’ny Zanakondry, mivonòna ho an’ny Mpampakatra.

4 Mivavaha amin’ny Tompo, antsoy ny anarany masina, ampahafantaro any anivon’ny olona ireo asany mahatalanjona.

5 Antsoy ny Tompo mba handrosoan’ny fanjakany eto an-tany, mba hahazoan’ny mponina eo aminy mandray izany ary ho vonona ho amin’ny andro ho avy izay hidinan’ny Zanak’Olona mbamin’ny lanitra, mitafy ny famirapiratan’ny voninahiny ka hitsena ny fanjakan’ Andriamanitra, izay voaorina eto an-tany.

6 Koa enga anie ka handroso ny fanjakan’ Andriamanitra, mba hahatongavan’ny fanjakan’ny lanitra, ka Ianao Andriamanitra ô dia homem-boninahitra any an-danitra tahaka ny ety an-tany, mba ho resy ny fahavalonao; fa anao ny haja, ny hery ary ny voninahitra, mandrakizay mandrakizay. Amena.