2013
Pejy Hifaneraserana amin’ny Daholobe Namboarina ho an’ireo Mpitarika ao amin’ny Fiangonana
Nôvambra 2013


Pejy Hifaneraserana amin’ny Daholobe Namboarina ho an’ireo Mpitarika ao amin’ny Fiangonana

Nanamboatra pejy ôfisialy hifaneraserana amin’ny daholobe ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly ao amin’ny Facebook sy Google Plus ny Fiangonana. Ireo pejy ireo dia hiasa ho toy ny fitaovana ôfisialy hifaneraserana amin’ny daholobe mba hampisehoana ny Rahalahy tsirairay izay hitantana ireo pejy ireo ary ny Fiangonana no miandraikitra izany amin’ny anaran’izy ireo.

Izany pejy ôfisialy ao amin’ny Facebook sy Google Plus izany dia afaka ny ho hita amin’ny alalan’ny fikarohana atao ao amin’ny facebook.com/lds sy plus.google.com. Mba hahafantarana hoe tranonkala na pejy hifaneraseran’ny daholobe tena ôfisialy ilay izy na tsia dia tadiavo ny singa-marika hamantarana ny Fiangonana.

Ireo izay manaraka ny ao anatin’ireo pejy ireo dia hahita tsy tapaka ny vaovao farany mikasika ny asa fanompoana nataon’ny Rahalahy tsirairay. “Ny Fiangonana dia hametaka rohy ahafahana mahita lahateny, lahatsoratra ary horonan-tsary sy zavatra manan-danja hafa avy amin’izy ireo,” hoy i Dale Jones, izay mpitondratenin’ny Fiangonana.

Ireo pejy ireo dia hanome fahafahana ny olona mba hahita mora kokoa ny tenin’ireo mpaminany velona ary ny fanehoana amin’ny alalan’ny hoe “j’aime” an’ireo pejy ireo dia hahatonga ny zavatra hita ao anatin’izany hiseho any amin’ny fampahalalana vaovao mikasika ny zavatra tian’ny olona ao amin’ny Facebook ka tonga dia ho mora hita sy azo zaraina amin’ny hafa izany.

Ny fanamboarana pejy ôfisialy dia manampy ny mpikambana hahafantatra hoe iza avy ireo pejy izay ny Fiangonana no miandraikitra azy ary miaro ny olona tsirairay amin’ny pejy sandoka izany.