2013
Vaovao mikasika ny Tempoly
Nôvambra 2013


Vaovao mikasika ny Tempoly

Fangadiana ny Fototry ny Tempoly Voalohany any Connecticut

Nanomboka ny fananganana ny tempoly voalohany an’ny Olomasin’ny Andro Farany any Connecticut États-Unis taorian’ny lanonana fangadiana fototra notarihan’ny Filoha Thomas S. Monson tany Hartford tamin’ny Sabotsy 17 Aogôsitra. Ny Tempolin’i Hartford Connecticut no ho tempoly faharoa any New England (any Boston, Massachusetts ilay iray hafa) ary iray amin’ireo tempoly an’ny OAF miisa 170 manerana an’izao tontolo izao izay efa miasa na efa eo andalam-pitsanganana na kasaina hatsangana.

Tempoly Faharoa any Colorado

Ny Sabotsy 24 Aogôsitra dia nanokatra tamin’ny fomba ôfisialy ny lanonana fangadiana fototra an’ilay tempoly faharoa any Colorado, États-Unis, Tempolin’i Fort Collins Colorado, ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy. Any Denver ilay tempoly iray hafa izay eo amin’ny 95 km any atsimon’i Fort Collins eo ho eo.

Sary nalain’i Nicolas Carrasco, nahazoana lalana tamin’i Church News