2014
Fantaro ny Tantaram-pianakavianao
June 2014


Ho an’ny Ankizy

Fantaro ny Tantaram-pianakavianao

Niaina tantara maro ny ray aman-dreninao sy ny ray aman-drenibenao—anisan’izany ireo izay tsy fantatrao akory ny mikasika azy! Hampihomehy anao ny sasany amin’ny tantaran’izy ireo, ary afaka manampy anao hanana finoana ny Ray any an-danitra ireo tantara ireo. Kanefa na ny olon-dehibe aza indraindray dia mahatsiaro ho menatra. Ampiasao ireto fanontaniana ireto mba hanampiana azy ireo hahatsiaro ny sasany amin’ny tantara tian’izy ireo indrindra, ary soraty na ataovy sary ny valintenin’izy ireo.

  1. Tantarao amiko ny fahatsiarovana telo mahafaly anao indrindra.

  2. Inona no fotoana nahamenatra anao indrindra?

  3. Tantarao amiko ny andro nahaterahako.

  4. Inona no zavatra tianao natao tamin’ny fahazazanao?

  5. Ahoana no nahazoanao fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara?