2014
Manafaingana ilay Asa
June 2014


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Jona 2014

Manafaingana ilay Asa

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Fantatrareo ve fa 98 taona ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny izay vao nanana tsatòka 100? Kanefa 30 taona latsaka taty aoriana dia nandrafitra ny tsatòkany 100 faharoa ny Fiangonana. Ary valo taona monja taorian’izay dia nanana tsatòka mihoatra ny 300 ny Fiangonana. Ankehitriny dia manana tsatòka mihoatra ny 3.000 isika.

Nahoana no mihazakazaka toy izany ny tahan’io firoboroboana io? Moa ve mitranga izany satria efa be mpahalala kokoa ny Fiangonana? Moa ve mitranga izany satria manana trano fiangonana tsara tarehy isika?

Manan-danja ireo zavatra ireo, saingy ny antony mampiroborobo ny Fiangonana amin’izao fotoana izao dia satria ny Tompo no nilaza fa hiroborobo izany. Hoy Izy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe “Indro, hohafainganiko amin’ny fotoany ny asako.”1

Amin’ny maha-zanaka ara-panahin’ny Raintsika any an-danitra antsika dia nalefa tety an-tany isika amin’izao fotoana izao mba hahafahantsika mandray anjara amin’ny fanafainganana ilay asa lehibe.

Araka ny fahalalako azy, ny Tompo dia tsy mbola nilaza mihitsy fa voafetra ho amin’ity fiainana ity ihany ny asany. Raha ny marimarina kokoa dia mahafaoka ny mandrakizay ny asany. Mino aho fa manafaingana ny asany ao amin’ny tontolon’ny fanahy Izy. Mino ihany koa aho fa manomana fanahy maro ny Tompo, amin’ny alalan’ireo mpanompony ao amin’ny tontolon’ny fanahy, mba handray ny filazantsara. Ny andraikitsika dia ny manao ny tantaram-pianakaviana ho an’ny razambentsika, ary avy eo dia mankany amin’ny tempoly sy manatanteraka ireo ôrdônansy masina izay hitondra ny tombontsoa ananantsika ho any amin’ireo izay any ampitan’ny voaly.

Ny Olomasin’ny Andro Farany tsara rehetra ao amin’ny tontolon’ny fanahy dia be asa, hoy ny Filoha Brigham Young (1801–77). “Inona no ataon’izy ireo ao? Mitory izy ireo, mitory foana, ary manomana ny lalana ho antsika mba hanafaingana ny asantsika amin’ny fananganana tempoly eto sy any amin’ny toerana hafa.”2

Tsy mora ny asa fikarohana tantaram-pianakaviana. Ho anareo avy ao Scandinavie dia sorisorena mitovy aminareo koa aho. Ohatra, ao amin’ny razambeko Suédois, ny anaran’ny raibeko dia Nels Monson; ny anaran’ny rainy dia tsy Monson mihitsy fa Mons Okeson. Oke Pederson no anaran’ny rain’i Mons, ary ny anaran’ny rainy dia Peter Monson—miverina ho Monson indray.

Miandry ahy sy ianao ny Tompo mba hanao tsara ny fikarohantsika ny tantaram-pianakaviantsika. Heveriko fa ny zavatra voalohany tsy maintsy ataontsika, raha toa isika ka hanao tsara ny asantsika, dia ny manana ny Fanahin’ny Ray any an-danitra miaraka amintsika. Rehefa miaina am-pahamarinana araka izay fantatsika fa tokony hiainantsika isika dia hanokatra ny lalana amin’ny fahatanterahan’ireo fitahiana izay katsahintsika amim-pahamatorana sy amim-pahazotoana Izy.

Hanao fahadisoana isika, saingy tsy hisy afaka ny ho lasa matihanina amin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana isika raha tsy miezaka mizatra aloha amin’ny voalohany. Noho izany dia tokony hanao io asa io amim-pahazotoana isika ary tokony hiomana handalo zava-tsarotra. Tsy asa mora izy ity, kanefa nampandraiketin’ny Tompo anao izany, ary nampandraiketiny ahy.

Rehefa manao ny fikarohana tantaram-pianakaviana ianao dia ho hitanao fa ho avy eo aminao ireo sakantsakana, ary hiteny amin’ny tenanao ianao avy eo hoe: “Tsy misy na inona na inona azoko atao intsony.” Rehefa tonga eo amin’izay fotoana izay ianao dia mandohaliha ary angataho ny Tompo hanokatra ny lalana, dia hanokatra ny lalana ho anao Izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa marina izany.

Tia ireo zanany ao amin’ny tontolon’ny fanahy tahaka ny hitiavany ahy sy ianao ny Ray any an-danitra. Mikasika ny asa famonjena ireo havantsika efa maty dia hoy ny Mpaminany Joseph Smith hoe “Ary ankehitriny, satria efa akaiky ho tratra ireo tanjona lehiben’Andriamanitra, ary efa tanteraka ireo zavatra nolazain’ireo Mpaminany, satria tafaorina eto an-tany ny fanjakan’Andriamanitra, ary tafaverina amin’ny laoniny ny lamin’ny zavatra rehetra teo aloha, dia nampahafantarin’ny Tompo antsika io andraikitra sy tombontsoa lehibe io.”3

Izao no nambaran’ny Filoha Joseph F. Smith (1838–1918) mikasika ireo razambentsika izay maty tsy nahalala ny filazantsara: “Amin’ny alalan’ny ezaka ataontsika ho azy ireo dia hiala aminy ny fatorana izay nangeja azy ireo, ary hisinda ny haizina manodidina azy ireo, mba hamiratra eo aminy ny hazavana ary hahafantatra ilay asa nataon’ny zanany ho azy ireo teto an-tany izy ireo any amin’ny tontolon’ny fanahy, ary hiara-hifaly aminao amin’ny fanaovanao ireo adidy ireo.”4

An-tapitrisan’ireo zanaka ara-panahin’ny Raintsika any an-danitra no tsy nandre mihitsy ny anaran’i Kristy talohan’ny nahafatesany sy nandehanany tany amin’ny tontolon’ny fanahy. Kanefa efa nampianarina ny filazantsara izy ireo ankehitriny ary miandry ny andro hanaovantsika sy ianao ny fikarohana ilaina mba hanokafana ny lalana, mba hahafahantsika mandeha ao an-tranon’i Jehovah ary hanao ho azy ireo ilay asa izay tsy azon’ny tenan’izy ireo atao.

Ry rahalahiko sy anabaviko, mijoro ho vavolombelona aho fa hitahy antsika ny Tompo rehefa manaiky sy manatanteraka ity andraikitra sarotra ity isika.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Mieritrereta tantara iray tena tianao indrindra avy amin’ny tantaram-pianakavianao ary zarao amin’ireo izay vangianao izany tantara izany. Azonao atao ny mampiasa ireo fanontaniana ao amin’ny fizarana ho an’ny ankizy ao amin’ny Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany (pejy 6) mba hamporisihana ireo izay vangianao hizara ny tantaran’izy ireo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15 ary mifanakaloza hevitra mikasika ny maha zava-dehibe ny fanaovana ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo razambentsika.

Fanamarihana

  • Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 88:73.

  • Enseignements des Présidents de l’Église: Brigham Young (1997), 280.

  • Enseignements des Présidents de l’ Église: Joseph Smith (2007), 409.

  • Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph F. Smith (1998), 247.