2014
Mamantatra ny Renibeko
Jolay 2014


Ho an’ny Zatovo

Mamantatra ny Renibeko

Monina any Virginia, ao Etazonia ny mpanoratra amin’izao fotoana izao.

Ho fanatanterahana ny iray amin’ireo atrikasa ho an’ny Zatovovavy izay ataoko dia nanolo-tena aho hanampy ny renibeko hitady ireo razambeny tamin’ny alalan’ny fikarohana tao anatin’ireo pejin’ny microfilm maro tao amin’ny ivontoeran’ny tantaram-pianakaviana any Mesa, Arizona, Etazonia. Rehefa niara-nipetraka sy nikaroka ireo fianakavianay izahay, dia nanomboka nanontany tena aho hoe: “Moa ve tena fantatro tsara ny momba ny renibeko izay eto akaikiko eto?”

Nahita olona maro tao amin’ny fianakavianay izahay dia nanomana ny mombamomba azy ireo, ary nandeha tany amin’ny Tempolin’i Mesa Arizona mba hanatanteraka ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina ho azy ireo. Fotoana fohy taorian’izay, dia nomen’ny renibeko ahy ny tantaram-pianakaviany izay nangoniny.

Sarotra ho an’ny renibeko ny manoratra amin’ny solosaina noho izy voan’ny arthrite rhumatoïde. Nahafinaritra ahy ny nanampy azy tamin’ny fampiasana ny solosaina. Niara-nanoratra ireo tantara avy amin’ny fiainany izahay mba ho tombontsoa ara-panahy ho an’ny fianakavianay. Tiako ny mandray anjara eo amin’ny fiainany sy mianatra zavatra maro momba ny tantaran’ny Fiangonana rehefa miara-manatanteraka ireo atrikasa ireo izahay.