2014
Ilay Fampanantenana Hampitodika ny Fo
Jolay 2014


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Jolay 2014

Ilay Fampanantenana Hampitodika ny Fo

Sary
Filoha Henry B. Eyring

I Mildred Bennion Eyring reniko dia lehibe teo anivon’ny mpiompy sy mpamboly tany Granger, Utah, Etazonia. I Roy, izay iray amin’ireo anadahiny dia nanohy ny raharaha nataon’ny fianakaviana tamin’ny fiompiana ny ondry. Fony izy mbola zatovolahy dia nandeha lavitra nandritra ny herinandro maro izy. Rehefa nandeha ny fotoana dia lasa tsy dia liana loatra intsony tamin’ny Fiangonana izy. Taty aoriana dia nifindra monina tany Idaho, Etazonia izy, nanambady sy nanan-janaka telo. Nodimandry teo amin’ny faha 34 taonany izy raha mbola 28 taona ny vadiny ary mbola kely ireo zanany.

Na dia tany Idaho aza ilay fianakaviana kelin’i Roy ary ny reniko kosa dia nifindra monina efa ho 4.025 kilaometatra tany New Jersey, Etazonia, dia nanoratra taratasy maneho fitiavana sy fampaherezana ho azy ireo matetika ny reniko. “Nenitoa Mid” no niantsoan’ny fianakavian’ny dadatoako tamim-pitiavana ny reniko.

Taona maro no lasa, ary indray andro dia naharay antso an-tariby avy amin’ny zanaky ny dadatoako iray aho. Nambara tamiko fa nodimandry ny vady navelan’i Roy. Hoy ilay zanaky ny dadatoako hoe: “Tian’i Nenitoa Mid ny hahafantaranao izany raha teo izy.” Efa maty efa ela i Nenitoa Mid, kanefa mbola nahatsapa ny fitiavany ny fianakaviana ka nanatona mba hampandre ahy.

Nieritreritra ny haben’ny fanatanterahan’ny reniko ny anjara asany tao amin’ny fianakaviany aho, izay mitovy amin’ny anjara asa notanterahin’ireo mpaminany Nefita teo amin’ny fianakaviany tamin’ny fanakaikezany ireo havana izay tiany ho taomina ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. I Nefia dia nanoratra rakitsoratra izay nantenainy fa hitaona ny zanak’ireo rahalahiny mba hiverina amin’ny finoan’i Lehia, izay patriarikan’izy ireo. Naneho fitiavana mitovy amin’izany ireo zanakalahin’i Môsià rehefa nitory ny filazantsara tamin’ireo taranak’i Lehia izy ireo.

Nanome fomba maro ho antsika ny Tompo mba hahatsapantsika fitiavana ao amin’ny fianakaviantsika izay afaka ny hitohy mandrakizay. Ireo tanora ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao dia mahatsapa fa mitodika amin’ny fianakavian’izy ireo ny fony. Karohan’izy ireo ny anaran’ireo olona ao amin’ny fianakaviany izay tsy nanana fahafahana nandray ireo ôrdônansin’ny famonjena nandritra ity fiainana ity. Entin’izy ireo any amin’ny tempoly ireo anarana ireo. Rehefa miditra ao amin’ny ranon’ny batisa izy ireo, dia manana ny fahafahana hahatsapa ny fitiavan’ny Tompo sy ny an’ny olona ao amin’ny fianakaviany izay isoloany tena amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansy.

Mbola tsaroako foana ny fitiavana tao amin’ny feon’ilay zanaky ny dadatoako izay niantso dia nilaza hoe “Maty ny reninay, tian’i Nenitoa Mid ny hahafantaranao izany raha teo izy.”

Ianareo izay manatanteraka ireo ôrdônansy ho an’ny olona ao amin’ny fianakavianareo dia manatona azy ireo amim-pitiavana, tahaka ny nataon’ireo zanakalahin’i Môsià sy i Nefia mpaminany. Toa azy ireo, dia hahatsapa fifaliana ianareo ho an’ireo izay manaiky ny fanomezanareo. Afaka manantena ihany koa ianareo ny hahatsapa ilay fahafam-po lehibe nananan’i Amôna, izay nilaza momba ny asa fitoriana nataony teo anivon’ny fianakaviany lavitra hoe:

“Koa aoka isika hirehareha, eny, hirehareha ao amin’ ny Tompo isika; eny, hifaly isika, satria feno ny fifaliantsika; eny, hankalaza an’ Andriamanitsika mandrakizay isika. Indro, iza no afaka mirehareha be loatra ao amin’ ny Tompo? Eny, iza no afaka milaza be loatra ny amin’ ny heriny lehibe sy ny amin’ ny famindram-pony ary ny amin’ ny fahari-pony amin’ ny zanak’ olombelona? Indro, lazaiko aminareo, izaho dia tsy afaka milaza ny ampahany bitika indrindra izay tsapako” (Almà 26:16).

Mijoro ho vavolombelona aho fa ilay fahatsapana fitiavana izay anananareo ho an’ny fianakavianareo—na aiza na aiza misy azy ireo—dia fahatanterahan’ilay fampanantenana fa ho avy i Elia. Efa tonga tokoa izy. Ny fon’ireo zanaka dia mitodika amin’ny rainy, ary ny fon’ireo ray dia mitodika amin’ny zanany (jereo ny Malakia 4:5–6; Joseph Smith—Tantara 1:38–39). Rehefa mahatsapa ny faniriana hitady ny anaran’ireo razambenareo ianareo ka hitondra ireo anarana ireo ho any amin’ny tempoly dia hitanareo ny fahatanterahan’izany faminaniana izany.

Fitahiana lehibe ny miaina ao anatin’ny fotoana izay ahatanterahan’ilay fampanantenana hampitodika ny fo. Nahatsapa izany faniriana izany tao am-pony i Mildred Bennion Eyring. Tiany ny fianakavian’ny anadahiny ary nanampy azy ireo izy. Tsapan’izy ireo fa nitodika tamim-pitiavana tany amin’i Nenitoa Mid ny fon’izy ireo satria fantany fa tia azy ireo izy.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Azonao atao ny mamaky ireo faminaniana mikasika ny fanahin’i Elia miaraka amin’ireo olona vangianao (jereo ny Malakia 4:5–6; Joseph Smith—Tantara 1:38–39). Mifanakaloza hevitra momba ireo fomba handraisana anjara mavitrika amin’ny tantaram-pianakaviana, anisan’izany ireo fitaovana toy ny fandaharana ny anarana manaraka ny abidia sy ny sary ary ny fanaovana blaogy. Raha toa ireo olona vangianao ka mbola tsy zatra amin’ny FamilySearch.org, dia azonao atao ny maka fotoana hampisehoana izany amin’izy ireo.