Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21


Fizarana 21

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany tao Fayette, New York, ny 6 aprily 1830. Nomena nandritra ny fananganana ny fiangonana tamin’io daty voatondro io ity fanambarana ity, tao an-tranon’i Peter Whitmer rainy. Enin-dahy, izay efa natao batisa taloha, no nandray anjara tamin’izany. Tamin’ny safidy niraisana no nanehoan’ireo olona ireo ny faniriany sy ny finiavany hanangana ny fiangonana araka ny didin’ Andriamanitra (jereo fizarana 20). Nofidiany koa ny hanaiky sy hanohana an’i Joseph Smith zanany sy i Oliver Cowdery ho mpitarika miahy ny Fiangonana. Tamin’ny fametrahan-tanana avy eo no nanokanan’i Joseph an’i Oliver ho loholon’ny Fiangonana; ary natokan’i Oliver toy izany koa i Joseph. Taorian’ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo, dia nametrahan’i Joseph sy i Oliver tanana ny mpivory tsirairay, ho fanomezana ny Fanahy Masina ary ho fanamafisana ny maha-mpikambana ny tsirairay ao amin’ny Fiangonana.

1–3, Nantsoina ho mpahita ho mpandika teny ho mpaminany ho apôstôly ary ho loholona i Joseph Smith; 4–8, Hitarika ny foto-kevitr’i Ziona ny teniny; 9–12, Ireo olomasina dia hino ny teniny izay teneniny amin’ny alalan’ny Mpampionona.

1 Indro, hisy arakitsoratra hotanana eo anivonareo, ary ao anatin’izany no hiantsoana anao ho bmpahita ho mpandika teny ho mpaminany ho dapôstôlin’i Jesoa Kristy, ho loholon’ny fiangonana, noho ny sitrapon’ Andriamanitra Ray sy ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tomponao,

2 Izay ataomin’ny Fanahy Masina mba handatsaka ny fanorenan’izany ary hanorina izany amin’ny finoana masina indrindra.

3 Izay afiangonana bnatsangana sy naorina ny taona telopolo sy valonjato sy arivo taorian’ny Tomponao, tamin’ny volana fahefatra sy ny andro fahenin’ny volana izay antsoina hoe aprily.

4 Koa miteny aminareo fiangonana Aho hampandrianareo sofina amin’ny ateniny rehetra sy ny didy rehetra izay homeny anareo araka ny andraisany azy ireny, amin’ny fandehanana amin’ny bfahamasinana tanteraka eo anoloako;

5 Fa ny ateniny dia horaisinareo toa ireny avy amin’ny vavako ireny, amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra.

6 Fa amin’ny fanaovana ireny zavatra ireny, ny avavahadin’ny helo dia tsy haharesy anareo; eny, ary ny Tompo Andriamanitra dia hampihahaka ny herin’ny bhaizina eo anoloanareo ary dhampihozongozona ny lanitra mba ho soa ho anareo sy ho evoninahitry ny anarany.

7 Fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: Izy no notaomiko tamin’ny fanahiko mba hampandroso ny foto-kevitr’i aZiona amin’ny hery lehibe ho amin’ny tsara, ary ny fahazotoany dia fantatro, ary ny fivavany dia efa reko.

8 Eny, ny fitomaniany noho ny amin’i Ziona dia efa hitako, ary hataoko izay tsy hitomaniany noho ny aminy intsony; fa ny androm-piravoravoany dia efa tonga noho ny afamelana ny fahotany sy ny fanehoana ny fitahiako eo amin’ny asany.

9 Fa indro, ahotahiako amin’ny fitahiana lehibe ireo rehetra izay miasa ao amin’ny btanimboliko, ka hinoan’izy ireo ny teniny izay omen’ny dMpampionona azy amin’ny alalako, dia ny Mpampionona izay emaneho fa fnohomboan’ny olona gmpanota i Jesoa noho ny hfahotan’izao tontolo izao, eny, ho famelana ny fahotan’ny itorotoro fo.

10 Koa ataoko fa ilaina ny tokony ahanokananao azy ry Oliver Cowdery apôstôliko;

11 Ary izany dia ôrdônansy ho anao, fa ianao dia loholona eo ambanin’ny tanany, satria izy no avoalohany ho anao mba hahatonga anao ho loholona amin’ity fiangonan’i Kristy, izay mitondra ny anarako ity—

12 sy ho mpitoriteny voalohan’ity fiangonana ity ho an’ny fiangonana sy manoloana izao tontolo izao, eny, manoloana ny Jentilisa; eny, ary izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra, indro, indro! ho an’ny aJiosy koa. Amena.