Fanampiana amin’ny fandalinana
Mpaminany


Mpaminany

Olona izay nantsoin’ Andriamanitra sy miteny ho Azy. Mandray didy, faminaniana ary fanambarana avy amin’ Andriamanitra ny mpaminany amin’ny maha-mpitondra hafatr’ Andriamanitra azy. Ny adidiny dia ny mampahafantatra amin’ny olona ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny tena toetran’ Andriamanitra, ary koa ny maneho ny hevitry ny fifandraisany amin’izy ireo. Miampanga ny fahotana ny mpaminany ary manambara mialoha ny vokatra aterany. Mpitory fahamarinana izy. Indraindray dia entanim-panahy ny mpaminany hanambara mialoha ny hoavy, mba ho tombontsoan’ny olombelona; kanefa ny andraikiny voalohany dia ny mijoro ho vavolombelon’i Kristy. Ny Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no mpamin’nynin’ Andriamanitra eto an-tany ankehitriny. Ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Apôstôly roa ambin’ny folo dia tohanana ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.