Fampaherezam-panahy tamin’ny 2016
Ho tena zanaky ny Arivo Taona


Ho tena zanaky ny Arivo Taona

Takariva hiarahana amin’ny Filoha Russell M. Nelson

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony • 10 janoary 2016 • Oniversiten’i Brigham Young–Hawaii

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, azo antoka fa ho taona feno zava-miseho ity taona ity. Tamin’ireo andro voalohany tamin’ity taona ity, i Wendy sy ny tenako dia efa nanao veloma an’i Marjory, anabavy malalako, izay nandao an’ity fiainana eto an-tany ity. Nitsena zazakely roa tao amin’ny fianakavianay izahay—i Wade Richard Walker sy i Isaac Russell McDonough. Ary izao dia voninahitra ho anay ny miresaka aminareo ry tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony manerana izao tontolo izao. Feno fankasitrahana izahay miaraka aminareo.

Tena mankasitraka lalina ny hafatra manan-danja nentin’i Wendy sy ny ohatra mitaona fanahy asehony aho! Izaho koa dia mankasitraka ny fanatrehan’ny Loholona Kim B. Clark, mpikambana ao amin’ny Vaomieran’ny fampianaran’ny Fiangonana; sy i Sue vadiny; ary i Chad H. Webb, tompon’andraikitra ao amin’ny seminera sy institiota, sy i Kristi vadiny.

Entiko aminareo ny fiarahabana sy ny fitiavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanareo ho an’ny Tompo sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny izahay. Feno fankasitrahana izahay isaky ny miaro amim-pahasahiana ny marina ianareo—indrindra fa amin’ny fotoana izay tsy ankafizan’ny maro ny fanaovana izany.

Olona maro no miantso anareo hoe Zanaky ny Arivo Taona. Ekeko fa rehefa miantso anareo amin’izany andian-teny izany ireo mpikaroka ka mamariparitra izay ambaran’ireo fanadihadiana nataony momba anareo—ireo zavatra tianareo sy tsy tianareo, ireo fahatsapanareo sy fironanareo, ireo tanjakareo sy ireo fahalemenareo—dia tsy azoko ny aiko. Misy zavatra mikasika ny fomba fampiasan’izy ireo ilay andian-teny hoe Zanaky ny Arivo Taona izay manelingelina ahy. Ary raha ny marina dia tsy dia mahaliana ahy loatra izay ambaran’ireo matihanina momba anareo raha oharina amin’izay nolazain’ny Tompo tamiko momba anareo.

Rehefa mivavaka momba anareo aho ka mangataka amin’ny Tompo mikasika izay tsapany momba anareo, dia mahatsapa zavatra tena samy hafa be amin’izay lazain’ireo mpikaroka. Ny fitaomana ara-panahy izay noraisiko momba anareo dia nitarika ahy hino fa mety ho tonga lafatra ho anareo ilay andian-teny hoe Zanaky ny Arivo Taona! Noho ny antony tena samy hafa be amin’izay mety ho takatr’ireo matihanina anefa.

Ny andian-teny hoe Zanaky ny Arivo Taona dia tonga lafatra ho anareo raha toa io andian-teny io ka mampahatsiahy anareo hoe iza marina ianareo sy hoe inona marina ny tanjonareo. Ny Tena Zanaky ny Arivo Taona dia olona iray izay nampianarina sy nampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mialoha ny nahatongavany teto ambonin’ny tany, ka nanao fanekempihavanana tamin’ny Raintsika any An-danitra tany mikasika ireo zavatra mitaky risipo—na dia ireo zavatra mitaky risipo ara-pitondrantena aza—izay ho ataonareo rehefa eto ambonin’ny tany.

Ny Tena Zanaky ny Arivo Taona dia lehilahy iray na vehivavy iray izay ananan’ Andriamanitra fitokisana ampy mba halefa ety ambonin’ny tany mandritra ny fotoampitantanana goavana indrindra eo amin’ny tantaran’ity izao tontolo izao ity. Ny Tena Zanaky ny Arivo Taona dia lehilahy iray na vehivavy iray izay miaina amin’izao fotoana izao mba hanampy amin’ny fanomanana ny olona eto amin’ity izao tontolo izao ity ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany sy ny fanjakany mandritra ny arivotaona. Tsy misy antony tokony hisalasalanareo ny amin’ity fahamarinana ity—teraka mba ho lasa Tena Zanaky ny Arivo Taona ianareo.

Ny fanontaniana dia hoe: “Ahoana no ahafahanareo mijoro sy miaina ho Tena Zanaky ny Arivo Taona?” Manana sosokevitra efatra aho.

Ianaro hoe iza marina ianareo

Ny sosokevitro voalohany dia: Ianaro hoe iza marina ianareo!

Maka fotoana hieritreretana ombam-bavaka mikasika ireto fahamarinana ireto:

  • Zanakalahy na zanakavavin’ Andriamanitra nofinidy ianareo.

  • Nohariana araka ny endriny ianareo.

  • Nampianarina tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana ianareo mba hanomanana anareo amin’izay zavatra rehetra mety hatrehinareo mandritra ity ampahany farany amin’izao andro farany ity izao.1 Nijanona niaraka taminareo ny zavatra izay nampianarina anareo!

Miaina ao anatin’ny “ora fahiraika ambin’ny folo” isika. Nambaran’ny Tompo fa izao no fotoana farany hiantsoany mpiasa ho ao amin’ny tanimboalobony mba hanangona ireo voafidy avy amin’ny vazan-tany efatra.2 Ary nirahina handray anjara amin’izany fanangonana izany ianareo. Nahita foana foana ny hery mitaona mahery vaika ananan’ireo Tena Zanaky ny Arivo Taona aho rehefa mitondra ny hafa amin’ny fahafantarana ny fahamarinana izy ireo. Ampahany amin’ny maha-izy anareo sy ny tanjonareo amin’ny maha-taranak’i Abrahama anareo izany!3

Volana maro lasa izay dia niaina zavatra mahatalanjona iray tany Siberie lavitra tany izaho sy i Wendy. Niara-nanao dia taminay tamin’ny “andro fiomananay” tany Irkutsk i Gregory S. Brinton, filohan’ny misiôna sy i Sally vadiny; ary i Sam, zanakalahin’izy ireo avy nanao asa fitoriana, izay nanompo tany Russie. Nitsidika ny Farihy kanton’i Baikal sy ny tsena teny amoron’izany izahay.

Rehefa niverina teo amin’ny fiaranay izahay dia tsikaritray fa tsy hita i Sam. Rehefa afaka elaela izy dia niverina niaraka tamin’ny vehivavy iray teo amin’ny efa-polo taona teo izay nantsoina hoe Valentina. Nihiaka tamim-pientanentanana tamin’ny teny Rosiana fitenin-drazany i Valentina nanao hoe: “Te hihaona amin’ny renin’ity zatovolahy ity aho. Mahalala fomba tokoa izy, marani-tsaina ary tsara fanahy! Te hihaona amin’ny reniny aho!” Voasariky ny endrika mamiratra sy feno fahazavana nananan’i Sam i Valentina.

Nampahafantatra an’i Valentina tamin’ny reniny sy ny rainy i Sam, sy nanome kiboky momba ny Mpamonjy ho azy, ary nanamboatra fotoana hitsidihan’ny misiônera azy. Rehefa nitsidika azy niaraka tamin’ny tahadikan’ny Bokin’ny Môrmôna ny misiônera taty aoriana dia nampanantena ny hamaky izany izy. Vehivavy maro izay niasa teo amin’izany toerana izany no nientanetam-po ihany koa mikasika ilay boky vaovao azon’i Valentina. Tsy mbola fantatray ny fiafaran’ity tantara ity, fa noho ny hazavana miavaka namirapiratra teo amin’i Sam dia nampahafantarina momba ny filazantsara i Valentina sy ny sasany tamin’ireo namany.

Ny Tena Zanaky ny Arivo Taona, toa an’i Sam, dia mahafantatra hoe iza marina izy ireo. Mpianatr’i Jesoa Kristy feno fanolorantena izy ireo izay mampiasa amin’ny fomba voajanahary ny fahafahana ananan’izy ireo mba hanampiana ny tenany sy ny hafa hiomana amin’ny fanjakan’ny Mpamonjy mandritra ny arivotaona.

Noho izany, ny sosokevitro voalohany dia ny hianaranareo ho an’ny tenanareo hoe iza marina ianareo. Anontanio ny Rainareo any An-danitra, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, ny zavatra tsapany momba anareo sy ny asa nanirahana anareo eto ambonin’ny tany. Raha toa ka manontany amin’ny fo feno finiavana ianareo dia hibitsika aminareo ireo fahamarinana izay manova fiainana ny Fanahy rehefa mandeha ny fotoana. Raketo an-tsoratra ireny fahatsapana ireny dia avereno jerena matetika, ary araho amin’ny antsakany sy andavany izany.

Mampanantena anareo aho fa rehefa manomboka mahatakatra na dia kely fotsiny aza momba ny fomba fahitan’ny Ray any An-danitra anareo ianareo mbamin’izay andrasany ho ataonareo ho Azy dia hiova tanteraka ny fiainanareo!

Manantenà ary miomana hanatanteraka ireo zavatra izay heverina fa tsy ho vita velively

Ny sosokevitro faharoa dia: Manantenà ary miomana hanatanteraka ireo zavatra izay heverina fa tsy ho vita velively.

Nangataka hatrany ireo zanany nanao fanekempihavanana mba hanao zavatra sarotra Andriamanitra. Satria ianareo dia zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra izay mitandrina fanekempihavanana, sy miaina ao amin’ny ampahany farany amin’ny andro farany, dia hangataka anareo hanao zavatra sarotra ny Tompo. Afaka matoky ny amin’izany ianareo—tsy nijanona teo amin’i Abrahama ny fisedrana tahaka ny nahazo an’i Abrahama.4

Fantatro fa tena mampatahotra izany hoe angatahina hanao zavatra izay toa mihoatra lavitra izay azonareo atao izany. Mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nandritra ny 19 volana monja aho rehefa nodimandry ny Filoha Spencer W. Kimball. Tamin’ny fivoriana voalohany nataon’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo taorian’ny fanendrena ny Filoha Ezra Taft Benson dia nanome asa atao manokana ho an’ny Roambinifololahy izy. Nahitana izao ny torolalana nomeny ahy: “Loholona Nelson: hanokatra ireo firenena ao Eorôpa Atsinanana ho amin’ny fitoriana ny filazantsara ianao.”

Tamin’ny 1985 izany. Nandritra ireo taona mahamay ara-pôlitika izay nantsoina hoe ny Ady Mangatsiaka dia, tsy ny rindrina ara-bakiteny ihany no nampisaraka ny tanàn’i Berlin, fa nampahorian’ny governemanta kôminista i Eorôpa Atsinanana rehetra. Nakatona ireo Fiangonana, ary voafetra mafy ny fanaovana fotoam-pivavahana.

Nandany ny ankamaroan’ny fiainako arak’asa tamin’ny fanokafana ny fo mba hanatanterahana fandidiana mamonjy aina aho, saingy tsy nanana traikefa izay hitarika ahy hino fa afaka hanokatra firenena ho amin’ny fitoriana ny filazantsara aho. Nampanao asa ahy anefa ny mpaminany iray, koa dia niroso tamin’ny fanaovana zavatra izay toa tsy ho vitako velively aho.

Napetraka teny amin’ny lalako ny sakana maro hatramin’ny fiantombohan’ny ezaka nataoko. Tonga tany amin’ny ankamaroan’ireo firenena aho tsy nahalala akory izay toerana haleha. Na dia rehefa afaka nahita ny anaran’ny tompon’andraikitra iray tao amin’ny governemanta aza aho dia mazàna no nofoanana na nahemotra ny fivoriana. Tao amin’ny firenena iray, rehefa nahemotra roa andro ny fotoana iray, dia niniana napetraka teny amin’ny lalako mba hisedrana ahy ny fakam-panahy maro—anisan’izany ireo fandrika tamin’ny fanakalozana vola vahiny tsy ara-dalàna sy ireo zavatra hafa tsy nanara-dalàna. Tamin’ny fotoana iray hafa dia nanatrika fivoriana iray izay niantomboka tamin’ny fangatahana ahy mba hivoaka ny firenena avy hatrany aho!

Kanefa afaka manao ny asany manokana ny Tompo,5 ary nahazo tombontsoa aho nahita ny fisehoan’ireo fahagagana nisesisesy—izany dia nitranga foana, ary tsy niseho raha tsy taorian’ny nanaovako ny tsara indrindra izay neritreretiko, sy nanaovako ireo ezaka feno risipo be indrindra, ary nanolorako ireo vavaka tamin-kafanampo be indrindra mikasika izay olana nisy ihany.

Ny sasany tamin’ireo firenena ireo dia nanome taratasy ôfisialy fanekena ny Fiangonana talohan’ny nianjeran’ny Rindrin’i Berlin. Azo taty aoriana ny taratasy fanekena sasany. Tamin’ny taona 1992 dia afaka nanao tatitra tamin’ny Filoha Benson aho fa efa natsangana tany amin’ny firenena rehetra tao Eorôpa Atsinanana ny Fiangonana!

Amin’ny maha-Tena Zanaky ny Arivo Taona izay azon’ny Tompo itokisana anareo, dia hanatontosa zavatra manan-tantara ihany koa ianareo! Hangatahina ianareo mba hanaiky hanao asa sarotra atao sy ho tonga fitaovana eo am-pelatanan’ny Tompo. Ary hahatonga anareo ho afaka hanatontosa ny zavatra izay heverina fa tsy ho vita velively Izy.

Ahoana no hanatontosanareo asa tsy ho vita velively? Amin’ny alalan’ny fanaovana izay rehetra ilaina mba hampiorim-paka ny finoanareo an’i Jesoa Kristy na inona izany na inona amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fahatakaranareo momba ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny sy amin’ny alalan’ny fikatsahana tsy tapaka ny fahamarinana. Amin’ny maha-Tena Zanaky ny Arivo Taona anareo, izay miorim-paka mafy ao amin’ny fotopampianarana tsy misy pentina, rehefa angatahina mba hanao zavatra tsy ho vita velively ianareo dia ho afaka ny handroso amim-pinoana sy faharetana tsy tapaka ka hanao amim-pifaliana ireo zavatra rehetra izay tratry ny herinareo mba hanatanterahana ireo tanjon’ny Tompo.6

Hisy ireo andro izay hahakivy tanteraka anareo. Koa, mangataha risipo mba tsy hilavo lefona! Mila izany tanjaka izany ianareo satria hanjary ho lany laza hatrany izany hoe Olomasin’ny Andro Farany izany. Mampalahelo fa hamitaka anareo ireo izay noheverinareo ho namanareo. Ary ho tsy rariny tsotra izao ny zavatra sasany.

Na izany aza anefa dia mampanantena anareo aho fa rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy ianareo dia hahita fiadanana mitohy sy fifaliana marina. Rehefa mitandrina ireo fanekempihavananareo amin’ny antsakany sy andavany ianareo, sy rehefa miaro ny Fiangonana sy ny fanjakan’ Andriamanitra ety an-tany amin’izao fotoana izao, dia hanome anareo tanjaka sy fahendrena mba hanatontosana ny zavatra tsy ho vita velively ny Tompo.

Ianaro ny fomba hahazoana ny herin’ny lanitra

Ny sosokevitro fahatelo dia hoe: Ianaro ny fomba hahazoana ny herin’ny lanitra.

Manana fanontaniana avokoa ny olona rehetra. Ampahany manan-danja amin’ny traikefantsika eto ambonin’ny tany ny fikatsahana hahalala sy hahatakatra ary hahafantatra fahamarinana. Lany tamin’ny fikarohana ny ankamaroan’ny fiainako. Hianatra betsaka indrindra amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana ihany koa ianareo.

Amin’izao fotoana izao indrindra dia sahirana amin’ny famantarana ny fomba hitondranareo ny fiainanareo ny sasany aminareo. Ny hafa dia mety manontany tena raha toa ka voavela ny fahotanareo. Ny ankamaroanareo dia manontany tena hoe iza ary aiza ilay ho namanareo mandrakizay—ary ireo izay tsy manontany tena dia tokony hanao izany.

Ny sasany dia mety mametra-panontaniana hoe nahoana ny Fiangonana no manao ireo zavatra sasany izay ataony. Maro aminareo angamba no tsy mahazo antoka mikasika ny fomba hahazoana valiny amin’ireo vavaka nataonareo.

Vonona hamaly ireo fanontanianareo ny Ray any An-danitra sy ny Zanakalahiny amin’ny alalan’ny asa fanompoan’ny Fanahy Masina. Saingy miankina aminareo ny mianatra ny fomba hahatongavana ho mendrika ireo valiny ireo sy hahazo izany.

Inona no azonareo hanombohana izany? Atombohy amin’ny fandaniana fotoana bebe kokoa ao amin’ireo toerana masina. Toerana masina iray ny tempoly. Torak’izany koa ny trano fiangonana, izay hanaovanareo fanekempihavanana vaovao amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isaky ny alahady. Manasa anareo ihany koa aho mba hanao ny tranonareo, ny efitranonareo ho toerana masina izay ahafahanareo miala amin’ireo fialam-boly ratsin’izao tontolo izao.

Ny vavaka no fanalahidy. Mivavaha mba hahafantatra ny zavatra tokony hatsahatra sy ny zavatra izay tokony hatomboka atao. Mivavaha mba hahafantatra ny tokony hampiana eo amin’ireo zavatra manodidina anareo sy ny zavatra tokony esorina mba hahafahan’ny Fanahy hiaraka aminareo bebe kokoa.

Mitalahoa amin’ny Tompo mba hahazo ny fanomezam-pahasoavana hamantatra zavatra. Dia miainà sy miasà mba ho mendrika ny hahazo izany fanomezam-pahasoavana izany, ka rehefa mitranga eo amin’izao tontolo izao ireo zava-miseho mampisavorovoro saina dia ho fantatrareo tokoa izay marina sy tsy marina.7

Manompoa amim-pitiavana. Manokatra ny fonareo amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana ny asa fanompoana amim-pitiavana ho an’ireo izay diso lalana na maratra am-panahy.

Mandania fotoana bebe kokoa—fotoana betsaka kokoa—ao amin’ireo toerana izay ahitana ny Fanahy. Izany dia midika hoe mandany fotoana bebe kokoa miaraka amin’ireo namana izay mikatsaka ny hanana ny Fanahy miaraka amin’izy ireo. Mandania fotoana bebe kokoa amin’ny fandohalihana mivavaka, fotoana bebe kokoa handalinana ny soratra masina, fotoana bebe kokoa hanaovana ny tantaran’ny fianakaviana, fotoana bebe kokoa any amin’ny tempoly. Mampanantena anareo aho fa rehefa manome tsy tapaka ny ampahany betsaka amin’ny fotoanareo ho an’ny Tompo ianareo dia hahatonga ny ambin’ny fotoanareo ho mahomby sy manan-danja Izy.

Manohana lehilahy 15 izay notendrena ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara isika. Rehefa mitranga ny olana sarotra—ary toa mihasarotra hatrany izany isan’andro—dia mitolona mba hamahana ilay olana ireo lehilahy 15 ireo, miezaka mijery ireo mety ho vokatry ny asa maro samihafa, ary mikatsaka amim-pahazotoana ny haheno ny feon’ny Tompo izy ireo. Rehefa avy mifady hanina, mivavaka, mandalina, misaintsaina, ary mikaondoha miaraka amin’ireo Rahalahiko mikasika ireo olana tena goavana aho dia mazàna no tsy matory mandritra ny alina ka mahazo fahatsapana bebe kokoa mikasika ireo olana izay mampiasa saina anay. Ary miaina zavatra toy izany koa ireo Rahalahiko.

Mikaondoha sy mifampizara izay rehetra asain’ny Tompo takarinay sy tokony ho tsapanay, tsirairay na miaraka, ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Dia mijery ny Tompo mitaona fanahy ny Filohan’ny Fiangonana mba hanambara ny sitrapon’ny Tompo izahay avy eo.

Narahina izany lamina eo amin’ny faminaniana izany tamin’ny taona 2012 rehefa niova ny taona ambany indrindra takina ho an’ireo misiônera, ary natao indray izany tamin’ireo fanampiana natao tao amin’ny boky torolalan’ny Fiangonana, taorian’ny fanomezan-dalana ny fanambadian’ny samy lahy na ny samy vavy tany amin’ny firenena sasany. Rehefa feno fangorahana ho an’ny olona rehetra, ary indrindra ho an’ireo ankizy izahay dia niezaka be hahatakatra ny sitrapon’ny Tompo amin’izany olana izany. Noho izahay mahafantatra hatrany ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra sy ny fanantenany ny hahazoan’ny tsirairay amin’ny zanany ny fiainana mandrakizay dia nosaintsaininay ireo fivadibadihan-javatra sy fitambaran-javatra mety hiseho. Niverimberina nihaona tao amin’ny tempoly sady nifady hanina no nivavaka ary nikatsaka torolalana sy fitaomam-panahy bebe kokoa izahay. Dia rehefa notaomin’ny Tompo ny fanahin’ny mpaminaniny, ny Filoha Thomas S. Monson, mba hanambara ny hevitry ny Tompo sy ny sitrapon’ny Tompo. Nahatsapa fanamafisana avy amin’ny fanahy ny tsirairay taminay nandritra izany fotoana masina izany. Voninahitra ho anay amin’ny maha-Apôstôly anay ny nanohana izay nambara tamin’ny Filoha Monson. Lamina masina ny fanambarana avy amin’ny Tompo ho an’ny mpanompony. Tombontsoa ho anareo torak’izany koa hahazo fanambarana ho an’ny tena manokana.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, manana fahafahana mahazo ny hevitra sy ny sitrapon’ny Tompo tahaka izany koa ianareo ho an’ny fiainanareo manokana tahaka ny ataonay Apôstôly ho an’ny Fiangonany. Tahaka ny itakin’ny Tompo anay mba hikatsaka sy hisaintsaina, hifady hanina sy hivavaka, handalina sy hitolona amin’ireo fanontaniana sarotra dia takiny aminareo koa ny hanao toy izany rehefa mikatsaka ny valin’ireo fanontanianareo ianareo.

Afaka mianatra mihaino ny feon’ny Tompo ianareo amin’ny alalan’ireo bitsiky ny Fanahy Masina.8 Na manampy toy ny ahoana aza ny Google, sy ny Twitter, ary ny Facebook, dia tsy manolotra ireo valinteny manan-danja indrindra tsotra izao izy ireny!

Ry zandry malalako isany, afaka mahafantatra ny hevitra sy ny sitrapon’ny Tompo ho an’ny fiainanareo manokana ianareo. Tsy mila manontany tena ianareo raha toa ka eo amin’ny toerana tian’ny Tompo hisy anareo na raha toa ka manao ny zavatra tiany ataonareo. Afaka mahafantatra ianareo! Ny Fanahy Masina dia hiteny aminareo “ny zava-drehetra tokony hataonareo.”9

Araho ny mpaminany

Ny sosokevitro fahefatra dia hoe: Araho ny mpaminany.

Tamin’izaho filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany tamin’ny 1979 dia nasaina hanatrika seminera ho an’ireo Solontenan’ny Faritra aho ka nandritra izany dia nanao lahateny mitaona fanahy momba ny fanokafana ny varavaran’ireo firenena izay tsy nisokatra ho an’ny fitoriana ny filazantsara tamin’izany, toa an’i Chine, ny Filoha Spencer W. Kimball. Nasainy nianatra ny teny Mandarin ireo rehetra nanatrika ilay seminera mba hahafahanay manolotra ireo fahaiza-manaonay arak’asa entina hanampiana ny vahoakan’i Chine.

Ho ahy dia tahaka ny didy avy amin’ny mpaminany ilay fanasana nataon’ny Filoha Kimball. Koa tamin’izay alina izay indrindra dia nanontany an’i Dantzel vadiko aho raha toa ka te handalina ny Mandarin miaraka amiko izy. Nanaiky izy, ka dia nahita mpampianatra an-trano nanampy anay izahay. Mazava ho azy fa tsy nianatra ny tena hahay be ny teny Mandarin izahay, kanefa ampy izay nianaranay ka, rehefa nasaina ho any Chine aho ny taona manaraka io (tamin’ny alalan’ny fifanesen’ny zava-nitranga tsy nampoizina mihitsy) ho profesora mpitsidika iray mba hampianatra ny fandidiana fo, dia vonona ny hanaiky bebe kokoa ilay fanasana aho.

Enin-taona taty aoriana, tamin’ny 1985, ny taona taorian’ny niantsoana ahy ho ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Indray andro aho dia nahazo fangatahana maika mba handeha any Chine handidy ny fon’ny mpanao opéra malazan’izy ireo, izay noheverin’ny rehetra manerana an’i Chine ho maherifon’ny fireneny. Nohazavaiko fa nanakana ahy tsy ho avy ny andraikitra ara-pivavahana amin’ny fotoana feno nananako, kanefa nitalaho tamiko mba ho avy hanatanteraka ilay fandidiana hanavotra aina ireo dokotera tany Chine.

Nifampiresaka momba ilay olana tamin’ny filohan’ny kôlejiko sy ny Fiadidiana Voalohany aho. Nahatsapa izy ireo fa tokony hanao ilay dia sy hanatanteraka ilay fandidiana aho ho fanampiana ny vahoakan’i Chine.

Nataoko izany. Soa ihany fa nahomby ilay fandidiana! Toa fifandrifian-javatra fa izany no fandidiana fo farany notanterahiko. Tany Jinan, Chine izany, tamin’ny 4 martsa 1985.

Dia nisy fahafahana iray indray niseho herintaona taty aoriana tamin’ny ôktôbra 2015, vao telo volana lasa izay. Nasaina hiverina tany amin’ny Oniversite fianarana ho mpitsabo an’i Shandong tany Jinan izaho sy i Wendy. Talanjona izahay rehefa notsenain’ny “namana efa ela” iray avy any Chine tamim-pitiavana sy nihaona indray tamin’ireo mpandidy izay nampianariko 35 taona lasa izay. Ny tena niavaka tamin’ny fitsidihanay dia ny fihaonana tamin’ny zanakalahy sy ny zafikelilahin’ilay mpanao opéra malaza. Afaka nitranga izany zava-niseho mahagaga rehetra izany noho ny antony iray: nihaino ny torohevitry ny mpaminany mba handalina ny Mandarin aho!

Mahita mialoha ny mpaminany. Mahita ireo loza manembantsembana izay napetraky ny fahavalo na hapetrany eny amin’ny lalanareo izy ireo. Mahita mialoha ireo fahafahana mahatalanjona sy ireo tombontsoa manokana izay miandry ireo izay mihaino miaraka amin’ny fahavononana hankatò ihany koa ireo mpaminany. Fantatro fa marina izany! Niaina izany hatrany hatrany ny tenako.

Nampanantena antsika ny Tompo fa tsy hamela ny mpaminany hitarika antsika amin’ny lalan-diso na oviana na oviana Izy. Nanambara ny Filoha Harold B. Lee hoe: “Mety tsy ho tianareo izay lazain’ireo manampahefana ato amin’ny Fiangonana. Mety hifanohitra amin’ny fomba fijerinareo ara-pôlitika izany. Mety hifanohitra amin’ny fomba fijerinareo ara-tsôsialy izany. Mety hisalovana ny fiainanareo eo amin’ny fiarahamonina izany. Kanefa raha mihaino ireny zavatra ireny ianareo, toy ny hoe avy amin’ny vavan’ny Tompo Izy tenany mihitsy izany, miaraka amin’ny faharetana sy ny finoana, ny fampanantenana dia hoe ‘ny vavahadin’ny helo dia tsy haharesy anareo; eny, ary ny Tompo Andriamanitra dia hampihahaka ny herin’ny haizina ao anoloanareo ary hampihozongozona ny lanitra mba ho soa ho anareo sy ho voninahitry ny anarany’ (F&F 21:6).”10

Mety tsy ho takatrareo foana ny fanambarana rehetra ataon’ny mpaminany velona. Kanefa rehefa fantatrareo fa mpaminany ny mpaminany iray dia afaka manatona ny Tompo amim-panetrentena sy amim-pinoana ianareo ary mangataka fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenanareo manokana momba izay nambaran’ny mpaminaniny na inona izany na inona.

Teo amin’ny manodidina ny 41 talohan’i J.K., dia Nefita maro no niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ka niroborobo ny Fiangonana. Nanomboka nitombo ihany koa anefa ny tsikombakomba miafina ary niafina teo anivon’ny vahoaka ka saro-pantarina ireo mpitarika feno fitaka. Rehefa nanjary niha-nieboebo ny vahoaka dia maro tamin’ireo Nefita no nanao fanarabiana izay masina, ny fandavana ny fanahin’ny faminaniana sy ny an’ny fanambarana.”11

Misy eo anivontsika ireo loza mananontanona ireo ankehitriny. Ny zava-misy tena mahatsiravina dia misy “mpanompon’i Satana”12 miafina eo anivontsika manerana ny fiarahamonina. Koa mitandrema mafy amin’ny hoe ny torohevitr’iza no arahinareo.13

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, teraka mba ho Tena Zanaky ny Arivo Taona ianareo! Taranaka voafidy ianareo,14 nofidin’ Andriamanitra talohan’ny nahaterahanareo mba hanao asa mahagaga—mba hanampy amin’ny fanomanana ny vahoakan’ity izao tontolo izao ity ho amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany.

Amin’ny maha-Apôstôlin’ny Tompo Jesoa Kristy ahy dia mitsodrano ny tsirairay aminareo aho, toy ny hoe mametraka ny tanako eo ambonin’ny lohanareo, mba hanana fahafahana ho tonga Tena Zanaky ny Arivo Taona izay antony nahaterahanareo. Mitsodrano anareo aho mba hanana ny faniriana sy ny fahafahana hianatra ny tena maha-izy anareo sy ny tanjonareo; mba hiandrandra sy hiomana hanao ireo zavatra “tsy ho vita velively” ianareo; mba tsy ho kivy ianareo amin’ireo ezaka ataonareo ny amin’ny fomba hahazoana ireo herin’ny lanitra mba hanampy anareo hamaha ireo olanareo sy hamaly ireo fanontanianareo. Ary mitsodrano anareo aho mba hanaraka ny mpaminany amin’ny antsakany sy andavany, mba hahatsapa fiadanana ao am-ponareo rehefa manao izany ianareo. Mitsodrano anareo aho mba hahafantatra sy hahatsapa hoe tena tian’ny Tompo ianareo ary mahatoky anareo Izy.

Tiako sy tohanako ny Filoha Thomas S. Monson amin’ity asa masin’ Andriamanitra Tsitoha ity. I Jesoa Kristy no Mpamonjintsika. Fiangonana ity. Vahoakany isika! Izany no hijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.