Fampitana fanao isan-taona
“Aza miroanahana, fa minoa kosa”


“Aza miroanahana, fa minoa kosa”

Fampitana ny fampiofanana fanao isan-taona an’ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara • 12 jona 2018 • Foiben’ny Fihaonamben’ny Fiangonana

Loholona Dale G. Renlund: Feno fankasitrahana izahay miaraka aminareo. Ankasitrahanay ny zavatra ataonareo amin’ny fampianarana sy fanohanana ny seminera sy institiota manerana izao tontolo izao. Rehefa manao izany ianareo, dia tsarovy lalandava hoe finaritra amin’ny asa fanompoana ataonareo ny Tompo. Anisan’ireo mpihaino anareo Izy; miaraka aminareo Izy, mandeha “eo alohanareo” Izy, “ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo” Izy, ary “ho ao am-ponareo ny Fanahiny”, ary “hanodidina anareo ny anjeliny mba hanohana anareo.”1

Misaotra anareo amin’ny anaran’ny Tompo sy ny Fiangonany izahay noho ny finoana sy fahatokianareo. Misaotra noho ny fanekenareo ireo andraikitrareo. Misaotra anareo amin’ny fanampiana ireo zanaky ny Ray any An-danitra hiverina any Aminy. Misaotra anareo noho ny fanasanareo ireo zanany hanatona an’i Kristy.

Rahavavy Ruth L. Renlund: Ary misaotra noho ity amboaram-peo mahatalanjona ity izay nandray anjara tamin’ny fitondrana ny Fanahy ho amin’ity fivoriana ity. Azoko antoka fa samy nahazo hery avy tamin’ireo lahateny mahafinaritra nataon-dRahalahy Chad H Webb sy ny Loholona Kim B. Clark teo isika rehetra. Isaorantsika ihany koa izy ireo noho ny ohatry ny maha-mpianatra asehon’izy ireo. Faly izahay manana fahafahana hiresaka aminareo anio momba ny finoana sy ny fisalasalana, lohahevitra izay tojo aminareo matetika.

Loholona Renlund: Alaivo sary an-tsaina hoe nivarina avy tao anaty sambo iray ianao raha teo afovoan’ny ranomasimbe. Manao akanjo fiarovana aina ianao ary efa nilomano nandritra ny ora maro nankany amin’izay noheverinao fa tora-pasika akaiky indrindra, kanefa tsy azonao antoka izany. Manjary tsy ampy rano ianao ka isaky ny manomboka milomano dia lasa fanina. Araka ny tombatombana tsara indrindra ataonao dia any amin’ny 30 kilaometatra miala avy eo ny tora-pasika. Matahotra ny amin’ny ainao ianao. Maheno feona maotera kely avy lavitra ianao. Toa manatona anao ilay feo; niboiboika ny fanantenanao fa ho avotra ihany. Rehefa mijery ianao dia mahita sambon’ny mpanjono iray manakaiky.

Rahavavy Renlund: “Misaotra ry lanitra ô,” hoy ianao anakam-po, hitan’ilay kapiteny ianao. Mijanona ilay sambo, dia manampy anao hiakatra an-tsambo ny mpanjono iray tsara fanahy sy efa zatra toetr’andro ratsy. Feno fankasitrahana ianao, mandady mankeo amin’ny seza iray ao anatin’ilay sambo, misento maneho fifaliana. Omen’ilay mpanjono kaopy misy rano sy biscuits vitsivitsy ianao. Ny rano sy biscuits dia manome anao ny tanjaka ilaina mba hihatsara indray. Maivamaivana ary tena faly ianao. An-dalana hody ianao izao.

Rehefa manomboka velombelona sy mahatsiro ho tsaratsara kokoa ianao, dia manomboka mandinika ireo zavatra sasany izay tsy tena tsikaritrao teo aloha. Somary naloto ary tsy araka ny nirianao azy loatra ny rano avy tao amin’ilay kaopy—tianao kokoa raha Eau Vive na Sainto ilay izy. Ary ny sakafo tena nirianao dia hena matsiro arahina mofo misy sôkôlà. Tsikaritrao ihany koa fa antitra ilay mpanjono, manao baoty tonta sy pataloa jeans manga. Misy tasy ny lamba eny amin’ny satrony, ary toa tsy dia maheno tsara izy.

Loholona Renlund: Hitanao ihany koa fa efa ela niasana ilay sambo ary misy goaka eny aloha. Ny loko sasany dia rotika sy simba ary miendaka. Tsikaritra ihany koa fa rehefa mampijanona ny tanany eo amin’ny familiana ilay mpanjono dia mikisaka mankany amin’ny ankavanana ilay sambo. Manomboka matahotra ianao fa ity sambo ity sy ny kapiteniny dia tsy afaka hitondra ny fanavotana ilainao. Manontany ilay mpanjono efa antitra momba ireo goaka sy ilay familiana ianao. Milaza tsy miahiahy loatra momba ireo zavatra ireo izy satria efa namily ilay sambo namakivaky toeram-panjonoana maro, teo amin’iny lalana iny, andro aman’alina nandritra ny am-polotaonany maro. Nitondra azy soa aman-tsara tany amin’izay tiany naleha hatrany ilay sambo.

Gaga ianao! Ahoana no ahafahantsika tsy hanana ahiahy momba ireo goaka sy ilay familiana? Ary nahoana ireo sakafo no tsy araka izay tianao kokoa? Arakaraka ny hifantohanao amin’ilay sambo sy ilay mpanjono no mahatonga anao hisalasala bebe kokoa. Misalasala ny amin’ny fanapahan-kevitra noraisinao ny hiditra tao amin’ilay sambo tamin’ny voalohany ianao. Lasa niha sahiran-tsaina kokoa ianao. Farany dia mangataka ilay mpanjono ianao hampijanona ilay sambo ka hamerina anao ao anaty rano. Na dia mbola any amin’ny 20 kilometatra mahery tsy hahatongavana any amoron-dranomasina aza ianao dia tsy te hijanona ao anatin’ilay sambo intsony. Ao anatin’ny alahelo no hanampian’ilay mpanjono anao hiverina ao an-dranomasimbe.

Rahavavy Renlund: Ao anatin’io fanoharana io, ilay sambo dia maneho ny Fiangonana ary ilay mpanjono dia maneho ireo mpanompo ao amin’ny Fiangonana.2 Ny tanjona fototry Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ny hanampy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny asan’ Izy Ireo mba hanatanteraka ny fiainana mandrakizain’ireo zanaky ny Ray any An-danitra.3 Inona no ampianarin’ilay sambo sy mpanjono antsika momba ny Fiangonana ? Moa ve manova ny fahafahan’ny Fiangonana manolotra ôrdônansin’ny famonjena sy fisandratana nahazoan-dalana mba hanampiana antsika ho lasa tahaka ny Raintsika any An-danitra kokoa ny fisian’ny goaka sy loko miendaka eo amin’ny Fiangonana? Raha toa ka tsy maintsy mihazona ilay familiana amin’ny tanany roa ilay mpanjono mba hihazonany izany ho amin’ny lalany, moa ve manova ny fahafahany sy ny fahafahan’ilay sambo hitondra antsika soa aman-tsara mankany amin’izay tiantsika aleha izany? Tsy voatery ho mpahita voatokana tahaka ny vadiko ianareo vao hahafantatra fa mampidi-doza kokoa ny miverina ao anaty rano noho ny mijanona ao anatin’ny sambo.

Ny mpikambana rehetra ato amin’ny Fiangonana dia mila ny fijoroany ho vavolombelona manokana momba ny fahamarinan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Raha tsy misy izany fiovam-po izany, tafiditra ao anatin’izany ny fiovan’ny fo mahery vaika, dia mety hanomboka hifantoka amin’ireo sarintsarina biscuits sy loko miendaka ny olona.

Loholona Renlund: Ny fiantombohan’ny fijoroako ho vavolombelona dia nitranga raha nipetraka tany Göteborg, Suède aho. Vao 11 taona monja aho tamin’izany. Ny filohan’ny misiôna dia namoaka fanasana ho an’ny tanora rehetra mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna. Ny zokiko lahy, izay tiako sy najaiko lalandava, dia nanaiky ilay fanamby. Te hanahaka azy aho, koa nanomboka namaky ny Bokin’i Môrmôna ihany koa aho. Teny an-dalana teny, angamba rehefa tao amin’ny bokin’i Almà aho, dia nilaza taminay ny iray tamin’ireo mpanolotsain’ny filohan’ny misiôna fa tokony hivavaka momba izay novakianay izahay. Tsaroako tsara ny hariva nampiharako izany fanasana izany. Tsaroako ny trano nipetrahanay sy ny efitra natoriako sy ny rahalahiko. Rehefa tafandry ny rahalahiko dia nivoaka ny fandriana aho ary nandohalika teo akaikin’ny fandriako ary nanomboka nanao vavaka tsotra mba hahafantarana raha toa ka marina ny Bokin’i Môrmôna.

Tsy naheno feo iray aho, saingy toy ny hoe nilaza tamiko Andriamanitra hoe: “Efa nolazaiko anao hatrany fa marina izany.” Nanova ahy izany zavatra niseho izany. Nanova ny fiainako izany. Nanomboka nanana finoana aho, nanomboka lasa teo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana aho, ary niezaka nanao zavatra misimisy kokoa sy niezaka nanao zavatra tsaratsara kokoa. Tany Göteborg no nianarako ny fomba hibebahana. Tany Göteborg no nanombohako nijery ireo olona izay nilofo tamin’ny antsony ary niasa mafy mba hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra. Tany no nanombohako nitia ireo Olomasina mahatokin’ Andriamanitra na taiza na taiza nonenan’izy ireo. I Göteborg sy ny trano niangonanay tao Viktoriagatan dia nanjary lasa toerana miavaka ho ahy.

Raha ny mahakasika ireo olon’i Almà niova fo voalohandohany, dia mamaky isika hoe: “Ary ankehitriny, ny zava-nitranga dia natao tao Môrmôna izany rehetra izany, eny, teo amoron’ny ranon’i Môrmôna, tao anaty ala izay akaikin’ny ranon’i Môrmôna; eny, ny toeran’i Môrmôna, ny ranon’i Môrmôna, ny alan’i Môrmôna, endrey ny hakantony teo imason’ireo izay teo no tonga tamin’ny fahalalana ny Mpanavotra azy; eny, endrey ny fitahiana azy, fa ireo dia hihira ny fankalazana Azy mandrakizay.”4

Tany Göteborg no nahafantarako ny Mpanavotra ahy. I Göteborg sy Viktoriagatan no nanjary ho “reniranon’i Môrmôna” ho ahy.

Rahavavy Renlund: Taiza no nahazoanao fahalalana momba ny Mpanavotra anao? Inona no tsapanao? Raha toa ka nanadino ianao, dia mamporisika anao izahay hitadidy sy hamporisika ireo izay ampianarinao mba hahatsiaro izany fahatsapana izany. Izany fahalalana sy fahatsapana izany no fiantombohan’ny finoana.

Ny finoana dia safidy iray tsy maintsy ataon’ny olona tsirairay. Ny finoana dia tsy faniriana poaka aty ny hahamarina ny zavatra iray fotsiny na ny fandresena lahatra ny tenanao fotsiny fa marina ilay izy. Ny finoana dia fahazoana antoka ny fisian’ny zavatra izay tsy hitantsika ara-nofo. Fitsipika mitaky asa ihany koa izany. Angamba azo lazaina fa ny finoana dia karazana fahatsiarovana ara-panahy ny fisiantsika talohan’ny nahaterahana.

“Ny finoana dia tokony hifantoka amin’i Jesoa Kristy mba hahafahan’izany mitarika olona iray ho amin’ny famonjena. … Ny finoana dia aredaredan’ny fihainoana ny filazantsara nampianarin’ireo mpampianatra nahazo lalana [tahaka anareo] nalefan’ Andriamanitra. Tsy mamokatra finoana ny fahagagana, fa ny finoana matanjaka dia ateraky ny fankatoavana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Amin’ny teny hafa dia tonga amin’ny alalan’ny fahamarinana ny finoana.”5 Ny finoana dia tsy tonga avy amin’ny fangatahana famantarana avy amin’ Andriamanitra fa amin’ny alalan’ny fankatoavana sy fanarahana ny didiny.

Loholona Renlund: Tian’ Andriamanitra hanana finoana isika. Tiany hanana finoana isika mba hahafahany mitahy antsika. Nilaza tamin’ireo Zôramita feno fanetrentena i Almà hoe: “Ary ankehitriny, indro, lazaiko anareo, ary mba tiako ny hahatsiarovanareo fa Andriamanitra dia feno famindram-po amin’izay rehetra mino ny anarany; noho izany, maniry Izy voalohany indrindra ny hinoanareo, eny dia ny teniny.”5

Ny finoana no fanalahidy mamaha ny fahasoavan’ Andriamanitra. Dia nampianatra i Almà fa ny olona iray dia mila manapa-kevitra ny haniry hanana finoana ary hanao asa amim-pinoana avy eo mialoha ny hahafahan’ny finoana mitombo. Notohizan’i Almà izany hoe: “Nefa indro, raha te hamoha sy hanaitra ny faharanitan’ny sainareo ianareo, na dia ho fanandramana ny teniko aza, ary hampihatra sombiny amin’ny finoana, eny, na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza ianareo, dia avelao izany faniriana izany hiasa ao aminareo, ambara-pinoanareo amin’ny fomba izay hahafahanareo manisa toerana ho an’ny ampahany amin’ny teniko.”7

Mba hitomboan’ny finoana dia tsy maintsy misafidy ny hanana finoana ny olona iray. Tsy maintsy maniry ny hanana finoana ny olona iray. Tsy maintsy manao asa amim-pinoana ny olona iray.

Rahavavy Renlund: Angamba hanazava izany zavatra izany ity fampisehoana anankiray ity. Inty dia hazo iray ahitana fantsika ao aminy. Manana fantsika 12 fanampiny ihany koa isika. Manana asa ampanaovina anareo aho. Afaka mampitaingina ireo fantsika 12 ireo eo ambonin’ilay fantsika nofantsihana teo amin’ilay hazo ve ianareo?

Loholona Renlund: Inona tsara hoe?

Rahavavy Renlund: Azo atao ve izany? Iray izay iny no vitanao iny. 11 sisa. Rehefa miezaka hanao izany ny olona sasany dia mety hametraka fantsika iray eo ambony eo dia hilavo lefona avy eo.

Loholona Renlund: Manana siligaoma ve ianao?

Rahavavy Renlund: Mety hisy hieritreritra izao hoe tsy ho vita ity dingana manaraka ity. Maro no hilavo lefona ka hieritreritra hoe: “Tsy vita io.”

Saingy raha toa ka vonona ny hilaza ianao hoe: “Azo atao ve io?” dia ho vonona hanandrana zavatra hafa ianao. Ezaho izao fomba izao. Apetraho manoloana anao ny fantsika iray. Dia apetraho mifanila amin’ilay fantsika voalohany ny fantsika iray hafa, ka ny tendrony dia mitodika mankany aminao. Apetraho mifanila amin’ilay fantsika voalohany ny fantsika manaraka, ka ny tendrony dia tsy mitodika mankany aminao. Tohizo ny fametrahana azy rehetra afa-tsy ny fantsika farany, izay ataovy mifanila amin’ilay fantsika voalohany ao anatin’izao fomba hafa izao.

Rehefa manao izany ianao, dia ho hitanao fa misy ny fomba hahafahana mahavita ilay izy. Manomboka mieritreritra ianao hoe: “Ary azo atao ihany ilay izy.” Mitombo ny fanantenanao. Ary farany dia kely sisa dia ho vitanao ilay izy.

Loholona Renlund: Tena nitombo tokoa ny fanantenako.

Rahavavy Renlund: Apetraho eo ambony sy mifanitsy amin’ilay fantsika voalohany, mifanila amin’ireo fantsika hafa ny fantsika farany. Ao ve? Toy izany. Izao ary, tandremo tsara, aingao izy rehetra ka ilay fantsika eo ambany ihany no tazonina, dia apetraho eo amin’ilay fantsika ao amin’ilay hazo ny fantsika ao ambany.

Indraindray dia tsy mety ny andrana voalohany. Tahaka ny fanandraman-javatra maro dia ilaina ny andrana faharoa. Araho hatrany ilay fomba teo. Ataovy eo ambony ilay fantsika farany ary tandremo tsara, tandremo tsara—

Loholona Renlund: Tsy niteny izany ianao teo.

Rahavavy Renlund: Aingao ireo fantsika rehetra dia ataovy mifandanja izy ireo. Tena tsara! Raha vantany vao fantatrao ny fanaovana azy dia toa mibaribary be ilay vahaolana.

Loholona Renlund: Mila mitandrina tsara!

Rahavavy Renlund: Toy izany koa ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona. Raha vantany vao fantatrao ny fomba fahazoana valiny avy amin’ Andriamanitra, dia toa azo antoka ny vokatra. Izany dia voalaza ao amin’ny fampanantenan’ny Bokin’i Môrmôna izay narahin’ny vadiko fony izy 11 taona sy izay efa narahintsika rehetra rehefa nahazo fijoroana ho vavolombelona isika. “Ary rehefa handray ireto zavatra ireto ianareo, dia ta hamporisika anareo aho ny mba hanontanianareo an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ny anaran’i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’izany aminareo Izy amin’ny herin’ny Fanahy Masina.”8

Rehefa atombokao amin’ny fanontaniana hoe: “Tsy ho marina ve ireto zavatra ireto?”, dia mitarika amin’ny finoana izany. Raha atombokao amin’ny fanontaniana hoe: “Tsy ho diso ve izany?” dia mitarika amin’ny fisalasalana izany. Ary ny fisalasalana dia tsy hitondra na oviana na oviana ho amin’ny finoana.

Loholona Renlund: Tamin’ny fotoana iray raha vahiny tamin’ny fihaonamben’ny tsatòka iray aho, dia nangataka ahy mba hitsidika ny lehilahy iray izay ho antsoiko hoe Stephen ny filohan’ny tsatòka. Mpikamban’ny Fiangonana mahatoky i Stephen. Misionera efa niverina izy ary nanambady tany amin’ny tempoly. Nanompo tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro izy saingy nanomboka nisalasala momba ny Fiangonana. Raha nitafa tamin’i Stephen aho, dia nilaza izy fa nanana olana tamin’ny hoe nanoratra sy nanonona fitantara karazany efatra momba ny Fahitana Voalohany i Joseph Smith. Nihevitra izy fa mety ho midika izany fa noforonin’i Joseph Smith ilay izy.

Nasaiko nifandray tamin’ny lehilahy niasa tao amin’ny Departemantan’ny Tantaran’ny Fiangonana iray izay nikaroka ireo fitantara karazany efatra nandritra ny am-polotaonany maro i Stephen. Nihaona tamin’ilay mpikaroka i Stephen. Ny fotoana manaraka niresahako tamin’i Stephen dia hoy aho hoe: “Dia manao ahoana izao ny fahatsapanao momba ny Fahitana Voalohany?”

Nilaza izy hoe: “Tsy mampaninona ahy intsony ilay izy satria voavaly ireo fanontaniako. Tsy sahiran-tsaina amin’ilay izy intsony aho. Fa izao indray dia tena sahiran-tsaina momba ny fampakarana vady maro izay natao tao Nauvoo sy taorian’ny Manifesto tamin’ny 1890 aho. Tena mampanahiran-tsaina mafy ahy mihitsy izany.”

Nasaiko niresaka tamin’ny olona iray hafa tao amin’ny Departemantan’ny Tantaran’ny Fiangonana i Stephen. Taorian’ny resadresaka nifanaovany tany dia nifandray tamin’i Stephen aho ary nanontany azy hoe nanao ahoana izy.

Hoy izy hoe: “Tsy sahiran-tsaina ny amin’izay intsony aho. Takatro ny zava-nitranga, ary voavaha ireo ahiahiko. Saingy izao aho dia tena sahiran-tsaina momba ny tsy nanomezana ny fisoronana an’ireo izay taranaka Afrikana.”

Rahavavy Renlund: Tahaka ny olona maro i Stephen. Nisafidy ny ho mpisalasala lava izy. Rehefa nandeha ny fotoana, rehefa voavaha ny olana iray, dia nisy anankiray hafa indray nipoitra. Na dia niezaka namaha sy namaly ireo fanontaniana ireo aza ny olona dia mahita lohahevitra hafa hanaparana ny fisalasalany foana izy. Tahaka ny hoe milalao “tape-taupe” ara-pivavahana i Stephen. Ny “tape-taupe”, ilay kilalao fanaon’ny ankizy izay misy biby kilalao mivoaka avy amin’ny lavaka iray ka raha vantany voakapokao ilay izy dia misy biby kilalao iray hafa mivoaka avy amin’ny lavaka hafa.

Zavatra hafa mihitsy no nitranga tamin’ny vehivavy iray tany Lubumbashi, Repoblika Demôkratikan’i Congo. Angelique no anarany. Izy dia misiônera efa tafaverina mahatoky. Nanana fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny Mpaminany Joseph Smith izy. Tiany ny Bokin’i Môrmôna. Tiany ny zavatra rehetra momba ny Fiangonana.

Tamin’ny fotoana nihaonanay taminy dia teo am-pamakiana boky iray izy, boky izay nosoratan’ny mpitarika iray ato amin’ny Fiangonana mialoha ny naha-lasa Filohan’ny Fiangonana azy. Nosoratana mialoha ny fanambarana momba ny fisoronana tamin’ny 1978 ilay boky, ary nandroso hevitra ilay boky fa, noho ny zavatra natao tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, dia tsy afaka hahazo ny fisandratana ireo izay taranaka Afrikana. Nangataka fanampiana i Angelique mba hahatakarana ny anton’izany. Nolazain’ny mpikambana iray ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ankehitriny fa diso io mpitarika tao amin’ny Fiangonana teo aloha io, tsotra izao, ary ny heviny manokana no nambarany tamin’izay, hevitra izay diso. Nahafa-po an’i Angelique ilay fanazavana. Nampihatra finoana izy tamin’ny fijanonana teo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana sy fatokiana an’ Andriamanitra.

Loholona Renlund: Tsy fanehoana finoana ny fisalasalana. Tsy miankina amin’ny haizina ny hazavana vao afaka misy. Tsy nolazaina tamin’i Petera, tamin’izy nanomboka nilentika tao anaty rano taorian’ny nanandramany nandeha teo ambonin’izany hoe: “O ry Petera a! Raha mba nisalasala bebe kokoa mantsy ianao.” Tsia, nolazaina kosa izy hoe: “Ry kely finoana, nahoana no niahanahana hianao?”9

Ao amin’ny Lectures on Faith, ny fahasamihafana eo amin’ny finoana sy ny fisalasalana dia nazavaina toy izao: “Ary izay hisian’ny fisalasalana sy ny tsy fitokiana dia tsy ahitana finoana, ary tsy afaka hisian’ny finoana izany. Satria ny fisalasalana sy ny finoana dia tsy miara-misy ao amin’ny olona iray amin’ny fotoana iray; noho izany, ireo olona izay feno fisalasalana sy tahotra ny sainy dia tsy afaka hanana fitokiana tsy azo hozongozonina; ary izay tsy manana fitokiana tsy azo hozongozonina dia marefo finoana; ary rehefa marefo ny finoana dia tsy afaka mifanandrina amin’ny fanoherana sy ny fitsapana ary ny fahoriana, izay tsy maintsy hatrehana mba hahafahana ho lasa mpandova an’ Andriamanitra sy mpiara-mandova amin’i Kristy Jesoa; ary hiha-marefo izy ireo ao an-tsainy, ary hanana hery eo amin’izy ireo sy handrava azy ireo ilay fahavalo.”10

Tena izany mihitsy no nitranga tamin’i Stephen. Navelany nibahana ny sainy ny fisalasalana sy ny tsy fitokiana. Rehefa nandeha ny fotoana dia tsy nanana tanjaka hiatrehana ireo fanamby izay atrehan’ny olona mpikamban’ny Fiangonana izy. Nanjary niha-marefo ny sainy, ary nanjavona ny finoany.

Rahavavy Renlund: Tsy olana mihitsy ny fananana fanontaniana momba ny Fiangonana sy ny fotopampianarana ao aminy. Fa ny misafidy ny ho mpisalasala lava kosa no olana. Nahatakatra izany i Joseph Smith raha namaky izy hoe: “Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.”11

Saingy mitohy toy izao ilay andalan-tsoratra masina hoe: “Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hihanahana akory.”12

Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia anontanio Andriamanitra, ary aza misalasala fa afaka manome valiny ho anao Izy. Mitohy ilay andalan-tsoratra masina hoe: “Fa izay miahanahana [na misalasala] dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo izany olona izany.” Olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra.”13

Mba hahazoana ilay karazana valim-panontaniana nokatsahin’i Joseph Smith, mba hahazoana ny karazana valim-panontaniana tsy ananantsika, dia mila manatona an’ Andriamanitra amin’ny fo mino sy ny saina maniry hahafantatra ireo zavatr’ Andriamanitra isika.

Loholona Renlund: Tianay ny teny nolazain’ny Loholona John A. Widtsoe, Apôstôly iray avy tany Norvège tany amin’ny voalohandohan’ity fotoampitantanana ity. Somary ovaiko ny zavatra nolazainy tamin’ny fomba tena kanto tokoa: “Ny fisalasalana, raha tsy hoe havadika fikarohana [amin’ny alalan’ireo loharano marina], dia tsy hisy lanjany mihitsy. … Ny mirehareha amin’ny hoe mpisalasala … ny hoe mpisalasala lava, afa-po amin’izay ananany, tsy vonona hanao ny ezaka [araka ny tokony ho izy] mba hanefa ny saran’ny fahalalana [avy amin’ Andriamanitra], dia tsy maintsy mitondra any amin’ny tsy finoana ary ny haizim-be foana. Ny fisalasalany dia mitombo tahaka ny olatra misy poizina ao amin’ny sainy sy ny fanahiny mihamaloka. Ary farany, dia matetika izy no mampifangaro ny fahalalana amin’ny tsy fahalalana ary ny hakamoana amin’ny fahazotoana. Ny fahazoana fahamarinana tsotra indrindra dia mendrika ny fandalovana fisalasalana betsaka. … Azo atao ny misalasala, raha tsy hoe rehefa manjary lasa ny misalasala no hiafarana anefa [hiafaran’ny tena sy ny zavatra atao]. Mitondra fahamendrehana izany rehefa manjary lasa fikarohana fahamarinana [ara-panahy] atao amim-pahavitrihana, ary fampiharana izany. … Ilay karazana fisalasalana mamoky sy mampitombo tena, izay ampiarahana amin’ny hakamoana, dia miteraka fisalasalana misimisy kokoa; avy amin’ny devoly izany.”14

Mbola marina hatrany ireo tenin’ny Loholona Widstoe ireo. Ny hoe misalasala lava dia tsy mitondra amin’ny fahafantarana fa tena misy i Jesoa Kristy Mpamonjy; tsy mitarika amin’ny tena fahafantarana fa manana Ray any An-danitra tsara fanahy sy be fitiavana izany. Afaka mahafantatra ny fahamarinan’ity asa amin’ny Andro Farany ity isika, saingy mitaky ny hisafidianantsika ny finoana izany, fa tsy ny fisalasalana, ary ny handehanantsika any amin’ireo loharanom-balinteny marina. Mitaky ny hahafantarantsika izany fa antsika ny safidy. Tsy hery avy any ivelany apetraka amintsika izany mba hanekentsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ireo ôrdônansin’ny famonjena eo amin’ny fiainantsika. Misafidy ny hatoky an’ Andriamanitra isika.

Rahavavy Renlund: Indraindray isika dia miatrika ny fanapahana hevitra raha toa marina ny zavatra iray na tsia. Nanome fakantahaka arahina ho antsika i Môrmôna: “Ko ny zavatra rehetra izay tsara dia avy amin’ Andriamanitra; ary izay ratsy dia avy amin’ny devoly; … Nefa indro, izay avy amin’ Andriamanitra dia manainga sy mitaona hanao ny tsara lalandava; koa, ny zavatra tsirairay izay manainga sy mitaona hanao ny tsara sy ho tia an’ Andriamanitra ary hanompo Azy, dia avy amin’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra. … Fa indro, ry rahalahiko, omena anareo ny hitsara mba hahazoanareo manavaka ny tsara amin’ny ratsy; ary ny fomba hitsarana mba hahalalanareo amin’ny fahalalana tanteraka, dia miavaka toy ny hazavan’ny andro amin’ny haizin’ny alina. Fa indro, omena ny olona tsirairay ny Fanahin’i Kristy mba hahazoany manavaka ny tsara amin’ny ratsy; koa asehoko anareo ny fomba hitsarana; fa ny zavatra tsirairay izay manainga hanao ny tsara sy handresy lahatra mba hino an’i Kristy dia alefan’ny hery sy ny fanomezam-pahasoavan’i Kristy; koa dia azonareo fantarina amin’ny fahalalana tanteraka fa avy amin’ Andriamanitra izany. Nefa na inona na inona zavatra izay mandresy lahatra ny olona hanao ny ratsy sy tsy hino an’i Kristy, ary handà Azy sy tsy hanompo an’ Andriamanitra, dia azonareo fantarina amin’izany, amin’ny fahalalana tanteraka, fa avy amin’ny devoly izany.”15

Noho izany dia tena tsotra ilay izy. Raha toa ka mitarika anao hanao ny tsara sy hino an’i Kristy ny safidy iray dia avy amin’ Andriamanitra izany. Raha toa ka mamporisika anao hanao ny ratsy sy handà an’i Kristy ny safidy iray dia avy amin’ny devoly izany. Rehefa mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ianao dia afaka mahafantatra fa ireo zavatra izay mampivily anao avy eo amin’izany lalana izany, izay mandresy lahatra anao tsy hino an’i Kristy, dia diso. Ireo zavatra izay mandresy lahatra anao hino an’ Andriamanitra, hitia Azy, ary hitandrina ny didiny dia avy amin’ Andriamanitra.

Loholona Renlund: Mahavariana fa ny fomba hamalian’ny olona iray ny bitsika ara-panahy dia miankina amin’ny hoe misafidy ny hino izy sa hisalasala. Tsaroanareo ve ny ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faharoa rehefa handeha hitory teny ireo Apôstôly. Naheno feo avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo izy ireo. “Ary samy feno Fanahy Masina izy rehetra ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenin’ny Fanahy Masina azy. … Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin’ny fiteniny azy izy rehetra. Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo? Ko ahoana no andrenesantsika amin’ny fitenintsika avy izay nahabe antsika.”16

Ireo trangan-javatra mahatalanjona ireo dia nahatonga ny maro hiova fo. Saingy ho an’ny hafa kosa dia hafa ny valinteny nomena. Mamaky isika hoe: “Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.”17

Fanahy iray ihany no tamin’izay; izany dia ny Fanahy Masina narotsaka tamin’ireo Apôstôly Galiliana izay nitory momba an’i Jesoa Kristy. Tamin’ny andron’ny Pentekôsta, ny Fanahy dia narotsaka be kanefa mbola nisy ihany ny nihomehy an’ireo izay niova fo ka nanamarina ilay zavatra niainan’izy ireo. Vokatr’izany dia tsy niaina ilay fandrotsahana manan-tantara ny Fanahy Masina izy ireo. Inona no tsy itovizan’izy ireo? Ny safidy noraisin’izy ireo. Ireo izay nisafidy ny finoana sy nino fa tsy nisalasala dia nanana traikefa ara-panahy mahatalanjona izay nitondra tamin’ny fiovam-po.

Rahavavy Renlund: Niresaka momba izany ihany koa i Almà. Ho izy hoe: “Ary noho izany, izay manamafy ny fony dia izy no mandray ny ampahany kely indrindra amin’ny teny; ary izay tsy manamafy ny fony dia izy no omena ny ampahany betsaka indrindra amin’ny teny, mandra-panomezana azy ny fahafantarana ny misterin’ Andriamanitra mandra-pahafantarany izany tanteraka. Ary ireo izay manamafy ny fony dia ireo no omena ny ampahany kely indrindra amin’ny teny mandra-pahatonga azy ireo tsy hahafantatra na inona na inona ny amin’ny misteriny; ary amin’izany izy ireo dia entin’ny devoly ho babo ary tarihin’ny sitrapony hidina any amin’ny famongorana.”18

Raha iverenana ilay fanoharantsika, ireo izay misafidy ny hijanona ao amin’ilay sambo izay mety efa ela niasana sy nahitana goaka ary loko miendaka dia ireo izay tsy manamafy ny fony. Mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izy ireo ary mijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Avy eo, rehefa maharitra hatramin’ny farany izy ireo, dia atolotra azy ireo ny fampanantenan’ny fiainana mandrakizay. Izany no fanomezana lehibe indrindra azon’ Andriamanitra omena antsika. Amin’ny alalan’io dingana io no hahafantarantsika an’i Jesoa Kristy, hahafantarana fa tena misy sy velona Izy, hahafantarana ny fitiavany sy ny fangorahany. Izany fanomezana ara-panahy izany dia omena ireo rehetra izay mendrika izany.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia milaza fa: “Ireo sasany dia omen’ny Fanahy Masina ny hahafantatra fa i Jesoa Kristy no zanak’ Andriamanitra, fa nohomboana Izy noho ny fahotan’izao tontolo izao. Ny hafa dia omena hino ny tenin’izy ireo, mba hahazoany koa manana ny fiainana mandrakizay raha mitoetra ho mahatoky izy.”19

Loholona Renlund: Ny volana aprily 2009 aho dia notohanana ho Manampahefana Ambony ato amin’ny Fiangonana. Ny volana ôktôbra 2009 taorian’izay ihany aho dia efa nangatahana sahady hanao lahateny mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana. Izany fomba fanao manahirana izany no fomba fandraisana ireo Manampahefana Ambony vaovao! Tsindrin-daona aho ny mba handrenesan’ny raiko ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Niasa mafy nandritra ny androm-piainany manontolo izy tamin’ny naha-mpandrafitra sy mpanamboatra zavatra azy, ary rehefa feno 92 taona izy dia lasa nanana olana goavana tamin’ny lamosina. Tsy afaka namonjy ny Foiben’ny Fihaonamben’ny Fiangonana izy. Noho izany dia nataon’ny anabaviko iray izay ahafahany manaraka ilay fivoriana amin’ny alalan’ny fahitalavitra tao an-tranony tao Salt Lake City.

Nandeha tany an-tranony aho rehefa vita ny fihaonambe mba hahitako izay eritreriny momba ny lahateniko. Lehilahy tsy dia mpiteny firy sy tsy dia mpanome fandokadokafana loatra izy.

Hoy aho: “Dada, nahita ny fihaonambe ve ianao?”

Hoy izy namaly hoe: “Ja.

Niteny aho hoe: “Dada, henonao ve ny lahateniko?”

Hoy izy hoe: “Ja.

Hoy aho: “Dia inona no eritreritrao momba ilay izy ry Dada?”

Hoy izy hoe: “O, tsara ka. Saika faly mihitsy aho.” Ary izany no fandokadokafana tsara indrindra avy aminy.

Saingy nahafantatra aho avy eo fa somary varimbariana izy tamin’io tolakandro io satria naniry mafy ny hizara tamiko ny nofy iray izay nitranga taminy ny alina talohan’izay izy. Tsy mpanonofy izy. Tsy mbola nanana nofy mahavariana be izany izy taloha. Tsy mbola naheno azy nandainga aho. Tena mahitsy sy mivantana be ny fahamarinan-toetrany. Hoy izy hoe: “Nanofy aho fa nodimandry ary nahita ny Mpamonjy, Jesoa Kristy. Noraisiny teo an-tsandriny aho ary nilaza Izy fa navela ireo fahotako. Tena fahatsapana tsara izany ry Dale.” Izay ihany no voalazany, ary tsy navela nanontany misimisy kokoa aho. Maty izy roa volana taty aoriana raha tany Madagasikara izaho sy i Ruth.

Ny raiko, rehefa niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tany Larsmo, Finlande, fony izy 24 taona, dia niaina ny fiainany araka ny fahazavana sy ny fahalalana noraisiny. Nataony avokoa izay rehetra nangatahina taminy. Lasa mendrika ilay fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny hahafantatra fa i Jesoa no Kristy sy nombohina tamin’ny hazofijaliana ho an’ny fahotan’izao tontolo izao sy ho an’ny fahotany izy. Ny hoe mendrika izany fanomezam-pahasoavana izany dia tsy miankina amin’ny hoe lahy na vavy, ary tsy miankina amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana. Miankina amin’ny fisafidianana ny finoana, ny fisafidianana ny lalan’ny fanekempihavanana izany fanomezam-pahasoavana izany.

Rahavavy Renlund: Ry ranadahy sy rahavavy, rehefa manampy ny isam-batan’olona tsirairay handresy ny fisalasalana ary hampihatra finoana ianareo dia manatanteraka ilay nasain’ny Filoha Russell M. Nelson ataontsika Fiangonana manontolo isika. Nilaza izy fa “ny hafatsika ho an’izao tontolo izao dia tsotra sy avy amin’ny fo: manasa ny zanak’ Andriamanitra rehetra ao amin’ny andaniny roa amin’ny voaly isika mba hanatona ny Mpamonjy azy ireo, handray ireo fitahian’ny tempoly masina, sy hanana fifaliana maharitra, ary ho mendrika hahazo ny fiainana mandrakizay.”20 Asa maneho finoana ny fanekena izany fanasana izany.

Rehefa mampianatra ianareo dia manampy ihany koa ireo izay nandao ny lalan’ny fanekempihavanana. Mampianatra ianareo ho azy ireo, ho an’ny zanak’izy ireo, ny zafikelin’izy ireo ary angamba ny zafiafin’izy ireo. Nananatra ny Tompo hoe: “Fa ho an’ny toa azy no hanohizanareo ny fiahianareo; satria tsy fantatrareo raha toa ka hiverina sy hibebaka izy ary hanatona Ahy amin’ny fo feno finiavana, ary Izaho hanasitrana azy; ary ianareo no ho fitaovana amin’ny fitondrana ny famonjena ho azy.”21

Fotoana ho an’ny fanantenana lehibe izao ato amin’ny Fiangonana. Ireo fahamarinana izay niafina nandritra ny taona maro dia nambara indray. Mameno ny tany ireo tempoly masina. Mitory hafatra momba ny fifaliana lehibe saika any amin’ny firenena rehetra ireo misiônera. Amin’ny maha-Olomasina, sy mpianatr’i Jesoa Kristy antsika, dia miray hina isika amin’ny fanompoana amin’ny “fomba masina kokoa” araka ny namporisihan’ny Filoha Nelson antsika, ary manafaingana ny “asany amin’ny fotoany” ny Tompo.22 Hiara-hiasa amintsika ny Tompon’ny tanimboaloboka.23 Ny hafatra ampianarinareo dia hafatra momba ny fifaliana sy fahasambarana lehibe izay fitahiana ho an’ny mahatoky.23

Loholona Renlund: Ny andraikitra voalohany nomena ahy amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ahy dia ny mandeha ary milaza amin’ny ao amin’ny Departemantan’ny Tantaran’ny Fiangonana fa hanolo ny Loholona Jeffrey R. Holland amin’ny maha-mpanoro hevitra ao amin’ilay departemanta aho. Azonareo an-tsaina fa nisy ny “fitomaniana, sy fidradradradrana, ary fikotroha-nify”25 rehefa nahare izy ireo fa hosoloina ny mpanoro hevitra malalan’izy ireo. Lany tamin’izay ny boatina mosoara iray.

Anisan’ny andraikitro amin’ny maha-mpanoro hevitra ny Departemantan’ny Tantaran’ny Fiangonana ahy, dia efa nahavita vaky ireo boky rehetra ao amin’nyThe Joseph Smith Papers (Antontan-taratasy momba an’i Joseph Smith) aho. Efa nahavita vaky ny boky voalohany ao amin’ilay boky tantara vaovao momba ny tantaran’ny Fiangonana izay mitondra ny lohateny hoe Olomasina26 ihany koa aho. Ny famakiana ny zavatra rehetra nosoratan’i Joseph Smith na voarakitra fa nolazainy dia nampatanjaka tsotra izao ny fijoroana ho vavolombelona ananako ny amin’ny anjara asany amin’ny maha-mpaminany azy, izay nofinidin’ Andriamanitra mba hamerina amin’ny laoniny ny asany eto an-tany.

Tsy mbola nanana fitondran-tena mpamitaka sy mpisoloky velively i Joseph Smith. Tena nino tanteraka izay nolazainy fa hitany i Joseph Smith, ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy; i Môrônia; i Jaona Mpanao Batisa; i Petera sy i Jakoba ary i Jaona; i Mosesy; i Elià; ary i Elia. Nitondra tena tanteraka tamin’ny naha ilay olona nanana ireo takela-bolamena sy nandika ireo lahatsoratra fahiny tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra izy. Nitondra tena tanteraka tamin’ny naha olona nandray fanambarana avy tamin’i Kristy mihitsy izy. Nitondra tena tanteraka tamin’ny naha olona nandray ny fisoronana sy ireo fanalahidin’ny Apôstôly masina izy.

Fantatro amin’ny fomba mahery vaika sy azo antoka kokoa mihoatra noho izay hita sy ambaran’ireo retsi-pahamantarako dimy, fa i Joseph Smith dia nahita izay nolazainy fa hitany, nandika ny Bokin’ny Môrmôna tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra izy, ary nandray ny fisoronana miaraka amin’ny fanalahidy mifandraika amin’izany ho fanavotana ny olombelona rehetra. Fantatro fa marina izany. Fantatro fa eto ambonin’ny tany ireo fanalahidy ireo ankehitriny ary ny Filoha Nelson no mpandimby ara-dalana an’i Joseph Smith eto ambonin’ny tany.

Ilay noheverintsika ho goaka sy loko miendaka ao amin’ny sambo efa ela niasana dia manjary lasa avy amin’ Andriamanitra ary notendreny noho ny fomba fijeriny mandrakizay. Ny Tompo dia na mamela ny fisian’ireo goaka sy ireo loko miendaka na mampiasa izany ho amin’ny tanjony manokana. Fantatro manokana fa ny Tompo Jesoa Kristy dia mitarika ny asany eto an-tany ankehitriny. Fantan’ny mpanompony tsara Izy. Fantatro Izy.

Rahavavy Renlund: Feno fankasitrahana aho noho ny fahafahako milaza ihany koa ny fijoroana ho vavolombelona ananako; fantatro fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika. Rehefa mampihatra finoana isika, fa tsy misalasala, ny amin’ny sorona fanavotana nataony ary ny amin’ny vokatr’izany Sorompanavotana izany, dia ho voatahy mandrakizay ny fiainantsika. Feno fankasitrahana aho fa naveriny tamin’ny laoniny ny Fiangonany ankehitriny, miaraka amin’ireo fitahiana feno izay misy hatrany ho an’ireo zanak’ Andriamanitra eto an-tany.

Loholona Renlund: Ny hafatray ho antsika dia ny hoe “aza miroanahana, fa minoa kosa.”27 Eto aho amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo ahy. Eto aho mba hizara fijoroana vavolombelona manokana ny amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, fa velona Izy ary Izy no Mpamonjy izao tontolo izao. Mijoro ho vavolombelona aho momba ny fangorahany sy ny fitiavany ary ny fitsimbinany tena miavaka ho an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra. Mijoro vavolombelona aho ny amin’ny sorompanavotany tsy manam-paharoa ho anao sy ho ahy. Rehefa nanjary nahafantatra bebe kokoa ny Mpamonjy aho dia nianatra ny faniriany lehibe ny hanamboatra izay simba, ny hanampy amin’ny fanasitranana ny maratra, ary ny hanarina ny fo malahelo. Izany dia anisan’ireo toetrany mampitolagaga.

Tena mivavaka tokoa aho ny mba hahazoanareo sy ny fianakavianareo ary ny mpianatrareo ireo fitahian’ Andriamanitra lehibe indrindra, ny mba hanampianareo an’ireo mpianatra ireo ny hampitombo finoana an’i Jesoa Kristy ka tsy “hiroanahana [izy ireo] fa hino kosa,” amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.