Fampaherezam-panahy tamin’ny 2017
Mpaminany, fitarihana, ary lalàn’ Andriamanitra


Mpaminany, fitarihana, ary lalàn’ Andriamanitra

Takariva hiarahana amin’ny Filoha Russell M. Nelson

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony • 08 janoary 2017 • Oniversite Brigham Young

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, mitondra ny fiarahabana sy fitiavana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho anareo ny tenako. Misaotra anareo izahay noho ny fiarahanareo aminay anio alina sy noho ny fanomananareo ny fonareo sy ny sainareo handray fampianarana ara-panahy.1

Nanomboka tamin’ny volana janoary 2016, raha niresaka taminareo tao anatin’izao fivoriana fampaherezam-panahy maneran-tany izao aho, dia nihaona tamin’ny maro aminareo aho raha nandeha tany Japana, ny nosin’i Filipina, Sina, Kanadà, Angletera, Pays de Galles, Italia, Espana, ary ireo toerana hafa manerana ny Etazonia.

Tamin’ny septambra lasa teo dia niaina zavatra tsy hay hadinoina aho niaraka tamin’ny Loholona M. Russell Ballard sy ireo mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana, rehefa nankany Baton Rouge, Louisianne izahay mba hihaona amin’ireo olona tany taorian’ny tondra-drano nandrava iray. Ny alahady dia nitarika fivoriana fanasan’ny Tompo lehibe niisa efatra ny tsirairay taminay—ny iray ho an’ireo traboina ary ny telo ho an’ireo mpilatsaka an-tsitrapo izay tonga avy tamin’ny faritra maro mba hanampy amin’ny fanadiovana. Ireto sary ireto dia santionany amin’izany fivoriana andro Sabata izany izay ahitana olona an-jatony manao ny akanjotsika misy ny famantarana Môrmôna Manone Tanana.

Mariho ny tarehy falifalin’ireo zatovolahy sy zatovovavy izay nandao ny tokantranony mba hanampy ireo olon-kafa izay tsy fantany tao anatin’ny hafanana mihoa-pampan’i Louisianne, ary niato tamin’ny andro Sabata mba hitsaoka ny Tompo. Rehefa nijery ireo daholobe mahatalanjona nahitana mpiasa vonona aho, izay mitovitovy taona aminareo ny ankamaroany, dia nanana fahatsapana nahery vaika aho hoe nijery lehilahy sy vehivavy izay tsy ela akory dia ho lasa mpitarika ato amin’ity Fiangonana ity.

Koa anio alina, raha maka sary an-tsaina anareo tafavory manerana izao tontolo izao aho dia tiako ny hanantitrantitra sy hiresaka momba izany fahatsapana izany. Ianareo no ho mpitariky ny Fiangonan’ny Tompo amin’ny hoavy! Vonona handray an-tanana ny fitarihana ve ianareo?

Raha niresaka taminareo aho herintaona lasa izay, dia nanome fanamby anareo mba hijoro ho tena ilay zanaky ny arivo taona nanendrena anareo. Natao hanampy amin’ny fanomanana izao tontolo izao amin’ny fanjakan’ny Mpamonjy mandritra ny Arivotaona ianareo amin’ny alalan’ny fanampiana amin’ny fanangonana ny olom-boafidy avy amin’ny vazantany efatra, mba hahafahan’ireo rehetra izay misafidy hanao izany handray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fitahiana rehetra ao aminy. Anio alina aho dia te hiresaka aminareo momba ny fomba hahafahanareo miomana.

Voalohany, mifantoha amin’ny fanambadianareo sy ny fianakavianareo. Ampiharo ireo fahatsapana nanananareo rehefa nahare ireo fahamarinana efatr’i “Nenitoa Wendy” mikasika ny fitiavana sy ny fanambadina ianareo.

Ny andraikitrareo amin’ny Tompo hanampy amin’ny fanangonana ny olom-boafidy avy amin’ny korontana ara-môraly sy ny firongonan’ny fahotana mihoa-pampana amin’izao androntsika izao dia tena manan-danja. I Losifera sy ireo mpanohana azy dia mampiasa ny karazana tekinôlôjia sy serasera rehetra mba hanaparitahana lainga momba ny fiainana sy ny loharanom-pahasambarana tena marina. Noho izany dia hitaky ny fahaiza-mitarika tsara indrindra azonareo ananana ny fanatanterahana ny zavatra nahatongavanareo ety an-tany.

Soa ihany isika fa manana maodely tena tsara azo arahana. Raha toa izao tontolo izao ka mijery ny fahaiza-mitarika misongadina nananan’ny lehilahy sy vehivavy toa an’i Napoléon, i Jeanne d’ Arc, i George Washington, i Mahatma Gandhi, i Mère Teresa, sy ny maro hafa, izaho kosa dia mino fa ny mpitarika tsara indrindra nandalo teto an-tany dia ireo mpaminan’ Andriamanitra.

Hatramin’izao dia lehilahy miisa16 no voafidin’ny Tompo mba ho Filohan’ny Fiangonany, izay naverina tamin’ny laoniny amin’izao fotoampitantanana izao—ity fotoampitantanana fara-tampony amin’ny tantaran’izao tontolo izao ity. Izaho manokana dia efa nahafantatra ny 10 amin’ireo lehilahy 16 ireo. (Ny taonako no tena ambaran’izany betsaka mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra. Aleo atao tsotra fotsiny tahaka izao izany: Tsy mividy akondro manta intsony aho fa tsy hahatratra ny fahamasahany).

Izao, raha matotra tsara ianareo amin’ny hoe mijoro amin’ny maha-tena zanaky ny arivo taona dia manainga anareo aho mba handalina ny fiainana sy ny fampianaran’ireo mpaminanin’ Andriamanitra miisa 16 ireo.2 Hanova ny fiainanareo izany fandalinana izany. Mamelà ahy ianareo hizara fitsipika vitsivitsy momba ny fitarihana izay nianarako avy tamin’izy ireo.

Ny Filoha Joseph Fielding Smith, Filoha fahafolon’ny Fiangonana , dia nonina trano vitsivitsy miala amin’ny trano nahalehibe ahy. Ny zanany lahy anankiroa zandriny indrindra dia namako niara-nilalao tamiko. Nasain’izy ireo matetika hankany an-tranony aho.

Ny Filoha Smith dia Filohan’ny Fiangonana tamin’ny 1971, tamin’ny fotoana niantsoana ahy ho Filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany. Raha niaraka taminy tany amin’ny fihaonambem-paritra vohaloany tany Manchester, Angletera tamin’ny faraparan’io taona io izaho sy i Dantzel vadiko efa nodimandry, dia nianatra lesona mahery vaika mikasika ny fitarihana mahomby aho, raha nangataka tatitra avy tamin’ireo Manampahefana Ambony izay tafangona tao amina efitra kely mialoha ny fihaonambe ny Filoha Smith.

Rehefa avy nandray fitenenana ny rehetra dia tsy nibaikobaiko nanome torolalana ny Filoha Smith fa nijoro tamim-pahamendrehana tamin’ny maha-filoha azy, tamin’ny fanasana azy ireo hianatra avy amin’ny fahendrena azony tamin’izay 94 taonany izay, sady naneho ny fitiavany sy ny faniriany marina hanampy azy ireo izy. Nahavariana ahy ny herin’io mpitarika io tamin’ny fanehoana fitiavana sy fahatokisana ny olony. Taorian’ilay fihaonambem-paritra, rehefa nankasitraka ny Filoha Smith noho ny hafatra tonga lafatra nomeny izahay, dia namaly fotsiny izy hoe, “Tsy tonga tety  mba tsy hahomby aho.”3

Nanam-pinoana izy fa hitarika ireo fandehan-javatra rehetra ireo ny Tompo rehefa nataon’ny Filoha Smith izay zavatra rehetra vitan’ny heriny mba hampandroso ny asa. Ny finoana, ny vavaka, ny fandalinana, ary ny asa mafy mitambatra no mitondra fahombiazana. Tahaka ny tsy nankanesan’ny Filoha Smith Angletera mba tsy hahomby, dia tsy nandefa anareo ety an-tany amin’izao fotoampitantanana farany izao mba tsy hahomby ny Ray fa mba hahita fahombiazana kosa—ary hahita fifaliana eo am-panaovana izany.

Vao mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nandritra ny roa taona monja ny Filoha Ezra Taft Benson tamin’ny desambra 1945, taorian’ny Ady Lehibe faha- 2, rehefa niantso ny Loholona Benson mba hiahy ny Misiôna Eoropeanina ny Filoha George Albert Smith. Tena mafy ny toe-javatra tany. Tao anatin’ny asa fitoriana feno fitiavana naharitra 10 volana tany amin’ny mpikambana izay niaina fiovàna noho ny ady, dia nandeha tany Alemana, Pologne, Tchécoslovaquie, ary Scandinavie ny Loholona Benson, nizara sakafo, akanjo, ary firakotra ho an’ireo Olomasina nijaly.4 Imbetsaka izy no niatrika toe-javatra mafy izay noheverina ho tsy resy. Kanefa imbetsaka izy no nampiseho “finoana tsy voahozongozona ny herin’ny Tompo mba handresena ireo sakana.”5

Efapolo taona taty aoriana, tamin’ny nôvambra 1985, dia nanome andraikitra ahy ho mpikambana zandriny ao amin’ny Roambinifololahy mba hanokatra ny varavarana ho an’ny asa fitoriana any amin’ireo firenena any Eoropa Atsinanana izay niaritra ny ziogan’ny communisme tamin’izany fotoana ny Filoha Benson, izay vao natokana ho Filohan’ny Fiangonana tamin’izay.

Nahatsapa ho tsy vonona tamin’izany andraikitra goavana izany aho, saingy efa natomboky ny Filoha Benson teo alohako io asa io. Amin’ny fomba ahoana no tsy hanaovako izay efa nataony? Ny ohatra nasehony dia nandrisika ahy hivavaka sy hiasa mafy araka izay vitako ary avy eo dia nahita ny fanampian’ny Tompo feno fahagagana.6

Rehefa mahatsiaro ho ketraka isika tsirairay avy dia afaka mianatra betsaka avy amin’ny Filoha Benson. Nandritra ny valo tao izy dia sady Apôstôly no mpiandraikitra misahana ny fambolena tao amin’ny kabinetran’ny filohan’ny Etazonia Dwight D. Eisenhower.

Ahoana no nahavitany an’izany? Izao no teniny: “Miasa mafy indrindra araka izay vitako aho ary manao izay rehetra tratran’ny heriko. Ary miezaka mitandrina ny didy aho. Dia havelako ny Tompo hanao ny ambiny avy eo.”7 Toe-tsaina tokony hoezahantsika hatao izany.

Mpitarika mavitrika ny Filoha Gordon B. Hinckley, izay niavaka tokoa ny fampianarany momba ny fitantanana ny Fiangonana. Mialoha ny naha-Filoha faha-15 an’ny Fiangonana azy dia efa mpanolotsain’ny Filoha telo teo aloha izy. Raha niverina avy nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tany Angletera fony izy tanora dia niasa ho an’ny Fiangonana tamin’ny sehatra isan-karazany izy, teo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy hatrany. Imbetsaka izy no nangatahana hamaha olana goavana. Ohatra, ny Filoha David O. McKay dia nanome andraikitra an’ny Rahalahy Hinckley mba hamaritra ny fomba hanaovana ny ôrdônansin’ny fanafiana masina amin’ny alalan’ny fampiasana horonantsary mba hahafahan’ny fandikan-teny rehetra ho tanteraka ao amin’ny Fiangonana izay nihanivelatra.

Ny Filoha Hinckley dia sangany tokoa teo amin’ny lafiny fifaneraserana. Tamim-pahatokian-tena izy no niresaka momba ny filazantsara tamin’ny rehetra, na ireo mpanao gazety efa ela nihetezana izany na ireo mpitarika maneran-tany. Natrehako maso ny nanalefahany ny fon’i Mikhail Gorbachev, filohan’ny Firaisana Sôvietika taloha, izay nandà ny fanasana hihaona tamin’ny Filoha Hinckley tao amin’ny biraony tamin’ny voalohany. Fa naniry ny hankanesan’ny Filoha Hinckley tany amin’ny efitry ny hotely nivahinianany i Tompokolahy Gorbachev . Rehefa nihaona tany amin’ny ivontoeran’ny Fiangonana anefa izy ireo dia notondroin’ny Filoha Hinckley ilay fefimerana tsara tarehy vita amin’ny hazo vahiny fihinamboa teo amin’ny rindrina tao amin’ny efitra fanaovan’ny Fiadidiana Voalohany filankevitra. Rehefa nolazain’ny Filoha Hinckley tamin’i Tompokolahy Gorbachev hoe avy taiza io karazana hazo io dia variana ity farany! Io karazana hazo io dia avy amin’ny faritra nisy ny toerana nahaterahany any Rosia!8 Tonga dia nihanalefaka avy hatrany ny fony.

Ny Filoha Hinckley dia nijery ny lafy tsaran-javatra foana, izay vokatry ny finoany tanteraka an’ny Tompo. Saika nandritra ny 13 taona tamin’ny naha-Filoha azy dia nitarika ny Fiangonana tao anatin’ny vanim-potoana nahitana fanavaozana lehibe izy, anisan’izany ny fananganana tempoly kelikely kokoa, ny fanorenana ny Foiben’ny Fihaonamben’ny Fiangonana, ny fanambarana ireo tempoly 79 vaovao, ary ny fanokanana na ny famerenana fanokanana tempoly miisa 95 tao anatin’ireo tempoly 124 amperinasa tamin’izany fotoana. Ny vina nananan’ny Filoha Hinckley, ary ny zavatra notakian’izany vina izany taminy dia tsy nanam-petra.

Nanam-pahaizana momba ny tantaran’ny Fiangonana ny Filoha Hinckley. Mpahita ihany koa izy. Noho izany dia tsy nihambahamba izy rehefa niresaka momba ny hoavy. Henoy anie ny teniny:“Ity asan’[i Kristy] ity dia hitohy hatrany amim-boninahitra sy amim-kery ka handrakotra izao tontolo izao. Hisokatra ireo varavarana izay tsy misokatra ho an’ny asa fitoriana ny filazantsara ankehitriny. Hanetsika ny firenena mba hanetren’izy ireo tena ary hahatonga azy ireo hihaino ny mpanompon’ Andriamanitra velona ny Tsitoha, raha ilaina. Izay rehetra ilaina dia ho tonga avokoa.”9

Ankehitriny dia ny Filoha Thomas S. Monson no mpaminanin’ny Tompo velona eto an-tany. Tena tiantsika izy, manohana azy isika, ary mivavaka ho azy! Ary tena nianatra betsaka avy aminy tokoa isika! Eritrereto izany. Nantsoina ho eveka izy fony 22 taona. Nahitana mpitondratena niisa 80 ny paroasiny. Nantsoina ho Apôstôly izy fony mbola 36. Ny Filoha Monson dia niaina ny fiainany araka ilay teny filamatra manao hoe “Raha ilain’ny Tompo ny hahavitan’ny zavatra iray dia tiako hahafantatra Izy fa afaka miantehitra amin’i Tom Monson mba hahavita izany.”10

Nasehony antsika ny fomba fanampiana sy fanavotana ny olona anankiray. Nampianariny antsika tamin’ny ohatra fa ny fikarakarana olona dia manan-danja kokoa foana noho ny fitantanana fotoana, fivoriana, na fandaharam-potoana.

Nandritra ny fiainany ny Filoha Monson dia nandeha tamin’ny lalana tsy nahazatra azy rehefa avy niasa nandritra ny tontoloandro lava. Indraindray izy dia mijanona any amin’ny toeram-pitsaboana iray mba hankahery ireo ory. Amin’ny andro sasany dia voatarika handeha hamangy tokantrano voafaritra izy . Matetika rehefa mandondona varavarana iray izy dia mandray azy ilay olona no mitomany ka milaza zavatra toy ny hoe, “Ahoana no nahafantaranao fa anio no fahatsiarovana ny andro nahafatesan’ny zanakay vavy?” na “Ahoana no nahafantaranao fa anio no tsingerintaona nahaterahako?”

Nandritra ny fiainany dia nampiseho hatrany toetra tsara anankiroa manan-danja izay mahatonga ny mpaminanin’ Andriamanitra ho mpitarika mahavariana ny Filoha Monson: Voalohany, nasehony tamin’ny ohatra ilay didy lehibe voalohany sy faharoa—dia ny mitia an’ Andriamanitra amin’ny fanahintsika manontolo sy ny mitia ny namantsika, ireo zanak’ Andriamanitra, tahaka ny tenantsika. Ary faharoa, ny mpaminany tsirairay dia mahafantatra ny fomba fandraisana fanambarana ary ny fampiharana izany haingana rehefa tonga izany. Ny Filoha Thomas S. Monson dia ohatra velona amin’ny fitarihana araka ny fahamarinana.

Manana toetra maro ikambanana ireo mpaminanin’ Andriamanitra. Iray amin’izany ny hoe ny mpaminany tsirairay avy dia mahatakatra ny maha-zava-dehibe ny lalàn’ Andriamanitra. Ny fahafantarana ny lalàn’ Andriamanitra ary ny fitarihana mahomby sy araka ny fahamarinana dia miara-mamindra. Arakaraka ny mety ho fahafantaranao ny lalàn’ Andriamanitra—ary ny manan-danja indrindra, ny fomba fiainanao izany—no hampahomby bebe kokoa ny fitarihanao araka ny fahamarinana.

Fony aho mbola tanora mpianatra mpitsabo dia nandresy lahatra ahy ny fandalinako lalina momba ny vatan’olombelona fa velona Andriamanitra. Ary rehefa nahafantatra kokoa aho fa avy amin’ Andriamanitra ny vatana dia nihalasa liana hatrany amin’ireo lalàn’ Andriamanitra izay mibaiko ny fiasan’ny vatana aho. Tamin’ny alalan’ny fikarohana naharitra natao tao amin’ny labôratoara, dia nianatra ny lalàna mibaiko ny fitepon’ny fo aho taty aoriana. Nianatra aho taty aoriana fa azo aato vetivety soa aman-tsara ny fitepon’ny fo mba hanamoràna fandidiana sarotra ka mila fitandremana. Azo atao izany amin’ny alalan’ny fanovàna ny tahan’ny sodium/potassium ao amin’ny rà izay mandeha mankany amin’ny fo. Avy eo, rehefa mahazo rà ahitana tahan’ny sodium/potassium araka ny tokony ho izy ilay fo dia miverina mitepo tsara araka ny tokony ho izy indray. Ireo vokatra ireo dia toa azo fantarina mialoha sy azo antoka, ary azo averimberina.

Vao tsy ela aho no nanana fahafahana nanazava izany tamina kilasy iray tao amin’ny fianarana ho mpitsabo iray. Nanontanian’ny prôfesora manam-pahaizana iray izay nanatrika tao aho hoe, “Dia ahoana anefa raha tsy mety ilay izy?” Namaly aho hoe, “Mety foana io! Mety araka ny lalàn’ Andriamanitra io.”

Tsy azo tsinontsinoavina sy tsy ekena ny lalàn’ Andriamanitra. Tsy azo lavina sy toherina ny lalàn’ Andriamanitra. Ary rehefa ankatoavina ny lalàn’ Andriamanitra dia misy foana ny fitahiana mifanaraka amin’izany! Ny fitahiana dia mifototra hatrany amin’ny fankatoavana ny lalàna mifanaraka aminy.11

Ireo mpandala ny fisiana manokana dia afaka mamelabelatra ny heviny; ireo mpandala ny fifandraisan-javatra dia afaka mitondra fanazavana ny fomba fijeriny tery momba ny fiainana—dia ny hoe ny marina dia miankina amin’ny toe-javatra manokana—kanefa ny lalàna dia lalàna! Ny fahamarinana amin’ Andriamanitra dia tena fahamarinana! Izay lazain’ Andriamanitra fa marina dia marina! Ary izay lazainy fa diso dia diso!

Izany no antony maha-tena zava-dehibe ny fahafantaranareo ny lalàn’ Andriamanitra. Izy ireny no mitantana izao rehetra izao ary ireo tontolo hafa koa. Rehefa tsy arahina ny lalàn’ Andriamanitra dia hisy vokany izany. Na dia malahelo ireo izay mandika ny lalàn’ Andriamanitra aza isika dia tsy maintsy hanefa ny saziny izy ireo. Tsy maintsy ankatoavina ny lalàn’ Andriamanitra.

Nianatra izany aho tamin’ny fotoana naha-mpitsabo mpandidy an’ny Filoha Spencer W. Kimball ahy. Rehefa tsy nandeha tampoka ilay fitaovana manampy ny fitepon’ny fo napetraka tao anatin’ny tratrany dia niverina taty amiko mba hahazo fanampiana ny Filoha Kimball. Nangataka ahy hanome azy tsodranon’ny fisoronana aloha izy anefa. Taorian’ilay tsodrano, izay nampanantenana ny hanitsiana ny tsy fihetezan’ilay fitaovana, dia nilaza tamiko izy avy eo hoe, “Izao dia azonao atao izay rehetra ilaina mba hahatanteraka ilay tsodrano.”

Dia nanomboka ny fandidiana aho. Teo amin’ilay taroby nitondra ny herinaratra avy amin’ilay fitaovana mankany amin’ny fony dia nahitako tsy fahalavorariana tao amin’ny mpanefitra tobin-kerinaratra. Rehefa nosoloiko ilay taroby tsy lavorary dia niverina nandeha indray ilay fitaovana manampy ny fitempon’ny fo, ka afaka niverina nitempo araka ny tokony ho izy indray ny fon’ny Filoha Kimball. Na dia ho an’ny mpaminanin’ Andriamanitra aza dia tsy azo natao ny tsy niraharaha ny lalàn’ Andriamanitra mahakasika ny fiparitahan’ny herinaratra.

Marina tokoa fa mpaminanin’ Andriamanitra i Filoha Kimball. Raha nijery azy akaiky tao anatin’ny aretina isan-karazany sy nandinika ny fandalinany maharitra sy lalina rehefa nikatsaka fanambarana aho, dia izy no mpampianatro. Tsy manam-petra ny fitiavako azy!

Raha toa ka feno fisalasalana izao tontolo izao dia tsy tokony hisy fisalasalana ao anatin’ny fonao sy ny sainao momba izay marina sy tsy marina. Ny fampahalalana tsy lavorary na tsy fantatra no miteraka ny fisalasalana. Amin’ny maha-Apôstôly ahy dia miangavy anareo aho mba hianatra ireo lalàn’ Andriamanitra tsy azo hihodivirana. Ianaro amin’ny alalan’ny fandalinana sy amin’ny finoana izy ireny. Midika izany, ankoatra ny zavatra hafa, hoe “[mivelona] amin’ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra.”12

Mivavaha mba hahafantarana ny maha-samy hafa ny lalàn’ Andriamanitra sy ny filôzôfian’olombelona, tafiditra amin’izany ireo hosoka mamitaky ny fahavalo. Rehefa nandeha ny fotoana dia nanatsara hatrany ny asany i Losifera. Manam-pahaizana amin’ny fandrebirebena, ny fanaovana hosoka, ny famitahana, ary ny fitarihana amin’ny lalan-diso izy. Miangavy anareo aho mba hitandrina ireo fandriny tahaka ny fitandremana ireo aretina mandringana!

Ireo fandrika namboarin’i Satana dia tsy afaka ny hitondra afa-tsy fijaliana, sy fangejana ara-panahy, ary fahafatesana ho anao ihany.13 Marina foana izany. Ireo voka-dratsin’ny famelana ny tena ho voafandrik’i Satana dia azo fantarina mialoha, azo antoka fa hitranga, afaka miverimberina, ary mampanenina.

Mampanantena anareo kosa anefa aho fa rehefa mitandrina ny didin’ Andriamanitra ianareo, rehefa miaina araka ny lalàny, dia hitombo izaitsizy ny fahalalahanareo. Izany fahalalahana izany dia hanambara aminareo ny toetra araka an’ Andriamanitra misy ao aminareo ary hahatonga ny tenanareo manokana hiroborobo. Ho afaka amin’ny fanagejan’ny fahotana ianareo. Ho afaka ianareo mba hahafahanareo ho lasa mpitarika mahomby sy marina. Ho vonona ianareo hitarika amin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra, araka izay toerana ilaivana anareo. Soa ihany fa azo fantarina mialoha, azo antoka, ary afaka miverimberina ihany koa ireo fitahiana avy amin’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra.

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonany tafaverina amin’ny laoniny antsika dia mahafantatra isika fa i Jesoa Kristy, ilay Tompontsika, no Mpampianatra antsika fara-tampony. Amin’ny maha-tena zanaky ny arivo taona anareo dia teraka mba ho mpianatr’i Jesoa Kristy marina ianareo. Raha ny marina, ny hany fomba hahafahana ho tena zanaky ny arivo taona dia ny hoe anisan’ireo mpianany marina!

Ahoana no fomba hanatsaranareony maha-mpianatry ny Tompo anareo? Manana fanasana ho anareo aho izay hanampy—andraikitra ilay izy raha ny marina kokoa—raha toa misafidy ny hanaiky izany ianareo. Atombohy anio alina ny fanokanana ampahan’ny fotoanareo isan-kerinandro mba handalinana ny zava-drehetra nolazain’i Jesoa sy nataony araka ny voarakitra ao amin’ny Testamenta Taloha, satria Izy no Jehovah ao amin’ny Testamenta Taloha. Halalino ny lalàny araka ny voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao, satria Izy no Kristy ao amin’izany boky izany. Halalino ny fotopampianarany araka ny voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, satria tsy misy bokin-tsoratra masina hafa izay manambara mazava kokoa ny iraka nanirahana Azy sy ny asa fanompoany. Ary halalino ny teniny araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, satria mbola manohy mampianatra ny vahoakany amin’izao fotoampitantanana izao hatrany Izy.

Izany dia toa andraikitra goavana, nefa mamporisika anareo aho mba hanaiky izany. Raha mizotra mianatra ny zavatra rehetra azonareo ianarana momba an’i Jesoa Kristy ianareo dia mampanantena anareo aho fa ny fitiavanareo Azy, ary ny fitiavanareo ny lalàn’ Andriamanitra dia hitombo hihoatra lavitra noho izay azonareo eritreretina ankehitriny. Mampanantena anareo aho fa hitombo ny fahaizanareo hiala amin’ny fahotana. Ny fanirianareo hitandrina ireo didiny dia hitombo izaitsisy. Dia hahita ny tenanareo ho afaka hiala kokoa amin’ny rendrarendra sy ny fandrik’ireo izay manarabiraby ny mpanaradian’i Jesoa Kristy ianareo. Mba hahazoana fanampiana dia jereo ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ilay matoan-kevitra hoe “Jesoa Kristy.”14

Halalino ny zava-drehetra momba ny hoe iza i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fikatsahana amim-bavaka sy amim-pahazotoana ny hahatakatra ny dikan’ireo fiantso Azy sy anarany tsirairay avyho anao manokana. Ohatra, Izy tokoa no Mpisolovava anao amin’ny Ray. Hiandany aminao Izy. Hijoro ho anaoIzy. Hiteny ho anao Izy, amin’ny fotoana rehetra, rehefa misafidy ianao ny ho lasa tahaka Azykokoa.15

Ataovy izay hahalalana Azy amin’ny fandalinana ny zava-drehetra izay mbola ampianariny amin’ny alalan’ireo mpaminaniny sy apôstôliny velona. Halalino “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’ Izao Tontolo Izao.” Halalino ilay lahatsoratra hoe “Ilay Kristy Velona.” Samy noraisina tamin’ny alalan’ny fanambarana izy ireo. Aelezo amin’ny Internet izy ireo ary ataovy amin’ny toerana hahitanareo azy ireo isan’andro.

Ireo teny nambara ireo no inoan’ny tena Olomasin’ny Andro Farany tsirairay avy. Mivavaha mba hahazo fijoroana ho vavolombelona fa ireo fahamarinana ireo dia manambara ny lalàn’ Andriamanitra. Ianaro ny milaza ireo fahamarinana ireo amin’ny alalan’ny teninareo manokana. Manaova fanazaran-tena! Dia mivavaha avy eo ary mitadiava fahafahana hiresaka momba izay inoanareo. Ny fahaizanareo mitarika sy mitondra fiantraikany tsara amin’ny hafa dia hitombo rehefa manao izany ianareo.

Ho avy ny fotoana izay hijoroanareo eo anoloan’ny Mpamonjy. Ho feno tokoa ny fonareo amin’izany fotoana ho eo amin’izany fanatrehany masina izany hany ka mety hitomany ianareo. Ho sahirana ianareo hahita ireo teny izay hoentina hisaorana Azy noho ny nanefany ny fahotanareo, noho ny namelany anareo tamin’ny faharatsiam-panahy rehetra nataonareo tamin’ny hafa, noho ny nanasitranany anareo tamin’ireo ratra sy tsy rariny eto amin’izao fiainana izao.

Hisaotra Azy ianareo tamin’ny nankaherezany anareo mba hahavita izay noheverina fa tsy ho vita, tamin’ny nanovany ny fahalemenareo ho lasa hery, ary tamin’ny nanomezany anareo fahafahana hiaina mandrakizay miaraka Aminy sy miaraka amin’ny fianakavianareo. Ny maha-Izy Azy, ny Sorompanavotany, ary ny toetrany dia ho fantatrareo manokana ary ho hitanareo ny tena fisiany.

Kanefa tsy voatery hiandry izany fotoana izany ianareo. Safidio ny ho lasa anisan’ireo tena mpianany anio. Tena tiavo Izy, tena tompoy Izy ary mitariha tahaka Azy.16

Isika no vahoakany! Nanao fanekempihavanana mba hitondra ny hafatry ny filazantsara ho amin’ny firenena, ny foko, ny samy hafa fiteny ary ny mponina tsirairay avy isika. Eo am-piasantsika amim-kitsimpo mba ho lasa mpitarika marina dia hihira miaraka ilay hira manao hoe, “Ndao handroso hatrany hanao ny asan’ny Tompo” isika.17

Izao, amin’ny maha-iray amin’ireo Apôstôliny ahy dia hampiasa ireo fanalahidy ireo aho mba hanomezana tsodrano ho an’ny tsirairay avy aminareo. Mitsodrano anareo aho mba hianaranareo ny lalàn’ Andriamanitra sy ny mba hiainanareo azy ireny. Mitsodrano anareo aho mba ho ohatra tsara, amin’ny teny sy ny zavatra atao, ny amin’izany hoe mpanaradia an’i Jesoa Kristy tena izy izany. Mitsodrano anareo aho mba ho afaka amin’ny fahotana, mba hanaparitaka ny tsara sy ny fahazavana ka izany dia hisarika ny hafa haniry hahafantatra sy hahatsapa ny loharanon’ny fahazavanareo. Mitsodrano anareo aho mba hahita fahombizana amin’ny fianaranareo sy amin’ny asanareo. Mitsodrano anareo aho mba hitady sy hikarakara ilay namanareo sarobidy. Ary mitsodrano anareo tsirairay avy aho mba ho mpitarika marina ao amin’ny fianakavianareo, ao amin’ny fiarahamonina misy anareo, ao amin’ny firenenareo, ary ao amin’ny Fiangonana.

Izany no tsodrano omeko anareo, ary manambara aho fa velona Andriamanitra! I Jesoa no Kristy! Ity no Fiangonany! Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Asan’ny Apostoly 17:11; Almà 32:6.

  2. Jereo ny LDS.org. Ny Bibliothèque de l’ Évangile ihany koa dia ahitana loharanom-pianarana maro izay hanampy anareo amin’ny fandalinana.

  3. Jereo ny Spencer J. Condie, Russell M. Nelson: Father, Surgeon, Apostle (2003), 165.

  4. Jereo ny Sheri L. Dew, Ezra Taft Benson: A Biography (1987), 197–227.

  5. Taratasin’i Harold B. Lee ho an’i Ezra Taft Benson, ao amin’ny Dew, Ezra Taft Benson, 224.

  6. Jereo ny 2 Nefia 27:20–21.

  7. Ezra Taft Benson, ao amin’ny Dew, Ezra Taft Benson, viii.

  8. Jereo ny Condie, Russell M. Nelson, 279.

  9. Gordon B. Hinckley, “Look to the Future,” Ensign,nôv. 1997, 68.

  10. Resadresaka manokana nifanaovana tamin’ny Filoha Thomas S. Monson.

  11. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21.

  12. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:44.

  13. Jereo ny 2 Nefia 2:27.

  14. Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Jesoa Kristy.” Ankoatra ny lahatsoratra ao amin’io matoan-kevi-dehibe io, dia misy matoan-kevitra fanampiny miisa 57hafa ihany koa momba Azy. Aoka ity no ho lasa loharano fototra amin’ny fandalinanareo.

  15. Jereo ny 3 Nefia 27:27.

  16. Nampitandrina ireo olon-dratsy nisambotra azy i Abinadia hoe, “Tsy nilofo tamin’ny fahalalana ny fonareo” (Môsià 12:27). Mety hahatsikaritra izany toetra izany eo anivon’ireo mpanohitra amin’ny taranaka misy anareo ianareo.

  17. “Ndao handroso hatrany,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 20.