Fampaherezam-panahy tamin’ny 2017
Masombỳ matanjaka


Masombỳ matanjaka

Takariva hiarahana amin’ny Loholona David A. Bednar

Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony • 10 septembra 2017 • Foiben’ny Tsatòkan’i Apex Caroline du Nord

Ny rojom-pitohizan’ny taranaka

Ny hafatro dia mifototra amin’ny zavatra iray izay niainanay sy i Susan tamin’ny septambra 1999. Tonga tao Ricks College, BYU–Idaho amin’izao, ny Filoha Gordon B. Hinckley mba hitokana ilay tranobe nampitondraina ny anarana hoe Spencer W. Kimball vao vita. Voninahitra ho ahy sy i Susan ny nandray ny Filoha sy Rahavavy Hinckley nandritra ny andro iray izay tena heniky ny fanahy sy tsy hay hadinoina tokoa.

Rehefa tao amin’ny trano fonenan’ny mpianatra izy dia niresaka tamin’ireo mpianatra sy mpiasa ary mpampianatra nandritra ny fivoriana fankaherezam-panahy iray. Nipetraka teny amin’ny lampihazo teo akaikin’ny Filohan’ny Fiangonan’ny Tompo naverina amin’ny laoniny aho nandritra ny fizarany ny hafany. Na dia amin’izao aza, amin’izao fotoana ijereko anareo sy iresahako aminareo izao mihitsy, dia mbola tsaroako tsara ny Filoha Hinckley mijoro eo amin’ny polipitra tao amin’ny Hart Auditorium. Tadidiko ireo fitsipika nampianariny sy ny feony ary ny endriny, sy ny zavatra nianarako tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina rehefa nihaino azy niresaka aho.

Manasa anareo aho izao mba handray anjara amin’ny ampahan’izany fivoriana fampaherezam-panahy izany.

“Tany Colombus, Ohio, izahay ny sabotsy sy alahady lasa teo nitokana tempoly iray vaovao sy mahafinaritra. Feno ilay tempoly sy ilay trano fivorian’ilay paroasy teo akaiky nandritra ireo fivoriana enina rehetra. Teo ny Fanahin’ny Tompo, ary fahafahana iray lehibe sy manan-danja hitokanana ny tempoly faharoa teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana tany amin’ny tanànan’i Ohio izany.

“Niaraka tamiko ny vadiko sy ny zanako vavy, izay teo mba hanohana ny reniny. Nahafinaritra anay fa tonga tao avy tany St. Louis, izay toerana ipetrahan’izy ireo, ny zafikelinay vavy anankiray niaraka tamin’ny zanany anankiroa, dia ny zafiafinay. …

“Rehefa nipetra tao amin’ilay tempolin’i Colombus, Ohio, aho tamin’izay andro izay, nijery ireo zafiafiko, dia nisy zavatra iray niavaka nitranga tamiko. Nahatsikaritra tampoka aho fa nijoro teo anivon’ny taranaka telo teo alohako izay fantatro tsara sy taranaka telo aoriako aho. Nitodika ara-bakiteny tany amin’ireo raiko ny foko. Nitodika tany amin’ireo taranako ihany koa ny foko. Nieritreritra rojom-pitohizan’ny taranaka aho. Izany rojo izany dia mandeha lavitra any amin’ny fotoana lasa izay kely dia kely no fantatsika momba azy ankehitriny. Mahatakatra taranaka telo mihoatra ahy izy izao. Nalaiko sary an-tsaina izany rojo izany, izay mbola tsy tapaka sy mbola tsara ary matanjaka. …

“Dia nieritreritra aho, rehefa nipetraka tao amin’ilay tempoly, fa izaho dia masombỳ iray, izay mampitohy ireo taranaka rehetra tany aloha sy ireo taranaka rehetra any aoriana. Izay rehetra ananako na amin’ny saina na amin’ny vatana na amin’ny nofo na amin’ny rantsam-batana na amin’ny famavany na amin’ny atidoha, dia lova avy amin’ireo izay nialoha ahy. Ary izay rehetra ananan’ny taranako dia efa nandalo tamiko no nankany amin’izy ireo. Tsy afaka ny hanapaka izany rojo izany aho. Tsy afaka ny hanapaka izany rojo izany ny taranako. …

“Maniry aho ny mba hahaizako miresaka mba hampita aminareo ry tanora izay manatrika eto androany ny fahatsapana nananako tao amin’ilay tempoly, ilay faniriana mahery vaika ny mba tsy hanapahako na ny taranako ilay rojom-pitohizan’ny taranaky ny fianakaviako.

“Milaza aminareo aho amin’ny hery rehetra izay ananako, aoka ianareo tsy ho lasa masombỳ malemy ao amin’ny rojom-pitohizan’ny taranakareo. Tonga eto amin’ity tany ity ianao niaraka tamina lova mahavariana. Nipoitra avy tamina lehilahy sy vehivavy tsara ianao, lehilahy be risi-po sy be herim-po, vehivavy nahavita be sy manam-pinoana lehibe. Aza avela ho diso fanantenana izy ireo. Aza manao na inona na inona mety hampaosa ilay rojo izay ianao no ampahany manan-danja ao aminy.”1

Nazava tao an-tsaiko ilay sarina rojom-pitohizan’ny taranaka. Ilay fampitandremana mba tsy ho lasa masombỳ malemy ao amin’ilay rojom-pitohizan’ny taranaka dia tena nahery vaika tao am-poko. Niditra tany anaty fanahiko ilay anatra mba tsy hanao na inona na inona hampaosa ilay rojom-pitohizan’ny taranaka. Ho ahy sy i Susan, ilay lesona tsotra sy mahery vaika nianaranay tamin’io tolakandron’ny volana septambra io dia nisy fiantraikany tsara teo amin’ny fanambadianay sy ny fianakavianay ary ny lafiny rehetra teo amin’ny fiainanay.

Ny fianakaviana Call

Fony zatovo vavy nitombo tao amin’ny tanàna fiaviany tao Afton, Wyoming, i Susan dia nahafantatra sy sondriana tamina fianakaviana iray izay ohatra mahavariana amin’ny rojom-pitohizan’ny taranaka.

Lahatenin’ny Rahavavy Susan K. Bednar

Tao amin’ilay paroasy izay nahalehibe ahy dia nisy fianakaviana iray mahatalanjona izay nanana zanaka miisa 14. Ilay ray sy ilay reny, i Bessie sy i Evan Call, dia nivady tao amin’ny tempoly ary nijanona ho mahatoky tamin’ny fanekempihavanana nataony. Nampianatra ny zanany ny fotopampianaran’ny filazantsara naverina amin’ny laoniny izy ireo ary nanana ny fitahiana hanangana fianakaviana marina.

Taona maro lasa izay dia nifanena tamina zatovovavy iray aho tao amina fivoriana Fanasan’ny Tompo izay natrehako. Rehefa nampahafantatra ny tenany tamiko izy dia nilaza fa fantatro ny reniny. Ny reniny dia zana-dRanadahy sy Rahavavy Call ary namana sarobidy tamin’ny fahatanorako. Io zatovovavy nihaona tamiko tao amin’ny fivoriana Fanasan’ny Tompo io dia zafikelin-dry Call. Rehefa nohadihadiako dia nahita aho fa izy no faha-44 amin’ny zafikely miisa 96, ary ilay zanany vao teraka no zafiafy faha-230 an’i Bessie sy i Evan Call. Nanohina ahy ireo isa ireo. Izany ka taranaka midadasika!

Nieritreritra imbetsaka aho nanomboka tamin’izay hoe: Ahoana raha tsy nivady tany amin’ny tempoly na tsy nihazona ny fanekempihavanana nataony Ranadahy sy Rahavavy Call? Ahoana raha tsy nijanona ho marina tamin’ny “finoana lehibe” nananan’ireo taranaka teo aloha izy ireo? Ahoana raha tsy nampianatra ny zanany ny filazantsara tamin’ny alalan’ny ohatra sy fitsipika izy ireo? Ahoana raha masombỳ malemy tao amin’ny rojom-pitohizan’ny taranany izy ireo? Olona firy no mety hizaka ny fiantraikan’izany? Mazava ny valiny. Efa niantraika tamin’ny havana mihoatra ny 300 ny fanapahan-kevitra noraisin’ity mpivady ity, ary mbola mitombo hatrany ilay isa rehefa misy zafiafy sy zafindohalika tongasoa ao amin’io fianakaviana io.

Ampitahao amin’ny zavatra iray hafa niainako tamin’ny namana malala iray izay fantatro efa ela izany. Eritrereto ny fahatairako raha sendra nilaza izy indray andro fa nanana renibe Môrmôna. Tena gaga aho satria tsy nahafantatra na inona na inona ary tsy mbola liana ny hahafantatra momba ny fotopampianarana sy ny fitsipiky ny filazantsara izy. Na dia tsy fantatro aza ny valiny dia mametraka matetika izao fanontaniana izao amin’ny tenako hoe: “Taiza no nitranga ny fahatapahan’ilay rojom-pitohizan’ny taranany?” Ny vokany mazava dia tsy mbola nigoka ireo fitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mihitsy izy tamin’ny fiainany noho ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo izay nialoha azy.

Amin’ny maha-masombỳ iray anareo ao amin’ny rojom-pitohizan’ny taranakareo, dia tokony ho fantatrareo fa ny fanapahan-kevitra raisinareo izao sy amin’ny hoavy dia tsy mahakasika anareo fotsiny ihany. Ny fanapahan-kevitrareo dia miantraika amin’ireo izay lasana talohanareo sy amin’ireo izay ho avy aorianareo. Ny ohatra sy ny fiantraikan’ny fankatoavanareo ireo fitsipiky ny filazantsara, ny herin’ny fahamarinanareo manokana, ary ny vokatry ny fanapahan-kevitra raisinareo amin’ny tsara na amin’ny ratsy dia hiitatra any amin’ireo taranaka. Aoka ianareo ho masombỳ matanjaka ao amin’ny rojom-pitohizan’ny taranakareo.

Manana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny aho. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra ary ny fianakaviana dia fototry ny anjara mandrakizan’ireo zanak’ Andriamanitra.

Mijoro ho vavolombelona aho fa noho ny Sorompanavotana nataony, dia manavotra antsika amin’ny fahotana sy ireo safidy ratsy ataontsika i Jesoa Kristy ary manome hery lehibe antsika ihany koa mba hijanona ho marina amin’ny filazantsara sy amin’ireo fanekempihavanana ataontsika, indrindra rehefa mahita isika fa sarotra ny fiainana.

Fantatro fa ny Fanahy Masina dia mitondra fahatsapana ara-panahy ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ary hanampy antsika mba hahita sy hampihatra fomba hahalasa masombỳ mahatoky antsika ao amin’ny rojom-pitohizan’ny taranatsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fiafaran’ny lahatenin’ny Rahavavy Susan K. Bednar

Manantena aho izao ny hifototra amin’ny fampianaran’ny Filoha Hinckley momba ny “rojom-pitohizan’ny taranantsika.” Nosoritany mazava sy misongadina tsara ny zavatra tsy tokony hataontsika, dia ny ho lasa masombỳ malemy ao amin’ny rojom-pitohizan’ny taranaka. Te hifantoka amin’ny zavatra tokony hataontsika aho, dia ny ho lasa masombỳ matanjaka ao amin’ny rojom-pitohizan’ny taranaka.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18 isika dia mianatra “fa ho voan’ ny ozona ny tany raha tsy misy ny fifamatorana na toy inona na toy inona karazany, mampifamatotra ny ray sy ny zanaka, amin’ ny lohahevitra iray na hafa—ary indro, inona izany lohahevitra izany? Ny batisa ho an’ny maty izany. Fa tsy hatao tanteraka isika raha tsy eo izy ireo; tsy hatao tanteraka koa izy ireo raha tsy eo isika. Na izy ireo na isika dia samy tsy hatao tanteraka raha tsy eo ireo izay efa maty tao amin’ ny filazantsara koa; fa ilaina amin’ ny fisantarana ny fitantanan’ ny fotoam- pahafenoana, dia fotoampitantanana izay manomboka santarina ankehitriny, ny hisian’ ny fikambanana sy ny firaisana feno, tanteraka ary tonga lafatra ny fotoampitantanana sy ny fanalahidy ary ny hery sy ny voninahitra, ary hambara hatramin’ ny andron’ i Adama ka hatramin’ izao fotoana izao izany.”2

Manasa anareo aho mba hieritreritra fanontaniana fototra roa izay mitranga avy amin’io soratra masina io.

Fanontaniana voalohany: Inona ilay fifamatorana? Nampianatra ny Filoha Joseph F. Smith hoe: “Tsy maintsy nisy fampifamatorana sy fampifandraisana ray aman-dreny sy zanaka ary zanaka sy ray aman-dreny izay vao mifamatotra ho iray ilay rojom-pitohizan’ny fianakaviamben’ Andriamanitra, ary dia ho lasa fianakavian’ Andriamanitra sy i Kristy izy ireo.”3

Ny famerenana amin’ny laoniny ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana amin’izao fotoampitantanana farany izao no ahafahan’ny tsirairay avy amintsika mandray sy mahatsiaro ary manaja ireo ôrdônansin’ny famonjena ho an’ny tena manokana sy ny fisandratan’ny fianakaviana. Tena tonga tokoa i Elia araka ny nampanantenaina mba hanome ireo fanalahidin’ny fisoronana sy ny fahefan’ny famehezana izay mampitodika fo sy manefy masombỳ matanjaka eo amin’ireo taranaka mifadimby. Eto an-tany indray amin’izao andro farany izao ireo mpanompo nahazo lalana izay afaka manome ilay fitahiana masina omen’ny Mpamonjy hoe “fa na inona na inona fehezinao etỳ an-tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona fatoranao etỳ an-tany amin’ny anarako sy amin’ny alalan’ny teniko, hoy ny Tompo, dia hofatorana mandrakizay any an-danitra.”4

Noho izany, “ireo ôrdônansy isoloana tena tanterahintsika any amin’ny tempoly, manomboka amin’ny batisa, dia mampisy fifamatorana mandrakizay eo amin’ireo taranaka izay mahatanteraka ny tanjon’ny fahariana ny tany.”5

Fanontaniana faharoa: Amin’ny fomba ahoana no hiarovan’ilay fifamatorana ny tany mba tsy ho voan’ny ozona? Nilaza ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: “Tsy resaka batisa ho an’ny maty irery ihany izany, fa famehezana ny ray aman-dreny sy ny zanaka amin’ny ray aman-dreny ihany koa, mba -hisian’ny fikambanana sy ny firaisana feno, tanteraka ary tonga lafatra ny fotoampitantanana sy ny fanalahidy ary ny hery sy ny voninahitra,- hatrany am-boalohany ka hatrany amin’ny faran’ny andro. Raha tsy teto an-tany [ilay] herin’ny famehezana [naverin’i Elia tamin’ny laoniny,] dia hanjaka ny fifandirana ary hisy korontana hisolo toerana ny filaminana amin’izany andro izany rehefa tonga ny Tompo, ary, mazava ho azy fa tsy afaka ny hisy izany, satria ny zavatra rehetra dia tantanana sy fehezin’ny lalàna ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.”6

Nahoana ny tany no ho voaozona? “Satria raha tsy misy fifamatorana eo amin’ny ray sy ny zanaka, dia ny asa atao ho an’ny maty izany, dia [ho] lavina avokoa isika rehetra, tsy hahomby ary horavana tanteraka ny asan’ Andriamanitra manontolo. … Ny famerenana amin’ny laoniny an’io fahefan’ny [famehezana] io no masirasira [na hery mitarika amin’ny marina] izay miaro ny tany tsy ho rava tanteraka amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy.”7

Ireo fahamarinana fototry ny filazantsara ireo dia manampy antsika hahatakatra ny anton’ny hoe “ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy vehivavy dia tendrin’ Andriamanitra ary ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany.”8

Ny sasany aminareo dia efa niaina alahelo lehibe tamin’ny fifandraisana feno herisetra sy mikorontana ao amin’ny fianakaviana. Ary noho izany dia mety ho kely na tsy hisy ny fanirianareo hifandray amin’ny olona izay nahatonga ratram-po sy fijaliana toy izany.

Henoy izao azafady: ny fifandraisana mandrakizay eo amin’ny fianakaviana dia voafatotra amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana sy ny fahamarinan’ny tena manokana ihany. Na inona na inona zavatra ratsy mety nitranga tamin’ny fianakavianao, dia mijoro ho vavolombelona sy mampanantena aho fa i Jesoa Kristy Tompo no loharanon’ny fanasitranana sy ny fanavaozana ary ny famerenana amin’ny laoniny izay ilainao.

Mety nisy fitomaniana tonga tao amin’ny alin’ny fahorianao, saingy afaka ny hisy fihobiana ao amin’ny marainan’ny fiainanao vaovao izay azonao tamin’ny alalan’ny Mpanavotra sy Mpamonjy antsika.9

Dia maninona?

Nandritra ny fifanakalozan-kevitra momba ny zavatra manan-danja tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Filoha Boyd K. Packer dia matetika nanontany hoe: “Dia maninona?” Ny nahazoako io fanontaniana io dia hoe: “Dia inona izany no fiovana lehibe entin’io hevitra na sosokevitra na drafitra enti-miasa io eo amin’ny fiainan’ireo mpikamban’ny Fiangonana? Tena hitahy ireo izay tompointsika tokoa ve izany?” Amin’ny ankapobeny izy dia nanasa anay mba handinika ny lanjany sy ny fiantraikany maharitra an’ilay lohahevitra izay anaovanay filankevitra. Hitako tena manampy be ilay fanontaniana hoe “dia maninona?” amin’ny fifantohako ny eritreritro amin’ny olana iray sy amin’ny fitadiavako ireo zavatra izay tena manan-danja.

Koa mety hanontany ianareo hoe: “Loholona Bednar, inona izany ny “dia maninona?” amin’ny hafatrao aminay? Mino aho fa ny valin’izany fanontaniana izany dia mety hita ao amin’ny fanontaniana telo izay mety hanontanianareo amin’ny tenanareo amin’izao fotoana izao.

Misy zatovovavy sy zatovolahy maro no taranaka voalohany mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mandray anjara amin’ity fivoriana fankaherezam-panahy ity. Nihaino sy nandray ny hafatry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ianareo, natao batisa ary namafisina ho mpikambana tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana marina, ary ankehitriny dia mibosesika mandroso am-pinoana mafy orina an’i Jesoa Kristy. Na olona niova fo vao haingana na efa ela ianareo, dia ianareo no ain’ny Fiangonana ary famonjena ho an’ny finakavianareo ankehitriny sy amin’ny hoavy. Ianareo no masombỳ voalohany ao amin’ny rojom-pitohizan’ny taranakareo.

Saingy mety hanontany tena ianareo hoe: “Izaho irery no mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny fianakaviako ary satria miatrika fanoherana mafy avy amin’ny ray aman-dreniko sy ny mpiray tampo amiko ary ny havana hafa aho, ahoana no hahafahako ho lasa masombỳ matanjaka?”

Rehefa mamaky sy mihaino ny tantaran’ireo mpamaky lay tamin’ity fotoampitantanana ity izay niaritra fanenjehana sy zava-tsarotra ary namakivaky ireo lemaka mba hanorim-ponenana tao amin’ny lohasahan’ny Salt Lake ianareo, dia mety hanontany tena raha toa ka hahavita ny vitan’izy ireo. Kanefa ny maro aminareo dia manao izay nataon’izy ireo! Mety tsy hitovy toetra sy karazany tanteraka amin’ny an’ireo mpamaky lay ireo ny fanamby atrehanareo ankehitriny, saingy ny fanoherana ny fahamarinana naverina amin’ny laoniny dia mbola mitovy ankehitriny ary mihamitombo mafy hatrany.

Tamin’ny aprily 1986 dia nodimandry ny lehiben’ny foko iray tao Ghana afovoany. Nanampy tamin’ny fikarakarana ny fandevenana i Fred Antwi, rahalahin’ilay lehibem-poko, izay vita batisa sy namafisina ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany herintaona talohan’izay. Tsy fatatr’i Fred fa nanao drafitra ny zandrivavin’ilay lehibem-poko, ny vehivavy ambony indrindra tao amin’ilay foko, mba hahalasa an’i Fred ho lehibem-poko vaovao.

Tamin’ny takariva talohan’ny fandevenana dia nisy havana iray niresaka mangingina tamin’i Fred ary nanontany azy hoe: “Fantatrao ve ny drafitry ny fianakaviana ho anao?” Novalian’i Fred hoe: “Tsia, raha tsy lazaina amiko.” Dia nilaza ilay havana avy eo hoe: “Ianao no ho lasa lehibem-poko vaovao.” Gaga i Fred ary nanizingizina hoe: “Tsia! Tsy hahafahako manao izany ny fivavahako”

Voninahitra ny lasa lehibem-poko. Ny lehibem-poko no masi-mandidy amin’ny rehetra ao an-tanànany, ary rehefa miteny izy dia hanao araka izay nolazainy ny olona. Ny lehibem-poko dia mahazo fanampiana ara-bola, ary na inona na inona tsapany fa ilainy dia omena azy izany. Filohan’ny sampana i Fred tamin’ny fotoana nahafantarany ny fahafahany ho lasa lehibem-poko. Ary tsy naniry tsotra izao ny handray anjara amin’ireo fombafombam-poko izay mifanohitra amin’ireo fitsipiky ny filazatsaran’ny Mpamonjy izy.

Hotononiko izao ny valintenin’i Fred tamin’ny filazana nanaitra nation’ny anabaviny. “Tamin’io takariva io aho, izany hoe i Fred, dia nitondra ny fiarako hamangy ny iray tamin’ireo zokiolona tao amin’ny tanàna teo akaiky. Te hiresaka taminy mikasika ny vaovao izay nozaraina tamiko aho. Nanazava izy hoe: ‘Fantatro ilay drafitra, ary tsy afaka manao na inona na inona aho mba hanampiana anao tsy ho lasa lehibem-poko.’”

Dia nilaza i Fred avy eo hoe: “Fantatrao fa Kristianina aho, ary tsy hamela ahy ho lasa lehibem-poko ny fivavahako satria misy zavatra maro izay tsy maintsy ataon’ny lehibem-poko tsy ho ataoko.” Dia namaly ilay zokiolona hoe: “Noho izany dia miverena any amin’ireo mpitarika ny fokonao dia lazao izy ireo fa Kristianina ianao ary tsy afaka ny ho lasa lehibem-poko.” Dia namaly i Fred hoe: “Nandeha nampahafantatra ireo mpitarika aho fa tsy noraharahian’izy ireo ny zavatra nolazaiko.”

Dia notohizan’i Fred: “Tokony ho nalevina tamin’ny misasakalina ilay rahalahiko [ilay lehibem-poko teo aloha], koa nitondra ny fiarako taorian’ireo havana hafa rehetra izay tao anatin’ny fiaran’izy ireo aho. Rehefa tonga teo amin’ny sampanan-dàlana iray tamin’ny lalanay handeha handevina dia, raha tokony ho nivily ankavia aho dia nivily ankavanana tamin’ny lalana iray izay mitondra mankany Cape Coast ary dia nandeha mafy.” Izay no mamarana ny fitanisako ny fitantaran’i Fred.

Nandritra ny enim-bolana manaraka izany dia tsy nifandray mihitsy tamin’ny havany i Fred. Naheno izy taty aoriana fa raha nandeha tany amin’ilay fandevenana izy dia ho nantsoina ho lehibem-poko manaraka, izay hametraka azy amin’ny toe-javatra tena sarotra. Nahafantatra izy tamin’ny farany fa ny zanak’anabaviny, ilay vehivavy ambony indrindra tao amin’ilay foko, no nantsoina ho lehibem-poko vaovao.

Teo am-pandraisan’i Fred ilay lalana niankavanana ary nandeha tany Cape Coast dia nanamafy ilay masombỳ voalohany tao amin’ny rojom-pitohizan’ny taranany izy. Rehefa niorina mafy tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba ny fotopampianarana sy ireo fitsipiky ny filazantsara naverina amin’ny laoniny i Fred dia niova tamin’ny fomba mahagaga ny fiainany. Izy sy Ranabavy Antwi no misiônera amin’ny fotoana feno voalohany avy tao Afrika Andrefana voatendry hanompo ao amin’ny Tempolin’i Ghana. Amin’izao fotoana izao i Fred dia mpanolotsina ao amin’ny Tempolin’i Accra Ghana ary ny vadiny dia mpiasan’ny tempoly.

Tamin’ny naha-mpikambana vao niova fo azy tao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy naverina amin’ny laoniny dia voatahy sy nankaherezina i Fred mba handresy fanoherana mafy avy tamin’ny fianakaviany sy ny namany ary ny mpiara-miasa aminy. Ary Rahalahy sy Ranabavy Antwi dia nampianatra ireo zanany tamim-pahazotoana ny Filazantsaran’ i Jesoa Kristy ary nametraka rafi-pahamarinana tao amin’ny fianakaviany izay mipaka any amin’ireo taranaka. Tahaka ny nanombohan’izany tamin’i Fred sy ny vadiny, dia toy izany koa no hanombohany aminao!

Ho anareo izay taranaka voalohany mpikamban’ny Fiangonana: manomboka aminareo izany! Mpamaky lay ianareo ho an’ny razambenareo sy ho an’ny taranakareo. Ireo havana efa maty izay mialoha anareo ao amin’ny rojom-pitohizan’ny taranakareo dia mivavaka ny amin’ny fanampianareo, ary ireo izay ho avy aorianareo dia miantehitra amin’ny fahatokianareo. Tena manana ny hery ny ho tonga masombỳ matanjaka tokoa ianareo. Tsarovy fa manomboka aminareo izany. Ary miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo dia vitanareo izany.

Mety manontany tena ny sasany aminareo hoe: “Ahoana no ahafahako manantena hanorina fianakaviana mandrakizay nefa tsy mbola tao anatina tokantranon’ Olomasin’ny Andro farany mihitsy aho?” Mety hanampy anareo ny zavatra vitsivitsy izay tsikaritro avy tamin’ny zavatra niainako manokana.

Tsy mitovy mihitsy ny “rojom-pitohizan’ny taranako” eo amin’ny tetirazako avy amin’ny reniko sy avy amin’ny raiko. Ao amin’ny an’ny reniko dia taranaka fahadimy mpikamban’ny Fiangonana aho. Ny razambeny dia niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tany Angletera sy Suisse nandritra ny fotoana voalohandohan’ny famerenana amin’ny laoniny. Noho izany, eo amin’ny tetirazan’ny reniko dia masombỳ iray ao amin’ny rojo lava ahitana taranaka mahatoky aho.

Ao amin’ny rojom-pitohizana avy amin’ny raiko dia taranaka voalohany mpikamban’ny Fiangonana aho. Koa satria tsy niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny raiko raha tsy efa taty aoriana teo amin’ny fiainany dia izaho sy ny rahalahiko no Bednar voalohany nandray ny fisoronana. Izaho no voalohany tao amin’ny fianakavianay no nanompo ho misiônera tamin’ny fotoana feno. Noho izany, tahaka ny maro aminareo, dia izaho no masombỳ voalohany ao amin’ny rojom-pitohizan’ny taranaka Bednar.

Ny raiko dia lehilahy tsara sy be fanolorantena ary miasa mafy. Tiako izy ary nianatra lesona lehibe aho niara-niasa taminy izay nanampy ahy ho tonga tahaka izao ankehitriny. Ny reniko dia nampianatra ahy hivavaka sy hitia ny soratra masina. Tiako izy ary ankasitrahako ilay afom-pinoana norehetany tato anatiko. Mahavariana anefa fa tsy mba mahatadidy hoe niaraka nivavaka na nandalina soratra masina na nanao takarivam-pianakavy izany mihitsy aho tao amin’ny fianakaviako. Nivavaka sy namaky ny Bokin’ i Môrmôna niaraka tamin’ny neniko aho, saingy tsy mbola nanao ireo zavatra ireo niaraka mihitsy izahay amin’ny maha-ray sy reny ary zanaka.

Miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo dia afaka mamorona fianakaviana mandrakizay ianao, na dia tsy avy ao amin’ilay karazana tokantrano Olomasin’ny Andro Farany izay miseho indraindray ao amin’ny fonon’ny gazetiboky Liahona na Ensign ireny aza ianao. Tsarovy foana ny hoe: manomboka aminao izany!

Ilay hoe tsy niaina fomban’ny fianakaviana marina tao amin’ny tokantranon’ny fahazazako mihitsy no nampisy faniriana mafy tato anatiko hiasa amim-pahazotoana miaraka amin’i Susan mba hahazoana antoka fa misy fomba toy izany foana ao amin’ny tokantrano niarahanay natsangana. Rehefa nifampila hevitra izahay roa sy nangataka fanampiana tao amin’ny vavaka nataonay, dia nentanim-panahy izahay ary voatahy nanampy ireo zanakay hianatra ireo fitsipiky ny filazantsaran’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny. Tsy ray aman-dreny tonga lafatra tokoa izahay saingy nahazo ny fanomezana ara-panahy nilainay ary nahita hery lehibe.10

Tsy ao anatin’ny fandriky ny zavatra niainantsika tamin’ny lasa izaho sy ianao. Tsy lavon’ireo toe-javatra iainantsika amin’izao fotoana na gadran’ny tontolo manodidina antsika tanteraka isika. Ny Fanahy Masina dia hampianatra antsika ny zavatra rehetra izay tokony hataontsika, anisan’izany ny rafi-pahamarinan’ny fianakaviana izay tsy nandraisantsika anjara teo aloha. Manomboka aminao izany! Ary miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo dia vitanareo izany.

Ny sasany aminareo efa torotoro fo noho ny havana na mpitarika manan-kaja izay tsy nanaja ny fanekempihavana masin’ny fanambadiana. Mety manontany tena ianareo hoe: “Raha toa ka nofehezina tany amin’ny tempoly ny ray aman-dreniko na mpivady hafa izay fantatro ary tsy nahomby ny fanambadian’izy ireo, inona no fanantenana mety hananako fa haharitra mandrakizay ny fanambadiako?”

Ho anao izay niaina ratram-po noho ny fisaraham-panambadiana tao amin’ny fianakavianao na nahatsapa ny fangirifirian’ny faharavam-patokisana, dia tsarovy fa manomboka aminao indray izany! Mety nisy masombỳ iray simba tao amin’ny rojom-pitohizan’ny taranakao, saingy ireo masombỳ marina hafa sy ny sisa tavela amin’ilay rojo kosa anefa dia manan-danja mandrakizay. Afaka manampy hery ao amin’ny rojo misy anao ianao ary mety hanampy amin’ny famerenana amin’ny laoniny ilay masombỳ simba mihitsy aza. Hotanterahina tsirairay izany asa izany.

Zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra isika. Araka ny drafitra mandrakizain’ny fahasamabaran’ny Ray, dia notafiana ny fanomezam-pahasoavan’ny safidim-pitondrantena isika ary tompon-tsafidy manana ny fahafahana hanao zavatra. Tsy zavatra hetsehina fotsiny isika. Manao safidy ho an’ny tenantsika isika ary tokony hazoto hirotsaka amin’ny fitondrana fahamarinana fatratra.11

Tsy hita ho azy ny fanambadiana mahafapo sy sambatra fa aorin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray mpitandrina fanekempihavanana izany. Matahotra aho sao mirotsaka amin’ny fitadiavana tsisy farany zavatra tsy misy ny sasany aminareo. Tsy misy ny olona tonga lafatra azo atao vady tsy hampisy fanaintainana ara-pihetsehampo sy fahoriana ara-panahy anao. Saingy amin’ny herin’ny Tompo, ny lehilahy sy ny vehivavy mahatoky rehefa manao zavatra araka ny safidiny dia afaka manorina ilay fanambadiana mahafapo sy ilay fianakaviana mandrakizay nantenainy sy niriny mafy.

Ny fanompoana tsy misy fitiavan-tena ao amin’ny fifandraisana ao amin’ny fanambadiana dia mitaky faharetana sy fikirizana amin’izao tontolo mamporisika tsy tapaka ny fitiavan-tena izao. Saingy manomboka aminao izany rehefa manao zavatra sy mibosesika mandroso amim-pinoana ny Mpamonjy ianao, mikatsaka tsy tapaka ny fanampiana avy any an-danitra, ary mampiasa amim-pahamarinana ny safidim-pitondrantenanao. Vitanao izany miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.

Rahalahy sy anabavy malalako, miangavy anareo amin’ny herin’ny fanahiko rehetra aho mba ho lasa masombỳ matanjaka ao amin’ny rojom-piotohizan’ny taranakareo.

Ny fahatongavana ho masombỳ matanjaka dia manomboka aminareo amin’ny fanaovana ireo zavatra tsotra nataon-dRahalahy sy Ranabavy Call mba hanajana ireo fanekempihavanana masina sy hampianarana ny zanany hiaina sy hitia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny.

Ny fahatongavana ho masombỳ matanjaka dia manomboka aminareo amin’ny fanana ny herimpo sy finoana ny Mpamonjy mba hivily ankavanana, tahaka an-dRahalahy Antwi.

Ny fahatongavana ho masombỳ matanjaka dia manomboka aminareo amin’ny fahatokisana ny Fanahy Masina mba hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hanazava ny lalanareo, na dia tsy fantrareo mialoha aza izay halehanareo sy izay hataonareo.

Ny fahatongavana ho masombỳ matanjaka dia manomboka aminareo amin’ny fandroahana amim-pahazotoana sy amim-pahavitrihana ny haizina eo anivonareo12 sy amin’ny fijoroana ho matanjaka hanohitra ireo ratsy manintona misy amin’izao andro farany izao.

Omeko anareo ny tsodrano amin’ny maha-apôstôly ahy, fa amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina dia hahatakatra bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ny toeranareo ao amin’ny rojom-pitohizan’ny taranaka ianareo. Fantatro fa hotahiana sy hampaherezina ianareo rehefa miezaka ny ho lasa masombỳ matanjaka. Ary mampanantena aho fa miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo dia vitanareo izany!

Mijoro ho vavolombelona amin-kafaliana aho fa i Jesoa Kristy no Zanaka Velon’ilay Andriamanitra Velona. Fantatro fa velona Izy, nitsangana tamin’ny maty Izy, ary mahafantatra sy tia manokana antsika Izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny fahefana sy ireo fanalahidin’ny fisoronana izay mamatotra etỳ an-tany sy any an-danitra dia tafaverina indray eto an-tany amin’izao andro farany izao. Ary fantatro fa rehefa manaraka ny drafitra mandrakizain’ny Ray isika dia sambatra amin’ity fiainana ity, ary afaka ny ho mandrakizay ny fianakaviantsika. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.

Fanamarihana

  1. Gordon B. Hinckley, “Chains” (fivoriana fampaherezam-panahy tao amin’ny Ricks College, 7 sept. 1999), video.byui.edu; jereo ihany koa ny “Ricks College Devotional, September 7, 1999,” Discourses of President Gordon B. Hinckley, Volume 1: 1995–1999 [2005], 471–77.

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18; nampiana fanamafisana.

  3. Teachings of the Presidents of the Church: Joseph F. Smith (2011), 411.

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:46.

  5. D. Todd Christofferson, “The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,” Ensign, nôv. 2000, 11.

  6. Teachings of the Presidents of the Church: Joseph Fielding Smith (2013), 219.

  7. Teachings: Joseph Fielding Smith, 219.

  8. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129.

  9. Jereo ny Salamo 30:5.

  10. “Seigneur, Je te suivrai,” Cantiques, lah. 141.

  11. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27–28.

  12. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–25.