Namana
Soratra Masina an’i Sami
Janoary 2024


“Soratra Masina an’i Sami,” Namana, Jan. 2024, 10–11.

Soratra Masina an’i Sami

Naniry ny hamaky koa i Sami.

Tany Bolivie no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
alt text

Nitehatehaka i Papi rehefa vita ny takarivan’ny mpianakavy. “Mahita hevitra ho an’ny tanjon’ny fianakaviana aho,” hoy izy. “Andao isika hiaraka hamaky ny Bokin’i Môrmôna isan’andro.”

Nihatokatoka tamim-pitsikiana be nanaiky an’izany hevitra izany i Andrés sy Juan zokilahin’i Sami.

“Eny ary,” hoy i Andrés.

Nientanentana koa i Sami. Saingy nisy zavatra tsaroany avy eo. Nanangana ny tanany izy. “Tsy mahay mamaky aho. Ahoana no ahafahako manampy?”

Nanainga soroka i Juan. “Afaka mihaino fotsiny ianao.”

Efa mahay mamaky teny ireo rahalahin’i Sami. Fa i Sami kosa mbola vao 5 taona. Mbola tsy nianatra namaky izy.

“Ka izaho mba te hanampy koa!” Hoy Sami nikentrona.

Nofihinin’i Mamá i Sami. “Hanampy ianao ka,” hoy izy. “Misy fomba foana hanaovana ny zavatra izay andidian’ Andriamanitra antsika.”

Ny alina manaraka an’iny dia niara-nivondrona hamaky ny Bokin’i Môrmôna ny fianakavian’i Sami. Nitondra ny soratra masiny avokoa izy rehetra afa-tsy i Sami. Nomen’i Mamá boky misy sary Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izy.

“Mbola tsy afaka mamaky an’ireo soratra ianao. Saingy afaka mamaky sary,” hoy izy nitsikitsiky.

Notazonin’i Sami akaiky ilay boky. Afaka mamaky miaraka amin’ny fianakaviany amin’izay koa izy!

Nifandimby namaky izy ireo. Nijery an’ireo sary izay naneho an’ilay tantara i Sami. Rehefa tonga ny anjarany dia nolazainy tamin’ireo hafa ny zavatra hitany tao amin’ny sary. Notantarainy ireo antsipiriany rehetra izay hitany.

Sary
alt text

Rehefa nandeha teny ny fotoana dia mbola te hamaky bebe kokoa hatrany i Sami. Nampianarin’i Mamá azy ny feon’ny litera rehetra. Ary avy eo dia nasehony azy hoe ahoana ny fomba fanononana an’ireo teny. Volana maromaro taty aoriana dia tsy nila boky nisy sary firy intsony i Sami. Fa izy no namaky ny teny farany tamin’ireo andininy tsirairay novakian’ny fianakaviany. I Mamá no mamaky ny teny voalohany ary averin’i Sami izany.

Tamin’ny voalohany dia namaky miadana izy ireo. Fotoana lava no lany vao tonga any amin’ny faran’ny toko tsirairay. Nitaraina i Andrés sy Juan rehefa anjaran’i Sami no namaky. Saingy mbola niara-namaky ihany ny fianakavian’izy ireo.

Namaky kokoa sy tsikelikely i Sami. Namaky teny iray tao anaty andininy iray izy, avy eo teny roa, ary avy eo telo. Avy eo dia nanomboka namaky andininy iray manontolo izy.

Rehefa akaiky hifarana ny tanjon’izy ireo dia afaka namaky andininy vitsivitsy samirery i Sami. Nihatsara be ny famakiany. Nitombo koa ny fitiavany ny Bokin’i Môrmôna.

Tamin’ny farany dia vitan’ny fianakavian’i Sami ny Bokin’i Môrmôna. Naharitra roa taona izany! Amin’izao dia fito taona i Sami ary nianatra namaky tsara izy.

“Arahabaina!” Hoy i Papi. “Vitantsika iny!”

Nifaly niaraka tamin’ny fianakaviany i Sami. Nanampy azy ireo namita ny Bokin’i Môrmôna izy!

Namihina azy mafy i Juan. “Inona indray ny tanjonao ao anatin’ny roa taona manaraka?”

Nitsiky i Sami. Nijoro mahitsy tsara izy sady nilaza hoe: “Mbola hamaky ny Bokin’i Môrmôna indray aho!”

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Melissa Manwill Kashiwagi