Ho zatovo mahery!
Atsaharo ny fampitahana! Ianao dia ampy
Janoary 2024


“Atsaharo ny fampitahana! Ampy ny hatsaranao,” Ho zatovo mahery!, jan. 2024.

Avia, hanaraka Ahy

1 Nefia 27

Atsaharo ny fampitahana! Ianao dia ampy

Ireto misy zavatra efatra ianarantsika avy amin’ny iray amin’ireo zokilahin’i Nefia.

Sary
fonjamby

Sary nataon’i Corey Egbert

Misy mpianatra iray ao am-pianarana izay mahafantatra foana ny valim-panontaniana marina. Ilay ankizy ao anatin’ny ekipa mpilalao basikety izay mahafaty baolina betsaka noho ianao. Misy olona izay tian’ny olona rehetra alaina namana. Ao anatin’ny tontolon’ny fampitahana dia toa misy olona tsaratsara kokoa foana.

Mety ho tena sarotra ny fampitahana rehefa ny fiainana ny filazantsara no resahina. Mety hieritreritra ianao fa olo-marina kokoa ny hafa, manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa, na mahatsapa mazava kokoa ny Fanahy mihoatra anao. Saingy tsy manampy ny fampitahanao ny tenanao amin’ny hafa toy izany.

Fantatrao avy amin’ny Bokin’i Môrmôna angamba fa mpitarika sy mpaminany lehibe i Nefia. Fa hatraiza ny fahalalanao momba an’i Samy izay zokilahy mahatokin’i Nefia? Tsy mpitarika na mpaminany toa an’i Nefia izy, kanefa tsy nila nitovy tanteraka tamin’i Nefia izy mba ho lasa olona tsara sy mahay.

Sary
lehilahy mivavaka

1. Nanam-pinoana i Samy

Nivavaka i Nefia ary nahazo valim-bavaka ho an’ny tenany fa nandidy ny fianakavian’izy ireo ny Tompo mba handeha ho any an-tany foana. Ary i Samy dia “nino ny te[nin’i Nefia]” (jereo ny 1 Nefia 2:16–17). Mety tsy nanana fijoroana ho vavolombelona tonga lafatra i Samy. Mety nanana fanontaniana izy. Saingy nisafidy ny hino ny tenin’ny rahalahiny izy ary avy eo dia namadika ho asa ny zavatra ninoany. Aza ampitahaina amin’ny an’ny olona hafa ny finoanao na ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Rehefa manao asa amim-pinoana tahaka an’i Samy ianao dia hitombo tsikelikely ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy. (Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:13–14; Almà 32.)

Sary
lehilahy miresaka

2. Nanetry tena i Samy

I Lamàna sy i Lemoela dia tsy faly tamin’ny hoe lasa mpitarika azy ireo i Nefia zandriny lahy. Saingy i Samy kosa, izay zokilahin’i Nefia ihany koa, dia azo antoka fa nanetry tena. Nihaino an’i Nefia izy ary nanaraka ny toroheviny (jereo ny 2 Nefia 5:3–6). Raha angatahina hitarika anao ny olona hafa manodidina anao kanefa ianao tsy angatahina hanao izany dia manetre tena, ary aza mampitaha ny tenanao amin’ny hafa. Ampio izy ireo, mianara avy amin’izy ireo ary ataovy izay tsara indrindra vitanao mba hisafidy ny tsara.

Sary
lehilahy roa tezitra amin’ny lehilahy iray hafa

3. Nanam-paharetana i Samy

Mety ho toy ny hoe miaina fiainana lavorary ny olona manodidina anao, saingy mandalo fotoan-tsarotra daholo ny olona rehetra. Isan’izany koa i Samy. Lasa niady tamin’i Samy i Lamàna sy i Lemoela, tahaka ny niadivan’izy ireo tamin’i Nefia ihany koa. Nikapoka an’i Samy tamin’ny tehina mihitsy aza izy ireo, tahaka ny nikapohany an’i Nefia! (Jereo ny 1 Nefia 3:28; 1 Nefia 7:6.) Kanefa niaritra ny fitsapana nahazo azy tamim-paharetana i Samy. Ny fandiavana fotoan-tsarotra dia tsy voatery hidika hoe manao zavatra tsy mety ianao. Aza ampitahaina amin’ny an’ny olona hafa ny fitsapana lalovanao. Manàna faharetana ary matokia ny Tompo. Hanampy anao ao anatin’izany Izy.

Sary
lehilahy

4. Notahiana i Samy

Nilaza tamin’i Samy i Lehia rain’i Samy hoe: “Hotahiana ianao mandritra ny andronao rehetra” (2 Nefia 4:11). Mety tsy mpitarika na mpaminany i Samy, kanefa mbola nanara-dia an’i Jesoa Kristy tamim-pahatokiana ihany izy, ary notahiana noho izany izy. Ampy ny hatsarany noho ny fanampian’ny Mpamonjy. Ary afaka ny ho toy izany koa ianao.