Ho zatovo mahery!
Tadiavo ao amin’i Jesoa Kristy ny herinao
Martsa 2024


“Tadiavo ao amin’i Jesoa Kristy ny herinao,” Ho zatovo mahery!, mar. 2024.

Tadiavo ny heriny

Tadiavo ao amin’i Jesoa Kristy ny herinao

I Jesoa Kristy no herin’ny zatovo, ny zatovo rehetra eto an-tany, ary mazava ho azy fa tafiditra ao anatin’izany ianao!

Sary
Jesoa Kristy

Hear Him [Henoy Izy], nataon’i Haley Miller

Fifaliana ho ahy ny mampahafantatra ity laharana manokana amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery! ity.Ireo lahatsoratra, sahanasa ary tantara avy amin’ny zatovo manerana izao tontolo izao dia hanampy amin’ny fanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fahamarinana lalina sy manan-danja mandrakizay izay lazain’ny Fiadidiana Voalohany.Nanambara tamim-panantitranterana toy izao izy ireo momba an’i Jesoa Kristy: “Izy no -Herin’ny zatovo.-”1Midika izany fa i Jesoa Kristy no herinao.Mivavaka aho mba hanekenao amim-pifaliana io fahamarinana io amin’izao fotoana manan-danja eo amin’ny fiainanao izao, amin’izao fotoana izao sy mandrakizay.

Mila hery ao amin’i Kristy ny olona rehetra

Tsy kisendrasendra na fahadisoana no nahatongavanao ety an-tany.Nisafidy ny ho tonga teto an-tany ianao mba hianatra, hivoatra, hanao zavatra miavaka ary ho lasa tahaka ny Rainao any An-danitra kokoa. Amin’io dia io ianao dia hiatrika fotoan-tsarotra, fizahan-toetra ny tena manokana, fahakiviana ary fahadisoam-panantenana izay mety ho tsapa fa mavesatra loatra.Mety mahatsapa ho voafandrika angamba ianao ao anatina fotoana toy izany amin’izao fotoana izao.

Mandritra ny fotoana toy izany dia tsarovy fa tia anao ny Rainao any An-danitra.Nitia anao foana Izy ary hitia anao mandrakariva.Noho ny fitiavany tsy misy fetra sy tonga lafatra dia nandefa an’i Jesoa Kristy Zanany Izy mba hampahery anao sy hanampy anao handroso.Ary tonga i Jesoa satria tena tia anao koa Izy.

Mampalahelo fa tsy mahafantatra ny filany ny Mpamonjy ny olona sasany.Tsy takatr’izy ireo fa, tahaka ny olon-drehetra, izy ireo dia hanao hadisoana izay tsy ho vitan’izy ireo arenina, hiaina fahaverezan-javatra izay azon’izy ireo averina, ary hiatrika olana sy loza tsy ho zakan’izy ireo samirery.Tsy afaka mandresy ny fahotana sy ny fahafatesana samirery ihany koa izy ireo.Midika izany fa izy ireo sy ny olon-drehetra dia mila ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, miaraka amin’ny hery izay azon’izany entina.

“Tsara be izany ry Loholona Holland,” hoy angamba ianao mieritreritra, “fa saingy amin’ny fomba ahoana no ahafahako manao an’i Jesoa Kristy ho heriko?”Mba hanampiana amin’ny famaliana io fanontaniana io, dia avelao aho hizara vitsivitsy fotsiny amin’ireo fomba tsy tambo ho isaina entin’i Jesoa Kristy manatanjaka anao isan’andro.

Sary
Jesoa Kristy

Deliverance Is Nigh [Akaiky ny fanafahana], nataon’i David McClellan

Manana ny hery hanatanjahana anao Izy

Ny alina farany niainany teto amin’ny fiainana an-tany, dia niditra tao amin’ny Sahan’i Getsemane i Jesoa Kristy.Rehefa tao Izy dia nandohalika teo anivon’ireo hazo oliva, ary nanomboka nitondra teo Aminy ny fahotan’izao tontolo izao.Izany fijaliana lehibe sy tsy manam-petra izany dia “nahatonga [Azy], … Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-drà amin’ny mason-koditra rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18).

Avy eo dia nentina tany Kalvary i Jesoa ary nohomboana tamin’ny hazofijaliana. Tao no namitany ny sorona fanavotana nataony.Nanolotra an-tsitrapo ny ainy Izy, ary avy eo dia nitsangana tamin’ny maty tamim-pandresena.Amin’ity fotoan’ny Paska ity aho dia mifaly amin’ny fanambarana fa velona i Jesoa Kristy!Ambarako ihany koa fa rehefa nanao izany Izy dia tsy vitan’ny hoe nanaisotra fotsiny ihany ny enta-mavesatry ny fahotana fa “[ni]aritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany” ihany koa (Almà 7:11; nasiana fanamafisana).

Nahatsapa ny ratra sy ny alahelo rehetra ny Mpamonjy ary niaritra ny tebiteby sy ny fijaliana rehetra niainanao, niainako, ary niainan’ny fanahy rehetra izay efa niaina na mbola hiaina, tamin’ny fitondrany izany ho an’ny tsirairay avy.Noho ny zavatra nolalovany ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy ho anao, dia fantany ny fomba anatanjahana anao.

Angamba sarotra aminao ny mino fa i Jesoa dia ho liana amin’ny fanampiana anao, ianao irery ao anatin’ireo olona an-tapitrisany izay mitovy taona aminao.Raha mieritreritra ianao fa manana zavatra tsara kokoa atao noho ny mampahery anao amin’ny fotoan-tsarotra Izy, dia eritrereto Izy tao amin’izany saha izany, eritrereto Izy teo ambonin’izany hazofijaliana izany.“Nijaly Izy, nivo-drà ary maty”2 ho anao, satria fantany fa mendrika izany ianao.Mbola fantany hatrany izany. Izy dia faran’izay liana, vonona ary afaka manampy anao- izao ankehitriny izao sy mandrakizay.Nanome ny ainy Izy mba hahafahany mampahery anao rehefa manaiky ny fanasany manova fiainana ianao hoe: “Mankanesa atỳ amiko” (Matio 11:28).

Misafidiana ny hiara-mandeha Aminy

Safidinao ny manara-dia an’i Jesoa Kristy sy manao Azy ho herinao.“Nanoritra sy nitarika ny lalana”3 miverina any amin’ny Ray any An-danitra Izy.Ny tena marina dia Izy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6).

Mahita ny lalana amin’ny alalan’ny fanekenao ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianao rehefa mampihatra finoana Azy sy mibebaka amin’ny fahotanao.Mampitombo ny fifandraisanao Aminy ianao rehefa misafidy ny hatao batisa amin’ny anarany ary mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina.Avy eo ianao dia manohy amin’ny lalan’ny filazantsarany amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy, ny fandraisana ireo ôrdônansy, fanajana fanekempihavanana ary fiainana amin’ny maha-mpianany anao.

Ireo fihetsika ireo dia manorina fifandraisana mahery vaika—fifandraisana ara-pifanekempihavanana—izay mamatotra anao tsy misy ahiahy amin’i Kristy—ary Izy aminao. Rehefa miara-mamindra Aminy ianao, dia tonga loharanon’ny fitarihana sy hery ara-panahy faratampony ho anao Izy sy ny Ray.Avy eo dia azonao atao ny mandroso am-pilaminana sy am-pifaliana isan’andro, tonga tahaka Azy Ireo kokoa, ary indray andro any dia hiverina hiara-hiaina amin’Izy Ireo sy hanana ny karazana fiainana izay iainan’izy ireo.

Sary
Vehivavy miandrandra mijery an’i Jesoa Kristy

Look unto Me [Banjino Aho], nataon’i Eva Koleva Timothy

Mandrosoa ao amin’ny heriny

Amin’ny foko manontolo no ijoroako ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy.Rehefa manao dingana manatona Azy ianao, dia manatòna Azy ary asao Izy ho herinao, hanatona anao Izy ary hahita Azy ianao.4Tsy misy safidy azonao atao ka mametraka anao amin’ny toerana tsy ahafahany manampy anao.Mino amin’ny foko manontolo ny zavatra nolazaiko teo aloha aho: “Tsy misy izany hoe milentika lalina loatra ianao [na ny olona hafa] ka tsy ho tratran’ ny hazavana tsy manam-pahataperan’ ny Sorompanavotan’ i Kristy.”5

Raha manatona an’i Kristy ianao, ka mitandrina voalohany indrindra sy mandrakariva ny didiny amin’ny “fo feno finiavana” (3 Nefia 18:32), dia handeha hiaraka aminao amin’ny dian’ny fiainana Izy. Handray ny tananao Izy ary ho fanantenanao.Ho herinao Izy.Ary hitondra fahasambarana maharitra, fiadanana tena izy, ary fifaliana lehibe eo aminao Izy.

Amin’ny maha-iray amin’ireo vavolombelony manokana ahy dia mijoro ho vavolombelona sy mampanantena aho fa marina izany.