2000–2009
Ny Fanangonana an’i Isiraely miely patrana
Ôktôbra 2006


Ny Fanangonana an’i Isiraely miely patrana

Manampy amin’ny fanangonana ireo voafidin’ny Tompo eo amin’ny lafy roan’ny voaly isika.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, misaotra anareo noho ny finoanareo sy ny fanoloran-tenanareo ary ny fitiavanareo. Mizara andraikitra goavana isika mba ho tonga ilay olona tian’ny Tompo hahatongavantsika sy hanao izay tiany hataontsika. Mpandray anjara ao amin’ny hetsika lehibe iray isika, dia ny fanangonana an’i Isiraely. Anio aho dia hiresaka momba io fitsipika io noho ny maha-zava-dehibe izany eo amin’ny drafitra mandrakizay an’ Andriamanitra.

Fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama

Fahiny, ny Tompo dia nitsodrano an’i Abrahama ray tamin’ny fampanantenana iray mba hahatonga ny taranany ho vahoaka nofinidy.1 Hita manerana ny soratra masina ireo andalana momba io fanekempihavanana io. Tafiditra tao amin’izany ireo fampanantenana fa ho tonga avy ao amin’ny firazanan’i Abrahama ny Zanak’ Andriamanitra, holovaina ny tany sasany, fa firenena sy foko maro eto an-tany no ho voatahy amin’ny alalan’ny taranany, sy ny maro hafa koa.2 Na dia efa tanteraka aza ny endrika sasany amin’izany fanekempihavanana izany, ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fa amin’izao andro farany izao ihany no ho tontosa io fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama io.3 Antitranterin’izany koa fa anisan’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo isika.4 Tombontsoa ho antsika ny handray anjara manokana amin’ny fanatanterahana ireo fampanantenana ireo. Tena mampientanentana tokoa ny miaina amin’ny vanim-potoana toy izany.

Nanjary niely patrana i Isiraely

Amin’ny maha-taranak’i Abrahama azy ireo, ireo fokon’i Isiraely fahiny dia nanana zo tamin’ny fahefan’ny fisoronana sy ireo fitahian’ny filazantsara, kanefa nikomy ny vahoaka taty aoriana. Namono ireo mpaminany izy ireo ka nosazian’ny Tompo. Nentina ho babo tany Asyria ireo foko folo. Nanjary very teo amin’ny rakitra momba ny zanak’olombelona izy ireo nanomboka teo. (Mibaribary fa ireo foko very dia tsy very akory ao amin’ny Tompo.) Nisy foko roa tavela nitohy fotoana fohy ary avy eo, noho ny fikomian’izy ireo, dia nentina ho babo tany Babylona izy ireo.5 Rehefa niverina izy ireo dia nankasitrahan’ny Tompo, kanefa tsy nanaja Azy indray. Nolavin’izy ireo sy noteneniny ratsy Izy. Ilay Ray be fitiavana nefa nalahelo ka nivoady hoe: “Ary hianareo dia haeliko any amin’ny jentilisa,”6 ary izany no nataony — tamin’ny firenena rehetra.

Isiraely hangonina

Ny fampanantenan’ Andriamanitra momba ny fanangonana an’i Isiraely niely patrana dia feno fitserana ihany koa.7 I Isaia, ohatra, dia nahita mialoha fa amin’ny andro farany ny Tompo dia handefa “iraka faingam-pandeha” ho an’ireo vahoaka izay “lava tsanganana sady mandimandina”.8

Ity fampanantenana momba ny fanangonana ity, izay voatenona manerana ny soratra masina, dia ho tanteraka sahala amin’ireo faminaniana momba ny fanelezana an’i Isiraely.9

Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy tamin’ny mitataovovonan’ny fotoana sy ny apôstazia

Talohan’ny nanomboana azy tamin’ny hazo fijaliana dia nanangana ny Fiangonany ny Tompo Jesoa Kristy. Nahitana apôstôly, mpaminany, fitopololahy, mpampianatra, sy ny sisa izany.10 Ary ny Mpampianatra dia naniraka ny mpianany ho amin’izao tontolo izao mba hitory ny filazantsarany.11

Latsaka tao anaty fahalovana ara-panahy ny Fiangonana natsangan’ny Tompo rehefa afaka kelikely. Nisy nanova ny fampianarany; nisy nanova ireo ôrdônansy nataony. Ny Apôstazia Lehibe dia tonga araka izay efa nolazain’i Paoly mialoha, izay nahafantatra fa tsy ho avy indray ny Tompo “raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”12

Ity apôstazia lehibe ity dia nanaraka ny lamina izay namarana ny fotoampitantanana tsirairay teo aloha. Ny voalohany indrindra dia tamin’ny andron’i Adama. Avy eo dia tonga ireo fotoampitantanan’i Enoka, Noa, Abrahama, Mosesy sy ireo hafa. Ny mpaminany tsirairay dia nanana iraka masina ny hampianatra momba an’ Andriamanitra sy ny fotopampianaran’ny Tompo Jesoa Kristy. Isaky ny vanim-potoana ireo fampianarana ireo dia natao hanampiana ny olona. Niteraka apôstazia anefa ny tsy fankatoavan’izy ireo. Araka izany, ireo fotoampitantanana taloha rehetra dia voafetra tamin’ny fotoana sy toerana. Voafetra tamin’ny fotoana izy ireo satria samy nifarana tamin’ny apôstazia. Voafetra tamin’ny toerana nisy azy ireo teo amin’ny ampahany kely amin’ny planeta tany izy ireo.

Ny famerenana amin’ny laoniny ny zava-drehetra

Notakina noho izany ny famerenana amin’ny laoniny tanteraka. Niantso ny Mpaminany Joseph Smith mba ho mpaminan’ity fotoampitantanana ity Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalany ireo fahefana rehetra avy amin’ Andriamanitra nandritra ireo fotoampitantanana teo aloha.13 Tsy voafetran’ny fotoana na ny toerana ity fotoampitantanana ity. Tsy hifarana amin’ny apôstazia izany ary hameno izao tontolo izao.14

Ny fanangonana an’i Isiraely—ampahany feno amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny zava-drehetra

Araka ny faminanian’i Petera sy i Paoly, ny zavatra rehetra dia haverina amin’ny laoniny amin’ity fotoampitantanana ity. Tsy maintsy tonga, noho izany, ho ampahany amin’izany famerenana amin’ny laoniny izany, ilay fanangonana an’i Isiraely nandrandraina fatratra.15 Zava-manan-danja mialoha ny Fiavian’ny Tompo fanindroany izany.16

Ity fotopampianaran’ny fanangonana ity no iray amin’ireo fampianarana manan-danjan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Nanambara ny Tompo hoe: “Omeko famantarana iray ianareo … fa Izaho dia hanangona ny oloko avy amin’ny fielezany ela, Ry mpianakavin’i Isiraely, ary haoriko indray eo anivony i Zionako,”17 Ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna dia famantarana iray ho an’izao tontolo izao manontolo fa manomboka manangona an’i Isiraely ny Tompo ary manatontosa ny fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama, Isaka ary Jakôba.18 Tsy mampianatra fotsiny izany fotopampianarana izany isika fa mandray anjara amin’izany koa. Manao izany isika rehefa manampy amin’ny fanangonana ireo voafidin’ny Tompo eo amin’ny lafy roan’ny voaly.

Ny Bokin’i Môrmôna no ivon’ity asa ity. Manambara ny fotopampianaran’ny fanangonana izy io.19 Izy io dia mahatonga ny olona hianatra momba an’i Jesoa Kristy sy hino ny filazantsarany ary hikambana ao amin’ny Fiangonany. Raha ny tena marina, raha tsy nisy ny Bokin’i Môrmôna, dia tsy ho nitranga ny fanangonana an’i Isiraely izay efa nampanantenaina.20

Manan-danja ho antsika ilay anarana be voninahitra hoe Abrahama . Voatonona imbetsaka kokoa ao amin’ireo soratra masin’ny Famerenana amin’ny laoniny noho ny ao amin’ireo andininy rehetra ao amin’ny Baiboly izany.21 Mifandray amin’ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany i Abrahama.22 Naverin’ny Tompo nohamafisina amin’izao androntsika izao tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama.23 Raisintsika any amin’ny tempoly ireo fitahiana lehibe ho antsika, amin’ny maha-taranak’i Abrahama, sy i Isaka, ary i Jakoba antsika.24

Ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana

Ity fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana ity dia efa hitan’ Andriamanitra mialoha fa fotoana hanangonana, na any an-danitra izany na ety an-tany. Fantatr’i Petera fa aorian’ny apôstazia dia hisy famerenana amin’ny laoniny. Izy, izay niaraka tamin’ny Tompo teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy, dia nanambara hoe:

“Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo; …

“Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra mandra-pihavin’ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’ Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin’ny voalohany indrindra.”25

Tamin’ny fotoana maoderina dia nirahin’ny Tompo ny Apôstôly Petera, Jakôba ary Jaona niaraka tamin’ “ny fanalahidin’ny fanjaka[ny] sy ny fotoampitantanan’ny filazantsara ho an’ny andro farany; ary ho an’ny fotoam-pahafenoana, izay mandritra izany no hanangonako miaraka ny zavatra rehetra ho tokana, na izay any an-danitra na izay ety an-tany.”26

Tamin’ny taona 1830 ny Mpaminany Joseph Smith dia nahafantatra ilay iraka avy any an-danitra antsoina hoe Elià, izay nanana ireo fanalahidy hahatanteraka ny “famerenana amin’ny laoniny zava-drehetra.”27

Notokanana enina taona taty aoriana ny tempolin’i Kirtland. Rehefa avy nanaiky izany trano masina izany ny Tompo dia tonga niaraka tamin’ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo iraka avy any an-danitra. Niseho i Mosesy28 “ary nanolotra … ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely avy any amin’ny vazan-tany efatra sy ny fitarihana ny firenena folo avy any amin’ny tany avaratra.

“Rehefa izany dia niseho i Elià ary nanolotra ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama sady nilaza fa ao aminy sy ny taranakay no hitahiana ny fara aman-dimby rehetra.”29

Dia tonga avy eo i Elia ilay mpaminany ka nanambara hoe: “Indro, efa migadona tanteraka ny fotoana izay efa notenenin’ny vavan’i Malakia—sady nijoroany ho vavolombelona fa izy [i Elia] dia hirahina mialoha ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo, ilay lehibe sy mahatahotra—mba hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny ray, fandrao hasiana amin’ny ozona ny tany.”30

Niseho ireo trangan-javatra ireo tamin’ny 3 aprily 1836,31 koa toy izany no nahatanterahan’ny faminanian’i Malakia.32 Naverina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ity fotoampitantanana ity.33

Fanangonana ireo fanahy any ampitan’ny voaly

Noho ny famindram-po, ilay fanasana mba “hanatona an’i Kristy”34 dia azo atolotra ihany koa an’ireo izay maty kanefa tsy nahafantatra ny filazantsara.35 Ny ampahany amin’ny fiomanan’izy ireo anefa dia mitaky ireo ezaka ataon’ny hafa ety an-tany. Manangona taratasy mirakitra tetiarana isika, mamorona ireo taratasy ahitana ny vondrom-pianakaviana, ary manatanteraka ny asa atao any amin’ny tempoly amin’ny alalan’ny fisoloan-tena mba hanangonana ireo olona tsirairay ho ao amin’ny Tompo sy ho ao amin’ny fianakavian’izy ireo.36

Mandray anjara amin’ilay fanangonana: Fanoloran-tena amin’ny alalan’ny fanekempihavanana

Manan-danja amin’ny fanangonana an’i Isiraely ny asa fitoriana ety ambonin’ny tany. Natao ho entina any amin’ireo “ondry very ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely”37 aloha ny filazantsara. Noho izany dia nandeha nitory ny Famerenana amin’ny laoniny ireo mpanompon’ny Tompo. Efa nandeha nikaroka tany amin’ny firenena maro ireo izay isan’i Isiraely naely patrana ireo misiônerantsika. Nihaza azy ireo “[tany] an-tsefatsefaky ny harambato” izy ireo, ary efa nanjono azy ireo tahaka ny tamin’ny andro fahiny.38

Ny safidy mba hanatona an’i Kristy dia tsy resaka toerana fa resaka fanoloran-tena manokana. Ny olona dia azo “hoentina ho amin’ny fahalalana ny Tompo”39 kanefa tsy mila mandao ny tanindrazany. Marina fa tany am-piandohan’ny Fiangonana dia matetika nidika hoe fifindra-monina koa ny fiovam-po. Saingy ankehitriny dia any amin’ny firenena tsirairay no isehoan’ny fanangonana. Nandidy ny mba hanorenana an’i Ziona ny Tompo40 any amin’ny fanjakana tsirairay izay natokany mba hahaterahan’ireo Olomasiny sy nanomezany azy ireo ny zom-pireneny. Milaza mialoha ny soratra masina fa ny vahoaka dia “hangonina … mba hody any amin’ny tany lovany sy … haorina amin’ny taniny nampanantenaina rehetra.”41 “Ny firenena tsirairay no toerana fanangonana ho an’ny vahoaka ao aminy.”42 Ny toerana fanangonana ho an Olomasina Breziliana dia any Brezila; ny toerana fanangonana ho an’ny Olomasina Nizeriana dia any Nizeria ary ny toerana fanangonana ho an’ny’ ny Olomasina Koreana dia any Kore ary toy izany hatrany hatrany. I Ziona dia “ny madio am-po.”43 Ny toerana rehetra ahitana ny Olomasina dia Ziona. Efa niparitaka tokoa ireo famoahana, serasera, ary vondrona mpivavaka ankehitriny ka saika ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana dia afaka mianoka ireo fotopampianarana, fanalahidin’ny fisoronana, ôrdônansy, ary ireo fitahian’ny filazantsara, na aiza na aiza toerana misy azy.

Hiankina mandrakariva amin’ny fomba hiainan’ny olona ny fahazoana fiarovana ara-panahy fa tsy amin’ny toerana hipetrahan’ny olona. Manana zo mitovy amin’ireo fitahian’ny Tompo ny Olomasina any amin’ny tany rehetra.

Marina ity asan’ilay Andriamanitra Tsitoha ity. Velona Izy. I Jesoa no Kristy. Ity no Fiangonany, naverina tamin’ny laoniny mba hanatanterahana ny tanjony masina, tafiditra amin’izany ny fanangonana an’i Isiraely. Mpaminanin’ Andriamanitra ankehitriny ny Filoha Gordon B. Hinckley. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin anaran’i Jesoa Kristy, a’ nymena.