2000–2009
Sambatra ny madio am-po rehetra
Ôktôbra 2007


Sambatra ny madio am-po rehetra

Enga anie Andriamanitra hitahy antsika ao anatin’ilay ezaka amin-kitsimpo ataontsika mba hadio fo sy saina ka mba “handravaka tsy an-kijanona ny eritreri[tsika] ny hatsaram-panahy.”

Raha nandeha an-tongotra teny amoron-dranomasina tany amin’ny faritr’i Caraïbes izaho sy ny vadiko indray maraina mibaliaka masoandro taona maro lasa izay, dia nahita sambo kely fanjonoana trondro izay nampiakarina teny amin’ny fasika. Rehefa nijanona mba hijery ireo sambo izahay dia nianatra zavatra mikasika ny fanjonoana izay tsy hadinoko velively aho. Fandrika tsotra vita amin’ny karakara vy no nampiasain’ireo mpanjono teo an-toerana fa tsy harato na tadim-pintana, na fintana. Nitovy endrika tamin’ny boaty iray ny fandrika tsirairay. Notatahan’ireo mpanjono nidina teo amin’ny 20 santimetatra teo ny lafy tsirairay an’ilay fandrika ary naforitr’izy ireo niditra any anatiny ireo karakara vy notatahana izay nampisy hirika kely ahafahan’ny trondro miditra.

Mety azonao an-tsaina ny fomba fiasan’ny fandrika iray. Nentin’ireo mpanjono teny an-dranomasina ilay fandrika hanjonoana ary nampidininy tany amin’ny fanambanin’ny ranomasina. Rehefa nisy trondro amin’ilay habe azo hohanina nanakaiky ilay fandrika sy nahatsapa ny fisian’ilay fanjonoana dia nahita faritra nisokatra teo amin’ny lafy irain’ilay fandrika izany ka nilomano niditra tao anatin’izany rehefa nisisika fotsiny teo anelanelan’ilay karakara vy notatahana. Rehefa niezaka ny hivoaka avy eo ilay trondro voafandrika dia nahita fa mora ny nisisika niditra tamin’ilay karakara vy notatahana saingy tena tsy nisy ny azo atao mba hilomanosana eo anelanelan’ireo lohan’ny karakara vy maranitra mba hivoahana, ka dia voajono ilay trondro. Rehefa niverina ireo mpanjono dia navoakan’izy ireo avy ao anaty rano ilay fandrika ary vetivety dia lasa sakafo hariva ilay trondron-dranomasina.

Misy tantara iray ao amin’ny Testamenta Taloha izay momba ny olona iray tafalatsaka tao anatin’ny fandrika nitovy tamin’izany. I Davida Mpanjaka izany lehilahy nanam-pahefana izany, ary iray amin’ireo tantara tena nampalahelo ao amin’ny soratra masina ny zava-nitranga.

“Ary rehefa … mby [ny] andro fandehanan’ny mpanjaka hiady, dia naniraka an’i Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra Davida; ka [niady tamin’i Amona] ireo. Fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.

“Ary nony harivariva, dia niala tao am-pandriany Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon’ny lapa; raha teo izy, dia nahatazana vehivavy mandro; ary ravehivavy tsara tarehy maha-te-hijery” (2 Samoela 11:1–2).

Fantatr’i Davida hoe i Batseba no anaran’ilay vehivavy. I Oria vadiny dia miaramila izay nandeha niady tamin’ireo Amonita niaraka tamin’ireo tafika ambiny ary tokony ho tany koa i Davida mpanjakan’izy ireo. Nentin’i Davida tao amin’ny lapa i Batseba. Nijangajanga izy ireo ka bevohoka i Batseba ary nanomboka natahotra i Davida sao ho fantatra ny fijangajangan’izy ireo. Nanam-panantenana i Davida fa ho voasarona ny fahotana nataony ka dia nanome baiko izy ny hamerenana an’i Oria tany Jerosalema. Niverina i Oria saingy nanda, noho ny fitsipika ara-pitondrantena niainany, ny hody any an-tranony hitsidika an’i Batseba. Dia nanao drafitra mba hamonoana an’i Oria any an’ady i Davida (jereo ny 2 Samoela 11:3–17). Ny fifanesisesen’ireo fanapahan-kevitra mamohehatra ireo dia niteraka ny fahafatesan’i Oria sy fahoriana ho an’i Davida sy i Batseba ary ho an’ny fanjakana iray manontolo tamin’ny farany. Ao anatin’ny hasohasopiteny lehibe tokoa no hilazan’ny Baiboly hoe: “Nefa tsy sitrak’i Jehovah izany nataon’i Davida izany” (2 Samoela 11:27).

Hitanao ve ny fomba nahatafalatsaka an’i Davida tao amin’izany fandrika izany? Teny amin’ny tafon-trano marin-tampon’ny lapany izy, ary rehefa niondrika nijery tany amin’ny tokotany iray mifanila amin’ny misy azy izy dia nahita zavatra izay tsy tokony ho hitany. Izay ilay fandriky ny fahavalo. Nitaky an’i Davida mba ho tonga dia hanodina ny lohany sy tsy hijery izany ny fahamaotinana sy ny fahadiovam-pitondrantena ary ny fandanjalanjana tsara, saingy samy tsy nisy nataony izany. Naleony namela ny sainy hitodika any amin’ireo zavatra voarara izay foromporonin’ny saina ary nitarika tany amin’ny fanaovan-javatra ireo eritreritra ireo ka nitontongana haingana avy eo amin’ny ratsy nankany amin’ny tena ratsy ary tonga tany amin’ny fiteraham-pahavoazana ny toe-javatra. Voafandrika i Davida ary nisy fiantraikany mandrakizay teo aminy izany.

Misy fandrika ara-panahy antsoina hoe pôrnôgrafia amin’izao fotoana izao, ary maro no tafalatsaka ao anatin’izany fandrika mahafaty izany, satria sodokan’ireo hafatra mifono fandrisidrisihana atolony. Toy ny fandrika rehetra, dia mora ny miditra ao anatin’izany fa sarotra ny miala ao anatiny. Misy olona sasany mandamindamin-tsaina fotsiny hoe afaka mijery tsotsotra pôrnôgrafia izy ireo ary tsy ianjadian’ny voka-dratsiny. Milaza izy ireo amin’ny voalohany hoe, “Tsy maninona izany akory ity,” na, “Inona no hiraharahiana izany? Tsy hanova na inona na inona ity,” na, “Mba te hijery kely fotsiny aho.” Diso anefa izy ireo. Nampitandrina ny Tompo hoe: “Ary izay mijery vehivavy ka mitsiriritra azy dia handà ny finoana ka tsy hanana ny Fanahy; ary raha tsy mibebaka izy dia horoahina hiala” (F&F 42:23). Izany mihitsy no nitranga tamin’i Davida. Nijery an’i Batseba izy, dia nitsiriritra azy ary namoy ny Fanahy. Tena ho hafa ny androm-piainan’i Davida sisa raha mba nanodina ny lohany fotsiny izy.

Ankoatra ny famoizana ny Fanahy dia mamoy ny fananana fomba fijery mazava sy ny fahaizana mandanjalanja ireo mpijery pôrnôgrafia. Miezaka izy ireo, tahaka an’i Davida, mba hanafina ny fahotany saingy tsy misy zavatra miafina eo anatrehan’ny Tompo (jereo ny 2 Nefia 27:27). Manomboka mitombo ireo tena vokany toy ny hoe, mihena ny fanajana ny tena manokana, miharatsy ny fifandraisana amin’ny olon-tiana, mihozongozona ny fiainam-panambadiana ary manomboka mihavosa ny olona tsy manan-tsiny ianjadian’ny tsy rariny. Tsy mahafa-po intsony ny fitadiavana ny zavatra fijerin’izy ireo ka manao fanandramana mijery sary mamoa fady bebe kokoa izy ireo. Mihamiankin-doha tsikelikely izy ireo na dia tsy fantatr’izy ireo aza izany na lavin’izy ireo. Ary toa an’i Davida, dia mikororosy fahana ny fitondrantenan’izy ireo satria mihamihena ny fitsipi-pitondrantena mifehy azy ireo.

Eo anatrehan’ny faharatsian’ny kolontsaina ironan’ny rehetra manerana an’izao tontolo izao dia mihamanenika ny haino aman-jery, ny fialam-boly sy ny dokam-barotra ary ny internet ireo zavatra maharikoriko. Saingy ilay hoe zavatra ironan’ny rehetra raha eo anatrehan’ireo fitsipika mahazo laka eo amin’izao tontolo izao dia fandrefesana tena mampidi-doza raha ampiasaina handrefesana ny atao hoe tsara na ny tsy mampidi-doza mihitsy aza. Mety ho malaza sy tena ankafizin’ny mpijery an-tapitrisany ny sarimihetsika iray na fandaharana iray ao amin’ny fahitalavitra, saingy mampiseho sary sy fihetsika feno fahavetavetana anefa izany. Raha misy zavatra izay “tsy dia maninona loatra” ao anatin’ny sarimihetsika iray dia mazava ho azy fa midika hoe tsy dia tsara koa izany sarimihetsika izany. Noho izany tsy natao hanamarinan-tena ny fisian’ireo olona hafa mijery sarimihetsika na manokatra tranonkala izay mamoa fady. Ny fiainan’ireo mpihazona fisoronana dia tokony hifanaraka amin’ireo fitsipika napetraky ny Tompo sy ny Fiangonana, fa tsy ireo fitsipik’izao tontolo izao.

Nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Ary sambatra ny madio am-po rehetra, fa izy no hahita an’ Andriamanitra” (3 Nefia 12:8). Ireo fampanantenan’ny filazantsara dia mampahery sy maha-olom-banona ary manome faharisihana mihitsy aza. Mahazo ireo fampanantenana ireo amin’ny alalan’ny fanekempihavanana isika izay miankina amin’ny fiainantsika ao anatin’ny fahadiovana sy ny fahitsim-pitondrantena ny fahatanterahany. Rehefa miaina amim-pahamarinana sy mikatsaka ny handio ny fontsika isika dia manakaiky kokoa an’ Andriamanitra sy ny Fanahy. Ny toetoetran’ny fontsika no mamaritra ny halehiben’ny porofo ahitantsika an’ Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao ankehitriny ary manome fahafahana ny hahatanterahan’ilay fampanantenana eo amintsika amin’ny farany, dia ny hoe “hahita an’ Andriamanitra” ny madio am-po. Ny fikatsahana ny ho madio no imasoantsika. Noho izany dia nanoratra ny Apôstôly Jaona hoe:

“Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’ Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika,fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.

“Ary izay manana fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka azy” (1 Jaona 3:2–3).

Raha toa ka efa tafalatsaka tao anatin’ny fandriky ny pôrnôgrafia ianao, dia izao no fotoana hanafahanao ny tenanao miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy. Misy fomba hahatafavoahana amin’izany saingy mila ny fanampiany ianao hialana amin’izany. Hiankina amin’ny fibebahana feno ny fahasitrananao tanteraka amin’izany. Mandehana haingana any amin’ny evekanao. Katsaho ilay fitarihany manentana ny fanahy. Hanampy hametraka drafitry ny fibebahana izay hamerina amin’ny laoniny ny maha-izy azy anao sy hamerina ny Fanahy ho ao amin’ny fiainanao izy. Mahatakatra ny fahoriana rehetra na dia ity anankiray ity aza ilay hery manasitran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo. Raha mitodika any amin’ny Mpamonjy amin’ny fonao rehetra ianao ary manaraka ny torohevitra omen’ny evekanao, dia hahita ilay fahasitranana ilainao. Hanampy anao hahita ilay hery hanoherana ny fakam-panahy sy ilay hery handresena ny fiankinan-doha ny Mpamonjy. Nampianatra i Môrônia hoe:

“[Manatòna] an’i Kristy sy [hazòny] ny fanomezam-pahasoavana tsara rehetra ary [aza mikasika] ny fanomezana ratsy, na ny zavatra tsy madio.…

“Eny, manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy, ary holavin’ny tenanareo ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra; ary raha mandà ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra ny tenanareo, ary tia an’ Andriamanitra amin’ny herinareo, ny sainareo ary ny tanjakareo rehetra ianareo, amin’izany dia ampy ho anareo ny fahasoavany, fa amin’ny fahasoavany no hahatonga anareo ho tanteraka ao amin’i Kristy” (Môrônia 10:30, 32).

Enga anie Andriamanitra hitahy antsika ao anatin’ilay ezaka amin-kitsimpo ataontsika mba hadio fo sy saina ka mba “handravaka tsy an-kijanona ny eritreri[tsika] ny hatsaram-panahy” (F&F 121:45). Mijoro ho vavolombelona ny amin’ilay fitiavana mifono fanavotana avy amin’ny Mpamonjy aho ary ilay hery manadion’ny Sorompanavotana, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy amena.