Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Latsa-paka lalina ao am-pontsika
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2020


Latsa-paka lalina ao am-pontsika

Miezaka manampy antsika, isika rehetra, handatsa-paka lalina ao am-pontsika ny filazantsara ny Tompo.

Ry ranabavy sy rahalahy, fotoana mahatalanjona tokoa izao iainantsika izao. Eto am-pankalazantsika ny fiantombohan’ny Famerenana amin’ny laoniny dia mety tsara ihany koa ny hankalazantsika ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana izay atrehantsika. Miara-mifaly aminareo aho fa miaina amin’izao fotoana izao. 1 Manohy mametraka izay rehetra ilaintsika amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny Tompo mba hanampiana antsika hiomana handray Azy. 2

Isan’ireo zavatra ilaina ireo ilay hetsika vaovao Ankizy sy Zatovo. Maro aminareo no mahalala tsara ny fanamafisan’io fandaharan’asa io ny fametrahana tanjona, ireo mari-pamantarana iombonana, ary ireo fihaonambe Ry Tanora Mahereza. Saingy tsy tokony hamela ireo zavatra ireo hanakona ny fahitantsika ireo fitsipika iorenan’io fandaharan’asa io sy ny tanjon’izany isika: dia ny handatsa-paka lalina ao am-pon’ny ankizy sy ny zatovo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. 3

Mino aho fa rehefa mahita mazava kokoa ireo fitsipika ireo isika dia hiaiky fa izy io dia mihoatra lavitra ny hoe fandaharan’asa ho an’ny mpikambana 8 ka hatramin’ny 18 taona fotsiny. Ho hitantsika ny fomba hiezahan’ny Tompo manampy antsika, isika rehetra, handatsa-paka lalina ao am-pontsika ny filazantsarany. Mivavaka aho mba hanampy antsika hiara-hianatra ny Fanahy Masina.

Fifandraisana: “Miaraha amin’izy ireo” 4

Ny fifandraisana no fitsipika voalohany. Noho izy ireo toy ny zavatra tena efa mahazatra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, dia indraindray adinontsika ny maha-zava-dehibe ny fifandraisana ao anatin’ny diantsika mitohy mankany amin’i Kristy. Tsy andrasana amintsika ny hitady na handeha irery eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Isika dia mila fitiavana sy fanampiana avy amin’ireo ray aman-drenintsika, ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviana, ireo namana ary ireo mpitarika izay mandeha eo amin’ilay lalana ihany koa.

Mitaky fotoana ireo karazana fifandraisana ireo. Fotoana iarahana. Fotoana iarahana mihomehy, milalao, mianatra ary manompo. Fotoana hanomezana lanja ny zavatra mahaliana ny tsirairay sy ny olany. Fotoana hifandraisana amin-kitsim-po sy hifanehoana fahitsin-toetra eo am-piezahantsika hiaina fiarahana mahafinaritra. Isan’ireo tanjona voalohany mahatonga ny fianakaviana, ny kôlejy, ny kilasy ary ny mpiangona hiara-mivory ireo fifandraisana ireo. Fototry ny fanompoana mahomby izy ireo. 5

Nanome antsika fanalahidy ahafahana manana ireo fifandraisana ireo ny Loholona Dale G. Renlund rehefa niteny hoe: “Mba hanompoana ny hafa amim-pahombiazana, dia mila mijery azy ireo … amin’ny fijerin’ny Ray any An-danitra [isika]. Amin’izay ihany isika vao afaka manomboka mahatakatra ny tena hasarobidin’ny olona iray. Amin’izany ihany isika vao afaka mahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra ny zanany rehetra.” 6

Ny fahaizana mijery ny hafa amin’ny fomba fijerin’ Andriamanitra dia fanomezam-pahasoavana. Manasa antsika rehetra aho hikatsaka io fanomezam-pahasoavana io. Rehefa ampahiratina mba hahita ny masontsika, 7 dia ho afaka ny hanampy ny hafa ihany koa isika mba hahita ny tenany tahaka ny ahitan’ Andriamanitra azy. 8 Nanantitrantitra ny herin’izany ny Filoha Henry B. Eyring rehefa niteny hoe: “Ny zavatra hanan-danja indrindra dia ny zavatra ianaran’ny [tanora] avy ami[nareo] momba ny hoe iza marina izy ireo ary afaka ny ho tonga inona marina. Inoako fa tsy dia ho avy amin’ny lesona ampianarina loatra no hianaran’izy ireo izany. Izany dia ho azon’izy ireo avy amin’ny fahatsapana hoe iza ianareo, sy izay hiheveranareo azy ireo hoe iza izy ireo, ary izay heverinareo fa mety hahatongavany.” 9 Ny fanampiana ny hafa hahatakatra hoe iza marina izy ireo sy ny antom-pisiany dia isan’ireo fanomezana tsara indrindra azontsika omena. 10 Ny fahitana ny hafa sy ny tenantsika tahaka ny fahitan’ Andriamanitra antsika dia mampifamihina ny fontsika “ao amin’ ny firaisan-kina sy ny fifankatiavan’ izy samy izy.” 11

Noho ny herin’ny fahalalana araka izao tontolo izao tsy mitsaha-mitombo izay misy fiantraikany amintsika, dia mila ilay hery avy amin’ny fifandraisana feno fitiavana isika. Koa rehefa manomana ireo fiaraha-mientana sy fivoriana ary fiaraha-mivory hafa isika dia tokony hahatsiaro fa tanjona fototra iray hanaovana ireo fivoriana ireo ny hanorina fifandraisana feno fitiavana izay hampiray antsika sy hanampy mba handatsa-paka lalina ao am-pontsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. 12

Ny Fanambarana sy ny Fahafahana misafidy ary ny Fibebahana—”Mampifandray azy ireo amin’ny lanitra” 13

Mazava ho azy fa tsy ampy ny hoe miray hina fotsiny. Maro be ireo vondrona sy fikambanana izay mahavita miray hina noho ny tanjona isan-karazany. Saingy ny firaisan-kina tadiavintsika dia ny ho iray ao amin’i Kristy, ny hampifandray ny tenantsika Aminy. 14 Mba hampifandraisana ny fontsika amin’ny lanitra dia mila traikefa ara-panahy an’ny tena manokana isika araka ny vao nolazain’ny Loholona Andersen tamin’ny fomba miezinezina teo. 15 Azo ireo traikefa ireo rehefa entin’ny Fanahy Masina ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ny teny sy ny fitiavan’ Andriamanitra. 16

Io fanambarana io dia tonga amin’ny alalan’ny soratra masina, indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna, amin’ny alalan’ireo teny avy amin’ny fitaomam-panahy avy amin’ireo mpaminany velona sy ireo mpianatra mahatoky hafa, ary amin’ny alalan’ny feo tony sy malefaka. 17 Ireo teny ireo dia mihoatra lavitra ny ranomainty eo amina pejy fotsy, na feo manakoako ao an-tsofintsika, na eritreritra ao an-tsaintsika, na fahatsapana ao am-pontsika. Hery ara-panahy ny tenin’ Andriamanitra. 18 Fahamarinana sy fahazavana izany. 19 Ny teniny no hihainoantsika Azy! Miteraka sy mampitombo ny finoantsika an’i Kristy ny teny ary manosika ao anatintsika ny faniriana ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa, izany hoe mibebaka sy mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. 20

Ny aprily lasa teo ny Filoha Russell M. Nelson dia nanampy antsika hahatakatra ny anjara asa fototry ny fibebahana ao anatin’izao vanim-potoana hirotsahan’ny fanambarana izao. 21 Hoy izy: “Rehefa misafidy ny hibebaka isika, dia misafidy ny hiova! Omentsika fahafahana ny Mpamonjy mba hanova antsika ho lasa ilay tsara indrindra ao amintsika. … Misafidy ny hitovy bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy [isika]!” 22 Io dingan’ny fiovana io, izay tohanan’ny tenin’ Andriamanitra, no fomba hifandraisantsika amin’ny lanitra.

Ny hevitra ao ambadiky ny fanasan’ny Filoha Nelson mba hibebaka dia ny fitsipiky ny fahafahana misafidy. Isika no tsy maintsy misafidy ny fibebahana ho an’ny tenantsika. Tsy azo terena ao am-pontsika ny filazantsara. Hoy ny Loholona Renlund: “Ny tanjon’ny Raintsika any An-danitra eo amin’ny fitaizana dia tsy ny hanao izay hahatonga an’ireo zanany hanao ny marina, fa ny hanao izay hahatonga an’ireo zanany hisafidy ny hanao ny marina.” 23

Tao amin’ireo fandaharan’asa nosoloin’ny Ankizy sy Zatovo dia nisy zavatra notakiana 500 isa mahery nila novitaina mba hahazoana mari-pankasitrahana isan-karazany. 24 Ankehitriny dia iray ihany izany raha jerena. Fanasana mba hisafidy ny ho tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa izany. Isika dia manao izany amin’ny fandraisana ny tenin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina sy amin’ny famelana an’i Kristy hanova antsika ho lasa “ilay tsara indrindra ao amintsika.”

Tsy fanazaran-tena amin’ny fametrahana tanjona fotsiny izany na fampivoarana ny tena manokana. Ny tanjona dia fitaovana fotsiny ihany izay manampy antsika hifandray amin’ny lanitra amin’ny alalan’ny fanambarana, ny fahafahana misafidy, ary ny fibebahana, mba hanatona an’i Kristy sy handray ny filazantsarany hifaka lalina ao am-pontsika.

Fanoloran-tena sy fahafoizan-tena: “Avelao hitarika izy ireo” 25

Farany, mba hampifaka lalina ao am-pontsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mila manolo-tena ao anatin’izany isika: manome ny fotoantsika sy ny talentantsika ho an’izany, mahafoy tena ho an’izany. 26 Samy te hiaina fiainana manan-danja isika rehetra, ary marina izany indrindra fa ho an’ny taranaka vao misondrotra. Maniry ho isan’ny mpanatanteraka asa iray izy ireo.

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no asa lehibe indrindra eto an-tany. Hoy ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Didian’ Andriamanitra isika ny hitondra ny filazantsara any amin’izao tontolo izao. Izany no asa izay tokony hampiray antsika amin’izao fotoana izao. Ny filazantsara ihany no hamonjy an’izao tontolo izao amin’ny fahoriana avy amin’ny fanimbany ny tenany ihany. Ny filazantsara ihany no hampiray amim-pilaminana ny lehilahy [sy ny vehivavy] avy amin’ny firazanana sy ny firenena rehetra. Ny filazantsara ihany no hitondra fifaliana sy fahasambarana ary famonjena ho an’ny fianakaviamben’ny olombelona.” 27

Hoy ny nampanantenain’ny Loholona David A. Bednar hoe: “Rehefa mampitombo hery ny zatovo isika amin’ny alalan’ny fanasana sy ny famelana azy ireo hanao zavatra, dia handroso amin’ny fomba mahagaga ny Fiangonana.” 28 Matetika loatra isika no tsy nanasa sy namela ny zatovo hanao fahafoizan-tena ho an’ity asa lehiben’i Kristy ity. Hoy ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Raha zara fa manao [ny asan’ Andriamanitra] ireo zatovo[ntsika] dia ho mora tototry ny zavatr’izao tontolo izao izy ireo.” 30

Ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo dia miompana amin’ny fampitomboana ny herin’ny zatovo. Izy ireo no mifidy ny tanjony manokana. Apetraka amin’ny anjara asa sahaniny avy ireo fiadidian’ny kôlejy sy ny kilasy. Ny filankevitry ny zatovo eo anivon’ny paroasy, tahaka ny filankevitry ny paroasy, dia mifantoka amin’ny asa famonjena sy ny fisandratana. 30 Ary ny kôlejy sy ny kilasy dia manomboka ny fivoriany amin’ny fifampidinihana momba ny fomba hanaovana ny asa izay nomen’ Andriamanitra azy ireo. 31

Hoy ny Filoha Nelson tamin’ny zatovon’ny Fiangonana hoe: “Raha misafidy ianao, raha tianao izany dia … afaka ny ho mpandray anjara amin’ny zavatra lehibe iray ianao, zavatra tena goavana, zavatra tena tsara! … Anisan’ireo olona tsara indrindra nalefan’ny Tompo tety an-tany hatrizay ianareo. Manana fahafahana mba hahay kokoa sy hendry kokoa ary hitondra fiantraikany kokoa amin’izao tontolo izao mihoatra noho ireo taranaka lasa rehetra ianareo!” 32 Tamin’ny fotoana iray hafa dia hoy ny Filoha Nelson tamin’ny zatovo hoe: “Matoky tanteraka anareo aho. Tiako ianareo ary tia anareo koa ny Tompo. Vahoakany isika, izay miara-mirotsaka ao amin’ny asany masina.” 33 Ry tanora, tsapanareo ve ny fatokisan’ny Filoha Nelson anareo sy ny maha manan-danja anareo amin’ity asa ity?

Ry ray aman-dreny sy olon-dehibe mpitarika, manasa anareo aho hihevitra ireo zatovo tahaka ny hiheveran’ny Filoha Nelson azy ireo. Rehefa mahatsapa ny fitiavanareo sy ny fatokisanareo azy ny zatovo, rehefa mamporisika sy mampianatra azy ireo ny fomba fitarihana ianareo, ary avy eo dia mamela azy ireo hivoatra samirery amin’izany fitarihana izany, dia hampitolagaga anareo izy ireo amin’ny hevitra ananany, ny fahaiza-manaony, ary ny fanoloran-tenany amin’ny filazantsara. 34 Ho tsapan’izy ireo ny fifaliana azo avy amin’ny fisafidianana ny hanolo-tena sy hahafoy tena ho an’ny asan’i Kristy. Hifaka lalina ao am-pon’izy ireo ny filazantsarany ary handroso amin’ny fomba mahagaga ny asa.

Fampanantenana sy fijoroana ho vavolombelona

Mampanantena aho fa rehefa mifantoka amin’ireo fitsipika ireo isika, dia ny fifandraisana, ny fanambarana, ny fahafahana misafidy, ny fibebahana, ary ny fahafoizan-tena, dia ho latsa-paka kokoa ao am-pontsika rehetra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ho hitantsika ny fandrosoan’ny Famerenana amin’ny laoniny mankany amin’ny tanjony farany, dia ny fanavotana an’i Isiraely sy ny fananganana an’i Ziona, 35 izay hanjakan’i Kristy amin’ny maha-Mpanjakan’ny mpanjaka Azy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa mbola manao hatrany ireo zavatra rehetra ilaina mba hanomanana ny olony ho amin’izany andro izany Andriamanitra. Enga anie isika ka hahita ny fiasan’ny tanany ao anatin’ity asa be voninahitra ity eo am-piezahantsika “[manatona] an’ i Kristy, [sy] hatao tanteraka ao Aminy.” 36 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:12. Hoy ny Filoha Nelson hoe: “Eritrereto fotsiny anie ny fientanentanana sy ny lanjan’ny fanangonana an’i Isiraely: ny mpaminany tsirairay avy nanomboka tamin’i Adama dia nahita ny androntsika. Ary ny mpaminany tsirairay avy dia niresaka momba ny androntsika rehefa hangonina Isiraely ary homanina amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany izao tontolo izao. Eritrereto anie e! Amin’ireo olona rehetra izay efa niaina teto amin’ny planeta tany, dia isika no manana tombotsoa handray anjara amin’ity fanangonana farany sy goavana ity. Tena mampientam-po tokoa izany!” (“Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org).

    Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe:

    “Fotoana mampatahotra ny miaina amin’izao fotoana izao.

    “Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no “marina indrindra, ahitana fiarovana indrindra, azo antoka indrindra, ary izany no fahamarinana izay mitondra valisoa betsaka indrindra eto an-tany sy any an-danitra, hatrizay sy ho mandrakizay. Tsy misy, na zavatra inona na inona, na olona iza na iza, na fitaomana inona na inona, izay hanakana ity Fiangonana ity amin’ny fanatanterahany ny asa nanirahana azy sy ny fanatanterahana ny anjara hiafarany izay nabara talohan’ny fanorenana izao tontolo izao. … Tsy misy tokony hampatahotra na hampisalasala momba ny ho avy.

    “Mifanohitra amin’ireo vanim-potoana nisy talohantsika, ity fotoampitantanana ity dia tsy hiaina apôstazia ara-pivavahana. Tsy hisy fahaverezan’ny fanalahidin’ny fisoronana ao anatin’izany. Tsy hiaina fahatapahan’ny fanambarana avy amin’ny feon’ Andriamanitra Tsitoha izany. … Tena tsara ny miaina amin’ny fotoana toy izany!

    “… Raha tsy mbola tsikaritrareo dia manantena zavatra tsara momba ny andro farany aho. … Minoa. Mijoroa. Aoka ianareo hahatoky. Dia araraoty izao andro miavaka iainantsika izao!” (Zavatra navoaka tamin’ny Facebook, 27 mey 2015; jereo koa ny “Be Not Afraid, Only Believe” [lahateny natao tamin’ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny Departemantan’ny fampianarana an’ny Fiangonana, 6 feb. 2015], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

  2. Jereo ny Jaona 1:12.

  3. Fotoana fohy taorian’ny niantsoana anay ho ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy Maneran-tany, dia niresadresaka taminay mikasika ireo fanamby miavaka sy fahafahana hanao zavatra atrehan’ny zatovon’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao ny Filoha Henry B.Eyring. Nanoro hevitra anay izy ny hifantoka amin’ireo zavatra izay hampifaka lalina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao am-pon’izy ireo. Tari-dalana ho anay tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy izany torohevitra izany.

  4. Jereo ny “Be with Them,” ChurchofJesusChrist.org/callings/aaronic-priesthood-quorums/my-calling/leader-instruction/be-with-them.

  5. Jereo ny Môzià 18:25; Môrônia 6:5.

  6. Dale G. Renlund, “Amin’ny fijerin’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2015, 94, jereo koa ny Mosesy 1:4–6.

    Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Andraikitsika ny manana fomba fijery mifantoka amin’ ny olona tsirairay tsy amin’ ny maha-izy azy ankehitriny fa amin’ ny mety ho zava-bitany amin’ ny hoavy kosa. Miangavy anareo aho mba ho amin’ io fomba io no handrasainareo azy ireo” (“Mijery ny hafa araka izay mety ho ahatongavany,” Liahona, nôv. 2012, 70).

    Nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Matetika loatra ny tsy fanarahan’ny zatovo ny fenitry ny Fiangonana izay hita soritra ety ivelany, na ireo fanontaniany izay toa feno fihantsiana, na ny fanehoany ny fisalasalany no mahatonga ny famaritana azy ho ratsy. Ny vokatr’izany dia mety ho ny fiatahany, ary indraindray dia ny fialany mihitsy. Ny fitiavana marina dia tsy mamaritra olona hoe ratsy!” (“Unto the Rising Generation,” Ensign, Apr. 1985, 9).

  7. Jereo ny 2 Mpanjaka 6:17.

  8. I Stephen L. Richards fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza hoe: “Ny karazana fahaizana manavaka tsara indrindra dia ilay iray izay mahita ao amin’ny hafa sy mampahafantatra azy ireo ny toetra tsara kokoa ananan’izy ireo, ilay zavatra tsara efa voajanahary ao anatin’izy ireo” (ao amin’ny Conference Report, Apr. 1950, 162; in David A. Bednar, “Quick to Observe,” Ensign, Des. 2006, 35; Liahona, Des. 2006, 19). Jereo koa ny 2 Mpanjaka 6:17.

  9. Henry B. Eyring, “Teaching Is a Moral Act” (lahateny natao tao amin’ny Oniversite an’i Brigham Young, 27 aog. 1991), 3, speeches.byu.edu; nampiana fanamafisana; jereo ihany koa ny Henry B. Eyring, “Ampio izy ireo hametraka tanjona tsara,” Liahona, nôv. 2012, 60–67.

  10. Jereo ny Mosesy 1:3–6.

  11. Môzià 18:21; jereo koa ny Mosesy 7:18.

  12. “Ny zatovolahy izay manana fifandraisana matanjaka sy tsara amin’ny fianakaviana [Olomasin’ny Andro Farany] iray, sy ny namany, ary ireo mpitarika, izay manampy azy ireo hanana fifandraisana amin’ny Rainy any An-danitra, no ireo izay azo antoka kokoa fa hijanona ho mazoto. Ireo fandaharan’asa manokana, toy ny fandaharam-pampianarana ny alahady, ny fandaharan’asan’ny fiaraha-mientana ho an’ny [Zatovolahy], ny zavatra tontosan’ny tena manokana izay andrandraina … dia mety ho zara raha hisy fiantraikany raha tsy misy an’ireo fifandraisana ireo. … Ny fanontaniana manan-danja dia tsy ny halehiben’ny fihavahan’ny fomba hanatanterahana ireo fandaharan’asa manokana, fa ny fomba hitondran’izy ireo kosa anjara biriky amin’ny fampisiana fifandraisana tsara izay mampatanjaka ny maha-izy azy ara-pivavahana an’ireo zatovolahy [Olomasin’ny Andro Farany]” (“Be with Them,” ChurchofJesusChrist.org/callings/aaronic-priesthood-quorums/my-calling/leader-instruction/be-with-them).

  13. Jereo ny “Connect Them with Heaven,” ChurchofJesusChrist.org/callings/aaronic-priesthood-quorums/my-calling/leader-instruction/connect-them-with-heaven.

  14. Jereo ny Jaona 15:1–5; 17:11; Filipiana 4:13; 1 Jaona 2:6; Jakôba 1:7; Ômnia 1:26; Môrônia 10:32.

  15. Feno ohatra amin’ireo ao amin’ny soratra masina, ary ireto misy roa amin’izany fotsiny: 1 Nefia 2:16; Enôsa 1:1–4.

  16. Jereo ny Lioka 24:32; 2 Nefia 33:1–2; Jakôba 3:2; Môrônia 8:26; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3.

  17. Jereo ny 2 Timoty 3:15–16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:3–4; 88:66; 113:10.

  18. Jereo ny 1 Tesaloniana 1:5; Almà 26:13; 31:5; Helamàna 3:29; 5:17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–6; 42:61; 43:8–10; 50:17–22; 68:4.

  19. Jereo ny Jaona 6:63; 17:17; Almà 5:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:43–45; 88:66; 93:36.

  20. Jereo ny Jaona 15:3; 1 Petera 1:23; Môzià 1:5; Almà 5:7, 11–13; 32:28, 41–42; 36:26; 62:45; Helamàna 14:13.

  21. Jereo ny 2 Nefia 31:19–21; 32:3, 5.

  22. Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 67.

  23. Dale G. Renlund, “Misafidiana ianareo anio,” Liahona, nôv. 2018, 104.

  24. Tafiditra ao anatin’io isa io ireo zavatra takiana amin’ny fandaharan’asan’ny Skotisma, izay mbola isan’ny fandaharan’asan’ny fiaraha-mientan’ny Fiangonana vao tsy ela izay ho an’ireo zazalahy sy sy zatovolahy, indrindra fa tao Etazonia sy Kanadà. Any amin’ireo faritra izay tsy nandray anjara tamin’ny Skotisma dia 200 mahery no isan’ny zavatra notakiana. Ankoatra izay dia voarafitra tamin’ny fomba hafa ireo fandaharan’asan’ny fiaraha-mientana isan-karazany an’ny zazalahy, zazavavy, zatovolahy ary zatovovavy, ka nahatonga ireo zavatra rehetra ireo ho sarotra tanterahina ho an’ny fianakaviana.

  25. Jereo ny “Let Them Lead,” ChurchofJesusChrist.org/callings/aaronic-priesthood-quorums/my-calling/leader-instruction/let-them-lead.

  26. Jereo ny Ômnia 1:26; 3 Nefia 9:20; 12:19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34. “Ny fivavahana izay tsy mitaky fahafoizana ny zava-drehetra dia tsy manana hery ampy velively hiteraka ny finoana ilaina ho amin’ny fiainana sy ny famonjena” (Lectures on Faith [1985], 69).

  27. Ezra Taft Benson, The Teachings of Ezra Taft Benson (1988), 167; ao amin’ny Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera (2019), 13; jereo koa ny Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely,” HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org.

  28. Fivoriana niarahana tamin’ny Loholona David A. Bednar, jereo ihany koa ny “Torolalana momba ny fitarihana mikasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, taona 2020,” 27 feb., 2020, ChurchofJesusChrist.org/family-history.

  29. Neal A. Maxwell, “Unto the Rising Generation,” 11. Notohizan’ny Loholona Maxwell hoe: “Raha ny fomba fanatanterahana asa no jerena, dia firy ireo fiadidian’ny kôlejin’ny diakona sy mpampianatra izay ahitana olona voantso mba hanao vavaka sy hizara ny fanasan’ny Tompo fotsiny? Ry rahalahy isany, fanahy tena miavaka izy ireo, ary afaka manao zavatra manan-danja izy ireo raha omena fahafahana hanao izany!”

  30. Jereo ny General Handbook: Serving in The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, 2.2, ChurchofJesusChrist.org.

  31. Maro ireo loharanom-pitaovana misy ao amin’ny Bibliothèque de l’Évangile mba hanampiana ny zatovo hitarika, anisan’izany ny “Quorum and Class Presidency Resources,” “Fampiasana ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kôlejin’ny Fisoronana sy ny Kilasin’ny Zatovovavy, ” ary ireo loharanom-pitaovana ho an’ny zatovovavy sy ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna ao amin’ny “Antso eo anivon’ny paroasy.”

  32. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely,” HopeofIsrael.ChurchofJesusChrist.org. Nandritra io fampaherezam-panahy io dia hoy ny Filoha Nelson hoe: “Natokan’ny Raintsika any An-danitra ny maro amin’ireo fanahiny mahery indrindra—aleo angamba ataoko hoe ny ekipany mahery indrindra—ho an’ity dingana farany ity. Ireo fanahy mahery ireo—ireo mpilalao tena mahay ireo, ireo maherifo ireo—dia ianareo!”.

  33. Russell M. Nelson, teny fampidirana ao amin’ny “Ankizy sy Zatovo: Tafasiry miaraka amin’ny Loholona Gerrit W. Gong,” 17 nôv, 2019, broadcasts.ChurchofJesusChrist.org.

  34. Hoy ny Filoha Nelson hoe: “Mila mamela ny tanora hitarika isika, indrindra fa ireo izay nantsoina sy natokana mba hanompo ao amin’ny fiadidian’ny kilasy sy ny kôlejy. Ny fahefan’ny fisoronana dia efa natolotra azy ireo. Hianatra ny fomba hahazoana fitaomam-panahy amin’ny fitarihana ny kilasiny na ny kôlejiny izy ireo” (ao amin’ny “Horonan-tsary fampahafantarana ny Ankizy sy Zatovo,” 29 septambra 2019, ChurchofJesusChrist.org).

    Hoy ny Loholona Quentin L. Cook hoe: “Angatahina ny zatovontsika mba handray andraikitra manokana bebe kokoa dieny vao herotrerony, ka tsy ataon’ireo ray aman-dreny na ireo mpitarika ny zavatra azon’ny zatovo atao irery” (“Fanovana mba hanamafisana orina ny zatovo,” Liahona, nôv. 2019, 40).

  35. Nampianatra ny Filoha George Q. Cannon hoe: “Notehirizin’ Andriamanitra ho an’ity fotoampitantanana ity ireo fanahy izay manana ny risipo sy fahavononana hiatrika izao tontolo izao sy ireo hery rehetran’ilay ratsy, na ny hita maso na ny tsy hita maso, mba hanambara ny filazantsara sy hampiorina ny fahamarinana ary hanangana ilay Zionan’ilay Andriamanitsika ka tsy matahotra izay rehetra mety ho vokany. Nandefa ireo fanahy ireo ato anatin’ity taranaka ity Izy mba hanorina ny fototr’i Ziona ka tsy hirodana na oviana na oviana, sy hanangana taranaka izay ho olo-marina sy hanaja an’ Andriamanitra, sy hanaja Azy tokoa, ary hankato Azy na inona na inona zava-mitranga” (“Remarks,” Deseret News, May 31, 1866, 203); jereo koa ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 186.

  36. Môrônia 10:32.