2010
Krismasin’ny Misiônera
Desambra 2010


Ho an’ny Tanora

Krismasin’ny Misiônera

Nandritra ny Krismasy faharoako tamin’ny naha-misiônera tamin’ny fotoana feno ahy, dia nitsidika mpikambana vao vita batisa vao haingana sy ny fianakaviany izaho sy ny namana mpiara mitory tamiko. Taorian’ny sakafo Krismasy nahafa-po dia nizara ny hafatra momba ny Krismasy ho azy ireo izahay.

Nangataka ny fianakaviana izahay hanao sary izay nampahatsiahy azy ireo ny vanimpotoan’ny Krismasy, tahaka ny kintana, ny fanomezana, ny fahaterahan’ny Mpamonjy, ary hazo noely. Avy eo dia namaky soratra masina izahay ary anisan’izany ny 2 Nefia 19:6: “Fa zaza no teraka ho antsika; zazalahy no omena antsika, ary ny fanapahana dia ho eo an-tsorony; ary ny anarany antsoina hoe: Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Ny Ray Maharitra Mandrakizay, Ny Andrian’ ny Fiadanana.” Nihira ny “Once in Royal David’s City” (Hymns, no. 205) izahay, ary nijery horonan-tsary momba ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, ary nijoro ho vavolombelona momba Azy.

Fotoan’ny Krismasy tamin’ny fomba tsotra izany, lavitry ny fianakavianay sy ny fomba fankalazana ny Krismasy izay nahazatra anay, kanefa rehefa nijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy izahay, dia nahatsapa fitiavana lalina kokoa sy fankasitrahana bebe kokoa Azy sy ny fahaterahany noho ny efa fantatro teo aloha. Nahatsapa aho fa izany no Krismasy farany amin’ny fanompoako ny Raiko any an-danitra amin’ny maha-misiônera mitory amin’ny fotoana feno ahy, kanefa takatro fa ny Fanahiny dia afaka nijoro ho vavolombelona tamiko ny amin’ny Zanakalahiny na taiza na taiza nisy ahy.