2011
Manamafy Orina ny Fianakaviana amin’ny alalan’ny Fizakan-tena Ara-nofo
Jona 2011


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Jiona 2011

Manamafy Orina ny Fianakaviana amin’ny alalan’ny Fizakan-tena Ara-nofo

Halalino ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao.

Finoana • Fianakaviana • Fanampiana

Ny fiezahana hizaka tena—fahafahana mikarakara ny tenantsika sy ny fianakaviantsika—dia andraikitry ny rahavavy rehetra. Lasa mizaka tena isika rehefa mianatra mitia asa, rehefa mikatsaka fitaomam-panahy mba hahitana fomba tena tsara hahazoana ireo zavatra ilaintsika ary rehefa miara-miasa amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hahazoana ireo zavatra fototra ilaina.

Rehefa mizaka tena isika dia mampiasa ireo fitahiana sy loharano ananantsika mba hiomanana sy hisorohana ireo olana. Ny fizakan-tena anefa dia mitombo rehefa mivavaka isika mba hanana herim-po hiatrehana amim-pinoana ireo olana izay azo antoka fa ho avy. Ny fizakan-tena ihany koa dia manome fahafahana antsika hitandrina ilay fanekempihavanana nataontsika dia ny mba hikarakara ny hafa.

Ampianarina momba ireo fitsipika sy fahaiza-manao mikasika ny fizakan-tena isika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Ireo rahavavy dia afaka mianatra momba ny fitantanam-bola, ny fialana amin’ ny trosa, ireo fahaiza-manao ilaina eo amin’ny asa, ny soratra masina sy ny filazantsara, ny fampianarana ny hafa hamaky teny sy hanoratra, ny teknôlôjia, ny fahasalamana ara-batana, ny fananana bika tsara, ny fisorohana sy ny fanasitranana ny fiankinan-doha amin-javatra, ny fahasalamana ara-tsôsialy sy ara-pihetsehampo, ny fisorohana ny aretina, ny fanaovana zaridaina, ny famokarana sy fitehirizana sakafo, ny fiomanana amin’ny voina tampoka ary zavatra maro hafa izay hanampy antsika ho lasa hizaka tena.1

Nanazava i Julie B. Beck, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe: “Ny fanomezantsika izay ilaina ho an’ny tenantsika sy ho an’ny hafa dia porofo fa mpianatr’i Jesoa Kristy Tompo isika. … Raha maty tampoka [ny rafozambaviko] tamin’ny taona lasa dia namela porofo nivaingana izy izay nampiseho ilay fiainany feno fizakan-tena. Nanana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery izy ary soratra masina sy ireo boky fandalinana filazantsara nampiasaina araky ny tokony ho izy. Nozarainay tamim-pitiavana ireo vilany, sy lapoaly ary lovia izay nanomanany sakafo an’arivony. Namela bemiray maro izy, izay nozairiny avy tamin’ireo akanjo efa tonta. Izy dia nino ilay fomba fiteny manao hoe: ‘Ampiasao izany, tafio izany, manaova zavatra avy amin’izany, na tohizo ny fiainana na tsy misy aza izany. ’ Hitanay ireo sakafo izay namboleny, sy notehiriziny ary natobiny. Ny tena nampihetsi-po dia ireo bokikely fanoratany ny fandehan’ny volany izay niraketany foana ny vola nolaniany nandritra ny taona maro. Satria niaina fiainana nitsinjo ny hoavy izy dia namela ny vola izay notehiriziny ho an’ny voina tampoka, ary tsy mba namela trosa! Fa ny zava-dehibe indrindra dia ny nampianarany sy nanomezany fanentanam-panahy an’ireo maro hafa tamin’ny alalan’ny fahaiza-manao azony nandritra ny fiainany feno finoana.2

Avy amin’ny Soratra Masina

Jaona 13:34–35; Jakoba 1:27; Môsià 4:26; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:34–35; 38:30; 44:6

Avy amin’ny Tantarantsika

Ireo rahavavin’ny Fikambanana Ifanampiana dia nandray anjara foana tamin’ny asa famonjena fanahy ara-nofo sy ara-panahy. Mandritra ny fivorian’ny Vehivavin’ny Fikambanana Ifanampiana tao Nauvoo isan-kerinandro dia manao tatitra an’ireo olona mila fanampiana ireo rahavavy. Ireo fanomezana toy ny vola, zavatra, talenta ary fotoana dia nozaraina mba hanamaivanana ny sahirana. Izany asa fototry ny fanamaivanana ny fijaliana izany dia nitohy ho asan’ny Fikambanana Ifanampiana tao anatin’ny taranaka maro nifandimby.

Rehefa tonga tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake ireo Olomasina dia nanoro hevitra ireo rahavavy ny Filoha Brigham Young (1801–77) mba hanampy izay sahirana sy hianatra fahaiza-manao izay hanome fahafahana azy ireo hikarakara ny tenany. Nilaza izy hoe: “Mianara mamelona ny tenanareo. Manangòna varimbazaha sy lafarinina ary tehirizo ho an’ny fotoan’ny tsy fisiana izany.”3 Ny Fikambanana Ifanampiana eo ambanin’ny fitarihan’ny fisoronana dia manohy mampianatra ny fizakan-tena sy miaro ny fianakaviana ary mamporisika ny mba hananana ny fahamarinan’ny tena manokana sy fanaovana asa fiantrana izay ilay fitiavana madion’i Kristy.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Manuel 2: Administration de l’Église (2010), 9.4.2.

  2. Julie B. Beck, “Ireo Andraikitra Mikasika ny Fifanampiana hazonin’ny Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana,” Fitsipika Fototry ny Fifanampiana sy ny Fizakan-tena (2009), 7.

  3. Enseignements des Présidents de l’Église: Brigham Young [1997], 231.

  1. Ahoana no ahafahako manampy ireo rahavaviko sy ny fianakaviany hivoatra eo amin’ny lafin’ny fizakan-tena ara-nofo?

  2. Ahoana no ahafahako mampivoatra ny fizakan-tenako manokana ara-nofo?