2012
Loholona Stanley G. Ellis
Mey 2012


Loholona Stanley G. Ellis

Ao amin’ ny Fitopololahy

Sary
Loholona Stanley G. Ellis

Ny Loholona Stanley G. Ellis dia nahafantatra fa tsy misy na iza na iza afaka manaporofo ara-tsiantifika ny fisian’Andriamanitra, saingy tany amin’ny Oniversiten’i Harvard dia nianatra izy fa afaka manome porofo momba an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fisedrana ireo fampanantenany. Teo antenantenan’ny taona voalohany naha-mpianatra azy tany tamin’ny oniversite dia tsy nanam-bola izy ary tsy maintsy nanana asa mba hanampy azy handoa izay vola mivoaka aminy. Na dia niahiahy aza izy ny amin’ny hoe handoa fahafolonkarena ary mbola hanefa ny zavatra rehetra nilany vola, dia nanapa-kevitra izy fa “hizaha toetra” ny Tompo (jereo ny Malakia 3:10).

“Naloako aloha ny fahafolonkarenako ary dia nisy fahagagana nitranga,” hoy ny Loholona Ellis, izay nantsoina vao haingana mba hiala ao amin’ny Kôlejy Faharoan’ny Fitopololahy ho ao amin’ny Kôlejy Voalohany. “Nanana vola ampy niainako mandrapahatonga ny fandraisan-karama manaraka aho. Ary niseho isaky ny roa herinandro izany nandritra ilay enim-bolana iray manontolo. Tamin’ny alalan’ny fisedrana ny Tompo dia nanamafy orina ny fijoroako ho vavolombelona aho fa misy Izy ary mitazona ny fampanantenany.

Ny Loholona Ellis dia zanak’i Stephen sy Hazel Ellis teraka tamin’ny Janoary 1947 tany Burley, Idaho, Etazonia. Herintaona taorian’ny nianarany tany Harvard dia nanao asa fitoriana tany amin’ny Misiônan’i Brésil izy nanomboka tamin’ny 1966 ka hatramin’ny 1968. Taorian’ny fiverenany dia nanambady an’i Kathryn Kloepfer izy ny Jiona 1969 tao amin’ny Tempolin’i Los Angeles Californie. Ray manan-janaka valo izy ireo.

Taorian’ny nahazoany mari-pahaizana licence tao Harvard, dia nahazo mari-pahaizana mikasika ny lalàna avy tao amin’ny Brigham Young University izy.

Talohan’ny antsony ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy, ny Loholona Ellis dia nanompo tao amin’ny fiadidian’ny Vondrom-paritra Atsimo Andrefana ao Amerika Avaratra, tao amin’ny fiadidian’ny Vondrom-paritra Avaratra ao Brésil, tao amin’ny fiadidian’ny Vondrom-paritr’i Brésil ary tao amin’ny Kaomity misahana ny Sisin-tanin’ny Faritra sy ny Fiovana eo amin’ny Mpitarika. Tamin’ny 1999 ka hatramin’ny 2002 izy dia filohan’ny Misiônan’i São Paulo Avaratra, Brésil izy. Izy koa dia efa filohan’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, filohan’ny kôlejin’ny loholona, ary filohan’ny Zatovolahy tao amin’ny paroasy sy tao amin’ny tsatòka.