2012
Ny Fampianarana Ho an’izao Androntsika izao
Mey 2012


Ny Fampianarana Ho an’izao Androntsika izao

Ny leson’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana amin’ny Alahady Fahaefatra dia hifantoka amin’ny “Fampianarana Ho an’izao Androntsika izao.” Ny lesona tsirairay dia azo omanina avy amin’ny lahateny iray na maromaro tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra (jereo ny tabilao etsy ambany). Afaka misafidy izay lahateny tokony ho ampiasaina ny filohan’ny tsatòka sy ny distrika, na manome izany andraikitra izany ho an’ireo eveka sy filohan’ny sampana. Tokony homen’ny mpitarika lanja ny maha-zava dehibe ny fandalinan’ny rahalahy ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana lahateny mitovy amin’iny Alahady iny.

Ireo izay manatrika ny lesona atao ny Alahady fahaefatra dia amporisihana handalina ny laharana farany amin’ny gazetiboky izay ahitana ny fihaonamben’ny Fiangonana ary hitondra izany mandritra ny fotoam-pianarana.

Torohevitra Enti-manomana ny Lesona avy amin’ireo Lahateny

Mivavaha mba hanananao ny Fanahy Masina hiaraka aminao rehefa mandalina sy mampianatra ny lahateny ianao. Mety alaim-panahy hanomana ny lesona amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana hafa ianao, kanefa ny lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana no fandaharam-pampianarana nahazoana lalana. Ny andraikitrao dia ny manampy ny hafa hianatra sy hiaina ny filazantsara araky ny nampianarana azy nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra.

Avereno jerena ireo lahateny, ary tadiavo ireo fitsipika sy fotopampianarana izay hamaly ny hetahetan’ny mpianatra ao an-dakilasy. Tadiavo koa ireo tantara, sy andinin-tsoratra masina ary teny nambaran’ny olona iray ao amin’ireo lahateny izay mety hanampy anao hampianatra ireo fahamarinana ireo.

Manaova rindran-damina mba ho entina hampianarana ireo fitsipika sy fotopampianarana. Ny rindran-damina ataonao dia tokony hahitana fanontaniana izay hanampy ireo mpianatra ao an-dakilasy:

  • Hahita ireo fitsipika sy fotopampianarana ao amin’ny (ireo) lahateny.

  • Hisaintsaina ny dikan’izy ireny.

  • Hizara ny fahatakarany, ny heviny sy ny zavatra niainany ary ny fijoroany ho vavolombelona.

  • Hampihatra eo amin’ny fiainan’izy ireo izany fitsipika sy fotopampianarana izany.

Volana Hampianarana ireo Lesona

Fitaovana Ampiasaina ho an’ny Fampianarana isaky ny Alahady Fahaefatra

Aprily 2012–Ôktôbra 2012

Lahateny nozaraina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana volana Aprily 2012 *

Ôktôbra 2012–Aprily 2013

Lahateny nozaraina nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana volana Ôktôbra 2012 *

  • Raha mikasika ireo lesona ho an’ny Alahady fahaefatra amin’ny volana Aprily sy Ôktôbra dia azo fidiana avy ao amin’ny fihaonambe talohan’ny farany na izay farany indrindra ireo lahateny. Hita amin’ny fiteny maro ao amin’ny conference.lds.org ireo lahateny ireo.