2012
Eo Antenatenan’ny Fiomananao Hanao Asa Fitoriana
Jolay 2012


Ho an’ny Tanora

Eo Antenatenan’ny Fiomananao Hanao Asa Fitoriana

Ny Filoha Uchtdorf dia nilaza tamin’ny misiônera mba hihevitra ny tenan’izy ireo toy ny eo antenatenan’ny asa fitoriana ataon’izy ireo. Azonao ampiharina koa izany hevitra izany eo amin’ny fiomananao hanao asa fitoriana: na 12 taona ianao na 18 taona, dia afaka miomana hanao asa fitoriana.

Inona no zavatra sasany azonao atao “eo antenatenan’ny” fiomananao hanao asa fitoriana?

  • Aoka ianao ho mendrika mandrakariva hiditra ny tempoly.

  • Mianara mamantatra ny bitsiky ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fandraisana an-tsoratra ny bitsika azonao sy ny fandraisana andraikitra mifanaraka amin’izany.

  • Mivavaha ho an’ireo misiônera.

  • Angataho ireo misiônera eo amin’ny faritra misy anao mba hanoro anao ny zavatra hitan’izy ireo fa tokony hatanao mba hiomananao amin’ny asa fitoriana.

  • Mianara mandrindra am-pahombiazana ny fotoananao, ka ao anatin’izany ireo zavatra manan-danja toy ny fanaovana asa fanompoana, ny fandalinana ny soratra masina, ary ny fanoratana ao anaty diary.

  • Rehefa miresaka amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana, dia zarao izay soratra masina nanentana ny fanahinao tato ho ato. Hazavao izay eritreritrao mikasika ilay soratra masina.

  • Anontanio ireo namanao ny mikasika ny fivavahany sy ny zavatra inoan’izy ireo. Mivonòna hizara ireo zavatra inoanao. Asao izy ireo ho aty am-piangonana na hanatrika fiaraha-mientana.

Rehefa fantatrao fa eo antenatenan’ny fiomananao hanao asa fitoriana ianao, dia afaka miaina fiainana mendrika kokoa ny fahatokian’ny Tompo sy ny hanana ny Fanahy ho namana.