2012
Eo Antenantenany Mandrakariva
Jolay 2012


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Jolay 2012

Eo Antenantenany Mandrakariva

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

Araka ny ankamaroan’ny alimanaka an’izao tontolo izao, dia ny volana Jolay no manamarika ny fisasahan’ny taona. Raha toa ka ankalazaina ny fiantombohana sy ny fiafaran-javatra, dia matetika tsy mba misy mahatsikaritra ny eo antenantenany.

Ny fiantombohana dia fotoana fandraisana fanapahan-kevitra, sy fanaovana drafitra, ary fitobahan’ny hery. Ny fiafarana dia fotoana famaranana sy mety ahitana fahatsapana fahatontosana na tsy fahombiazana. Kanefa raha amin’ny fijery tsy miangatra, ny fametrahantsika ny tenantsika ho eo antenantenan-javatra dia afaka manampy antsika tsy hoe hahatakatra tsaratsara kokoa fotsiny ny fiainana fa koa hiaina izany amin’ny fomba misy dikany kokoa.

Eo Antenantenan’ny Fanaovana Asa Fitoriana

Rehefa miresaka amin’ireo misiônera vao herotrerony aho, dia matetika no milaza amin’izy ireo hoe eo antenantenan’ny asa fitoriana ataony izy ireo. Angatahiko na ireo izay vao tonga ny omalin’iny na ireo izay handeha hody ny ampitson’iny, mba hihevitra ny tenany foana ho toy ny eo antenantenany.

Ireo misiônera vaovao dia mety hahatsiaro ho tsy ampy traikefa loatra hahafahana mahita fahombiazana ka dia manemotra ny firesahana sy ny fanaovan-javatra amim-pahatokiana sy amim-pasahiana. Ireo misiônera efa zatra ady izay efa manakaiky ny fahavitan’ny asa fitoriany dia mety hahatsapa alahelo hoe efa hifarana ny asa fitoriany, na mety tsy dia hiasa mafy loatra intsony satria mandinika ny zavatra izay ho ataon’izy ireo aorian’ny asa fitoriany.

Na inona na inona toe-javatra misy ary na aiza na aiza hanompoan’izy ireo, ny marina dia mamafy voan’ny vaovao mahafaly tsy hita isa isan’andro ireo misiôneran’ny Tompo. Ny fiheveran’izy ireo ny tenany ho eo antenantenan’ny asa fitoriany foana dia hanome faharisihana sy hery ireo solontena mahatokin’ny Tompo ireo. Raha toy izany ny an’ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno dia toy izany koa ny antsika rehetra.

Eo Antenantenany Foana Isika

Ity fiovana eo amin’ny fomba fijery ity dia mihoatra lavitra noho ny kilalaon-tsaina fotsiny. Misy fahamarinana tena lehibe ao ambadiky ny hevitra hoe eo antenantenany foana isika. Raha toa ka mijery ny toerana misy antsika eo amin’ny sarintany isika, dia alaim-panahy isika hiteny hoe eny amin’ny lohany isika. Fa rehefa mijery akaiky kokoa isika, na aiza na aiza misy antsika dia eo antenantenan’ny toerana iray lehibe kokoa fotsiny no misy antsika.

Raha izany no fitrangany eo amin’ny toerana dia toy izany koa ny eo amin’ny fotoana. Mety mahatsapa isika hoe any am-piantombohana na any amin’ny fiafaran’ny fiainantsika, kanefa rehefa mijery ny toerana misy antsika isika eo anatrehan’ny mandrakizay —rehefa mahatsapa isika fa ny fanahintsika dia efa nisy nandritra ny fotoana maro izay mihoatra noho izay azontsika refesina, ary noho ny sorona tonga lafatra sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, dia hitohy hisy any amin’ilay mandrakizay izay ho avy ny vatantsika sy ny fanahintsika—dia afaka mahafantatra isika fa hoe tena eo antenantenany marina.

Vao tsy ela akory izay aho no nahatsapa fa tokony hamerina hanamboatra ilay tsangambato teo amin’ny fasan’ny ray aman-dreniko. Simban’ny fotoana ilay fasana, ka dia nahatsapa aho fa ny fametrahana tsangambato vaovao dia mendrika kokoa ilay fiainan’izy ireo izay tena fakan-tahaka. Rehefa nojereko ilay daty nahaterahana sy ilay daty nahafatesana teo amin’ilay tsangambato izay nampifandraisan’ilay tsipi-panohizana kely tsy misy dikany loatra fanao amin’izany, dia tampoka teo dia nofenoin’io marika kely maneho ny halavan’ny andro niainana io fahatsiarovana tsara maro ny saiko sy ny foko. Ireo fahatsiarovana manan-danja tsirairay ireo dia samy naneho fotoana iray teo antenatenan’ny fiainan’ny ray aman-dreniko sy teo antenatenan’ny fiainako.

Na firy taona isika, na aiza toerana misy antsika, rehefa misy zavatra miseho eo amin’ny fiainantsika, dia eo antenantenany foana no misy antsika. Ary ankoatra izay dia ho eo antenatenany foana isika mandrakizay.

Ny Fanantenana Azo avy amin’ny Maha eo Antenatenany

Eny, hisy ny fotoam-piantombohana sy fotoam-piafarana mandritra ny fiainantsika, saingy ireo dia marika eny an-dalana fotsiny ihany izay manamarika ilay antenantenany lehibe eo amin’ny fiainantsika mandrakizay. Na any am-piantombohana isika na any amin’ny farany, ary na tanora isika na antitra, dia afaka mampiasa antsika ny Tompo ho an’ny tanjony raha toa ka manala fotsiny izay mety ho eritreritra mametra ny fahafahantsika manompo sy mamela ny sitrapony hamolavola ny fiainantsika.

Hoy ny Mpanao Salamo hoe: “Ity no andro nataon’i Jehovah; [tokony] hifaly sy ho ravoravo amin’izao isika” (Salamo 118:24). I Amioleka dia mampahatsiahy antsika fa “izao fiainana izao no fotoana ho an’ ny olona mba hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra; eny, indro, ny andron’ izao fiainana izao no andro ho an’ ny olona mba hanatontosany ny asany” (Almà 34:32; nampiana fanamafisana). Ary ny mpahay tononkalo iray dia nilaza fa “Ny Mandrakizay—dia fitambaran’ireo Ankehitriny.”1

Ny fitoerana ho eo antenatenany foana dia midika fa tsy hifarana mihitsy ny lalao, tsy ho very mihitsy ny fanantenana, ary ny faharesena dia tsy midika mihitsy hoe ny faran’ny zavatra rehetra. Fa na aiza na aiza misy antsika ary na inona na inona toe-javatra eo amin’ny fiainantsika, dia misy fiantombohana maro mandritra ny mandrakizay sy fiafarana maro mandritra ny mandrakizay eo anoloantsika.

Eo antenatenany mandrakariva no misy antsika.

Fanamarihana

  1. Emily Dickinson, “Forever—is composed of Nows,” tao amin’ny The Complete Poems of Emily Dickinson, edisiona nataon’i Thomas H. Johnson (1960), 624.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Mifanakaloza hevitra amin’ny fianakaviana mikasika ny fomba maha “eo antenatenany mandrakariva” azy ireo na dia manomboka zavatra iray aza izy ireo na mamarana zavatra iray. Amporisiho izy ireo hanao izay tsara indrindra vitany eo amin’ny zavatra ataony amin’izao fotoana izao, fa tsy hitoetra amin’ny zavatra lasa na hiandry izay asa na fandaharan’asa manaraka. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hisafidy zavatra iray azon’ny fianakaviana iarahana manao mba hampiharana ity torohevitra ity ary hametraka daty izay antenain’izy ireo fa hahatratrarana ilay tanjona.