2012
Fanoroam-pejin’ireo Tantara nandritra ny Fihaonambe
Nôvambra 2012


Fanoroam-pejin’ireo Tantara nandritra ny Fihaonambe

Ity lisitra manaraka ity izay ahitana ireo zavatra niainana nofantenina avy tao amin’ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana dia azo ampiasaina amin’ny fandalinan’ny tena manokana sy ny takarivan’ny mpianakavy ary amin’ny fampianarana hafa. Nalahatra manaraka ny abidia ireo mpandahateny ary ny tarehimarika hita eto dia maneho ny pejy voalohan’ilay lahateny.

Mpandahateny

Tantara

Neil L. Andersen

(39) Tsy nihozongozona ny finoan’ny fianakaviana iray taorian’ny nahafatesan’ilay zanak’izy ireo vavy.

Shayne M. Bowen

(15) Nampianarin’i Shayne M. Bowen sy ilay misiônera mpiara-mitory aminy ilay fianakaviana fa tsy mila atao batisa ny ankizy kely.

Linda K. Burton

(78) Nampian’ny vehivavy iray i Linda K. Burton nandritra ny fitsidihany faharoa tany amin’ny tempoly fony izy vao avy nanambady.

(111) Namoy ny vadiny sy ny zanany iray ilay mpisava lalana Mary Lois Walker nandritra ny famakivakiana ny lohasaha.

Craig C. Christensen

(12) Nahatsapa ny Fanahy Masina i Ben Christensen izay enin-taona rehefa nitsidika ny varavarana misokatry ny tempoly iray.

D. Todd Christofferson

(47) Niasa mafy ny tovolahy iray tany Inde mba hanampiana ny fianakaviany sy handrantoany fahalalana.

Quentin L. Cook

(6) Nanda tsy hihazakazaka mandritra ny Alahady ilay Anglisy mpanao fifaninanana Olimpika Eric Liddell.

Ann M. Dibb

(10) Nanao tamim-pahatokian-tena akanjo ambony ahitana ny fanambarana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana azy ny zatovovavy iray.

Larry Echo Hawk

(32) Hitan’ilay mpanofana an’i Larry Echo Hawk ho miaramila ilay Bokin’i Môrmônany.

Henry B. Eyring

(60) Nisokitra takelaka hazo ho an’ny zanany lahy tsirairay i Henry B. Eyring mba hanehoana ireo fanomezam-pahasoavana nananany.

(72) Nitady an’i Jesoa tany amin’ny varavarana misokatry ny tempoly iray ny zafikelivavin’i Henry B. Eyring.

(72) Niala tany amin’ny Oniversiten’i Stanford i Henry Henry B. Eyring mba hiasa tany Ricks College.

(72) Nivavaka teo amoron-dranomasina ny vinantovavin’i Henry B. Eyring ary nanokana ny fotoany ho an’ny Tompo.

Robert C. Gay

(34) Nanontanian-drainy i Robert C. Gay raha toa ka hivarotra ny fanahiny amin’ny 5 cents.

(34) Nanaraka ny bitsika azony i Robert C. Gay mba hanampy ankizilahy iray nitomany teo amin’ny sisin-dalana.

Daniel L. Johnson

(101) Nandeha tany amin’ny tempoly ireo Olomasin’ny Andro Farany taorian’ny namotehan’ny oram-baratra ny voankazo vokatr’izy ireo.

Thomas S. Monson

(68) Taitra i N. Eldon Tanner nahita lehilahy efatra naroso handray fisoronana.

(68) Nentanin’ny fanahy mba hiantso ireo filohan’ny sampana i Thomas S. Monson.

(68) Nizara ny fijoroany ho vavolombelona tamin’ny mpanjakan’i Tonga i John H. Groberg.

(86) Nanaraka ny bitsika iray azony mba hanome sosokevitra mikasika ny asa fitoriana i Thomas S. Monson.

(86) Nanaraka bitsika iray izay azony mba hamangy namana iray any amin’ny hopitaly i Thomas S. Monson.

(86) Namporisika tovolahy iray mba hanao asa fitoriana i Thomas S. Monson.

(86) Voavaly ny vavaka nataon’ireo zatovo nandritra ny fampisehoana ara-kolontsaina ho an’ny tempoly iray.

Russell M. Nelson

(18) Nanaraka ny bitsika azony mba “hanakana ireo tovolahy nitaingina bisikileta” ny lehilahy iray.

Russell T. Ogusthorpe

(96) Nampian’ny zatovo nanatrika ny Sekoly Alahady ireo olona roa autiste mba hizara ny zavatra nianarany.

Boyd K. Packer

(75) Nifanehatra tamin’ny oram-baratra mahery vaika tany amin’ny faritra andrefan’i Samoa ny sambon’i Boyd K. Packer.

Linda S. Reeves

(118) Nitodika tany amin’Andriamanitra i Linda S. Reeves rehefa narary ny vadiny.

Richard G. Scott

(93) Nandamina anarana miisa 2.000 ny zatovo tany Russie ary samy nandefa anaran’ny razambeny anankiray mba hanaovana asa any amin’ny tempoly.

Carole M. Stephens

(115) Nifanampy ireo zatovovavy nandritra ny fanaovana dia iray izay nentina nampisehoana indray ny dia nataon’ireo mpisava lalana.

Gary E. Stevenson

(51) Nandao ilay fety ny mpianatry ny oniversite iray tany Japana rehefa nanda tsy hifoka ilay sigara misy marijuana.

Scott D. Whiting

(37) Nanamboatra zavatra roa tsy nety kely tao amin’ny Tempolin’i Laie Hawai ireo tompon’andraikitra mpanao asa fanarenana ny tempoly.