2012
Nanambarana ny Fisian’ilay Boky Fianarana Vaovao ho an’ny Zatovo ho an’ny taona 2013 ny Fiangonana
Nôvambra 2012


Nanambara mikasika Ilay Boky Fianarana Vaovao ho an’ny Zatovo ho an’ny taona 2013 ny Fiangonana

Ny Fiangonana dia nanambara mikasika ilay boky vaovao—Viens et Suis-moi: Programme D’étude pour les Jeunes—(Avia Manaraka Ahy: Boky Fianarana ho an’ny Zatovo) ho an’ny kilasin’ireo Kôlejin’ny Fisoronana Aharôna, ny kilasin’ny Zatovovavy, ary ny kilasin’ny Sekoly Alahadin’ny zatovo mandritra ny taona 2013.

Ny iray amin’ireo tanjona lehiben’ny Viens et Suis-moi dia ny hanampy ireo mpampianatra—any am-piangonana sy any an-tokantrano—hampianatra tahaka ny nataon’ny Mpamonjy, ka hanao izay hahatonga ny lesona ho toy ny fifanakalozan-kevitra mifantoka amin’ny filazantsara. Hanana anjara asa lehibe kokoa ny zatovo eo amin’ny fampianarana sy ny fianarana.

“Ny zavatra ifantohana dia ny fanamafisana sy ny fanorenana finoana ary ny fiovam-po sy ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fampianarana nivoaka farany avy amin’ireo Manampahefana Ambony sy ireo fiadidian’ny vondrona fanampiny maneran-tany,” hoy ny tao anatin’ny taratasy iray izay avy tany amin’ny Fiadidiana Voalohany ny 12 Septambra.

Ny Viens et Suis-moi dia misy fizarana maro izay mifantoka amin’ny lohahevitra ara-potopampianarana iray isam-bolana ary zaraina any amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady, sy ny kilasin’ny Zatovovavy ary ny kilasin’ny Fisoronana Aharôna.

Ahitana lesona maromaro izay azo ampianarina ao anatin’ny iray volana ny fizarana tsirairay, noho izany dia angatahina ny mpampianatra sy ny mpitarika mba hikatsaka fanentanam-panahy sy hiara-hiasa mba hanapahana izay hevi-dehibe ao anatin’ny lesona tokony ho ampiasaina.

Ny boky vaovao mifono torolalana, Teaching the Gospel in the Savior’s Way (Mampianatra ny Filazantsara araka ny Fomban’ny Mpamonjy), dia hanampy ireo mpianatra sy mpampianatra hahatakatra tsara kokoa ny fomba handrindrana lesona mba hifanaraka amin’izay ilain’ny zatovony manokana sy ny fomba hanampiana ny zatovo mba hianatra ny filazantsara.

Azo sintonina avy amin’ny Internet ny lesona rehetra. Ho tonga amin’ny daty any aoriana any ihany ny boky Viens et Suis-moi. Ireo lohahevi-dehiben’ny lesona rehetra dia ho hita ao amin’ny internet amin’ny fiteny 23 alohan’ny faran’ny taona 2012.

Afaka mijery mikasika ilay boky vaovao ao amin’ny internet ao amin’ny lds.org/youth/learn ny mpikambana, ny mpitarika ary ny mpampianatra.

Hanome fanofanana ny mpitarika sy mpampianatra ireo mpitarika eo amin’ny vondrom-paritra sy eo an-toerana alohan’ny faran’ny taona 2012.

Viens et Suis-moi dia boky vaovao izay hanampy ireo mpampianatra hampianatra araka ny fomban’ny Tompo ary hanampy ny zatovo hiova fo kokoa ao amin’ny filazantsara.

Sary NALAIN’I Christina Smith, © IRI