2014
Rojon-taratasim-pitiavana
Febroary 2014


Ho an’ny Ankizy

Rojon-taratasim-pitiavana

Angataho ny olon-dehibe iray hanampy anao hanapaka taratasy amin’ny endriny lavalava manify miisa 28, eo amin’ny 2,5 sm eo ny sakan’ny tsirairay ary 20 sm ny halavany. Manaova asa fanompoana iray isan’andro amin’ity volana ity mba hampisehoana ny fitiavanao ny olona iray. Mety hanampy ny ray aman-dreninao hanadio ny tranonareo ianao na hanoratra taratasy fohy mahafinaritra ho an’ny mpifanolo-bodirindrina aminao.

Soraty eo amin’ny iray amin’ireo taratasinao lavalava ny fomba nanompoanao isan’andro, ary apetaho amin’ny scotch na dity ireo sisin’ny taratasy avy eo mba hanaovana faribolana iray. Afaka ampifandraisinao ireo faribolana nataonao amin’ny alalan’ny fanitrihana ny sisiny iray amin’ny taratasy vaovao iray ao anatin’ilay faribolana natao tamin’ny andro nialoha izany alohan’ny hametahana miaraka ireo sisiny amin’ny scotch na dity. Jereo ny fitombon’ny rojon-taratasim-pitiavanao! Azonao atao ihany koa ny manampy ny rojon’ny fanompoanao rehefa tapitra ny volana Febroary.