2014
Manompoa ny Tompo amim-pitiavana
Febroary 2014


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Febroary 2014

Manompoa ny Tompo amim-pitiavana

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Nampianatra ny Tompo Jesoa Kristy fa “Na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany: ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko dia izy no hamonjy izany” (Lioka 9:24).

“Mino aho” hoy ny Filoha Thomas S. Monson fa “ny tian’ny Mpamonjy holazaina amintsika dia hoe raha tsy manokana fotoana hanompoana ny hafa isika dia tsy misy antony manan-danja firy ny fiainantsika. Ireo izay miasa ho an’ny tenany irery ihany dia miha-maty tsikelikely ary toy ny hoe mamoy ny ainy, fa ireo izay manokana ny fotoany hanompoana ny hafa kosa dia hitombo sy hiroborobo—ka dia hanavotra ny ainy.”1

Ny Filoha Monson ato anatin’ireto ampahany tamin’ny asa fanompoany ireto dia mampahatsiahy ny Olomasin’ny Andro Farany fa tanan’ny Tompo izy ireo ary miandry ireo izay manompo ny hafa amim-pahatokiana ireo fitahian’ny mandrakizay.

Fanompoana ao amin’ny Tempoly

“Asa fanompoana lehibe no atao rehefa manao ôrdônansy isoloan-tena ireo olona izay efa lasa any am-pitan’ny voaly isika. Amin’ny ankapobeny dia tsy fantatsika ireo izay hanatanterahantsika izany asa izany. Tsy miandry fisaorana isika, na koa hahazo antoka fa hanaiky ny zavatra atolotsika izy ireo. Kanefa dia manompo isika ary hahazo ny zavatra tsy ho azontsika amin’ny fomba hafa mihitsy amin’izany lamina izany: lasa mpamonjy eo amin’ny Tendrombohitr’i Ziona ara-bakiteny isika. Raha nanolotra ny ainy ny Mpamonjy mba hanao sorona hisoloan-tena dia manao toy izany koa isika, amin’ny ampahany kely, rehefa manao asa isoloan-tena any amin’ny tempoly ho an’ireo izay tsy manana fahahafana handroso raha tsy misy zavatra ataontsika ho azy ireo eto an-tany.2

Tanan’ny Tompo isika

“Ry rahalahy sy anabavy, voahodidin’ireo olana izay mila ny fifantohantsika, ny famporisihantsika, ny fanohanantsika, ny fampiononantsika, ny hatsaran-teotrantsika isika—mety ho olona ao amin’ny fianakaviana izy ireo, na namana, na olom-pantatra na olona hafa mihitsy. Isika no tanan’ny Tompo ety an-tany, ary nodidiana mba hanompo sy hampitraka ireo zanany. Miantehatra amintsika tsirairay Izy. …

“Izany asa fanompoana izay niantsoana antsika tsirairay izany dia ny fanompoana ny Tompo Jesoa Kristy.”3

Fanompoana Araka ny Ohatry ny Mpamonjy

“Ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty dia nanambara tao Amerika hoe: ‘Ary fantatrareo ny zavatra izay tsy maintsy ataonareo ao amin’ ny fiangonako; fa ny asa izay efa hitanareo nataoko no hataonareo koa; fa izay efa hitanareo nataoko dia izany no hataonareo”. [3 Nefia 27:21].

“Mitahy ny hafa isika rehefa manompo araka ny ohatr’i ‘Jesoa avy any Nazareta … izay nandehandeha nanao soa’. [Asan’ny Apôstôly 10:38]. Andriamanitra dia mitahy antsika mba hahita hafaliana ao anatin’ny fanompoana ny Raintsika any an-danitra rehefa manompo ny zanany eto an-tany isika.”4

Ny Filàna Hanompo

“Tokony homena fahafahana hanompo isika. Azontsika katsahina amim-bavaka ireo fomba hanampiantsika ireo mpikambana izay lasa malaina na misalasala hirotsaka amin’ ny fahazotoana feno. Ny fangatahana azy ireo hanompo amin’ ny anjara asa sasany mihitsy no mety ho tena antony aharisika azy ireo hiverina amin’ ny fahazotoana tanteraka. Kanefa toa miahotra ny hanao izany ireo mpitarika izay afaka manampy azy ireo amin’ izany lafiny izany. Mila mahatadidy isika fa afaka miova ny olona. Afaka miala amin’ ireo fahazaran-dratsiny izy ireo. Afaka mibebaka tamin’ ny fandikan-dalany izy ireo. Afaka mihazona amim-pahamendrehana ny fisoronana izy ireo. Ary afaka manompo ny Tompo amim-pahazotoana.”5

Moa ve isika manao izay rehetra tokony ho ataontsika?

“Mila ny fanampia[ntsika] izao tontolo izao. Moa ve isika manao izay rehetra tokony hataontsika? Tsaroantsika ve ny tenin’ ny Filoha John Taylor: “Raha tsy milofo amin’ ny antsonareo ianareo dia ho raisin’ Andriamanitra ho tompon’ andraikitra ianareo mahakasika ireo olona izay mety ho voavonjinareo raha nanao ny andraikitrareo ianareo’? [Enseignement des Présidents de l’Église: John Taylor (2001), 164]. Maro ireo tongotra tokony hatanjahina, tanana ho sintonina, saina ho hamafisina, fo ho entanina ary fanahy tokony ho vonjena. Miandry anareo ireo fitahian’ ny mandrakizay. Anareo ny andraikitra tsy ho mpitazana fa ho mpandray anjara eny amin’ ny sehatra ho an’ny asa fanompoana.”6

Fanamarihana

  1. “Inona No Zavatra Nataoko ho an’ny Hafa Androany?” Liahona, Nôv. 2009, 85.

  2. “Mandrampihaonantsika Indray,” Liahona, Mey 2009, 113–14.

  3. “Inona No Zavatra Nataoko ho an’ny Hafa Androany?” 86, 87.

  4. “The Savior’s Call to Serve,” Liahona, Aog. 2012, 5.

  5. “Mijery Ny Hafa Araka izay Mety ho Ahatongavany,” Liahona, Nôv. 2012, 68.

  6. “Manam-piniavana sy Mendrika ny Hanompo,” Liahona, Mey 2012, 69.

  7. L’Enseignement, Pas de Plus Grand Appel: Guide pour l’enseignement de l’Evangile (1999), 12.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

“Raha toa ka manana fitiavana tahaka ny an’i Kristy ianao dia ho vonona ny hampianatra ny filazantsara bebe kokoa. Ho entanim-panahy ianao hanampy ny hafa hahafantatra ny Mpamonjy sy hanaraka Azy.” Mivavaha mba hanana fiantrana mitombo hatrany ho an’ireo izay vangianao. Rehefa mikolokolo fitiavana tahaka ny an’i Kristy ho azy ireo ianao dia hanana fahafahana hanompo tsaratsara kokoa amin’ny fomba tena manan-danja na ho an’ny Tompo na ho an’ireo izay ampianarinao.